Zoky fanaja,mandidy ny fiainanao koa ve?Ampio aho!

1. niryna ( 27/07/2007 15:29)
Ny zoky fanaja ary indraindray dia manararaotra izany fahazokiny izany izy.Moa ve amin'ny mahazoky azy dia izay teneniny na diso aza dia ekena,na izy no mandidy ny fiainanao?Moa ve tsy maitsy ny teniny foana no arahina,izaho zoky,izaho tokony hajaina,izaho zoky indray ve no hiantso azy,sns..
Nisy tantara toy izao,nanana faniriana naka ity iray tam-po aminy ity zoky,manao ttsy tsy mora ary tsy vetivety.Nisy fotoana lava tao,saingy nony tonga ilay olona dia noteneniny hoe ho avy izy ary dia mandoha ny an-tsasany frais ianareo(ilay zandry sy ny vadiny).Lafo dia lafo ny frais raha avy any dago no mankaty ny olona.Tankina tsy nahateny izy mivady indrindra ilay ramatoa vadiny.Ny antony:tsy nampahafantariny azy(zandriny) mialoha ilay izy(vahiny ) mba hanomanany vola,tsy nisy resaka ny hanafatra ilay olona koa fa izy irery ihany no nanao izany,tsy nisy teny nierana izany tao kanefa rehefa tonga ny resaka vola maninona no terena :?:
Inona no tokony ho tenenin'ity zandriny satria tsy mety mihitsy ilay mandidy manapaka tsy nisy nifanarahana,amin'izay koa tonga dia mitaky ilay antsasana frais-n'ilay olona izy kanefa tsy nomeny fotoana hanangonana izany akory ilay zandriny.Ny vadiny moa dia tsy afaka miteny satria lasa mivadika zavatra hafa no tsy tsara koa satria aleo izy iray tam-po no hifanazava kanefa inona no tokony ho tenenin'ity zandriny?
Ny tena mampalahelo dia milaza izy fa marary fo,toa iny no fitaovana ampiasany satria raha miteny zavatra ny zandriny dia tonga ny iray(zandry hafa nifanaraka aminy)no mitsatsaingoka hoe aza hiadianao izy fa marary fo kanefa ilay toetran'ity zoky tsy mety indraindray.
Ampio aho fa tsy hitako izay hevitra omena ity zandrikely mijaly,miferinaina,voan'ny didy jadona,voatery mandoa vola tsy noeritreretina.
Inona no hevitrareo tokony ho tenenin'ity zandrikely :cry:Matahotra izy fa sao misy mahazo an'ity zokiny eo ka izy no hiandrerahan'ny rihitra hoe nahatonga ny aretim-pony?
Izany koa ve tsy fanararaotana sy fanaronana ny tsy hilazana ny marina dia ny fo no tenenina:roll:
(l)niryna
novalian'i beloha2 ny 11/08/2007 01:11
2. ikaretsaka ( 27/07/2007 17:36)
Dia izao hanaovana ilay izy... somary fivavahana kely fa miala tsiny.
Zokinao ny tompo, Hajainao ve?
3. fasaly ( 27/07/2007 18:16)
lava lotsa fa toundé ny titre no valiko fa tsy vovakiko hatram farany..
marina fa ny zoky fanaja , toy ny ray amandreny ihany..;fa zà kosa tsy dakaoro hoe mandidy ny fiainako izy amzé tiko izany.....tsia an!:wink:
ohatra hoe leo ny lava volo aho ny voloko lava be, de te ho tapahiko fohy kely, dia tena ferany mafy aho tsy hanapaka lay volo ohatra, tsia tsy ekeko:-P
4. sitlo ( 27/07/2007 19:19)
lava lotra fa voavakiko ihany. Fa mbola tsy ampy anefa. Efa voaloa ve le vola sa tsia?
Iray iny fa faharoa, aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana eh.

