sekta

21. boraingy ( 23/07/2007 16:45)
Amiko dia tsy dia tsara loatra ny mivohy ity loha-hevitra ity raha toa ka tsy mitondra any amin'ny fahazavan'ny lalan-komban'ny tsirairay eo anatrehan'izay toe-tsaina araka an'i Kristy izay irak'Andriamanitra.
Ny filazana ny antokom-pinoana mivoitra loatra sy ny fiarovana izay fombafomba fanaon'ny tsirairay avy no mahatonga ny fisavoritahana satria tsy Ilay Iray Lalaina intsony no miresaka eto fa ilay iray izay mahazo tombony noho ny fanakorontanana sy ny fampitsingilahilana ny toe-tsaina mba tsy hifantoka amin'Andriamanitra. mandeha anaty haizina sy mitsorapadrapaka fotsiny ny rehetra raha vao mametraka ady eo amin'ny samy Kristiana. Ny tena mahavalalanina dia ny filazan'ny sasany fa ny azy no marina tokony harahina fa Satana no filohan'ny ambiny rehetra!
Tandremo io resaka farany io fa io no tena raharaha raha vao miresaka secte. Sarona daholo ny Hafatr'Andriamanitra ho an'ny Kristiana raha vao io no manjaka.

Izaho manokana dia manongo tena raha vao mahita sy mandre ny ady ifanaovan'izay mitonona ho Kristiana.

Mila MAZAVA isika raha tsy izany dia fitaovan'ny devoly.
22. ikaretsaka ( 23/07/2007 17:44)
ka izay anefa ilay izy ry Boraingy:
ny anakorotanana ny volo hono... hivoahan'ny hao
ny hanongoana ny faty, tahotra ny handevim-belona
ny Hitsikilovana ny anaty fitombenan'akoho, ny hahalalana hoe malotony izany sa atodiny!
23. xxx ( 23/07/2007 21:07)


Ny voa no hahalalana ny hazo. Ny zavatra atao hitan'ny maso no hamatarana ny tsirairay. Anjarantsika no mijery, fa raha manimba ny mahaolona dia tsy izy izy izay fa ialao lavitra. Ny Olombelona dia SAINA-VATANA-FO-FANAHY, raha manasaraka an'ireo, na manao tsinotsinona ny singa iray na maromaro amin'ireo mba hanasongadinana ny iray monja, dia fantaro fa mandrava ny mahaolona izay.

Oh: misy ny manao ny fomba rehetra mba hanababona ny fon'ny olona ka mahatonga azy tsy hahay andinika intsony. Izay dia amin'ny alalan'ilay atao hoe: fijorona vavolombelona sns...
Misy indray ny mivohy ny hevitra fa ny fanahy ihany no tokony ho vojena. Ny vatana tsy misy dikany fa vovoka io, ratsy io, sns... Dia ampiasaina ny Soratra Masina hanamarinana ny hevitry ny tena.

Hanampy antsika amin'ny fandanjalanjana anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen
24. rakaroka ( 24/07/2007 04:22)
ordinera:

zah efa niala fivavahana ,efa retirety! anjaranareo no sisa!


:-D:-D:-D:-D:-D:-D

25. niryna ( 25/07/2007 14:41)
ordinera:

zah efa niala fivavahana ,efa retirety! anjaranareo no sisa!

:roll::roll:Mampihomehy ianao ity,mampalahelo mantsy e,isika maty dia velona indray,ka ianao izany hiverina indray ?
Torina ny filazantsara mba hiverenan'ny ondry mania sy ny olona mbola tsy mahalala an'Atra kanefa ianao indray dia mody tsy mahalala Azy intsony.Tandremo fa sao manenina ianao,indraindray tsara ny miteny fa raha tena marina fa ho retirety ianao dia tsy andray pensio mihitsy satria tsy nametraka na namafy voa.


26. niryna ( 25/07/2007 16:25)
Reraka be raha io" aty aminay no misy an'i kristy,izay tsy manaraka ny anay dia tsy izy izay,aty aminay no misy ny famonjena".
Tsy ny fiangonana no ahazoantsika famonjena fa ny finoana an'i kristy irery ihany.Izay ihany,ny manaraka ny didy vaovao izay nomeny antsika.
**Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra,sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra .Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Voafoaka ao anatin'io daholo ny fitiavana sy ny didy folo.Matio 22:37.

