Alcoolisme:aretina hono fa tsy vazivazy!

1. niryna ( 20/07/2007 03:18)
Misy ny olona tia manala sorisory fotsiny dia misotro,misy indray tena mamolava ka mandry an-tantatra,mamono vady,miova toetra,manankorontana ny mpiara-belona aminy,mampijaly ny vady aman-janaka ka misy fiantraikany eo amin'ny zanany izany,manao teny tsy voahevitra ka rehefa maraina dia adinony iny ary mitarika ny fisaraham-bazana eo amin'ny tokan-trano mihitsy aza.
"Io toaka ,toaka-nareo io mba esory e!":cry: Io no anatra matetika rehefa miteny ny olona:roll:

Aretina hono no mahatonga ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka.Ilay tena mamo foana izany fa tsy ilay misotro kely tsy indraindray a!Marina tokoa ve izany?

Izy ireny hono dia tsy tia na tsy mahazaka misotro ronono ,fromage na ny zavatra vita amin'ny ronono.Inona tokoa no antony,marary kibo ve sa lasa misy fiantraikany amin'ny vatany ilay izy.
Ny tena zava-doza dia tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra ny olona mamolava raha tsy mangataka famelan-keloka(miala tsiny fa ao anaty baiboly io)
Ahoana ny hevitrao,inona ry ireto no tokony mba andraikitra ataontsika raha sendra manana havana na namana tena tsy mety afaka amin'io toaka io isika?
(l)niryna
novalian'i niryna ny 08/08/2007 05:20
2. sitlo ( 20/07/2007 15:43)
Voaloha aloha titrana magazine vao tamin'ny erinandro io :-D

Faharoa, azonao faritana ve hoe inona no atao hoe mamolava?

Farany, fa inona kay ny fahagagana ntaon'i Jesosy voaloha?
3. sitlo ( 20/07/2007 15:47)
oups, kay efa voalaza. :oops:
mandry an-tantatra,mamono vady,miova toetra,manankorontana ny mpiara-belona aminy, mampijaly ny vady aman-janaka ka misy fiantraikany eo amin'ny zanany izany,manao teny tsy voahevitra ka rehefa maraina dia adinony iny ary mitarika ny fisaraham-bazana eo amin'ny tokan-trano mihitsy aza.

lol

vitsy izany
4. pissoa ( 21/07/2007 01:58)
Ny tena zava-doza dia tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra ny olona mamolava raha tsy mangataka famelan-keloka(miala tsiny fa ao anaty baiboly io)

sao tsy io no tena zava-doza rehefa eto amin'ny fahasalamana no atao le dinika ... sa mety tsy ara-pahasalamana ny fanjakan'ny lanitra :-D:-D:-D

ny tokony atao :
na izy avela irery eo
na taritina hiala
na mamonjy misotro miaraka aminy !

Le fahatelo no mety satria mba lasa kely ny taoka sotroina :oops::-D
5. ikaretsaka ( 21/07/2007 02:26)
ny olona misotro fa tsy mamo no tena miditra izany raha azoko indrindra...
misotroa fa mahasalama .. na i Paoly na ny fokotera dia manao an'io
dia nampiany hoe mahalala ny atonony!

ilay fahatelon'i pissoa kao tsy ratsy mihitsy
6. watafon ( 22/07/2007 19:28)
mampihena ny dégât mou zany no dikan'io ry pissoa e ? hihihi !
7. niryna ( 24/07/2007 06:07)
pissoa:

Ny tena zava-doza dia tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra ny olona mamolava raha tsy mangataka famelan-keloka(miala tsiny fa ao anaty baiboly io)

sao tsy io no tena zava-doza rehefa eto amin'ny fahasalamana no atao le dinika ... sa mety tsy ara-pahasalamana ny fanjakan'ny lanitra :-D:-D:-D

:D:D indry aky mampihomehy ahy a.
Raha tsy miova aky izy dia tsy mahazo fahasambarana sy fifaliana ho mandrakizay a(rehefa miala ety a)

ny tokony atao :
na izy avela irery eo
na taritina hiala

Ie ,marina izany,misy tena mamono mihitsy izy ireny,atorany hatramin'ny vilia kanefa rahampitso dia lasa indray izy mivady mividy vilia:roll:

na mamonjy misotro miaraka aminy !

angamba tsy mety raha hiaraka aminy eo k'ity!

