sekta

1. deric ( 21/07/2007 11:05)
:^)Hitako eo amin'ny soratry ny sasany miady hevitra eto amin'ny serasera ry namana ny filazan'ny sasany an'ireo fiangonana hafa hoe "sekta".
Fa ny iza moa kay no sekta, na manao ahoana no sekta ary tsara ve ny sekta sa ratsy?
Maromaro ihany ny fanontaniana, fa dia misokatra indray izany ny adihevitra e! Enga anie ka tsy hisy valy boraingona na valin-teny sy soson-kevitra manahirana.
Sasmy hotahian'ny Avo na sekta na tsy sekta e!
novalian'i deric ny 24/08/2007 13:19
2. ikaretsaka ( 21/07/2007 15:33)
efa fanontaniana niverimberina teto foana io. dia ny hevitra efa nivoitra teto ihany no averiko aminao
fa misy \"sekta 2 \" aloha an.. ny 1 dia kristianina dia ny 1 tsy izy..
iy izy! fa ilay kristianina
ny hoe sekta kristianina dia aleo atao tsotra hoe \"fiangonana kely evanjelika miorina eny rehetra eny\" rehefa tsy tiany ilay hoe
Sehatra
Entina hamiliana (hanasana atidoha, hametsifetsena, sns sns...)
Kristianina
Tiana
Angalam-bola

Ankoatran\'izay, Izay lasa ao anaty Sekta ka misy miteny anazy hoe Sekta dia tsy manaiky mihitsy ny antsoina hoe Sekta izy ,
tsy mba tahakan\'ny hoe ao anaty fiangonana Katolika, Protestant, Silamo, Jiosy, sns... ka antsoina @ ireny anarany ireny dia tsy mampaninona azy!

Andramo anie e... raha misy katolika na protestant na jiosy eo na silamo dia anontanio hoe Katolika ve ianao? silamo ve ianao? Jiosy ve ianao? dia manaiky izy hoe iee!

Fa raha misy membre an\'ireny Sekta ireny , anontanianao hoe sekta ve ianareo... tsy manaiky mihitsy izy an!
3. namanao ( 21/07/2007 16:16)
ikaretsaka:

Amiko ny sekta dia teny milaza vondrona iray niala avy amin'ny vondrona iray. Zay rehetra nisitaka avy amina fivavahana iray dia sekta par rapport amin'iny. Ny kristianisme zao dia sekta eo anatrehan'ny judaisme, ny protestanta dia sekta eo anatrehan'ny katolika, etc. Ho ahy manokana aloha de sekta no misy ahy.

4. ikaretsaka ( 21/07/2007 16:31)
fa ny ahy dia ity no tsy mba nety azoko mihitsy:

zahako teo ambony teo :

Andramo anie e... raha misy katolika na protestant na jiosy eo na silamo dia anontanio hoe Katolika ve ianao? silamo ve ianao? Jiosy ve ianao? dia manaiky izy hoe iee!

Fa raha misy membre an'ireny Sekta ireny , anontanianao hoe sekta ve ianareo... tsy manaiky mihitsy izy an!
5. ordinera ( 21/07/2007 19:11)
zah efa niala fivavahana ,efa retirety! anjaranareo no sisa!
6. cutie ( 21/07/2007 19:41)
refa mbola tsy manana fiangonana lehibe de sekta daholo.
Refa le mbola mivorivory etsy sy eroa de sekta
7. cutie ( 21/07/2007 19:43)
Amiko ny sekta dia teny milaza vondrona iray niala avy amin'ny vondrona iray. Zay rehetra nisitaka avy amina fivavahana iray dia sekta par rapport amin'iny. Ny kristianisme zao dia sekta eo anatrehan'ny judaisme, ny protestanta dia sekta eo anatrehan'ny katolika, etc. Ho ahy manokana aloha de sekta no misy ahy.

miobon-kevitra koa :lol:
8. xxx ( 21/07/2007 20:06)
namanao: Ohatra ny diso hevitra kely ianao. Ny protestant dia tsy sekta mihitsy eo anatrehan'ny katoliaka. Hatramin'izay io ka hatramin'izao. Tsy nisy mihitsy teo amin'ny tantara nilaza fa sekta ny protestanta. Sa ve izaho no diso? Ohatra ny tsy mbola nahare aho aloha e.
9. ravakamalala ( 21/07/2007 20:20)
ilay teny hoe sekta, ao antsain ny ankamaroan ny olona dia mifono zavatra ratsy (connotation péjorative).

rah zohiako amin ny resaka fivavahana tany madagasikara izao ohatra, ny tena niantombohan ny resaka hoe sekta, dia tamin ny fotoana nampalaza ny "mormons", tonga dia nalaza be eran ny tanana hoe sekta ireo, satria nisy fomba fanaon izy ireo angaha (tsy haiko loatra) toa hoe te hangeja ny mpikambana ao aminy.