Misy milaza fa pisodia izahay mandra-pahafatinay sns.
Amin'ny maha olombelona antsika dia samy nomena fahalalany avy isika,anjaran-tsika tsirairay no mijery sy maka ny tandrifiny avy.Raha fiangonana no hitondrana fa tsy ny finoana an'i Kristy dia ho very isika.Tsotra ihany ny valiny:
" Ny fanekem-pinoana kristiana" arahana dia ho hitantsika na manaraka an'i kristy tokoa isika na manaraka ny filazan'ny fiangonana fotsiny.
***Mino fa Atra iray ihany,mino ny Zanany lahy tokana,mino fa Jesosy kristy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray.Mino fa nitsangana tamin'ny maty Izy ary naharesy ny fahafatesana(misy izany ny afobe)
Mino an'Atra Ray tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany aho:
*** Atra iray ihany izay nahary izao tontolo izao,tsy afaka ny hiankohoka afa tsy Aminy irery ihany.Tsy afaka ny hivavaka amin'ny sarivongana na sarisikotra na mivavaka amin'ny maty,na mivavaka amin'ny sampy sns..Teniny io,Izy irery ihany no Atra velona .
Mino an'i Jesosy Kristy Zanaka Lahitokana tompontsika
Mino an'i kristy zanak'Atra,ary izy irery no Tompontsika,mpanavotra antsika,mpanelanela antsika amin'ny Ray(mediator),tsy misy na iray aza afaka hakany amin'ny Ray raha tsy avy amin'ny alalan'i Kristy.
Izay notorotoronina tamin'ny fanahy masina,nateraky Maria virijiny.
Nijaly raha nanapaka Pontio Pilato,nohombohana tamin'ny hazo fijaliana.
maty ka nalevina,nidina tany amin'ny fiainantsihita

*** mino izany isika fa nahita izany fahafatesana izany Izy ary naharesy ny fahafatesana ihany koa.
Niova olona toa antsika Izy ary nahita ny fahoriana mianjady ny olona,niady amin'ny ary naharesy ny fanahy ratsy,niaritra,nijaly,nandalo fakampanahy ary nahatohitra ireo rehetra ireo.
Nitsangana tamn'ny maty tamin'ny andro fahatelo,niakatra ho an'ny an-danitra [/u]
***Mino Azy fa nitsangana tamin'ny maty Izy,mino ihany koa fa hisy ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty,mino Azy ihany koa fa niakatra any an-danitra Izy.:arrow:Mino ny fiverenany ihany koa satria efa nanambara Izy fa andeha hanamboatra toerana ho antsika Izy ary hiverina indray haka ireo olony.
Mipetraka eo an-kavanan'Atra iray tsitoha.
Mbola miara mipetraka amin'Atra Izy izany,miaraka amin'ny Rainy Izy,any amin'ny Ray ihany koa Izy.
Avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty
Hitsara antsika rehetra Izy na velona na ny efa maty
Mino ny fanahy masina aho,ny fiangonana masina manerana izao tontolo
Mino fa miaraka antsika isan'andro ny Fanahy Masina koa mangataha aminy mba hirotsaka ao am-pontsika izany Fanahy Masina izany.Efa teny nambaran'i Jesosy io fa angataka ny Rainy mba andefa ny Fanahy Masina Izy ho antsika.
Maro ny fiangonana fa ny fiangonana masina izay mino azy,manara-dia azy,manaraka ny hafany no tokony ho hinoantsika.Efa hafany koa io fa maro ny olona hitsangana sy hilaza fa atsy sy aroa no misy an'i Kristy,maro ny fiangonana manonona ny anarany kanefa tsy manaradia ny hafany,anjarantsika no mamakafaka izany.
[i]Ny fiombanan'ny olona masina

Raha samy mpanaradia an'i kristy isika dia tsy tokony hiady an-trano satria samy lalana sy finoana iray ihany no arahina,raha tsy manaraka azy moa dia mazava ho azy fa hanohitra izay nolazainy sy izay voalaza ao anaty baiboly."Tsy misy afaka hanompo roa fa na ny iray ho tiany na ny iray ho halany"
Ny famelankeloka,ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty,ary ny fiainana mandrakizay.

