Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela aho!

21. xxx ( 06/07/2007 19:57)
zah tsy namela anao noho izany tsy mamela anao ny Ray!
22. marozevo ( 06/07/2007 20:06)
Iza no tsy avelanao ?
23. rush ( 06/07/2007 20:21)
xxx:

zah tsy namela anao noho izany tsy mamela anao ny Ray!
fa i xxx izany no iza?ny Ray?


24. marozevo ( 06/07/2007 20:57)
Ka adikany vilana angamba ilay hoe "Avelao ny helokay, tahaka izay namelanay izay meloka taminay". Mino aho fa avy amin'io mihitsy no nahatonga an'io.
25. xxx ( 07/07/2007 08:17)
Avelako izany ny helokao fa aza manao intsony amin'ny sisa e:-*
26. gasynamana ( 07/07/2007 11:00)
Hamafisiko:

Atomboka amin'ny fiekena heloka ny famelana. Sarotra ny mamela heloka ny olona tsy mety manaiky fa diso. Toy ny hoe, sarotra ny manitsy olona tsy mahita ny hadisoany, na tsy mahatsapa ny hadisoany, na mihevi-tena ho tompon'ny marina foana.

Fa misy fanontaniana kely ity: heloka ve ny fitompon-tena ho manana ny marina foana ka tsy mihaino ny hafa mihitsy?
27. ikaretsaka ( 07/07/2007 13:58)
gasynamana:

Fa misy fanontaniana kely ity: heloka ve ny fitompon-tena ho manana ny marina foana ka tsy mihaino ny hafa mihitsy?


amiko aloha karazany ihany e..
averin'ilay Rangahy iry foana mantsy ny hoe "aoka ihaino izay manan-tsofina ihaino"

sady olombelona isika, tsy tonga lafatra, miloloha lanitra mety ho lena ary mandia tany mety ho solafaka


28. marozevo ( 08/07/2007 19:55)
Izay mampita fahendrena (fahamarinana) dia mampita aina.

Heloka ve ny tsy mihaino : Tsy dia hoe heloka avy hatrany kosa, satria manana ny antony tsy hihainoany ilay olona.... Saingy ny olana dia ity : "Ny heloka ibabohana mody rariny, fa ny marina hitompoana mody heloka"
29. niryna ( 09/07/2007 04:23)
Nitoriteny tany am-pigadrana ity ramatoa.Rehefa vita ny toriteny dia niantso ny gadra izy izay vonona hanolotra ny fiainany ho an'i kristy.Nisy maro no nanantona.Nitanondrika ity rangahy iray ary dia nanatona azy ity ramatoa.Niteny izy fa izy ilay namono ny zanany.Fantatro hoy ilay ramatoa:Tia anao Jesosy ary izaho koa hoy izy tia anao,ary efa namela anao ka tsy manana alahelo anao intsony aho.
Nivoaka ny figadrana ity rangahy ary tsy nanana toerana aleha sady narary ihany koa.Tsy manana olona aleha intsony izy ary dia niantso ilay ramatoa.Noraisiny tao aminy ity rangahy ka izy no nitsabo azy ary dia nipetraka tao aminy mandra-pahafatiny.
Raha ianao no teo amin'ny toeran'ilay ramatoa maty anaka,moa ve ianao mbola nandray na nampiantrano sady nanaiky nipetrahan'ilay rangahy?


30. niryna ( 09/07/2007 05:03)
Nandeha nivoaka ireo fianakaviana tanora ary alim-podiana no sendra ny toerana mangina.Nisy nanakana ny fiara ary dia noteren'ilay jiolahy omena azy ilay fiara.Lasa nandositra daholo ireo havana niaraka tamin'ilay mpamily( fianakaviana ihany) noho ny tahotra.Tsy nomeny anefa ny fiarany ka dia novonoin'ilay olona izy ka maty.Nony tonga ny famangiana dia lasa ny fanontaniana hoe iza no namono ilay azy.Valiny:Tsy nikaroka izahay satria tsy anjaran-tsika no mitsara.Tsy notadiavin'ireo tompon'ny maty ilay olona namono ny havany fa narahany ny teny hoe"Aleo ho Ahy ny famaliana"