Nefa raha mikaroka ianao hoe inona ny famaritana ny atao hoe secte dia mahita foana ny hoe : antsoina hoe secte ara pinoana dia ny fivondronan'olona izay niala tamin na foto pinoana iray lehibe.

Ka raha io famaritana io ve no arahina (hisy tezitra ndray zao ao!!!!!) moa va ny protestantisma tsy fivondronan olona niala tamin ny katôlisisma ?
10. xxx ( 21/07/2007 20:49)
Ny nampalaza ny sekta voalohany dia tamin'ny andron'i Daoda. Efa taloha be ny niavian'ny mormons tany Mada. I Daoda dia naka ny firavaka rehetra an'ireo olona nivavaka tao aminy, sy nivohy ny hevitra hoe: am-pahafolon-karena.

Secte ve ny protestanta? Raha mamaky ny tantara dia tsy misy milaza fa secte izy. Hérésie no niantsona azy. Ny anglikana koa ve secte satria nihataka avy amin'ny katolika?

Tsy ampy ny famaritanao ny atao hoe secte satria raha ny anglikana no jerena dia nihataka avy amin'ny ktolika izy nefa tsy nisy filazana mihitsy hoe secte izy. Noho izany tsy izay rehetra mihataka dia lazaina fa secte daholo. Misy ny foto-kevitra na foto-pinoana ovain'i Secte. Ohatra ny kristianisma dia sekta ho an'ny jiody satria nilaza fa Andriamanitra i Jesoa, izay olombelona ihany ho azy ireo. Ny Temoin de Jeovah kosa dia sekta ho an'ny Kristianisma satria manda fa Andriamanitra i Jesoa.

Ilay filazana fa misitaka fotsiny dia tsy ampy velively. Misy ny zavatra tena mifanohitra be ao. Ohatra lazaina fa secte ny Apokaliptika satria ho azy ireo dia ny apokalipsy no tena misy ny foto-pampianarana sy tena ijoroan'ny finoany. Ho an'ny Kristianisma kosa dia i Kristy no ifotoran'ny finoana. sns...

Ampianaro hahalala ny marina izahay Tompo ò, ao na dia ao anatin'ny fahasamihafana aza. Amen!
11. ravakamalala ( 21/07/2007 21:09)
eo amin ilay famaritana no misy olana, misy famaritana 2 izy io :

famaritana 1°: secte : etymologie > avy amin ny latin hoe sectare, izay midika hoe "couper", ohatran i calvin na i luther nanapaka ny fiarahana tamin ny catholique ka nandeha nitarika olona izay mitovy fomba fijery aminy (ohatra no raisiko)

famaritana faharoa : ny secte mifono faharatsiana : ireo antokon olona mivondrona eo ambany fitondran olona iray izay manana tanjona hafahafa.
12. cutie ( 21/07/2007 21:53)
ravakamalala :wink::lol:
miobon-kevitra
13. kidkid ( 22/07/2007 08:25)
mijere dictionnaire daholo fa tsy teny gasy anie le hoe: SECTE eh! dia mirava ny ady hevitra.
14. tywa68 ( 22/07/2007 08:52)
ravakamalala : izay niala t@ katolika zany sectes dhl :lol:
15. ikaretsaka ( 22/07/2007 11:56)
Salut manao xxx:

Ny nampalaza ny sekta voalohany dia tamin'ny andron'i Daoda. Efa taloha be ny niavian'ny mormons tany Mada. I Daoda dia naka ny firavaka rehetra an'ireo olona nivavaka tao aminy, sy nivohy ny hevitra hoe: am-pahafolon-karena.

nakany firavaka rehetra sy nanagona ny ampahafolon-karen.. milaza ho kristianina.. no nolazain'ny olona hoe sekta arak'io voalaza io
Sehatra Entina hamiahana Kristiana Tiana Angalam-bola hoy aho

Secte ve ny protestanta? Raha mamaky ny tantara dia tsy misy milaza fa secte izy. Hérésie no niantsona azy. Ny anglikana koa ve secte satria nihataka avy amin'ny katolika?