Misy ny famelankeloka,moa ve isika mamela ny olona mitovy amintsika,moa ve isika mba niaiky fa diso ka dia nangataka famelana tamin'ny olona nasiantsika ratsy?Raha manatona Azy ka mibebaka,mahatsiaro fa diso,ary miaiky ny fahotantsika isika dia ho voavelany tokoa ny fahotantsika ary voasasa tokoa ny fahadisoana rehetra.
Misy ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty ary Izy no voalohany nampiseho antsika izany.Misy ny fiainana mandrakizay na andeha hiaraka aminy isika na hivarina any amin'ny maizina dia ny fahaverezana izay hijaly,hikotro nify,sy ho may.

Mamafaza voa ,aza mba malaina fa tsy ho fantatrao izay ho vanonao^oo^oo^o

Lany andro eo isika raha hifampitsikera ny fiangonana lava eto.Minoa fotsiny ihany fa Jesosy Kristy no mpanavotra antsika,manantona Azy,raha mbola tsy nandray Azy tao am-ponao ianao dia afaka mivavaka sy miresaka aminy.Mivoha 24/24 ny varavarany.:roll::D:D
(l)niryna
27. ikaretsaka ( 25/07/2007 23:59)
Lany andro eo isika raha hifampitsikera ny fiangonana lava eto.Minoa fotsiny ihany fa Jesosy Kristy no mpanavotra antsika,manantona Azy,raha mbola tsy nandray Azy tao am-ponao ianao

ilay mifampitsikera ange raha tena raisina serieux sy tsy amin'ny fo tezitra sy fo mikombona dia tena azo hangalana hevitra hifanitsiana e! mampatsiaro ny tantaran'ilay olomasina lazain'i piste miangavy ny tenany hotsikerana!
notsikeraina izy nahafahany nahafantatra ny tenany sy nahafahany nanitsy an'izany ka nahatonga azy hivoatra bebe kokoa any @ fahamasinana.

ary tadidio amin'ny fiainana dia tsikeraina foana ianao . . . hatramin'ny nahaterahanao ka hatramin'izao! anisan'ny antony mahatonga anao miroso tsimoramora any @ perfection izany!
Hatramin'ny mbola kely no nahazo ny hoe "eh tsy mitomanimany eo, ny notes sy ny fanontaniana isan-karazany any am-pianarana hitsikerana ny nataonao sy ny zavatra heverinao ireny .. dia mitohy hatr@ izao!"
28. deric ( 26/07/2007 13:23)
niryna:


Tsy ny fiangonana no ahazoantsika famonjena fa ny finoana an'i kristy irery ihany.Izay ihany,ny manaraka ny didy vaovao izay nomeny antsika.
**Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra,sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra .Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Voafoaka ao anatin'io daholo ny fitiavana sy ny didy folo.Matio 22:37.
Raha fiangonana no hitondrana fa tsy ny finoana an'i Kristy dia ho very isika.
*** Atra iray ihany izay nahary izao tontolo izao,tsy afaka ny hiankohoka afa tsy Aminy irery ihany.Tsy afaka ny hivavaka amin'ny sarivongana na sarisikotra na mivavaka amin'ny maty,na mivavaka amin'ny sampy sns..Teniny io,Izy irery ihany no Atra velona .
Lany andro eo isika raha hifampitsikera ny fiangonana lava eto.Minoa fotsiny ihany fa Jesosy Kristy no mpanavotra antsika,manantona Azy,raha mbola tsy nandray Azy tao am-ponao ianao dia afaka mivavaka sy miresaka aminy.Mivoha 24/24 ny varavarany.:roll::D:D
(l)niryna