Fifampiresahana ihany no vahaolana. :wink:
5. xxx ( 27/07/2007 19:53)
Hitako aloha fa efa mitongilana ny fitantaran'i niryna azy. Fa za mahita ihany fa manana ny marina ihany ilay zokiny. Ohatra :
aleo izy iray tam-po no hifanazava
misy an'izay fijery manavaka ny mpiray tampo izay daholo na i niryna na ilay zokiny. Ilay zokiny izao mety manao hoe : ny zandriko ihany no iantohako fa ny vadiny indray dia problemany izany. Maninona koa moa izy no tsy maintsy hiantoka ny saran'ny rehetra manontolo ?
Dia tsy afaka mahita vahaolana mihitsy ve ilay zandriny amin'ny zavatra rehetra efa atolotr'ilay zokiny ireo ?
Na ahoana na ahoana aloha, tsy manana ny rariny mihitsy ilay zandriny amin'ny tantara rehetra. Ary tsy manana fahadisoana ilay zokiny. Manana safidy izy :
- mitady vahaolana mifanaraka amin'ny efa proposen'ny zokiny
- ajanona ny rehetra, tsy mandeha, fa aleo miaina miadana any amin'ny misy azy miaraka amin'ny fianakaviany.

Raha nisy an'izao ihany vao azo lazaina fa diso ilay zokiny : raha nilaza mazava izy fa hiantoka ny sarany rehetra ambakan'ny fitaterana, ny installation, sns ... kanefa nivadi-dela avy eo. Tsy nisy an'izay anefa donky tsy misy mahadiso ilay zokiny.
sitlo:
Iray iny fa faharoa, aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana eh.
"Alefaso ary ny tsikalakalam-bolanareo fa homeko tsikalakalam-pihavanana" :wink:
6. sylvain ( 27/07/2007 19:54)
io efa voalazany stilo io tsy misy afa-tsy ny mifampiresaka,raha namaky za d eo @ resaka vola no misy olana,tsy azo ataon-drizareo ve ny mifanaraka hoe rehefa miasa lé zandry d omena ny an-tsany vola!
lé zandriny koa ve aloha hipetraka sa hitsangatsangana é?zay koa mantsy tsy mazava!
7. niryna ( 27/07/2007 23:13)
ikaretsaka:

Dia izao hanaovana ilay izy... somary fivavahana kely fa miala tsiny.
Zokinao ny tompo, Hajainao ve?

Marina izany dia hatreo ihany ve?
Dia ahoana ilay zandry tsy nanafatra ilay olona akory dia voa ny mandoa vola tsy nahy.

8. niryna ( 27/07/2007 23:14)
fasaly:

lava lotsa fa toundé ny titre no valiko fa tsy vovakiko hatram farany..
marina fa ny zoky fanaja , toy ny ray amandreny ihany..;fa zà kosa tsy dakaoro hoe mandidy ny fiainako izy amzé tiko izany.....tsia an!:wink:
ohatra hoe leo ny lava volo aho ny voloko lava be, de te ho tapahiko fohy kely, dia tena ferany mafy aho tsy hanapaka lay volo ohatra, tsia tsy ekeko:-P


Marina izany ,safidinao io fa ity zandry takiany vola kanefa tsy nifanaraka akory nanafatra havana dia tereny izany ve dia mba ho rariny kosa

9. niryna ( 27/07/2007 23:17)
sitlo:

lava lotra fa voavakiko ihany. Fa mbola tsy ampy anefa. Efa voaloa ve le vola sa tsia?
Iray iny fa faharoa, aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana eh.

Fifampiresahana ihany no vahaolana. :wink:

Toa mimenomenona ny olana misy ilay zandriny ary toa mbola tsy voaloha ilay vola satria niteny izy hoe ,frais lafobe,izy niteny akory hoe hanafatra dia asainy misasaka aho,amin'izay koa tonga dia takiany.
Ilay fihavanana mihitsy no mampalahelo sy ataon-drazoky ho fitaovana

10. niryna ( 27/07/2007 23:50)
xxx:

Hitako aloha fa efa mitongilana ny fitantaran'i niryna azy. Fa za mahita ihany fa manana ny marina ihany ilay zokiny.

io ambany io ny fanazavana ny tantara ry xxx a,misy tsy mazava aminao.
niryna:

Nisy tantara toy izao,nanana faniriana naka ity iray tam-po aminy ity zoky,manao ttsy tsy mora ary tsy vetivety.Nisy fotoana lava tao,saingy nony tonga ilay olona dia noteneniny hoe ho avy izy ary dia mandoha ny an-tsasany frais ianareo(ilay zandry sy ny vadiny).Lafo dia lafo ny frais raha avy any dago no mankaty ny olona.Tankina tsy nahateny izy mivady indrindra ilay ramatoa vadiny.Ny antony:tsy nampahafantariny azy(zandriny) mialoha ilay izy(vahiny ) mba hanomanany vola,tsy nisy resaka ny hanafatra ilay olona koa fa izy irery ihany no nanao izany,tsy nisy teny nierana izany tao kanefa rehefa tonga ny resaka vola maninona no terena

Ilay zandriny sy ny vadiny no mandoa ny frais-n'ity olona tonga fa tsy hoe ilay vahiny tonga dia miaraka amin'ny vadiny.
11. niryna ( 27/07/2007 23:52)
xxx:

Hitako aloha fa efa mitongilana ny fitantaran'i niryna azy. Fa za mahita ihany fa manana ny marina ihany ilay zokiny.

