Izay fahazoana azy!

1. ikaretsaka ( 31/07/2007 15:37)
Betsaka ireo teny vahiny no rehefa azon'ny gasy sy teneniny @ fiainana andavan'andro dia miova tanteraka mihitsy, nefa mifankahazo aby!

Ohatra hoe
-T shirt lasa: Tésôrt
-Juste au corps lasa Zist Ankôr (lasa Juste encore)
-lampe de poche lasa hoe : lankidepôsy
-Automobile lasa hoe : Tonabil na tôbil!
-ny train rehefa train dia hoe: Lamasinina, masinina, ary betsaka no miteny hoe handeha masinina na dia eo aza ilay teny Gasy ofisialy hoe fiara an-dalamby
-Eponge lasa : Pônsa
Rehefa ronono mandry dia ronono nestlé foana no iantsoana azy na tsy nestlé aza ny marik'ilay ronono ( efa lasa socolait, kaoatry sns...)

Lasa fomba fiteny ampiasaintsika andavan'andro ilay izy, ary mifankahazo anefa isika rehefa miteny an'ireny.

Raha ianao no anontaniako dia ahoana ianao amin'ireny, tsy maninona ve?
Vao mainka aza manampy ilay kolontsaina gasy
sa tokony tsy azo atao fa manimba azy?
novalian'i sitlo ny 16/08/2007 02:41
2. xxx ( 31/07/2007 16:17)
Vao mainka aza manampy ilay kolontsaina gasy

Manampy raha atao fiteny andavan'andro le izy .
Manimba kosa raha entina hifampiresahana ara-tsoratra aman'oul :lol:
Raha ianao no anontaniako dia ahoana ianao amin'ireny, tsy maninona ve?

Tsy misy pble refa mifankahazo ny resaka raha samy oul efa mifankazatra aminao , na mitovy taona ohatra, fa raha oul manana ny maha izy azy na efa olon-dehibe kosa ,ohtran'ny hanahirana ihany :lol:
3. ftma ( 31/07/2007 17:45)
Vao mainka aza manampy ilay kolontsaina gasy
sa tokony tsy azo atao fa manimba azy?
amiko aloha manimba ny kolontsaintsika ilay izy e, mba misy fiteny gasy ihany koa maninona no hovaina? ohatra tomobil tsy aleo ve manonona fiara?
misy teny vazaha nagasiana paoma = pomme tsy maninona fa raha teny foronona lasa manimba ny tenintsika, io no maha izy antsika ka tazony e
4. ikaretsaka ( 31/07/2007 18:30)
dia eo indrindra isika izao.

somary sadaikadaikatra ihany manko ny ankamaroan'ny gasy, indrindra ny tena any an-toerana sy ny "tsy nandia fianarana loatra"...

Hazavaiko ny hevitro:
alaivo sarisary an-tsaina ary hoe ianao ilay Tambanivohitra be ireny: aleo atao hoe any ambanivohitr'i Toamasina.. na atao aza hoe etsy atsimotsimon'Ambatolampy no mitranga ny tantara.

Dia hoy ao aminao:

"izahay nandeha "fiarakodia " handeha hanao "fialan-tsasatra" aty aminareo fa tsary nahatratra "Tapakila"n'ny "fiaran-dalamby" tsotry, nikoropaka be dia tsary tafasolo akanjon intsony dia izao "malabarim-bazaha" sy "salaka lava tongotra manara-tena" izao sisa no nanaovana, Hadiso na ny "ronono mandry" nafaranareo aza!hadiso hatramin'ny "fanala mandeha vaton'aratra" sy ny "taratasy fifirana" sy ny "savonim-bava"


na hoy aho:

"zay nandeha "tôbiil": handeha hanao "vôkansa" aty aminareo fa tsy nahita "Biyé" ana "Masinina" intsony! Nikoropaka be dia tsy tafasolo akanjo intsony fa "tisôrta " sy "zistankôr" sisa no nanaovana Hadino hatramin'ny "nestle" nafaranareo aza! Hadino hatramin'ny "lankidepôsy" sy ny "pôpozenika" ary ny"kôlgaty"

tsy le faharoa ve no be mpahazo??
5. xxx ( 31/07/2007 18:35)
le faharoa no be mpahazo
tsy pble nge refa mifankahazo le resaka e:wink:
6. ftma ( 31/07/2007 19:23)
raha olona mahay teny vazaha na kely fontsiny aza be mpahazo ilay faharoa, fa ilay voalohany kosa no tena manaja ny teny gasy, aleoko aloha ilay voalohany e :D
raha mifankahazo ilay resaka ohatry ny nolazain'i xxx tsy maninona.
Ny tenako aloha tena tsy mahazo ny fomba fiten'ny tanora ankehitriny, tena vazaha hafahafa izany ka alaina @ dikany vazaha ilay izy tsy azo, raisina ho teny gasy tsy misy dikany, amiko rehefa hiteny dia tonkony mazava azon'ny rehetra
7. xxx ( 31/07/2007 19:31)
Ny tenako aloha tena tsy mahazo ny fomba fiten'ny tanora ankehitriny, tena vazaha hafahafa izany ka alaina @ dikany vazaha ilay izy tsy azo, raisina ho teny gasy tsy misy dikany, amiko rehefa hiteny dia tonkony mazava azon'ny rehetra

