toeran'ny maty eo @ Malagasy

1. simplex ( 09/07/2007 18:19)

Inona ny lanjan'ny fidirana fasan-drazana eo @ Malagasy?
"Tsy ahoako na tsy hiditra fasan-drazana ary aho", toa sakrifisy fara-tapony ny fahenoana azy...
Ra sanatria ka maty any ivelany, in no fiantraikany ra tsy ampodiana ny razana?

Misaotra anao mandray anjara,
:P
2. ikaretsaka ( 09/07/2007 18:22)
ilay heo velona iray trano , maty iray fasana io e
principen'ny tsy misara-mianakavy
3. simplex ( 09/07/2007 18:26)

very voninahitra le maty ra tsy miditra ao ve ? :)
4. pissoa ( 09/07/2007 18:48)
"Tsy misara-mianakavy" ozy fa tsy hoe very voninahitra ka :-D:-D:-D Angamba zany toy ny hoe lavi-kavana raha tsy lasa ao e :-D
5. lapino ( 09/07/2007 18:54)
Ra sanatria ka maty any ivelany, in no fiantraikany ra tsy ampodiana ny razana?
Manjary tsisy mamono lamba raha mangatsiaka :roll:
6. sitlo ( 09/07/2007 19:05)
Tsy misara-mianakavy izany ohatra ny hafa mihitsy ka. Tsy sure aho fa ny fahalalako azy, izany tsy misara-mianakavy izany ohatra ilay olona mpianakavy iray tanàna be ireny. Ilay manodidididina eo ohatra ny mpihavana daholo. Dia rehefa mifindra monina dia misy mandeha aloha dia avy manaraka daholo amin'izany ny sisa.

Fa raha amiko aloha ilay resaka fasan-drazana dia tena ilaina. Mba ahafantarana ilay olona, na dia efa maty aza izy fa tsy honohono. Izahay izao ohatra rehefa mamadika dia mba hita eo hoe ity ilay dadabe nitsodrano ahy tamin'ny fahabodoana. Ity ilay nenitoa tsara tarehy natsofoka tato nefa lasa karana be toa izao sisa. etsetra etsetra.
7. lapino ( 09/07/2007 19:50)
Blem ho an'ny velona ange raha zany e!

Fa raha ho an'ilay maty, dia inona no tena mampatahotra an'izany hoe "very faty" ?
8. pissoa ( 09/07/2007 20:53)
Mazava ho azy tsy afaka hahafantatra izay mitranga intsony refa maty. Na dia zany aza nefa dia tsy problem'ny velona fotsiny io, fa rehefa mbola velona ny olona dia izy mihitsy no matahotra azy !

- Velona iray trano maty iray fasana (efa voalaza teo)

- mamelo-maso ny anaran-dray. (tsy ny zanaka fotsiny no te hahatsiaro ny maty --- fa ny maty mihitsy no naniry fony izy mbola velona mba hotsaroana).

- tsy ny fasan-drazana fotsiny no manan-danja amin'ny gasy fa ny maty koa, ny tanindrazana sns !
9. menalamba ( 09/07/2007 20:53)
Ny mety aminao izany ry Lapino dia ny manome ireo taovanao rehetra hoan'ireo mila izany rehefa maty ianao sa ahoana?:roll:
10. simplex ( 09/07/2007 21:04)

Sao d mba hoe le resaka fanajana ny RAD/zokiolona ihany le izy. Nahitana masoandro, nibaby sy nitaiza,... tsy ho in ra tsisy azy ireo ka izay no hoe ezahina ny hitahirizana ny fahendrena niainany, ny hafany, ny fananany,...

