Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela aho!

61. niryna ( 19/07/2007 04:59)
tslem:

niryna:
ny baiboly no manambara sy milaza fa tsy hamela Izy raha tsy mamela ny hafa isika.

Mba omeo toko sy andininy hoe zah raha azo atao?

Tsy mahita toko sy andininy ngah niryna?




:D:D:D
Ny vavaka nampianarin'ny Tompo,mila mamaky baiboly anie isika e,diso tanteraka ny tenin'ny sasany hoe tsy mila mamaky baiboly .Io no mofon'aina hiadivana ny satana sy aro fiarovana amin'ny rehetra.
Ireto ary izy ireto omeko anao dia mba ataovy any anaty carnet kely fa mety hanampy ny namanao na ny hafa koa. Ary anjaranao ny mijery ao anaty baiboly.
Matio 6:9-15 ..... 13Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,fa manafaha anay amin'ny ratsy.14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo ,dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo ,dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.[i]
Io ny ao anaty baiboly,mila mamela ny hafa vao mamela koa Atra,tsy izay olona tianao ihany no tokony ho tiavina fa ny fahavalo ihany koa,tsy tokony hamaly ratsy ,tsy tokony hitsaratsara fahatany,izany rehetra izany dia mbola tafiditra ao anaty famelana daholo.
Matio 7:1-2 Aza mitsara mba tsy ho tsarana hianareo.Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo,ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo

62. ikaretsaka ( 19/07/2007 07:05)
dia gaga kely aho.. tsy voavela izany i niryna ve izany izao satria tsy namela:roll::?:
63. tslem ( 20/07/2007 08:59)
Ireto ary izy ireto omeko anao dia mba ataovy any anaty carnet kely fa mety hanampy ny namanao na ny hafa koa. Ary anjaranao ny mijery ao anaty baiboly.
Matio 6:9-15 ..... 13Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,fa manafaha anay amin'ny ratsy.14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo ,dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo ,dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.


raha misy manome
zavatra ho anao
kingĂ  miteny hoe:
MISAOTRA TOMPOKO O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071