Hiezaka hiteny gasy tsara zany @zay azon'i Fa :wink::wink::wink::wink:
8. ftma ( 31/07/2007 19:54)
xxx :-D manontany aho rehefa tsy azoko ka,saingy xxx izao tsy azoko anontaniana fa xxx, mba mianatra e, efa mba mahay teny kely vitsivitsy ihany
9. xxx ( 31/07/2007 20:45)
tsy kobo ve za :cry:
10. ftma ( 31/07/2007 20:50)
xxx inona izany "kobo" :-D
11. xxx ( 31/07/2007 21:09)
toa tsy teny nogasiana io :-D:oops:
12. princesseN ( 01/08/2007 15:58)
:-D:-Dmampime koa zany !
13. kelly13 ( 01/08/2007 16:17)
tsy haiko na HS za fa vao t@ alina mihintsiny za ty no nieritreritra oe fa maninn no aterineto no dikan'ny internet @ teny gasy, d nodinihiko tao (saika tsy nahita tory mintsy za) oe inn aza no dikan'io aterineto io, ny konliziô-ko d oe aterineto=aterina eto
sa...????
14. ikaretsaka ( 01/08/2007 16:36)
Izay indrindra manko. lasa ambom-po diso toetana ity fanajana sy fitadiavana voambolana gasy vaovao ity

maninona raha tsy ilay teny no nogasiana
natao "Interinety" ohatra na "oeby" (web) na "Imelina" (email)
fa andeha hivaky loha hamoromporona teny eo! dia hiaka midina any @ akademia eo!

tsy adala ny Ntaolo taloha nanao ny hoe
"sekoly"=school,
Solaitra: Slate
kahie: cahier
penina :pen
Sitlo: stylo:wink:
Pataloha=pantalon
Kilaoty=cullote
silipy=slip
Lobaka =low back (shirt)

fa tsy nandeha namorona hoe "abobon-dronono masiso" (Fromage) ohatra!
15. kelly13 ( 01/08/2007 16:45)
ary le finday?
16. sitlo ( 01/08/2007 17:16)
hahaha

Mety ho marina izay ry kelly13 fa mino aho hoe tsy nitady ny teny handikana azy ny namorona io teny io fa nitady hevitra hanamarinana azy.

Raha ny hevitra tian\'ikaretsaka aseho eto no dinihiko dia ohatra ny tsy momba aho. Satria mantsy lasa izay maharaka ihany no maharaka. Azavaiko kely, ohatra hoe kodiarana sy pne. Mety mora ny miteny hoe pne, amin\'ny mponina an-tanàn-dehibe fa saingy raha olona tsy mahalala izany dia tsy ho azony veroka akory hoe inona izany. Raha ny vahiny mantsy no maheno izany, na dia samy mbola tsy naheno ihany aza dia mety ahazo an-tsaina ihany. Ilay fototeny mihitsy no tsy ao.

Raha ny hevitro manokana momba ny teny malagasy, dia tokony hisy fikambanana mahery. Mahery tiako tenenina, tena vondrona manam-pahaizana, tsy teny gasy fotsiny fa misandrahaka amin\'ny taranja maro mihitsy: kolotsaina, haino aman-jery, kirakira, hira, kajy, tontolo iainana, sns ... Be dia be eh, isan-tsokajiny.

Efa nisy izany FIMPAMAMA (Fifarimbonan\'ny mpandala ny maha-Malagasy), ary mbola misy (Akademiam-pirenena malagasy ) misy profesora malaza. Fa saingy tsy tonga any amin\'ny vahoaka ny asany. Nahoana? Ny olana ao anatiny tsy idirantsika lalina. Fa ny olana ivelany no azo resahana.
- karazan\'ny nanao bodongerona: ity ny teny vaovao eh, dia izay
- tsy ankalazaina ny nahazoana ilay teny
- miolokolona
Eo amin\'ilay fifandraisana mihitsy no tsy ampy. Na eo amin\'ny famoronana, na eo amin\'ny fanampariahana. Manana ity hevitra ity ohatra ikaretsaka, dia iza azy no handefasana azy? tsy ahitana mihitsy, andeha hoa any Anosy?
17. kelly13 ( 02/08/2007 12:27)
tena sarotra ny teny malagasy, izay klou d tena ekeko, normal ra 3/20 ny malagasiko t@ baka, nipôka nanao 2è session hihhi
18. xxx ( 02/08/2007 12:53)
kelly13:

tena sarotra ny teny malagasy, izay klou d tena ekeko, normal ra 3/20 ny malagasiko t@ baka, nipôka nanao 2è session hihhi



Mivaona kely : tsy teny malagasy anie no tsaraina @ malagasy @ baka fa ny fahaizanao mamakafaka lahatsoratra na hevitra iray e .

Ny voambolana no mety ho sarotra @ teny malagasy satria tsy ampiasaina andavan'andro , fa raha voizin'ny haino aman-jery matetika ireny dia mety ho tafita ihany
19. kelly13 ( 02/08/2007 13:50)
fahaizanao mamakafaka lahatsoratra na hevitra iray e .

ie fa refa tsy dia mahay teny malagasy enao d inn mou no nde hosoratanao ao?
20. ikaretsaka ( 02/08/2007 16:02)
Raha ny hevitra tian'ikaretsaka aseho eto no dinihiko dia ohatra ny tsy momba aho. Satria mantsy lasa izay maharaka ihany no maharaka. Azavaiko kely, ohatra hoe kodiarana sy pne. Mety mora ny miteny hoe pne, amin'ny mponina an-tanàn-dehibe fa saingy raha olona tsy mahalala izany dia tsy ho azony veroka akory hoe inona izany.

tssss
mankanesa fotsiny ianao any @ ireny tany very tena deeeeeezaka be any madagasikara ireny..
fa sahako ny mi garantir anao fa

fa ny "vaky pne" sy ny "lany lasantsy le tobil" sy mandroaka "sarety" no hain'ny olona sy lazainy kokoa

Fa tsy ny hoe "vaky kodiarana" sy "lany solika ny fiarako" na hoe "mandroaka fiara tarisin'omby"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3702