Famelan-keloka ny hafa:forgiving others
Raha ohatra te-hanana fiadanana eo amin'Atra sy ny hafa isika dia tsy maintsy mianatra ny mamela ny hafa.Ny tsy famelantsika ny hafa dia hiteraka poizina ho antsika sy ilay olona nanao ratsy na nanaovantsika ratsy.
Raha nampijaliana sy nofatsihana teo amin'ny hazofijaliana Jesosy dia niteny izy hoe Raiko o, ,mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony: Lk 23:34
Tsy mora ny manantanteraka an'io,saingy raha manana sy mahery ny finoan-tsika dia ahita fiovana amin'ny fiainana isika raha mamela ny fahavalo sy mangataka famelana ny fahavalo(nasiana ratsy na nanaovana toetra ratsy).
Ny fahotantsika rehetra dia navelan'Atra daholo rehefa nivavaka, nifona, nibebaka ary namboraka taminy isika.
Raha mbola tsy nanao izany moa isika dia tsy mbola tara fa andramo dia ho hitanao izany fahamaivainana amin'ny fiainanao izany.
Porofo:Vita hoy Jesosy:nijaly Izy,narary Izy,tsy namaly Izy.Toy izany ihany koa isika:mety mbola afo mivaivay ao anatintsika ao ny tsy famelan-keloka izay nanao ratsy tamintsika,mety tsy hihevitra ny hamela mihitsy aza, mety hamaly faty aza no miroborobo ao anaty ao.Tsy misy tombotsoa na kely aza,mibaby ao an-damosina ao foana ny fery sy ny ratra raha toa ka ianao no nijaly,raha ianao indray no nanao ratsy dia toy ny vain'afo ao an-tampon'ny loha io.Maranitra sy manindrona ao anaty ao ary dia mikiky mihitsy aza raha tsy mangataka ny famelana amin'Atra ianao.
Fifaliana sy Fanantenana
[i]Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao:nomeny ny Zanan-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay.Jaona 3:16
Misaora an'Atra,manantona Azy,mifona aminy,mibeba izay ratsy rehetra vita fa mbola tsy tara,ary omeo Azy manontolo ny fiainanao ho tantanany fa ho hitanao izany fahasambarana sy fifaliana izany.
Andramo ka zahao fa tsara Izy.Ampiaro amin'ny fiainana ny fivavahana fa tsy ho maty antoka ianao.
Tsy mora ny mitia ny fahavalo na mangataka famelana ny fahavalo saingy tsy misy tsy vita raha manana finoana an'i Kristy isika.
(l)niryna
31. ikaretsaka ( 09/07/2007 11:26)
ka ny olana ange..
1)ny zavatra toriana indraindray na ilay mitory aza tsy manao azy e!Ilay ramatoa lava kabary be io ambony io ohatra

2)ilay mijoro vavolombelona, ny olona ange mihaino fa tsy izay mihatra @ Paoly akory dia hiatra @ Silasy e
32. cutie ( 09/07/2007 14:30)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 09-07-2007 13:26:20
Lohateny : Re : Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela aho!
ka ny olana ange..
1)ny zavatra toriana indraindray na ilay mitory aza tsy manao azy e!Ilay ramatoa lava kabary be io ambony io ohatra

marian zany
zay no tena mampa krizy ahy @ reny ho miseho ho kristiana reny :-D
33. marozevo ( 09/07/2007 22:38)
Farany, rehefa lava loatra ny resaka ka sorena ny mpihaino, dia hozy hoe : "Mbola hihaino anao momba izany indray izahay amin'ny manaraka". (Ao amin'ny Asan'ny Apostoly io).
34. niryna ( 10/07/2007 06:12)
nathie86:

zany oe manao ratsy aloha zany d mivavaka b refa avy eo d afaka d ôtr'zay fôna:lol::lol::lol::lol:



:roll::roll:=))=))manao kidaondrano izany aloha ;-)
35. niryna ( 10/07/2007 06:15)
tslem:

nathie86 >>>an,an,an kosa e, ianao kosa ve dia tsy mba hihezaka hanohitra ny fankam-panahy raha mbola azo ialàna e,ny ety an-tany anie fitsapàna e!


Hitakou! Raha efa fantatra kosa ve hoe afo mandoro dia mbola raisina ihany fa tsy hialana.
36. niryna ( 10/07/2007 06:18)
rush:

tslem:
te hampiteniteny foana olona indray angamba niryna zany :roll:
mahagaga tokoa a!fa @ fomba ahoana moa no hamelan'ny Ray anao raniryna raha tsy mahay mamela ianao e?hatomboka @ fanekena ny fahadisoanao aloha e!




Ho an'ny rehetra io fa tsy ho an'ny iray ihany,indraindray mantsy dia misy manontany tena hoe ahoana aho no tsy mba maheno na mahatsapa fa misy fanahy masina miaraka amiko.Nahoana no tsy mamaly vavaka Atra.Nahoana no tsy mety sitrana aho sns.


37. niryna ( 10/07/2007 06:21)
karinah:

ny Ray mamela heloka mandrankariva, na inona hataontsika zanany ,efa napetrany tamin'ny "safidy" izany rehetra izany, dia na hisafidy hanao ny ratsy na ny tsara, ..rehefa mahatsapa tena kosa isika zanany dia mamela foan ny Ray.