Mandidy ilay zandriny andoha frais tsy nifanarahana ve no misy fahamarinana?
xxx:
Ohatra :
aleo izy iray tam-po no hifanazava
misy an'izay fijery manavaka ny mpiray tampo izay daholo na i niryna na ilay zokiny.
Marina izany ary logique
Ilay zokiny izao mety manao hoe : ny zandriko ihany no iantohako fa ny vadiny indray dia problemany izany. Maninona koa moa izy no tsy maintsy hiantoka ny saran'ny rehetra manontolo ?
Tsy misy resaka vadin'ilay vahiny eto,ilay hoe manafatra olona tsy nifanarahana no mampimenomenona ny zandriny eto,hiteny ve hono izy hoe tsy mety ny nataonao fa maninona no tapohana ny tenany sy ny vadiny ,nahoana no terena andoha vola kanefa tsy nifanarahana,izay no mba ilaiko hevitra aminareo,inona no tokony hevitra omena azy(zandry)

Dia tsy afaka mahita vahaolana mihitsy ve ilay zandriny amin'ny zavatra rehetra efa atolotr'ilay zokiny ireo ?

Raha nomeny fotoana lavalava izy dia mba nionona ny sainy ary mba nanangona vola izy fa raha fotoana andro fohy kely fotsiny kosa no teneninao ny olona na izaho aza eo amin'ny toerany tsy ho leo ihany koa ve.Ny frais mankaty aminay tokoa anie ry ireto ka lafo be e,tsy hoe akory andeha taxi-brousse.$1500-$4200(andro tsy fialantsasatra sy mangatsiaka,ary andro tampoko misy fahoriana ka mody any dago,ireo no elanelan'ny frais aloha,ovay vola gasy $1=8.200-8.500 fmg

Na ahoana na ahoana aloha, tsy manana ny rariny mihitsy ilay zandriny amin'ny tantara rehetra.

Dia miverina indray izany ny didijadona,raha izaho kosa no anaovana izany dia tsy mandoha aho,marina mamy ny fihavanana saingy raha enta-mavesatra tsy araka sy tsy nifanarahana izany kosa dia ataoko fa tsy mety.
Ary tsy manana fahadisoana ilay zokiny.

Tsy omeko tsiny ianao satria nifandiso ilay nakanao an'ilay tantara

Manana safidy izy :
- mitady vahaolana mifanaraka amin'ny efa proposen'ny zokiny

Toa tsy misy proposition fa didy jadona,tonga ilay olona aiza ny frais-n'io olona nafarako io(izy no nanafatra,ny zandriny no andoha.
Izany kosa ve no atao hoe zoky .Raha nisy resaka nifanaovana dia nisy vahaolana,dia tsy nitaraina taty amiko ilay olona dia tsy nila vonjy koa aho ,saingy tsy nisy an'izany.

- ajanona ny rehetra, tsy mandeha, fa aleo miaina miadana any amin'ny misy azy miaraka amin'ny fianakaviany.

Ka ilay olona efa tonga,tsy ny fianakaviany fa izy irery,raha ny frais-ny fotsiny ihany aza dia milaza marina anao aho fa tsy ho lanin'izy mianakavy raha tsy taona maro dia maro ary mahavita sy mahatsangana zavatra.


Ity ambany ity ny tantara fa mety tsy azonao.
niryna:

Nisy tantara toy izao,nanana faniriana naka ity iray tam-po aminy ity zoky,manao ttsy tsy mora ary tsy vetivety.Nisy fotoana lava tao,saingy nony tonga ilay olona dia noteneniny hoe ho avy izy ary dia mandoha ny an-tsasany frais ianareo(ilay zandry sy ny vadiny).Lafo dia lafo ny frais raha avy any dago no mankaty ny olona.Tankina tsy nahateny izy mivady indrindra ilay ramatoa vadiny.Ny antony:tsy nampahafantariny azy(zandriny) mialoha ilay izy(vahiny ) mba hanomanany vola,tsy nisy resaka ny hanafatra ilay olona koa fa izy irery ihany no nanao izany,tsy nisy teny nierana izany tao kanefa rehefa tonga ny resaka vola maninona no terena

