Tsy mamela ny Ray satria tsy mamela aho!

41. niryna ( 10/07/2007 06:48)
rush:

tslem:
te hampiteniteny foana olona indray angamba niryna zany :roll:
mahagaga tokoa a!fa @ fomba ahoana moa no hamelan'ny Ray anao raniryna raha tsy mahay mamela ianao e?hatomboka @ fanekena ny fahadisoanao aloha e!




Inona no mahagaga an'i rush an'izany?
Mbola tsy naheno mpiray tam-po nifamaly ianao ary tsy mifampiditra an-trano intsony?
Inona no antony?Na iza no diso na iza no marina,raha kristiana dia tokony hifamela,tsy fantatra izay ho avin'ny rahampitso.Raha tsy mamela ny fahotan'ny olona isika dia tsy hamela antsika Atra eny fa na dia miteny aza isika hoe Atra dia tsara fanahy,ny baiboly no manambara sy milaza fa tsy hamela Izy raha tsy mamela ny hafa isika.

42. niryna ( 10/07/2007 06:50)
xxx:

ny helokao izany tsy avela rehefa tsy mamela ny hafa ianao! Tsotra, a velao ny hafga dia ho voavela ny- helokao!

Izay ilay izy:D

43. xxx ( 10/07/2007 06:57)
Fa na inona aloha voalaza teo an ! Dia izao ihany hoe nisy ny hevitr'olona t@ ireny resaka ireny fa tsy hevitry ny Tompo.
ASIO FEHINY ARAKA IZAY VOALAZAN'NY SORATRA MASINA ARY E!
44. niryna ( 10/07/2007 07:13)
marozevo:


Raha miaraka aminy miari-pijaliana
Dia hiaraka aminy hanjaka tokoa

Marina izany ary hoy ity olona iray hoe raha kristiana hianao ka tsy misy mankahala na tsy misy manenjika hoy izy dia mihevera tena.
Ny kristiana izany dia mitondra hazofijalian'i kristy,misy manenjika,misy mankahala,misy tsy tia fotsiny amin'izao.Saingy vao maika mampitombo ny finoan'ilay olona izany noho izy miaraka amin'i Kristy sy mahafantatra ny teniny "fa tsy maintsy ho henjehina hianareo noho ny amiko hoy Izy"

Raha mandà Azy kosa isika
Laviny koa anatrehan'ny Ray.

Raha kristiana dia tokony hanaraka ny dian'i kristy,raha toa ka izay mifanohitra ny ao anaty baiboly foana no hanoherany ny hafa dia tsy kristiana izy izany.Raha mino Ahy izy dia izay ataoko no tokony hataony hoy ny Tompo.Tokony manaraka ny hafatra nomen'ny Tompo izany izy,mba ahalalana fa mpianatry ny Tompo tokoa izy.Tiava ny fahavalonareo,tandremo ny didiko sns.
Fa raha noana ny fahavalonao ,omeo hanina izy;raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny,fa raha manao izany hianao,dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.Aza mety ho resin'ny ratsy hianao fa reseo amin'ny soa ny ratsy. Romana 12:20-21

Na mivadika aminy aza isika
Izy tsy mivadika mandrakizay.
Izay no maha Atra azy.Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanany lahi-Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino aza,fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16.
Atra izany dia tia antsika rehetra na iza izy na iza,na mpivavaka na tsy mpivavaka,ka izany no nanomezany ny zanany nisolo ny otantsika.
Fa fony mpanota isika dia maty ho antsika i Kristy.


45. niryna ( 10/07/2007 07:16)
marozevo:

Ka adikany vilana angamba ilay hoe "Avelao ny helokay, tahaka izay namelanay izay meloka taminay". Mino aho fa avy amin'io mihitsy no nahatonga an'io.