Marina izany ka izay no mahatonga ilay hoe raha mamela ny fahadisoana'ny olona hianareo dia mba hamela ny anareo ka ny Rainareo izay any an-danitra.Tsy mora kanefa raha mihezaka dia tsy misy tsy vitan'ny finoana.
38. niryna ( 10/07/2007 06:27)
xxx:

Marina izany ry Karinah; i JESOSY no niteny hoe raha mamela hianareo dia mba havela koa ny helokareo; izany hoe raha mamela heloka i Karinah dia avelany koa ny an'i Karinah na inona na inona rehefa mahatsapa i Karinah ka mangataka famelana. Fa raha tsy mamela ny hafa i Toi dia hovaliana izay nataon'i Toi na dia hatramin'ny 1 ariary aza.:!::!:
Tandremo fotsiny sao mamitaka ny tena, ka tsy manaraka io fampianaran'i Kristy io, na mihevitra zavatra hafa ankoatran'io fa mazava tsara io an!.

Marina tokoa izany ry xxx an.Hoy ilay pasitera izay hoe ,ny devoly tsy kely lalana,fantany daholo ny momba anao na ny zavatra nataonao.Toy ireny mijery film ireny hoy izy dia pihina ny bokotra andefasana ilay film.Averimberiny foana hoy izy ny ratsy nataonao dia mitamberina ao aminao foana koa iny.Raha ny tenin'Atra no mitamberina ato an-tsain-tsika dia ho afaka tsikelikely ilay tsy fifamelana ny hafa.
Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha no an'izay manenjika anareo ,mba ho tonga zanaky ny Ray any an-danitra hianareo.Mat 5:44-45

39. niryna ( 10/07/2007 06:43)
hantajoasy:

tsy haiko r'eto fa tena manana olana @ fianankaviana aho ny rahavaviko mintsy no miteraka problème ho an'ny rehetra , fa raha ho lazaiko anareo eto ny fahotana mahafaty vitany de hoy nareo hoe tsara hoazy ny faizina , mpanelanelana azy mirahavavy zokiko aho nefa tena lasa zaho avy no miasa saina ,de vao avy nandamina aho zao no nahita an'ity karajia ity hoe "mamela ny heloky ny namanao eny na dia ny fahvalonao aza"


Lalam-piainana izany hantajoasy a.Tadidio fa ny satana tsy kely lalana ary ny olona izay mifanakaiky anao indrindra no ataony ho fitaovana ampiasany:Ny rar,ny zanaka,ny mpiray tam-po,ny fianakaviana,ny namana akaiky anao.
Efa voasoratra ao anaty baiboly ireo fa hifandrafy na ny zanaka sy ny ray aza sns..
Maro ny olona miresaka hoe tsy hifandevi-maty amin'iny intsony aho:lolom-po izany,aiza ny maha-kristiana antsika raha izany.
Ny malagasy aza manana io fiteny io hoe "maty aho vao hoe ra-malala:arrow:velona tsy tiana ka maty vao hitomaniana.:roll:
Marina aloha fa tsy mora ny mamela na mangataka famelana saingy na ny fotoana handraisana aza dia mila manadio tena vao afaka mandray isika.Ny antony:miteraka ozona,aretina eny fa na ny fahafatesana aza ny fandraisana an'iny raha toa ka fo maloto no hanantonana ny latabatra masina.
Mangataha amin'Atra mba omeny hery ny fianakavianao mba hifamela.Aza kivy fa ianao no mety ho fitaovana ampiasain'Atra hanova azy ireo.Matoky azy ary efa teniny io fa tsy amela antsika ho irery izy.Manana finoana fa hain'Atra foana ny manova ny zavatra rehetra.
Ary raha mitsangana mivavaka hianareo ka misy olona ananareo alahelo,dia mamela ny helony.mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra koa ny helokareo.Marka 11:25-26
Ny dikany raha tsy mamela izany isika dia tsy mamela koa Atra.:cry:
Ary noho ny fitiavany antsika no nanomezany antsika io teny io satria tiany ho voavonjy daholo isika.
40. niryna ( 10/07/2007 06:44)
ikaretsaka:

rehefa avy nitsoka i Jesoa ka nametraka ny fanahy masina t@ apostoly dia hoy izy " Raiso ny fanahy masina, izay tazominareo dia voatazona ary izay avelanareo dia voavela"
dia raha mijery ny tantara isika dia ireo olona rehetra nolazain'ny Tompo fa voavela heloka dia ireo namela ny eloka sy/na nihaiky ny hadisoany!

=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081