Inona no atao hoe rahona/what is a cloud?

1. niryna ( 24/07/2007 07:14)
Nahatonga saina ahy androany raha sendra teny ambon'ny fiaramanidina aho.Fotsy be daholo izay jereko ary toa tsy mandeha izahay,toa tsy mihetsika.Tara ny fiainganay satria nisy orambe .Nandeha ihany anefa izahay kanefa tsy nahita orana aho teny ambony teny.Toa tsaroako fa nanakaiky an'Atra aza ny fiheverako ny tenako.Hoy aho mantsy ny vadiko,ety ambony ety izany isika no mihaona an'i Jesosy rehefa tonga ny fiverenany indray?
Nidina namonjy ambany amin'izay ity fiaramanidina efa ho 3 km eny ambonin'ny tany vao tazana ilay orana ary haizim-pito tsy hifankahitana no nandehanana.
Izaho moa nanontany azy ,ary izy koa mazoto mamaly ahy hatrany izay fantany,ahoana no ahitan'ireo pilotes ireo ny lalana:roll:kanefa maizina,tsy misy faritra akory eny amin'ny lanitra,sns..?:roll::D:D

Inona no atao hoe rahona?

Moa mbola mahita teny hafa ianao hilazana ny rahona?

Ahoana no fomba hihaonantsika an'i Jesosy rehefa tonga ny fiverenany indray?

Moa ve ny mpino azy na ny (fiangonany ihany)no mahita Azy rehefa tonga Izy?

Fa maninona no eny an-tsasadalana Izy no mitsena antsika?

Mahagaga tokoa ny fiasan'Atra amin'ny fiainantsika,ny zava-mahagaga maro asehony antsika.

Ny lanitra:heaven,ny rahona:cloud,ny habakabaka:sky/air

(l)niryna


répondu par niryna le 27/07/2007 22:01
2. Imahaka ( 24/07/2007 08:23)
:roll:
3. tslem ( 24/07/2007 08:59)
resaka inona indray re ity ry lanitra ô? :roll:
4. Imahaka ( 24/07/2007 11:12)
alaivo tslem eo e :-D
5. menalamba ( 24/07/2007 13:19)
Sô dé nifoka sigara bé ko nareo teny anabakabaka teny dé nanampy ny hatevenan'ny rahona? Dé ny rahona lasa orana,dé ny orana namando ny tany ,dé ny tany nahalasa vinany.....etc etc:^)
6. ikaretsaka ( 24/07/2007 13:58)
niryna:

Nahatonga saina ahy androany raha sendra teny ambon'ny fiaramanidina aho.Fotsy be daholo izay jereko ary toa tsy mandeha izahay,toa tsy mihetsika.Tara ny fiainganay satria nisy orambe .Nandeha ihany anefa izahay kanefa tsy nahita orana aho teny ambony teny.Toa tsaroako fa nanakaiky an'Atra aza ny fiheverako ny tenako.Hoy aho mantsy ny vadiko,ety ambony ety izany isika no mihaona an'i Jesosy rehefa tonga ny fiverenany indray?
Nidina namonjy ambany amin'izay ity fiaramanidina efa ho 3 km eny ambonin'ny tany vao tazana ilay orana ary haizim-pito tsy hifankahitana no nandehanana.
Izaho moa nanontany azy ,ary izy koa mazoto mamaly ahy hatrany izay fantany,ahoana no ahitan'ireo pilotes ireo ny lalana:roll:kanefa maizina,tsy misy faritra akory eny amin'ny lanitra,sns..?:roll::D:D

Inona no atao hoe rahona?

Moa mbola mahita teny hafa ianao hilazana ny rahona?

Ahoana no fomba hihaonantsika an'i Jesosy rehefa tonga ny fiverenany indray?

Moa ve ny mpino azy na ny (fiangonany ihany)no mahita Azy rehefa tonga Izy?

Fa maninona no eny an-tsasadalana Izy no mitsena antsika?

Mahagaga tokoa ny fiasan'Atra amin'ny fiainantsika,ny zava-mahagaga maro asehony antsika.