=D=D Manaiky izany koa aho ry marozevo.
46. bobone ( 10/07/2007 07:24)
Niryna : tena marina tokoa io fa izao tena ilaina ny famelana ny heloky ny olona raha toa ka nanana hadisoana taminy ianao! ary tena miala nenina Atra @ olona ary mampianatra fa tokony hifamela heloka ny olona satria io heloka io no hefitra mampisaraka @ Atra sy ny olona ary io koa no tsy hananan'ny olona fanambinana eo @ fiainana satria izay manafina ny heloka de tsy hambinina !!! fa sarotra ny manatanteraka izany fifamelan-keloka izany raha tsy ao anatinao Krisy!!! rah mbola baikon'ny tenanao enao tsy hahavita ka manaiky baikon'Atra! fa mila mangataka aloha !! mivavaka mba tsy hidiran'i satana fa io ange mikaroka hevitra tsy haneken'ny olona hifamela e! satra resy izy!!
47. ikaretsaka ( 10/07/2007 15:15)
niryna:

ikaretsaka:

rehefa avy nitsoka i Jesoa ka nametraka ny fanahy masina t@ apostoly dia hoy izy " Raiso ny fanahy masina, izay tazominareo dia voatazona ary izay avelanareo dia voavela"
dia raha mijery ny tantara isika dia ireo olona rehetra nolazain'ny Tompo fa voavela heloka dia ireo namela ny eloka sy/na nihaiky ny hadisoany!

=D




ka niaiky ny adisoanao ve ianao sa tsy niaiky? efa nandeha nikaonfesy?:wink:;-)

48. tslem ( 10/07/2007 21:04)
niryna:
ny baiboly no manambara sy milaza fa tsy hamela Izy raha tsy mamela ny hafa isika.

Mba omeo toko sy andininy hoe zah raha azo atao?

Tsy izany mantsy fa izao, angamba aho azo lazaina hoe tena anisan'ireny atao hoe mafy fo tsy mamela heloka ireny raha sendra ny tena tsy laitrako ilay faute nataon'olona tamiko, tsy haiko, ka tena sarotra be amiko ny hanatanteraka azy ka raha toa ka misy toko sy andininy azon'ny niryna omena hoe dia mba omeo ahy sao mba izay no hanova ny hevitro?Misaotra!

49. niryna ( 11/07/2007 00:05)
bobone:

Niryna : tena marina tokoa io fa izao tena ilaina ny famelana ny heloky ny olona raha toa ka nanana hadisoana taminy ianao! ary tena miala nenina Atra @ olona ary mampianatra fa tokony hifamela heloka ny olona satria io heloka io no hefitra mampisaraka @ Atra sy ny olona ary io koa no tsy hananan'ny olona fanambinana eo @ fiainana satria izay manafina ny heloka de tsy hambinina !!! fa sarotra ny manatanteraka izany fifamelan-keloka izany raha tsy ao anatinao Krisy!!! rah mbola baikon'ny tenanao enao tsy hahavita ka manaiky baikon'Atra! fa mila mangataka aloha !! mivavaka mba tsy hidiran'i satana fa io ange mikaroka hevitra tsy haneken'ny olona hifamela e! satra resy izy!!

Misaotra aky bobone a
Izay ihany koa no mahatonga hoe aza mitsahatra mivavaka ary na inona mitranga amin'ny fiainana dia misaotra amin'Atra sy mianatra mamela ny hafa foana.
Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona,fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara,na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.Mifalia mandrakariva.Mivavaha ,ka aza mitsahatra.Misaora amin'ny zavatra rehetra;fa izany no sitrapon'Atra ao amin'ny Kristy Jesosy ho anareo. ITes 5:15-17




50. niryna ( 11/07/2007 00:05)
ikaretsaka:

niryna:

ikaretsaka:

rehefa avy nitsoka i Jesoa ka nametraka ny fanahy masina t@ apostoly dia hoy izy " Raiso ny fanahy masina, izay tazominareo dia voatazona ary izay avelanareo dia voavela"
dia raha mijery ny tantara isika dia ireo olona rehetra nolazain'ny Tompo fa voavela heloka dia ireo namela ny eloka sy/na nihaiky ny hadisoany!