Le fahatelo no mety satria mba lasa kely ny taoka sotroina :oops::-D

=))=))

8. niryna ( 27/07/2007 06:21)
Ny vehivavy misotro toaka hono no vetivety mamo raha mitovy ny refy omena azy sy ny lahy:roll:
9. Anjoanina ( 31/07/2007 15:52)
niryna> Marina tokoa fa aretina ny fisotroan-taoka. Nanoratra hafatra momba ity resaka ity aho nanome fanazavana momba an'io saingy nony nalefa dia tsy nipoitra akory. Herim-po very maina marina!

Miantehitra amin'ilay taoka ny vatana ka tsy afaka ny miala. Ny atidoha, aty, fo, sy ireo taova maro tsy voatanisa eto no voa.

Ny mpitsabo, ny mpiara-monina, ary finiavana avy amin'ilay mpisotro taoka no ilaina mitambatra mba hialana amin'io. Ary ny ambony indrindra dia vavaka.

Vizana be aho hamerina hanoratra indray.
10. Anjoanina ( 31/07/2007 15:54)
Tsy hono ilay hoe vehivavy mora maro fa marina. Tsy mitovy ny firafitry ny vatan'ny lehilahy sy ny vehivavy.

Ny olona tsy mihinan-kanina koa fa tonga dia miletra taoka tonga dia mora mamo.
11. mirana5 ( 31/07/2007 22:26)
8O8O8O odray!!!!!!!!!
12. rasil ( 01/08/2007 14:57)
Marina io ka !!!!!!!
13. niryna ( 02/08/2007 04:33)
Anjoanina:

niryna> Marina tokoa fa aretina ny fisotroan-taoka. Nanoratra hafatra momba ity resaka ity aho nanome fanazavana momba an'io saingy nony nalefa dia tsy nipoitra akory. Herim-po very maina marina!

Miantehitra amin'ilay taoka ny vatana ka tsy afaka ny miala. Ny atidoha, aty, fo, sy ireo taova maro tsy voatanisa eto no voa.

Ny mpitsabo, ny mpiara-monina, ary finiavana avy amin'ilay mpisotro taoka no ilaina mitambatra mba hialana amin'io. Ary ny ambony indrindra dia vavaka.

Vizana be aho hamerina hanoratra indray.

Marina izany,alefaso ato ny fanazavana rehefa tsy nivoaka tany an-kafa raha mbola tadidinao.
14. niryna ( 02/08/2007 04:38)
Toy ny ankizy mandena fandriana lava dia azo tsaboina,toy izany koa hono ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka intsony.
Aretina izy ka inona no mety mitranga iza no mahazo vola ,iza no hiaran'ny loza noho ny nataon'ilay mamo?Ny olona tsy mety afaka amin'ny toaka hono dia toy ny aretina rehetra ary efa misy fanasitranana azy izao.Misy aza firenena mampianatra ireny olona tsy afaka ireny.
Tsy izay rehetra misotro akory no teneniko fa ireo izay tsy mety afaka intsony.Isika gasy dia tsy mety raha tsy misotro kely rehefa misy fety ary raha ohatra ka apetra eo ny toaka dia masoandro maty no mampalahelo.

Raha aretina ny fisotroana alkola dia:

-Raha aretina ny fisotroana alkola na toaka dia ny fanjakana no manao sy mahazo vola indrindra amin'ny orin'asa manao an'io.
-Io no aretina mitondra ady indrindra,mitondra fahafatesan'ny olona tsy nahy satria mamo ny mpitondra
-Io no aretina tsy mitondra otrik'aretina kanefa tsy sitran'ny fanafody.

Mampalahelo ny olona sasany satria ao anaty ny fahamamony izy vao afaka manambara ny alahelony na zavatra tiany hambara.