Tena mahafinaritra ahy be ny famakafakanao ry Niryna asa raha mba afaka mifandray aminao aho fa te-hahazo bebe kokoa, hitako manan-javatra be ianao amin'nu resaka finoana sy fivavahana. ba asio fijoroana vavolombelona ange ny fanananao an'i Jesosy e!
Bold text
29. ikaretsaka ( 26/07/2007 14:06)
dia ahoana ilay hoe.. ratsambatan'i kristy ny fiangonana?
nareo izany mino azy fotsiny fa tsy manao ratsambatany?
30. ikaretsaka ( 26/07/2007 14:22)
fijoroana vavolombelona ve tsy formule toy izao foana e:
Za taloha anona dia nananona sy nananona dia nananona dia lasa anona sy nanaona dia hatramin'ny maha anona anahy izay dia nananona sy nananona sy nananona ianona!
31. boraingy ( 26/07/2007 14:35)
Misy fiheverana momba ny "Iray" eo amin'ny "Conception Divine". Io ilay "Tena Iray" ao amin'ny Tompo ary nisy ilay filazan'i Jesoa hoe "ho Iray ihany anie izy rehetra". Mbola maro ny resaka momba io raha manaraka tsara ny fitorian-teny nataon'i Paoly isika ary nanaovany fanoharana momba ny vatana. Eto dia tsy ny Fiangonana no resahin'i paoly fa ny olona tsirairay ary ny fiangonana dia mazava fa tsy misy raha tsy ny olona no mampisy azy.

Tena Iray izany no azo ilazana azy fa tsy rantsam-batana fotsiny ihany.
32. ikaretsaka ( 26/07/2007 14:41)
ny fiangonana tsy misy raha tsy ny Tompo no miantso azy sy manorina azy, ary manaiky ny hanorenana azy, fa tsy hoe i pasitera tezitezitra sy leoleon'ny adihevitra tany ho any dia maka kil hafa ko! dia hoe misy kil ao dia atao fiangonana izy izay!
33. boraingy ( 26/07/2007 15:22)
Aoka angamba ho raisina hoe misy fanomezam-pahasoavana samy manana ny azy araka ny filazan'i Paoly azy no andraisana azy: raha nanao fanoharana momba ny tena izy dia nilaza ny hoe raha ny tanana tsy hilaza hoe tsy mila ny tongotra ary ny maso tsy hilaza mihitsy hoe tsy ilaiko ny tontaliben'ny vatana manontolo.

Mety misy bitsika nomen'ny Tompo tokoa amin'ireny olona namorona sampana ireny ary fomba fiasany avokoa izany. Ny ratsy dia raha tsabahan'i Satana ilay izy ka ny tsirairay dia hitsara ny hafa.

Mila fo resy io ho antsika Kristiana fa raha tsy izany dia hampandihizin'i Satana eo ambony sahafa amin'ny toetra "mieboebo" sy "mihevitra ho manana ny marina".
34. ikaretsaka ( 26/07/2007 17:45)
fa hono hoa ry boraingy.. raha nihainohaino toriteny sy nifanditra t@ pasitera na i mompera tany ianao ka sorintsorena avy any dia nanagona olona! dia nanao ho anareo mitokana.
Dia ho Fanomezam-pahasoavana ve izany?

dia efa voalaza teto koa io

ari malala:
matetika refa tsy te hovoatohintohina @ tsy mety ataony ny olona iray dia io "aza mitsara mba tsy hotsaraina" io arosony mba tsy itenenanana azy...


dia efa voalaza teo koa io
momba ilay hoe mieboebo sy mihevitra ny tena ho manana ny marina
izay no mahatonga foana ilay hoe andao hifampi critique miaraka amin'ny arguments convaicants mba hahatsapana ny tena.

"Ny maha tonga lafatra ny olona,dia ny fitadiavana ny tsy maha tonga lafatra azy"
"This is the very perfection of a man, to find out his own imperfections. "

" hatramin'i Abrahama sy ny Tompo, Izaia, Jonasa sy ny Tompo, Socrates sy i Plato, Jesoa sy Piera, ka hatr@ izao dia t@ alalan'ny ady hevitra foana no nahitana ny marina "
St Augustin
35. tywa68 ( 27/07/2007 05:18)
boraingy sy Ika : ka tsy maintsy hanamari-tena foana ny mahatsapa tena voatondro, mila mizara ny fahasoavana azony (@ toetra sy fihetsika), mila miresaka mba hiara-hahita ny marina, na ny marimaritra iraisana. Fa tsy hoe Satàna no mahatonga an'itsy manao an'izao sy izao ...satria hafa ny fanaony. Te-hahazo Famonjena fa samy manana ny fangatahany azy. :-*
36. boraingy ( 27/07/2007 08:37)
tywa68:

boraingy sy Ika : ka tsy maintsy hanamari-tena foana ny mahatsapa tena voatondro, mila mizara ny fahasoavana azony (@ toetra sy fihetsika), mila miresaka mba hiara-hahita ny marina, na ny marimaritra iraisana. Fa tsy hoe Satàna no mahatonga an'itsy manao an'izao sy izao ...satria hafa ny fanaony. Te-hahazo Famonjena fa samy manana ny fangatahany azy. :-*



Miombon-kevitra aminao aho eto.

