diso ve za rha raha manratsy ny rafozako @vadiko fa tena

21. Fiffi ( 02/08/2007 14:08)
bozyboleta:
Ny vavaka kosa akia evasoa tena manova zavatra. Fa tsy vavaka fotsiny fa ampiana hetsika ihany koa.
eka ouz !


22. ikaretsaka ( 02/08/2007 14:52)
tywa68:

Ika : amiko aloha tsy misy tokony hiteny akory hoe hatreto antsika mivady, fa itsy kosa resahiko @RAD-ko, satria rehefa mahay mifanaja sy mahalala fomba (ary kristiana rahateo) dia tena mandeha ho azy, samy mahay maka ny place-ny avy : satria fitiavana samihafa ireo, ary tsy adala akory fa misaina. Inona re zany fiainana hananan'olona alahelo e ? indrindra moa hoe RAD !!!


misy kristianina ihany fa tsy mahay izany mifanaja sdy samy nijoro amin'ny toerany sy tsy mahalala fomba izany ko.. izany no itenenana azy
23. LazaDaddy ( 03/08/2007 00:27)
diso ve za rha raha manratsy ny rafozako @vadiko
1) Tsy mendrika ny manaratsy olona @ maha olona [noharian'Andriamanitra] azy
2) Ifanatreho am-pitiavana ny resaka fa tsy mahasoa ny "mifosa"
24. nikopol ( 03/08/2007 08:04)
ary raha omena poizimboalavo moa le rafozambavy? io le hoe tsy maty voalavo ankibo mantsy ! ka sao mandaitra
25. xxx ( 03/08/2007 09:00)
LazaDaddy:

1) Tsy mendrika ny manaratsy olona @ maha olona [noharian'Andriamanitra] azy
2) Ifanatreho am-pitiavana ny resaka fa tsy mahasoa ny "mifosa"



Miombo-kevitra tanteraka @ Laza aho, tsy mahasoa an'iza n'iza ny mifanaratsy sy ny mifosa ary tsy mamaha olana na dia ohatry ny silak'hoho aza

Raha tsy vita mihintsy ny miresaka aminy dia aleo mangina fotsiny aloha fa ny fahanginana aza no mahasoa kokoa
26. Fiffi ( 04/08/2007 08:38)
Laza: f'ita hoa eh ! heu.....tsy aleo ve mi-opte am firesahana sy mifanazava une bonne fois pour toute ?
27. niryna ( 06/08/2007 00:18)
xxx:

LazaDaddy:

1) Tsy mendrika ny manaratsy olona @ maha olona [noharian'Andriamanitra] azy
2) Ifanatreho am-pitiavana ny resaka fa tsy mahasoa ny "mifosa"



Miombo-kevitra tanteraka @ Laza aho, tsy mahasoa an'iza n'iza ny mifanaratsy sy ny mifosa ary tsy mamaha olana na dia ohatry ny silak'hoho aza

Raha tsy vita mihintsy ny miresaka aminy dia aleo mangina fotsiny aloha fa ny fahanginana aza no mahasoa kokoa



Aza mba tratra ihany tokoa aloha e,izaho aloha tsy nanana experience tamin'izany fa na ny rar-ko na ny an'ny vadiko dia samy tsara daholo,izaho koa moa nahay nifandray tsara taminy.
Fa na inona na inona olana na tsy eo amin'ny rafozana ihany aza dia aza fosaina izy na haratsiana ,tonga dia mandehana mivantana.Ilay fipetrak'ilay fanazavana mantsy toa misy fankahalana kanefa ilay olona tsy eo ahalalana ny tena marina.Izany hoe mandeha ilany ilay tantara,ianao irery no tena mahalala ny marina.
Mivavaha vao miresaka ary raiso toy ny reninao izy,antsoy mama moa raha ohatra ka mbola tsy niantso izany ianao fa io dia mampifanakaiky ny fo tokoa.Teneno azy ny fitiavanao azy toy ny reny niteraka anao,saingy tsy tantinao kosa izay ataony:Inona izany? Hazavao azy koa fa manana fitiavana azy ianao matoa ianao miteny aminy.
Ny vadinao koa dia toy izany,tsy mety ny manome vola any ambadika tsy misy teny hifanarahana.Manaova kaonty rehefa tsy tianao ny hiteny azy dia hita eo ny vola miditra sy mivoaka,manafina izy ?Hitan'ny havany eo :cry:.Teneno ny vadinao fa tsy mety izany fiteniny hoe ny reniko reniko ihany na mitovy izany.Fitiavana dia maro ary samy hafa ilay izy raha eo amin'ny mahaolona(fitiavana zanaka,vady,rar,sns).Samy hafa saingy samy manana ny sokajiny ,rehefa tsy manao havan'ny lahy sy ny vavy fotsiny ianao dia tokony hifampianatra ianareo roa hanao izany.Araho amin'ny fivavahana ny tokantrano ary rehefa mivavaka dia ampidiro ao ny vavaka fifonana sy ny fangatahana amin'Atra ny tokony ataonao sy ny fangatahana fanampiana Aminy mba hanana fifandraisana tsara ianareo.Mazoto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4993