Ilay zandriny sy ny vadiny no mandoa ny frais-n'ity olona tonga fa tsy hoe ilay vahiny tonga dia miaraka amin'ny vadiny.
12. xxx ( 28/07/2007 00:37)
Tsy azoko mihitsy ilay tantara, fa ataon'i niryna mifangaro be loatra. Hay misy olona hafa tierce izany, fa tsy nohazavain'i niryna fa tonga dia hoe "ilay olona" no hita. Ohatra ny fipoiran'ilay olona hafa tamin'ny fanazavan'i niryna ihany izany no fipoirany tamin'ny fanazavan'ilay zokiny :wink:

Dia ahoana tsara ? Ireto daholo ny acteurs :

- ilay zokiny : any an-dafy
- ilay zandriny sy ny vadiny : any dago
- misy rakotohafa : tsy haiko intsony na avy any an-dafy na handeha ho any.

:roll::roll::roll:
Aleo za tsy hiteny intsony fa ohatra ny mifangaro voraka loatra ilay resaka kle! Ny fihetsehampon'i niryna fotsiny no hita fa ny tantara tsy mandeha amin'izay laoniny :?
13. sylvain ( 28/07/2007 14:59)
ny fahazahoko azy koa zao d io voalazany xxx io
ilay zoky any an-dafy d lé zandry sy ny vadiny any dago d nafarany lé zandry,d avy eo indray: ho avy izy d mandoa ny an-tsasany frais nareo,olona hafa indray ve reo?
14. niryna ( 28/07/2007 15:43)
xxx:

Tsy azoko mihitsy ilay tantara, fa ataon'i niryna mifangaro be loatra. Hay misy olona hafa tierce izany, fa tsy nohazavain'i niryna fa tonga dia hoe "ilay olona" no hita. Ohatra ny fipoiran'ilay olona hafa tamin'ny fanazavan'i niryna ihany izany no fipoirany tamin'ny fanazavan'ilay zokiny :wink:

Dia ahoana tsara ? Ireto daholo ny acteurs :

- ilay zokiny : any an-dafy
- ilay zandriny sy ny vadiny : any dago
- misy rakotohafa : tsy haiko intsony na avy any an-dafy na handeha ho any.

:roll::roll::roll:
Aleo za tsy hiteny intsony fa ohatra ny mifangaro voraka loatra ilay resaka kle! Ny fihetsehampon'i niryna fotsiny no hita fa ny tantara tsy mandeha amin'izay laoniny :?


Miala tsiny aho raha mifangaro e satria ilay parenthese no nampifangaro azy.
Zoky:an-dafy
Zandry sy ny vadiny :an-dafy
Io ilay miantso vonjy ny hoe inona no ho teneniny sy tokony ataony fa tsy mety ilay didy jadona nataon'ilay zoky mandidy manapaka tsy nisy nifanarahana na teny nierana.
Ny mpamangy :olona iray ihany io no tonga aty an-dafy.Io no hisasaahan'ilay zandriny ny frais-ny miaraka amin'ilay zokiny naka azy manokana tsy niresaka na nanome andro hanangonan'ity zandriny vola atao frais-n'ilay mpamangy.
Misaotra betsaka e.mazava amin'izay?
15. niryna ( 28/07/2007 15:46)

sylvain a io nomeko an'i xxx io ny fanazavana,io ambany io
niryna:

Miala tsiny aho raha mifangaro e satria ilay parenthese no nampifangaro azy.
Zoky:an-dafy
Zandry sy ny vadiny :an-dafy
Io ilay miantso vonjy ny hoe inona no ho teneniny sy tokony ataony fa tsy mety ilay didy jadona nataon'ilay zoky mandidy manapaka tsy nisy nifanarahana na teny nierana.
Ny mpamangy lona iray ihany io no tonga aty an-dafy.Io no hisasaahan'ilay zandriny ny frais-ny miaraka amin'ilay zokiny naka azy manokana tsy niresaka na nanome andro hanangonan'ity zandriny vola atao frais-n'ilay mpamangy.
Misaotra betsaka e.mazava amin'izay?