Tsy ampy ny famaritanao ny atao hoe secte satria raha ny anglikana no jerena dia nihataka avy amin'ny ktolika izy nefa tsy nisy filazana mihitsy hoe secte izy. Noho izany tsy izay rehetra mihataka dia lazaina fa secte daholo. Misy ny foto-kevitra na foto-pinoana ovain'i Secte. Ohatra ny kristianisma dia sekta ho an'ny jiody satria nilaza fa Andriamanitra i Jesoa, izay olombelona ihany ho azy ireo. Ny Temoin de Jeovah kosa dia sekta ho an'ny Kristianisma satria manda fa Andriamanitra i Jesoa.

ilay resaka protestant sy anglikanina misy zavatra tena mifanohitra koa ao @ ireny ko: ny fandavana ny ordre nomen'i Jesoa sasany (konfesy, principen'ny komonio, ny celibacy an'ny Pretra sns...)

Ilay filazana fa misitaka fotsiny dia tsy ampy velively. Misy ny zavatra tena mifanohitra be ao. Ohatra lazaina fa secte ny Apokaliptika satria ho azy ireo dia ny apokalipsy no tena misy ny foto-pampianarana sy tena ijoroan'ny finoany. Ho an'ny Kristianisma kosa dia i Kristy no ifotoran'ny finoana. sns
...
Efa voalazako teo ambony

16. ravakamalala ( 22/07/2007 22:11)
tywa68 > raha manaraka ilay famaritana hoe ny atao hoe secte dia ny fialana amina foto pinoana iray misy!

fa raha ilay famaritana hoe misy olona iray mitarika te hangeja sy te handany ny harena dia tsy secte.
17. deric ( 23/07/2007 09:33)
ikaretsaka:

efa fanontaniana niverimberina teto foana io. dia ny hevitra efa nivoitra teto ihany no averiko aminao
fa misy \"sekta 2 \" aloha an.. ny 1 dia kristianina dia ny 1 tsy izy..
iy izy! fa ilay kristianina
ny hoe sekta kristianina dia aleo atao tsotra hoe \"fiangonana kely evanjelika miorina eny rehetra eny\" rehefa tsy tiany ilay hoe
Sehatra
Entina hamiliana (hanasana atidoha, hametsifetsena, sns sns...)
Kristianina
Tiana
Angalam-bola

Ankoatran\'izay, Izay lasa ao anaty Sekta ka misy miteny anazy hoe Sekta dia tsy manaiky mihitsy ny antsoina hoe Sekta izy ,
tsy mba tahakan\'ny hoe ao anaty fiangonana Katolika, Protestant, Silamo, Jiosy, sns... ka antsoina @ ireny anarany ireny dia tsy mampaninona azy!

Andramo anie e... raha misy katolika na protestant na jiosy eo na silamo dia anontanio hoe Katolika ve ianao? silamo ve ianao? Jiosy ve ianao? dia manaiky izy hoe iee!

Fa raha misy membre an\'ireny Sekta ireny , anontanianao hoe sekta ve ianareo... tsy manaiky mihitsy izy an!

Heveriko fa tahaka ny anaram-bositrana na anara-petaka omen'ireo Mpanasekta ny hoe Sekta, ka tsy dia mandresy lahatra io fanalavananao azy io. Ary io fanalavan-teny ataonao io dia mitovy tsy misy valaka amin'ny andikan'ny sasany ny hoe "M.A.P" dia ilay ezaky ny fitondrana amin'izao fotoana izao; io indray dia nisy mandika hoe: "Miafina Aiza i Pety".
Raha ny tsy fetezany hantsoina hoe Sekta indray,Iza koa moa no hanaikinaiky foana ny ara-petaka izay hatao azy, na dia ianao izao aza, raha toa ka tsy fantatrao akory izay dikany sy heviny.
18. deric ( 23/07/2007 09:49)
ravakamalala:

ilay teny hoe sekta, ao antsain ny ankamaroan ny olona dia mifono zavatra ratsy (connotation péjorative).

rah zohiako amin ny resaka fivavahana tany madagasikara izao ohatra, ny tena niantombohan ny resaka hoe sekta, dia tamin ny fotoana nampalaza ny "mormons", tonga dia nalaza be eran ny tanana hoe sekta ireo, satria nisy fomba fanaon izy ireo angaha (tsy haiko loatra) toa hoe te hangeja ny mpikambana ao aminy.