=D



Inona moa no hadisoka taminao?
ka niaiky ny adisoanao ve ianao sa tsy niaiky? efa nandeha nikaonfesy?:wink:;-)





51. niryna ( 11/07/2007 00:53)
ikaretsaka:

niryna:

ikaretsaka:

rehefa avy nitsoka i Jesoa ka nametraka ny fanahy masina t@ apostoly dia hoy izy " Raiso ny fanahy masina, izay tazominareo dia voatazona ary izay avelanareo dia voavela"
dia raha mijery ny tantara isika dia ireo olona rehetra nolazain'ny Tompo fa voavela heloka dia ireo namela ny eloka sy/na nihaiky ny hadisoany!

=D




ka niaiky ny adisoanao ve ianao sa tsy niaiky? efa nandeha nikaonfesy?:wink:;-)





Ka inona moa no adisoako nataoko taminao?:roll:=))=))

Izaho rehefa hikonfesy dia miresaka mivantana an'Atra sy Jesosy kristy.
Izy ireo no mamaly mivantana ny fahoriako,ny vavaka angatahiko sy mamela ny fahotako vitako.
Efa nilaza koa fa raha te-hanatona an'Atra isika dia avy amin'ny alalan'ny Zanany irery ihany.
Izaho no voaloboka,,hianareo no sampany.Izay miray amiko ,ary Izaho ho ao aminy,dia mamoa be izy fa raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5
Samy manana ny azy sy ny safidiny ny rehefa fa rehefa tsy mifanohitra ny fivavahana kristiana fotsiny dia izay.
Ny fiangonana no samy hafa fa raha manantona an'Atra sy kristy dia izay no tadiavina sy irina.
Satria hoy IzyAntsoy Aho, dia hovaliako hianao,.Ka ampisehoako zavatra lehibe sy saropantarina izay tsy fantatrao.Jer 33:3
Raha mbola tsy nanatona Azy mivantana na mivavaka aminy mivantana ianao dia manandrama sady mbola misy teny fampaherezana ihany koa ityMandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona amin'ny Anarako hianareo,mangataha dia hahazo hianareo,mba ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 16:24.
Izy(Jesosy) no ananantsika fanavotana amin'ny rany,dia ny famelana ny fahadisoantsika,araka ny haren'ny fahasoavany. Efe 1:7
Mbola nananatra ihany koa izy faAry nahoana hianareo no miantso Ahy :Tompoko,Tompoko ,nefa tsy manao izay lazaiko:roll: 8O8O:roll: Lk 6:46
Manandrama aza miresaka aminy mivantana izay fahotanao rehetra fa ho hitanao maivana ny fahorianao.
Hoy ilay teny manome hery lehibe izay ihainantsika isan'andro hoeKoa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo,dia minoa fa efa nandray hianareo,dia ho azonareo izany Mk 11:24
Any amin'i Jesosy aho no mandeha satria Izy efa nanome fanantenana antsika rehetra fa raha manantona Azy ,raha mifona aminy, sy raha mibebaka aminy dia omeny fitsaharana.
Ary dia vita hira io ka azontsika rehetra io ka hisaorana ny Tompo amin'izany.Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Izy irery izany no hanome izay tadiavintsika sy hanala ny fahotantsika ,tsy misy na iray aza ankoatra Azy sy ny Rainy.
*** Afaka manasitrana,mivavaka,mitaraina,manala devoly ny krsitiana rehetra raha manana finoana an'i Kristy fa tsy misy na iray aza hamela ny heloka,satria olona tahaka antsika ny rehetra.
Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino:hamoaka demonia amin'ny anarako izy;hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy....ary hametra tanana ny marary izy dia ho sitrana izany Mk 16:17-18
52. pissoa ( 11/07/2007 01:03)
:-D:-D:-D:-D:-D