Io toetra sy fihetsika io indrindra no tsy ananantsika. Tsy ny hoe famatrapatrarana ny kileman'ny hafa fa famatrapatrarana ny kileman'ny tena no tokony hataontsika. Raha misy Fahendrena Iray Lalaina dia aseho izany amin'ny toetra, ampiainina izany ary ireo fanenjehana ataon'ny mpanakiana dia anisan'ny fisedrana ny fahamarinan'izay Hazavana nampandrosoan'ny tena.
37. ikaretsaka ( 27/07/2007 16:27)
marina daholo ny an'i tywa sy boraingy:
Mila miresaka ahitana ny marina..

Tsy ny hoe famatrapatrarana ny kileman'ny hafa fa famatrapatrarana ny kileman'ny tena no tokony hataontsika


ekena 100% fa betsaka koa anefa ny tsy mahalala ny kilemany raha tsy tenenina.
tsy misy hafa amin'ny hoe (azafady @ fanoharana) nanitsaka maloto ianao nefa mandeha ihany , dia misy miteny aloha , dia eo ianao no mijery tokoa ny tenanao sy ny kiraronao hoe nanitsaka tokoa. fa tsy voatery foana hoe nanitsaka ianao dia ianao ihany no hahita azy!
Izay no ilana namana mba mifampiteniteny eo!
38. boraingy ( 27/07/2007 16:44)
Ikaretsaka> Manampy ny fisedrana ny fahendren'ny tena ny conseil ny namana ka! misaotra anao nanampy!
39. fijo ( 27/07/2007 20:51)
namanao sy cutie ngamba no mahavaly an'ilay fanontanian atsara.izay miala avy ao anaty vondrona iray lehibe ka manorina kely etsy anila dia sekta.
misy loza izy ireny,nefa koa misy tsy atahorana
40. deric ( 04/08/2007 08:02)
[quote=boraingy]
Ilaina tokoa ny mifampiresaka ny amin'ny tena fa tsy miresaka ny hafa (mifosa); io ilay voalazan'ny soratra masina hoe: aoka hifampandika hampandroso ny fitiavana". miombon-kevitra aminao aho,fa ny betsaka dia ny mitsikera ny hafa ihany, fa tsy mahita ny kileman'ny tenany.
ary matetika koa rehefa tsy iray anotko na fikambanana, indrindra fa tsy iray fiangonana aminy satria io tena fototry ny resatsika hita foana izay hitsikerana azy. Tsaroako anefa fa na dia tamin'ny andron'ny TOmpo tety an-tany aza dia efa nisy io antoko hafa ,na tsy iray fiangonana io: Hoy ny mpianatra hoe: Misy olona mandroaka demonina amin'ny anaranano nefa tsy iray amintsika, ka noraranay,tsy nomba io hevitry ny mpianatra io anefa ny Tompo, fa ny anavaliny dia hoe: IZay tsy manohitra atsika antsika dia namantsika ihany. Raisiko io fa tsy voatery hikambana amin'ny fiangonana na fikambanana iray ihany no vao afaka hiasa ho an'ANdriamanitra. Aza ny maha hafa azy no jerena fa fantaro amin'ny vopany ny hazo. efa anambaran'ny namantsika sasany ireo fa misy amin'ireo lazaina ho sekta ireo no ratsy nefa misy koa ny tsara, toy izany koa ireo izao fiangonana tranainy, na ireo mpanasekta koa mba misy ny tsara ary misy koa ny...
resilahatra ny amin'ny tenin'ny soratra masina koa aho hoe: Tsy misy anarana mahavonjy ety ambonin'ny tany hafa -tsy ny anaran'i Jesosy irery ihany. izany hoe:Tsy misy anaram-piangonana, karazam-piangonana mahavonjy, fa miankina amin'ny fiasan'i Jesosy ihany. Ny tiako hahatongana dia hoe:Aoka tsy hisy hirehareha ny amin'ny fiangonany, fa aoka JEsosy ihany no horeharehany.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0508