Farany aretina io ka io no fefy manakana ny olona tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra raha tsy ohatra ka tsy mibebaka(I Kor 6:9-10)
15. niryna ( 02/08/2007 04:41)
Raha aretina io dia tokony hisy ny antony nahavoa ilay olona:ny fahazarana,ny fahalemena,na izay zavatra hafa tianao ilazana azy.
Raha ohatra ka te-hiala amin'io aretina io ianao dia ireto no azo atao:
-Manandrama miala
-Satria vokatry ny fividiana an'io no mahatonga ny mpivarotra mahazo vola,raha tsy misy mividy intsony dia tsy misy koa ny aretina:roll::D
16. niryna ( 02/08/2007 04:56)
Ity anie jereo ny stastic mikasika ny vokatry ny fisotroana zava-pisotro mahamamo e: Izany ary t@ 1972.
1- Ny amerikana hono dia 9 million no voan'io aretina io
2-200,00 olona isan-taona no fitombony.
3- Ao anatin'ny 50.000 olona maty ,ny 28,400 dia hita taratra ny rany fa misy alkola
4-Ao anatin'ireo olona tsy afaka miasa intsony izay 50,000 tamin'ny taona lasa dia voadona vokatry ny mpamily mamo.
5-2.000.000 isan-taona no voasakana noho ny fahamamoany
6-21 billion de dollars no lanin'ny olona tamin'ny herin-taona nividianana toaka.
7-Ny fotoana lany sy ny tsy fiasana miasa ho an'ny olona ,vokatry ny fahamamoan'ny mpamily dia nahatratra
15 billion de dollars( 1971)
8-Ny 1/2 ny olona miditra ny hopitaly dia olona mamo tanteraka:roll:(aty misy fanadiovana ireny olona mamotampona ireny ary raha tsy mailo dia maty ny tanora izay nanandrana ka mamo nisotro ny tsy zakany.
9-1/3 ny olona mamono tena dia nisy fifandraisany amin'ny toaka,
10- Ny olona mamolava hono dia mihena 10-12 taona ny andro ihainany.:cry:

Koa raha mbola tsy tafiditra dia hialaho toy ny afo mandoro.Ny tokan-trano rava sy potika moa izany tsy lazaina intsony.Ny fahorian'ny ankizy mahita ilay ray mamo sady mamony ny vadiny sy mitabataba manginy fotsiny.:cry::cry:
17. rhina ( 03/08/2007 08:38)
zao fotsiny n teniko aminareo zandry kely reo
AZA TIA MANANDRAKANDRANA fa rehefa tratrany anie ka TSY METY AFA MAINA E

rehefa mbola tsy mpifoka na tsy mpisotro na tsy mpiloka sns dia tazony ny fahendrena mahaiza mife tena

fa ny olona anie mteny oe miala miala fa ratsi io nefa ny efa tratrany tsy mety tafala fa fandriany e

zay ooooo!!!!!!!
18. Anjoanina ( 03/08/2007 17:55)
niryna > Misy azo raisina ilay torohevitrao hoe manandrama miala. Raha toa ka tsy mbola latsaka lalina ilay olona dia mety hihety io.
Ireo efa tena latsaka lalina kosa dia tsy afany irery io fa mila fanampian'ny manodidina araka ny voalaza etsy ambony hoe mila ny fanampian'ny mpitsabo, mpiara-monina, vavaka, ...mila mitambatra ireo.

Afaka mba omenao eto ve ny loharano nakana ireo statistika nomenao satria dia mahaliana tokoa?

Misy ihany koa ny toerana fanadiovana ny olona tena mpisotro taoka toy ny eny amin'ny toeram-pitsaboana Loterana Ambohibao raha ao Madagasikara, misy koa ao Andravoahangy fa ny anarany no tsy fantatro. Saingy ny sarany no toa lafolafo ihany.

rhina > soa fa mbola misy olona toa anao.
19. niryna ( 05/08/2007 23:32)
rhina:

zao fotsiny n teniko aminareo zandry kely reo
AZA TIA MANANDRAKANDRANA fa rehefa tratrany anie ka TSY METY AFA MAINA E

rehefa mbola tsy mpifoka na tsy mpisotro na tsy mpiloka sns dia tazony ny fahendrena mahaiza mife tena

fa ny olona anie mteny oe miala miala fa ratsi io nefa ny efa tratrany tsy mety tafala fa fandriany e

zay ooooo!!!!!!!
:cry:dia tena tsy afaka mihitsy ve raha te-hiala sa ny saina no mandambolambo ilay fahazaran-dratsy? Misy anie zavatra iny no tiany tazomina fa misy zavatra tiany hafenina ao e?tsy ny rehetra aloha fa betsaka ilay izy rehefa halalinina sy anontaniana tsara ny antony.

20. niryna ( 05/08/2007 23:34)
niryna:

[quote=rhina]

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2478