kanefa ra maty izy tsy hahalala ze hatao azy mintsy nge e?
Otran'ny misy tsy lojika kely ao :-w
11. ftma ( 09/07/2007 21:05)
Ra sanatria ka maty any ivelany, in no fiantraikany ra tsy ampodiana ny razana?
hoan'ny maty tsy misy fiantraikany fa hoan'ny velona mafy ihany izany hoe "very faty" izany, ny maty an-drano tsy hita faty aza efa tsy fidiny. Hoantsika malagasy ny maty mbola manan-toerana foana eo @ fiainantsika ka raha tsy miray fasana ohatry ny hoe nariana ilay olona maty.
12. simplex ( 09/07/2007 21:17)

kou manin ny zaza-kely matetika no atao anirotra? :P
13. xxx ( 09/07/2007 21:35)
d ny vehivavy kou v zany very faty refa maty satria manara-bady , izany oe tsy milevina any @ fasan-drazany misy ireo razambe-ny :roll::roll:
14. lapino ( 09/07/2007 21:38)
menalamba:
Ny mety aminao izany ry Lapino dia ny manome ireo taovanao rehetra hoan'ireo mila izany rehefa maty ianao sa ahoana?
Kay le! tahak'izay nanao xxx fa zao lasa voatsara kle! :roll::wink:
menalamba > fanontaniana mipetraka re io, adihevitra misokatra e :wink::)
pissoa:
Mazava ho azy tsy afaka hahafantatra izay mitranga intsony refa maty.
Fa tsy nazava ho azy tamin'ny Ntaolo izany. Ny Ntaolo (sy ny gasy sasany am'zao) manko toa nihevitra fa mbola mitahy ny razana e (na mihady vomanga), mbola afaka mahatsiaro mangatsiaka hono hotafiana lamba e, sns ... Ka asa raha mbola misy ifandraisany amin'ny toerana misy an'ilay vatana nilaozany ny fitohizan'ny fiainan'ny fanahin'ny maty sa ahoana ? asa aloha ...
simp:
very voninahitra le maty ra tsy miditra ao ve ?
Mety ho eny! Satria sanatria sanatria ohatra ny hoe fatim-biby angamba.
Mety mampiseho ny lanjan'io voninahitra amin'ny olo-maty io amin'ny gasy izao ilay hoe : "izay sahy maty ihany no mifono lamba mena"
ftma:
fa hoan'ny velona mafy ihany izany hoe "very faty" izany
Aiza kosa, raha mbola tsy maty ve dia possible ho very faty ? :wink:
15. pissoa ( 09/07/2007 21:50)
Fa tsy nazava ho azy tamin'ny Ntaolo izany. Ny Ntaolo (sy ny gasy sasany am'zao) manko toa nihevitra fa mbola mitahy ny razana e (na mihady vomanga), mbola afaka mahatsiaro mangatsiaka hono hotafiana lamba e, sns ... Ka asa raha mbola misy ifandraisany amin'ny toerana misy an'ilay vatana nilaozany ny fitohizan'ny fiainan'ny fanahin'ny maty sa ahoana ? asa aloha ...

Tsy haiko ny fampifandraisan'ny Ntaolo ny vatana sy ny fanahy aorian'ny fahafatesana, fa heveriko fa vao maika manamarina ny fihevitry ny Ntaolo amin'ny resaka very faty io hevitr'elah io amin'ny fitahiana, frizy sns io. :-D

Aiza kosa, raha mbola tsy maty ve dia possible ho very faty ?

Io no noteneniko tetsy ambony. Tsy rehefa maty akory no matahotra an'io, fa rehefa mbola velona ! Tsy hoe ny ho very faty no atahorana nefa mbola velona ... fa ny ho very faty rehefa maty no atahorana amin'ny fotoana mahavelona :-D:-D:-D (Karazan'ny tahota ny amin'ny ho avy izany)

xxx:
d ny vehivavy kou v zany very faty refa maty satria manara-bady , izany oe tsy milevina any @ fasan-drazany misy ireo razambe-ny