Ny lanitra:heaven,ny rahona:cloud,ny habakabaka:sky/air



le ohatr'izao ve izany ry niryna?...
http://serasera.org/namana/media/sary/namana/moine_meditation_alpes.jpg

Tsara tokoa rehefa nahatsapa izay ianao. Izay ilay nitenenako anao hoe azo jerena @ zavatra rehetra Andriamanitra!
"Seek God in All Things"

7. niryna ( 25/07/2007 05:06)
Imahaka:

:roll:

Fa ahoana ry imahaka:D

8. niryna ( 25/07/2007 05:08)
tslem:

resaka inona indray re ity ry lanitra ô? :roll:



resaka rahona,eny Jesosy no hitsena antsika.Misy kidaon-drano fa tsy mandoa vola ,tsy mandoa frai-na fiaramanidina,na hotely hipetrahana (efa namboariny mialoha)na sakafo(asa izay hohanina aloha rehefa tonga any:roll:=))
9. niryna ( 25/07/2007 05:11)
menalamba:

Sô dé nifoka sigara bé ko nareo teny anabakabaka teny dé nanampy ny hatevenan'ny rahona? Dé ny rahona lasa orana,dé ny orana namando ny tany ,dé ny tany nahalasa vinany.....etc etc:^)


Misaotra menalamba a
Matevina ny rahona dia lasa orana,dia lasa mando ny tany dia ahoana koa?
Dia rehefa mafana ny ety an-tany dia lasa miakatra tsofin'ny masoandro ny rano dia lasa mitambolona dia rehefa matevina ilay ranontsira avy any amin'ny ranomasina dia lasa mivadika orana.Izay moa ilay izy e.
Dia misaotra an'Atra isika fa afaka mihaina daholo ny zava-manan'aina sy ny zava-maniry rehetra noho ilay rahona.
10. niryna ( 25/07/2007 05:17)
ikaretsaka:




le ohatr'izao ve izany ry niryna?...
http://serasera.org/namana/media/sary/namana/moine_meditation_alpes.jpg

Tsara tokoa rehefa nahatsapa izay ianao. Izay ilay nitenenako anao hoe azo jerena @ zavatra rehetra Andriamanitra!
"Seek God in All Things"


[/quote]
Angaha moa misy mijery Azy amin'ny hafa?Avy ao amin'ny daholo no nipoiran'ny zavatra rehetra.
Misaotra anao tamin'ilay sary.Io izany Jesosy miandry antsika eny an-tsasa-dalana a!

Ahoana tokoa no eny an-tsasa-dalana Izy no miandry?
Satria Izy irery ihany no lalana makana an-danitra,mankany amin'ny Ray.Tsy misy na iray Aza hitondra antsika ho any amin'ny Ray raha tsy i Jesosy irery.

11. niryna ( 25/07/2007 05:20)
Ny rahona koa dia zavatra toy ny setroka na entona (smoke or vapor),tsy zavatra mivaingana mihitsy.
Nahoana tokoa Jesosy no tsy nianjera tamin'izy noentin'ny rahona niakatra tany an-danitra?

Ny rahona koa izany dia lalana mitondra antsika ho any an-danitra(a way of transportation to go to heaven)

12. sitlo ( 25/07/2007 06:19)
Tena mila omanina izany ny antibrouillard :-D
13. niryna ( 25/07/2007 06:30)
sitlo:

Tena mila omanina izany ny antibrouillard :-D

Ka mila mihomana tokoa isika fa tsy fantatra izay fotoana kou:roll:,ny fantatra fotsiny aloha dia efa misy daholo ny famantarana nomeny ao anaty baiboly :roll:

14. pimaso ( 25/07/2007 10:42)
ny rahona dia misava vetivety, toy ny olana mianjady @ zanak'olombelona,
fa ny tenin'Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay
;-)
15. ikaretsaka ( 25/07/2007 13:07)
Fa gaga t@ niryna aho hoe hay ve ianao ity mahay mampiasa izany zavatra manodidina anao izany hitadiavana ny sign rehetra maha ao an'andriamanitra e..
noheveriko fa ao anaty baiboly ihany
16. ikaretsaka ( 25/07/2007 13:09)
fa le izy manko notsipahinao taloha.. dia manao jery todika aho hoe ..eee niova ny tany niova ra olombelona
sady nivavaka anaty ho anao za,
inoako fa tsy izaho irery!
17. niryna ( 25/07/2007 16:50)
ikaretsaka:

fa le izy manko notsipahinao taloha.. dia manao jery todika aho hoe ..eee niova ny tany niova ra olombelona
sady nivavaka anaty ho anao za,
inoako fa tsy izaho irery!

