Inona no atao hoe rahona/what is a cloud?

21. niryna ( 26/07/2007 05:06)
Moa mbola mahita teny hafa ianao hilazana ny rahona?[/quote]

Raha ao anaty baiboly kosa dia misy resaka mikasika ny rahona.
** Ny Israely dia milaza fa tia an'Atra kanefa toy ny ando vao maraina izay levona dia toy izany koa ny fitiavany.
Inona re no azoko atao aminao ry Efraima? Inona re no azoko atao aminao ry Joda?Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona raha vao maraina ny andro... Hosea 6:4
Mila mijery izany fitiavana an'Atra izany koa isika ary mampiseho sy mampiasa izany amin'ny fitiavana an'i Kristy, eo amin'ny fanarahana ny didiny.
22. niryna ( 26/07/2007 05:08)

Moa mbola mahita teny hafa ianao hilazana ny rahona?


** Ny rahona ihany koa dia hilazana fanoharana ny olona izay manome fahatokisana betsaka kanefa tsy manantanteraka izany.
Toy ny rahona sy rivotra tsy misy orana ny olona izay mirehaka amin'ny fizaram-bava. Ohab 25:14

*** Ny fahamaizinan'ny rahona dia milaza zavatra misitery.Izay nanambara ny loza hanjo an'i Egypta.
Indro Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta,ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany. Isaia 19:1
23. niryna ( 26/07/2007 05:09)

Moa mbola mahita teny hafa ianao hilazana ny rahona?


****Ny rahona no mampiseho ny fiovan'i Jesosy,ny fiakarany nakany an-danitra ary ny fanambarany fa ho avy indray Izy

-Raha mbola niteny izy,indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo;ary injao nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe:Ity ny Zanako malalako Izay sitrako.Izy no henoy. Mat 17:5
-Ary rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina Izy,raha mbola nijery izy ireo;ary nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy ,indreo nisy roa lahy teo amilany niakanjo fotsy izay nanao hoe :Ry lehilahy Galiliana,nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo?[u]Iny Jesosy Izay nampiakaraina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitareo Azy niakatra ho any an-danitra. Asa 1:9-11
-Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona,ka dia hitomany ny firenana rehetra ambonin'ny tany,ary hahita ny Zanak'olona avy aminkery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy Mat 24:30



24. niryna ( 26/07/2007 17:30)
niryna:

Ahoana no fomba hihaonantsika an'i Jesosy rehefa tonga ny fiverenany indray?

Rehefa niakatra tany an-danitra Jesosy dia tsy mba nianjera,ny antony?
Satria Izy no tompon'ny fahefana,mifehy ny zavatra rehetra,eo ambany fahefany daholo izany:na ny rano,ny rivotra,ny herin'ny satana sns.
Ary rehefa nilaza izany Jesosy dia nakaraina Izy,raha mbola nijey ireo ;ary nisy rahona nitondra Azy,ka tsy hitan'ny masony intsony Izy Asa 1:9

Moa ve ny mpino azy na ny (fiangonany ihany)no mahita Azy rehefa tonga Izy?

Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho an'ny an-danitra. Asa 1:11.


Fa maninona no eny an-tsasadalana Izy no mitsena antsika?

Satria Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray,tsy misy na iray aza afaka mankany amin'ny Ray raha avy amin'ny olon-kafa .
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiaintsoana sy ny feon'ny arkanjely ary ny trompetran'ATra,ka izay maty ao amin'i kristy no hitangana aloha;ary rehefa afaka izany ,dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka amin'rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka;dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika I Tes 4:16-17


25. fijo ( 27/07/2007 20:36)
nirina an,ny rahona anie ka fitangoronan'ny entona mitanbesatra eo ambony eo e,3km mial any tany eo no misy azy.ary rehefa feno io dia miraraka,ka lasa orana.tsy mahita jesosy any ianao,ary raha mihoatra io ahavo io ianao dia tsy misy orana,satria ny orana ao ambany.ka aza maminavina be fa zavatra fizika izany
26. niryna ( 27/07/2007 22:01)
fijo:

nirina an,ny rahona anie ka fitangoronan'ny entona mitanbesatra eo ambony eo e,3km mial any tany eo no misy azy.ary rehefa feno io dia miraraka,ka lasa orana.tsy mahita jesosy any ianao,ary raha mihoatra io ahavo io ianao dia tsy misy orana,satria ny orana ao ambany.ka aza maminavina be fa zavatra fizika izany

Tonga soa fijo a:*
Marina izany ka efa nohazavaiko,vokatr'io rahona io dia mirotsaka ny orana,velombolo daholo ny zava-manan'aina rehetra.Isaorana an'ny Tompo izany fa fantany ny tadiavin'ny zavaboary namboariny.:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2107