Ie, very faty mihitsy ny vehivavy, saingy tsy mitovy amin'ireo olona very faty tena hoe very fa izy mantsy efa misy fianakaviana hafa mandray sy manome toerana azy. Raha tsy diso aho dia tso-drano omena ny vehivavy mihitsy io ny hoe "vereza faty" mba hisy haka vady izy, ary ho sambatra ampanambadiana ka tsy hiverina any amin'ny RAD-ny !
16. sitlo ( 09/07/2007 22:33)
vereza faty ary pissoa eh :-D

kanefa ra maty izy tsy hahalala ze hatao azy mintsy nge e?
Otran'ny misy tsy lojika kely ao

Ny veloma no mahalala kah. Raha toa ka ianao irery sia no velona dia tsy maninona na tsy alevonao aza ny ambiny. Fa raha fantatry ny fiarahamonina hoe nanafatra anao ilay maty hoe aleveno amin'ny fasan-drazana dia hiseho ny olana raha tsy manao izany ianao. Na tsy niteny nivantana aza izy dia efa lasa fomba (par defaut) ka raha tsy ataonao dia miteraka :-w (disadisa), indrindra fa avy amin'ny havana akaiky (izay mbola velona). Avy eo koa ianao mety tsy halevin-dry zareo am-pasan-drazana. Dia mitohitohy dia rava ilay fihavanana.

kou manin ny zaza-kely matetika no atao anirotra?

Efa fomba koa iny. Finoana nivadika fomba. Tsy dia misy antony mivaingana ankehitry. Raha tsy hoe angaha hitsitsiana lamba mena. :-D
17. ftma ( 10/07/2007 07:00)
ny fahazoako azy rehefa zaza tsy ampy taona toa atao anirotra foana ka rehefa misy olon-dehibe maty vao ampidirina ampasana, ny antony tsy haiko aloha.
d ny vehivavy kou v zany very faty refa maty satria manara-bady , izany oe tsy milevina any @ fasan-drazany misy ireo razambe-ny
ny vehivavy anie rehefa manambady dia manara-bady e
18. ikalamako ( 10/07/2007 09:13)
mino aho fa miankina amin'ny zava-misy iainana daholo izany, sy ny fomba fisainana.
Ny ntaolo fahizany nitangorona tamin'ny tanàna iray daholo, ka na ny vady aza natao lova tsy nifindra, ka tena nanivaka izay tsy tafiditra am-pasan-drazana.
Saingy taty aoriana dia nifindra tanàna sy nifindra firenena mihitsy aza isika, ka raha tonga tokoa izay andro izay, ataoko fa tsy hoe very faty aho raha tsy tafody any (satria any no tena nahalasa ny sain'ny simplex : raha maty any an-dafy na any am-pivahiniana)fa miankina amin'ny vola eo am-pelatanàn'ny velona mikarakara ahy io, izay lafo kokoa noho ny raha mody mbola velona :{
Kanefa moa isika rehefa handeha lavitra dia mahazo tso-drano avy amin'ny Ray aman-dreny foana,"tso-drano zava-mahery", ka ataoko fa tsy hahazo tsiny amin'ny tany sy ny lanitra sy ny fiaraha-monina sy ny razambe aho raha tsy tafaverina eo anilandrizareo amin'ny andro farany, fa tsy sitra-poko tsinona fa ny fiainana efa mihasarotra koh.
Izaho aloha efa namboatra saina e, zareo rahateo "mahita" izany, ka dia miankina amin'ny tsirairay io, satria mety misy koa ny nisafidy mihitsy ny tsy hiditra fasan-drazany intsony noho ny antony samihafa (adim-pianakavy,...), ka iny indray dia zavatra hafa!
19. mamy23 ( 10/07/2007 10:35)
Raha malagasy aloha dia mbola io no fisainana ary tsy afa-miala. Fa raha tena Kristiana Malagasy kosa angamba dia tokony tsy hiditra @ izany fomba fisainana izany intsony.
Ny misy anefa eto amintsika dia malagasy kristiana fa tsy kristiana malagasy
20. booboo ( 10/07/2007 16:05)
hum...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1996