toeran'ny maty eo @ Malagasy

21. ikaretsaka ( 10/07/2007 16:59)
mamy 23
na kristianina any @ firenena hafa aza dia manana ny cimetiere-ny sy ny tombeau-ny koa ka !
ary faniriany koa rehefa maty izy no hoe ho any @ cimetiere na caveau familial!

ary na kristianina aza dia manao toy izany koa! ohatra: ny fasan'ny misionera ery Ambohipo!
hatrany no tsy misara mianakavy ka!
22. sitlo ( 10/07/2007 19:53)
mamy23> tandremo fa tsy ianao no mitsara hoe kristianina ity fa Andriamanitra. Aza maka ny toeran'ny Avo fa sao idiran'andro. :-D
23. pissoa ( 11/07/2007 01:04)
sady tsy hitako mitsy ze tsy mampakristianina ny faniriana hilevina ampasan-drazana ! :-D:-D:-D Sa "Aleo ny maty handevina ny manty ao aminy" ndray koa io ? =))=))=))
24. simplex ( 11/07/2007 09:52)
i Jesoa aza nalevina lesy kou :) saingy hoe tsy tao @ fasan-drazany alou e?:°) aiza kay ny fasan'A/tra e?:P

le fahafatesana manko otran'ny hoe "fiantsoan'A/tra" ihany e :roll::°):P
25. lapino ( 13/07/2007 08:11)
Fa tohizako kely ilay adihevitra : ny maty ho an'ny malagasy rehefa lasa kristiana

Maninona no entina any am-piangonana ny faty ? Izao manko :
- Andriamanitra tsy mijery ny nofo fa ny fanahy ihany
- Ny fanahin'ilay olona anefa efa niala tao amin'ilay vatana
- Dia atao inona any amin'Andriamanitra ilay nofo ?

Azo ampilaharina amin'ny tsy miditra fasan-drazana ve ny tsy miditra fiangonana ?
26. simplex ( 13/07/2007 09:45)
lap:
- Dia atao inona any amin'Andriamanitra ilay nofo ?
satria ny olona "humain", tsy maintsy manetsetra. Betsaka mintsy ny fotoam-pivavahana natao manokana hoan'olona 1 na maty io na velona, na tsy eo antoerana aza ilay olona.
Zany hoe tsy manakana ny fivavahana ny fisian'le ol maty ao ampiangonana fa ra eo kosa ve ny vatany, rariny ra entina any ampiangonana. Zay e, tia hahatsiaro ny olona, sady manetsetra eo...

lap:
Azo ampilaharina amin'ny tsy miditra fasan-drazana ve ny tsy miditra fiangonana ?
Madagasikara midadasika be an. Ra any @ toerana tsisy A/tra any ve mou, na ny fiangonana aza tsisy kou atao ahoana. Sinon, "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka" ;-)
27. lapino ( 16/07/2007 07:05)
Tsy dia tena ho an'ilay olona maty izany no itondrana ny razana ao am-piangonana, fa ireo mbola velona no mila an'izany ... na dia hoe hivavaka ho an'ilay olona maty aza no anton-dia
fa ra eo kosa ve ny vatany, rariny ra entina any ampiangonana.
fa maninona no rariny ? :roll:
28. simplex ( 16/07/2007 08:22)
fa maninona no rariny ? :roll:
kefa we te hanetsetra izy kou. Sady mba jereo kou le scenario:
avelao ao aloha ny fatiny fa ndao hivavaka hoazy any
ampiangonana d avy eo alaina refa hanitrika azy any
ampasana e
:roll:
daroka alika ny mahazo an'la ra miteny an'zany ela :°):-D:-D
29. lapino ( 16/07/2007 08:47)
avelao ao aloha ny fatiny fa ndao hivavaka hoazy any ampiangonana
d avy eo alaina refa hanitrika azy any ampasana e

... Sa ndao hoentina ihany fa sao hadino eo ndray:-D:-D
30. pissoa ( 16/07/2007 16:48)
Reto koa bandy kondrana mitsy ka :-D:-D:-D:-D:-D

Fa tohizako kely ilay adihevitra : ny maty ho an'ny malagasy rehefa lasa kristiana

Maninona no entina any am-piangonana ny faty ? Izao manko :
- Andriamanitra tsy mijery ny nofo fa ny fanahy ihany
- Ny fanahin'ilay olona anefa efa niala tao amin'ilay vatana
- Dia atao inona any amin'Andriamanitra ilay nofo ?

