Alcoolisme:aretina hono fa tsy vazivazy!
21. niryna
(
05/08/2007 23:46)
Anjoanina:
niryna > Misy azo raisina ilay torohevitrao hoe manandrama miala. Raha toa ka tsy mbola latsaka lalina ilay olona dia mety hihety io.
Ireo efa tena latsaka lalina kosa dia tsy afany irery io fa mila fanampian'ny manodidina araka ny voalaza etsy ambony hoe mila ny fanampian'ny mpitsabo, mpiara-monina, vavaka, ...mila mitambatra ireo.
Afaka mba omenao eto ve ny loharano nakana ireo statistika nomenao satria dia mahaliana tokoa?
Misy ihany koa ny toerana fanadiovana ny olona tena mpisotro taoka toy ny eny amin'ny toeram-pitsaboana Loterana Ambohibao raha ao Madagasikara, misy koa ao Andravoahangy fa ny anarany no tsy fantatro. Saingy ny sarany no toa lafolafo ihany.
rhina > soa fa mbola misy olona toa anao.
Sendra hitako taty aminay io fa amin'ny teny anglisy dia nazavaiko teny gasy.
Ity ny adiresiny fa toa mandefa karazana fanampiana ny mpiara-belona io fikambanana io
Old Paths Tract Society.Inc,Shoals,Ind .47581 U.S.A
Asa ireny croix bleu ireny raha manao io koa,misy fandaharana natokana ireny olona mamo lava tsy mety afaka ny toaka ireny koa aty aminay ary tsy roahina intsony ny mpiasa fa alefa mitsabo tena any.
Ny tena mampalahelo anie dia vokatr'ilay fiainana:miady irery,very fanantenana,mahatsiaro tena tsy misy mpitia,tsy manana fanantenana intsony,tsy misy olona hisarangotina hitantarana ny fahoriana,misy toetra ratsy ao ka tsy tiana ho fantatra na misy zavatra ratsy natao ka manafina an'iny ary dia mikiky ao am-po ao foana ilay izy sns.Ireo dia anisany fa maro lavitra no antony mahatonga ilay izy.Hoy aho mantsy ny tanora hoe isaky ny mandray vera ianareo ka misotro ireny toaka ireny dia mampiditra an'ny satana ao anatinareo.Midira aty amiko ianao ry satana,toy izany koa hoy aho mantsy ny namana mifoka sigara,sady tia tena satria raha maty izy tsy mahatsiaro fangirifirina fa ny velona no mijaly.Eny mora ny miteny satria tsy an'ny tena ny lelo.
22. Anjoanina
(
07/08/2007 13:26)
niryna> Misaotra anao tamin'ny info. Niezaka nitady ny site an'ilay organization koa aho fa famintinana momba ilay orinasa fotsiny no misy aloha hatramin'izao.