Inona no notsipahiko?Ianao milaza mivavaka amin'ny kristal no tsy nekeko fa herin'Atra izany,aiza ao amin'ny baiboly io.Ny ahy tsotra ihany ry ika a,izay voalazan'ny baiboly no toriko,maro ny olona mangetaheta ny tenin'Atra ka raha zavatra tsy izy no toriantsika ohatra dia isika no hijaly lavitra noho ireo olona tsy mahalala an'Atra.Mahafantatra kanefa milaza vilana.
Afaka manao fahagagana daholo ny Atra na ny fanahy ratsy.Tafiditra amin'izany ireny olona mivavaka amin'ny sampy ireny,voganjavatra ireny,mivavaka amin'ny maty ireny.Misy fiangonana mampianatra hevidiso fa mbola misy ny afo fandiovana,raha izany inona no tokony hianarana ny tenin'ATra fa tsy aleo manao ratsy dia rehefa maty dia maka olona hivavaka hanadio ahy:roll::roll:.Izao velona izao ihany isika no mitady ny fanavotana fa raha maty tsy misy na iray aza afaka hiresaka amin'ny maty.Ianao moa tsy tia mamaky baiboly ,izay ihany koa dia hevitra iray tsy hitovizan-tsika dahy.Ny fahalalana ny tenin'ATra dia ny fihainoana azy,ny famakiana azy,ny fampiarana azy ary raha mijery ny masonao,mandinika ny sainao,ary mampinatra izany kosa na ny tanana,ny tongotra ,ny ,maso ary ny nofo amandra.Ahita fihovana amin'ny fiainanao ianao satria mampiantra izay voalaza,manana ampinga ho enti-miady ihany koa ho an'ireo fahavalo.Ohatra na ny eto ihana aza dia mila mivavaka daholo amin'izay mahay manindry fo,mahay mamela olona.Tsy atoro ianao satria mandalina lavitra noho n hafa saingy tsy ampiarinao na omenao ny teny marina ny olona fa ny mifanohitra izany no resahinao,mampisavoritaka ny sain'ny sasany.Ny mahalala moa dia mijery fotsiny saingy manahirana ny mifampiteny,sady tsy anjarako koa ny mitsara.Ny fanihiko no mety mijaly satria mitaty anantona an'Atra mafy izy kanefa ny nofoko sy ny vatako malemy tsy mahatohitra izany.:roll:Izay no hiarahana mianatra ny soratra masina sy mizara izany satria samy mangetaheta ny ho voavonjy daholo isika.Saingy ny satana koa mba maka clients ho azy ary ireny tonga sy mitady lalana ary mandrapaka izay azo arapany ireny izy,iza no ampiasainy?Ny olona izay manaiky azy.
Maro ny olona milaza sy mitsangana fa ho kristiana kanefa vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika,tsy misy adala anie ny olona ato e,olona misaina daholo,samy mba te hampitombo fahalalana an'i kristy daholo,saingy raha toro-vohona no omentsika azy ireo,dia mijery lavitra fotsiny izy fa tsy anaraka izay ratsy akory.Tsy manohitra ny teninao aho raha marina ny teninao saingy zo-ko ny milaza ny marina ka raha mino ianao tsara raha tsy mino moa ianao fa miziriziry ny hoe tsy mila mamaky baiboly, tsy mila manao tsianjery maimnbo sy mi-citer lava ny ao anaty baiboly ,dia anao ny anao.Ny lakana tsy maitsy mandeha na inona misakana na inona.Manana an'i Jesosy aho ka mijoro ny fanarahako Azy.Io koa moa dia tsy tianao ny fijoroan'ny olona ho vavolombelona dia voa maika perte tanteraka ianao raha izany fa manao fitsarana sy manao mpitari-bato vilambava.Ny tena mampalahelo dia ireo mpanaradia antsika ka raha diso ny tenenintsika dia iny ko izy ireo fa manara-drenirano,saingy tsy mba fantany fa lalankafa no hitondran'ny hafa azy.
Aleo Atra irery ihany no hitsara satria mbola lavitra ezaka ity fandinihantena lava ity.Dia tena mamdinin-tena tokoa ve ilay olona mampianatra ho mandinihan-tena e.Asa aloha fa raha izaho dia ny miaraka amin'i Kristy irery ihany no safidiko,ny ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana"book of life" no faniriko,ny hanavotra sy hanampy ny namana maro ahita izany fiarahana amin'i Kristy sy hilaza azy ireo fa any Aminy irery ihany no lalana mankana amin'ATra,ireo ny ahy no faniriko.
Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra
(l)niryna

18. ikaretsaka ( 25/07/2007 23:39)
ka ilay Rahona nahatonga saina anao tampoka... efa voambara mialoha ao anaty baiboly ve?
izay fotsiny no nahagaga anahy fa tsy toriteny lava!
19. ikaretsaka ( 25/07/2007 23:46)
za tsy miditra lalina fa I'm glad fotsiny hoe mba ny rahona hitanao teo ambaravarankelin'ny avion no nisintomanao hevitra momban'andriamanitra sy ny fiainana fa tsy t@ fandikana sy ny fitsimponana...
20. niryna ( 26/07/2007 05:05)
quote=niryna]

Inona no atao hoe rahona?[/quote]
Ny rahona dia entona hita maso,setroka mavesatra,vovoko, izay mitambatra sy miangona eny amin'ny rivotra eny sns.Hilazana ny toetr'andro io ka mety ahafantarana na hiposaka ny masoandro ,na ho avy ny orana sns.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0391