Hi hi hi, Andriamanitra dia tena mijery ny nofo/vatana ka ... diniho kely nge e, misy ny didy tena mikasika ny vatana mivantana fa tsy resa-panahy fotsiny, ohatra : Aza mijangajanga :-P:wink:

Ankoatra izay dia tena manome lanja ny vatana/nofo koa Andriamanitra fa tsy hoe "mijery" fotsiny.
1 - Avelany hiara-miasa amin'ny Fanahiny Masina ny vatana mandritra ny andro fahavelomana.
2 - Nanaiky tonga nofo Izy ary nisalotra vatana sy nofo toy ny antsika olombelona
3 - Rehefa maty izy dia nitsangana niaraka tamin'ny vatany, fa tsy ny "Fanahiny" fotsiny no nitsangana toy ny matotoa tao. Ary toy ny nitsanganan'i Kristy no andrandraintsika hananganana antsika amin'izany andro izany !

Noho izany rehetra izany dia rariny raha entina any an-tranon'Andriamanitra ny vatana ... ny fanahy aza efa tsy fidiny fa tsy azo bataina dia tsy kobo hoe nandalo tany ve sa tsia :-D:-D:-D
Sady mba manetsetra araka ny tenin'i Simp e :-D
31. lapino ( 16/07/2007 17:14)
pissoa:

Hi hi hi, Andriamanitra dia tena mijery ny nofo/vatana ka ... diniho kely nge e, misy ny didy tena mikasika ny vatana mivantana fa tsy resa-panahy fotsiny, ohatra : Aza mijangajanga :-P:wink:

Ankoatra izay dia tena manome lanja ny vatana/nofo koa Andriamanitra fa tsy hoe "mijery" fotsiny.
1 - Avelany hiara-miasa amin'ny Fanahiny Masina ny vatana mandritra ny andro fahavelomana.
2 - Nanaiky tonga nofo Izy ary nisalotra vatana sy nofo toy ny antsika olombelona
3 - Rehefa maty izy dia nitsangana niaraka tamin'ny vatany, fa tsy ny "Fanahiny" fotsiny no nitsangana toy ny matotoa tao. Ary toy ny nitsanganan'i Kristy no andrandraintsika hananganana antsika amin'izany andro izany !
Jereo fa vatana velona daholo no voaresaka amin'ireo, fa tsy vatana maty.
Kanefa ao amin'ny baiboly koa misy hoe : "Aleo amboa velona toy izay liona maty".


32. pissoa ( 16/07/2007 21:11)
Oops, neveriko oe refa fananiana resahina mitokana ny "vatana" sy ny "fanahy" dia lasa somary maty hafahafa zay lay vatana ... kay moa tsy "maty" fa mety lasa mitovy amin'ny vatan'akondro na vatan'amboa sns fotsiny :-D:-D:-D
OK ... fa tsy nitsangana ho velona ny vatan'i Jesoa raha tsy maty koa kloo ... izany hoe nisalotra ny vatana maty koa Andriamanitra, dia ilay 3 no tohiny !
Otran'ny tsy azoko ny tena tiana nambara tamin'le aleo amboa velona raha amin'izao fotsiny ...
33. ikaretsaka ( 16/07/2007 21:11)
lapino:
jereo fa vatana velona daholo no voaresaka amin'ireo, fa tsy vatana maty.
Kanefa ao amin'ny baiboly koa misy hoe : "Aleo amboa velona toy izay liona maty".


ity velona sa maty
pissoa :
3- Rehefa maty izy dia nitsangana niaraka tamin'ny vatany, fa tsy ny "Fanahiny" fotsiny no nitsangana toy ny matotoa tao. Ary toy ny nitsanganan'i Kristy no andrandraintsika hananganana antsika amin'izany andro izany !
34. lapino ( 16/07/2007 23:56)
pissoa:
Oops, neveriko oe refa fananiana resahina mitokana ny "vatana" sy ny "fanahy" dia lasa somary maty hafahafa zay lay vatana ... kay moa tsy "maty" fa mety lasa mitovy amin'ny vatan'akondro na vatan'amboa sns fotsiny :-D:-D:-D
Tsy azoko ilay hoe mitovy amin'ny vatan'akondro na vatan'amboa :roll::roll:
pissoa:
OK ... fa tsy nitsangana ho velona ny vatan'i Jesoa raha tsy maty koa kloo ... izany hoe nisalotra ny vatana maty koa Andriamanitra, dia ilay 3 no tohiny !
Dia inona marina izany no antony itondrana an'ilay faty any am-piangonana? Hilazana amin'Andriamanitra ve hoe "tandremo sao diso vatana ilay fanahiny iny rehefa tonga ny fitsanganana amin'ny maty an! fa ity vatana ity ilay izy ka mba raiso naoty tsara!". Raha izay manko dia hitako ihany ny lojikany :roll:
ika:
ity velona sa maty
VELONA efa avy maty :wink:
35. pissoa ( 17/07/2007 00:28)
Tsy azoko ilay hoe mitovy amin'ny vatan'akondro na vatan'amboa

ka hoe nosarahina ny resaka vatana sy fanahy dia ireny no tsisy fanahy nefa velona mba tonga tao an-tsaiko koa ... :oops::oops::oops::-D