:D
16. xxx ( 28/07/2007 19:19)
niryna raha ny hevitro dia tsara ny mifampiresaka e ! Saingy ny any ilay zoky moa izany efa vita vao milaza . Asaivo alohany ihany any anjarany fa saingy lazao ilay zoky fa mila fotoana aho ny andoavana azy . Dia lazao ilay namanao hoe azamaika ny andoha azy tanteraka . Ataovy heritaona ny manala azy . @ manaraka tsy ataony zoky intsony ny manao izany rehefa ela vao voaloha ny vola , Mahereza e !
17. Mitah ( 28/07/2007 20:56)
Teneno ilay namanao fa tsara ny miresaka mifanatrika mivantana. Avoahy eo daholo hono hoe izay tsy nety ataon-drazoky.Asaivo milaza ny heviny razandry fa izay zavatra tsy teny hiherana @ manaraka dia tsy manao intsony izy. Ary tena tsy manao intsony an, raha vao zavatra tsy teny hiherana.Raha mikasa ny handoa ny ampahan'ny frais ihany razandry dia manaiky fa handoa saingy mangataka andro. Atao mitarazoka be ny fandoavana azy dia ho leo razokiny.Mendrika hajaina razoky saingy tsy manaiky ny tsindry hazo lena razandry.Sa ahoana ?
18. niryna ( 29/07/2007 04:33)
xxx:

niryna raha ny hevitro dia tsara ny mifampiresaka e ! Saingy ny any ilay zoky moa izany efa vita vao milaza . Asaivo alohany ihany any anjarany fa saingy lazao ilay zoky fa mila fotoana aho ny andoavana azy . Dia lazao ilay namanao hoe azamaika ny andoha azy tanteraka . Ataovy heritaona ny manala azy . @ manaraka tsy ataony zoky intsony ny manao izany rehefa ela vao voaloha ny vola , Mahereza e !

Misaotra ry xxx a fa izay vao azoko ny aiko,satria raha ianao no ametrahan'ny olona fanontaniana sy fanampiana kanefa tsy mahita atao dia ianao no mijaly mieritreritra izany.Ho lazaiko izy ary hafarako hijery ity serasera ity amin'izay ho hitany tsara koa ny hafatry ny namako ato,mba manome azy heritsainy matanjaka,sy hijoro hiteny ny marina.:*
Aza mba sendran'izany tokoa anie ry ireto a,ilay mpiara-miasa amiko koa mitovy toetra toy izany koa ary ny fahatezerany amin'ny fiainany(naditra vady ,nisolo vehivavy maro,ny vadin'ny zokinysns) dia ny zandriny no analany ny hatezerany.baikony toy ny zazakely,misy an'izany hoe alazako amin'ny dadatoanao ianao ,gay,gay :roll:.Kanefa efa lehilahy lehibe,izy koa moa manaiky koa.Mba nasiako nijoro izy ary nasiako niteny hoe izaho tsy zazakely intsony fa aza terenao amin'izay tianao atao aho sns,na ny ataonao havia -havanana lava toy izao,nilaza izy fa hiteny kanefa mbola nitaraina indray,tsy sahy nilaza:cry:.
Angamba kosa ny zoky rehetra tsy dia manao toetra toy ireo olona ireo ka.Mety ny olona sasany manala vokona amin'ny hafa amin'ny fiainany no misy betsaka.
19. niryna ( 29/07/2007 04:36)
Mitah:

Teneno ilay namanao fa tsara ny miresaka mifanatrika mivantana. Avoahy eo daholo hono hoe izay tsy nety ataon-drazoky.Asaivo milaza ny heviny razandry fa izay zavatra tsy teny hiherana @ manaraka dia tsy manao intsony izy. Ary tena tsy manao intsony an, raha vao zavatra tsy teny hiherana.Raha mikasa ny handoa ny ampahan'ny frais ihany razandry dia manaiky fa handoa saingy mangataka andro. Atao mitarazoka be ny fandoavana azy dia ho leo razokiny.Mendrika hajaina razoky saingy tsy manaiky ny tsindry hazo lena razandry.Sa ahoana ?

Misaotra betsaka aky mitah a,andraso fa asiako mijery serasera izy.Teneniko ny hafatry ny namana rehetra ato ihany koa izy fa saho tsy mijery,na ataoko kopia dia alefako any aminy:roll:,tsy ho vakiany eo ve.Misaotra e:*

20. xxx ( 29/07/2007 09:02)
niryna Tsara rehefa nahita sy nahazo hivitra hianao , Izay anie no nanaovana any ity serasera ity e ! hifanakalozana hevitra .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1323