Nefa raha mikaroka ianao hoe inona ny famaritana ny atao hoe secte dia mahita foana ny hoe : antsoina hoe secte ara pinoana dia ny fivondronan'olona izay niala tamin na foto pinoana iray lehibe.

Ka raha io famaritana io ve no arahina (hisy tezitra ndray zao ao!!!!!) moa va ny protestantisma tsy fivondronan olona niala tamin ny katôlisisma ?

Resilahatra ny amin'ny famaritanao ny antsoina hoe Sekta ho ry Ravakamalala.
Ka rehefa fotorina anie izany ny tantaran'ny fiangonana rehetra, dia sahiko lazaina izany fa Tsy misy afa-miala na katolika, na protestenta, na anglikana, na jesosy mamonjy, na .... Samy Sekta avokoa e!
Saingy mibitaka ireo efa nalaza taloha fa izay taoriany ihany no sekta. tsy ireo milaza ho fiangonan-dehibe , na hoe fiangonana voalohany ireo mantsy fiangonana voalohany indrindra teto ambony tany. Azo hamarinana amin'ny Baiboly izany.Raha misy moa namana te-hanazavako bebbe kokoa ny amin'ity hevitro ity dia afaka mametraka hafatra ao amin'ny "randriaderic@yahoo.fr"
mandra-piserasera indray e!
19. bozyboleta ( 23/07/2007 14:07)
Araka ny voalazan\'ny namana teo ambony ireo, le hoe sekta de matetika (mba tsy hilazana hoe foana) raisina @ heviny ratsy.
Ny antony de satria nisy ireo mpandoto. Tena nisy ary mbola misy reo mamorona fikambanana ara-panahy na kristiana na tsia manao fitadiavam-bola io sehatra io. Io sal@ le lazain\'ikaretsaka.

Fa misy koa anefa reo manana fomba vaovao tsy araka ny efa nahazatra tany @ fiangonan-drazana, fa tena mifototra @ fampianarana vavaka sy fanompoana ny Tompo tanteraka ary hita fa tena manavao sy mampandroso ara-panahy. Ohatra ireny fanaovana vondrom-bavaka ireny. Satria tsy mbola fahita de avy hatrany kilasiana ho sekta.
Misy olona sasany moa mody manao hoe fanatika fa ny totaliny te-hilaza hoe sekta ihany.

Tsy ferana kosa aloha ny fanararaotan\'ny devoly miditra @ reny vondrom-bavaka ireny satria ireny matetika no niatombohan\'ny sekta, tena le sekta mpitady vola ty lazaiko ty.Mody mamorona fivorivoriana de avy eo miha-mihitatra ihany de mitady kil de ny farany eny antokotanibe fa miha-tsy omby ny trano, sns...De mitaty rakitra avy eo hoe hanofana trano lehibe, avy eo hanaovana adidy @ mpikambana, de ny fiafarany lasa fangoronan-karena ividianan\'ny mpitarika 4x4 na hanaovany trano.

Ho ana raha ny eto M/kara aloha de ny fampiasana vola no tena hanakilasiana ny maha-sekta na tsia ny fiangonana. Ho an\'reo fiangonana efa tsara orina de mazava fa hanaovany asa soa ho fampandrosoana ny fanjakan\'Atra ny rakitra na fitadiavam-bola hafa. Ohatra ireny fikarakarana mahantra na zaza kamboty ireny.
Fa raha hoe fiangonana mijoro nefa tsy mazava ny fampiasam-bola de le sekta lazain\'ika izy zay.
20. ikaretsaka ( 23/07/2007 15:23)
fa mba tsetsatsetra ny ahy...
raha manontany olona fantapantatrao sy ahiahianao hoe sekte, nefa izany tsy te handratra azy @ ilay sens pejoratif dia inona ny fanontaniana tokony atao?

Azo atao ve ny manontany hoe?
"nareo izany ilay mpikambana @ ilay fiangonana kely evanjelika naorin'i Pasiteranareo ireny"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.414