Dia inona marina izany no antony itondrana an'ilay faty any am-piangonana? Hilazana amin'Andriamanitra ve hoe "tandremo sao diso vatana ilay fanahiny iny rehefa tonga ny fitsanganana amin'ny maty an! fa ity vatana ity ilay izy ka mba raiso naoty tsara!". Raha izay manko dia hitako ihany ny lojikany

Ny an'lah tian'lah hifantoka amin'ilay "maty" foana le resaka ! hatratsy ambadika :-D:-D:-D
naingy tsy izay ilay izy, fa mety mifantoka amin'Andriamanitra koa. Nezahiko nazavaina hoe manana ny mahaizy azy io vatantsika io eo anatrehan'Andriamanitra ... na maty na velona ! Ka izaho mahita hoe rariny raha entina any an-tranony !
Dia misy antony koa efa lazain'i Simp :-D:-D:-D

VELONA efa avy maty

Aza odiantsy hita ilay toetra maty tena maty nandalovany ... !
OK ... fa tsy nitsangana ho velona ny vatan'i Jesoa raha tsy maty koa kloo ... izany hoe nisalotra ny vatana maty koa Andriamanitra, dia ilay 3 no tohiny !
36. lapino ( 18/07/2007 08:30)
pissoa:
ka hoe nosarahina ny resaka vatana sy fanahy dia ireny no tsisy fanahy nefa velona mba tonga tao an-tsaiko koa ... :oops::oops::oops::-D
anontanio an'i soanja kloo ny famaritana ny fanahy, fa aza tonga dia malaky mitsara :b:-D:-D
pissoa:
Ny an'lah tian'lah hifantoka amin'ilay "maty" foana le resaka !
Fa inona moa ilay size ? :wink:
pissoa:
Aza odiantsy hita ilay toetra maty tena maty nandalovany ... !
odian-tsy hita ahoana àry ? toa naleo ihany natao fotsiny hoe "VELONA" fotsiny fa tsy "VELONA efa avy maty" ilay valiny raha izao, am'zay mazava kokoa.
Efa novaliako ilay quote farany, fa tsy haveriko hovaliana indray :wink:
37. lapino ( 18/07/2007 08:33)
pissoa:
Nezahiko nazavaina hoe manana ny mahaizy azy io vatantsika io eo anatrehan'Andriamanitra ... na maty na velona !
Dia izay mahaizy azy izay no tiako hanontaniana ange e : rehefa maty ilay vatana, dia inona izay mahaizy azy izay ?
38. ikaretsaka ( 18/07/2007 13:11)
ohatra 1: ahatsiarovako hoe io lapino, ao ny fatin'i lapino, mandra pa... indray ka
39. ikaretsaka ( 18/07/2007 13:14)
tsy haiko fa ny zavatra mazava fotsiny koa dia tsy adala ny vazaha manao vatapaty sy sacrophage, ny gasy mamono lambamena ny razany, ny ejiptioanina nanao momification
40. pissoa ( 18/07/2007 22:59)
anontanio an'i soanja kloo ny famaritana ny fanahy, fa aza tonga dia malaky mitsara

Inona le notsaraiko fa tsy azoko ... :roll:

Fa inona moa ilay size ?

Ny toeran'ny maty eo @ Malagasy ... fa tsy hoe ny toeran'ny maty eo amin'ny maty !

Dia iza moa le nantitra an'le size avy eo ? :wink:

Dia izay mahaizy azy izay no tiako hanontaniana ange e : rehefa maty ilay vatana, dia inona izay mahaizy azy izay ?

Za kloo tsy mahay ! Inoako fotsiny fa azon'i Jesoa natao ny ni-skip an'iny episode 3 andro tao ampasana iny raha toa ka tsisy mahaizy azy ny vatana maty ! Donc i Jesoa no tsara anontaniana fa efa nandalovany io ary izy no nanome lanja azy :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.16