Toa mivoana be zany toritenin'i Niryna zany kle ! Miampy an'le tsianjery maimbo ... i Jesosy ihany eee, amin'Andriamanitra mivantana eeee, bla bla bla ... nefa avy eo tsy menatra akory miteny amy teny tsy fantatra ... sa Jesosy koa nareo ! :-D:-D:-D
53. ikaretsaka ( 11/07/2007 05:10)
niryna mandiniha tena e...
tsy tamiko ianao no diso ka.. fa t@ tenanao sy ny conscience nao ihany

54. tslem ( 11/07/2007 07:24)
pissoa:
Toa mivoana be zany toritenin'i Niryna zany kle ! Miampy an'le tsianjery maimbo ... i Jesosy ihany eee, amin'Andriamanitra mivantana eeee, bla bla bla ... nefa avy eo tsy menatra akory miteny amy teny tsy fantatra ... sa Jesosy koa nareo !



:-D:-D:-D
55. ikaretsaka ( 11/07/2007 12:23)
:roll: mivavaha ho zy fa tsy fantany ny ataony
56. niryna ( 13/07/2007 07:18)
pissoa:

:-D:-D:-D:-D:-D

Toa mivoana be zany toritenin'i Niryna zany kle ! Miampy an'le tsianjery maimbo ... i Jesosy ihany eee, amin'Andriamanitra mivantana eeee, bla bla bla ... nefa avy eo tsy menatra akory miteny amy teny tsy fantatra ... sa Jesosy koa nareo ! :-D:-D:-D



=))=))Ny ahy ny baiboly ihany no hamaliako ny teny ato.Iny no porofo marina na dia tsy mino aza ny sasany.Aza mitsara mba tsy ho tsaraina hianareo.Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo koa,ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana anareo . Matio 7:1-2
57. niryna ( 13/07/2007 07:45)
ikaretsaka:

niryna mandiniha tena e...
tsy tamiko ianao no diso ka.. fa t@ tenanao sy ny conscience nao ihany



Tsy tantinao ny hilazako ny marina ka hatramin'izao tsy mbola mahita zavatra azoko hianarana avy aminao mihitsy aho.Io resaka fandinihantena io foana no resahina ary io ihany kanefa tsy fantatrao akory aza ny tena dikany.
Inona indray no ho soratan'i niryna hotsipahiko =))=))=))
Mifanohitra ny tenin'Atra daholo izay lazainao ka izay no tsy ahatantesanao ny marina.Tsy mila mamaky baiboly e,tsy mila hianarana tsianjery ny baiboly e,maninona no manoro voa ny namana?Maninona no manao taribato vilambava?
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina.Fa izay manaraka ny olom-poana ho voky alahelo kosa
Koa asakasak'izay manaraka ny lalana diso.Aleo ny fanazavany na namana rehetra ato no hitsara azy sy aho. fa satria na dia naseho aza ny fahendren'Atra ,ny fahendrena dia tsy ahatonga izao tontolo izao hahalala an'Atra ,ka dia ny fahadaln'ny fitorianteny no sitrak'Atra hamonjena izay mino
Na inona na inona lazain'ny olona rehefa tsy hino sy tsy handray an'Atra izy dia hanohitra foana.
Raha kristiana tsy hifandramatra hiady an-trano ka hilaza lava hoe tsy ny olona no miady fa ny filaza no tsy mitovy.:roll::roll:=))=))
Aza mitompo teny fatratra ka manoro voana ny namana.
Aza manao anao ho hendry .Matahora an'i Jehovah,ka mifadia ny ratsy(fankahalana,fanosoram-potaka,tsy fitiavana,fitadiavana teny hanaratsiana sy hanambaniana ny hafa sns..anjaranao no mitanisa izany)dia ho famelombelomana ny nofonao izany sy ho famandoana ny taolanao. Tsy mba reraka ve ianao ny hanohitra ny soratra masina lava izao?Iza no mitondra sy mitarika ny fisainanao hanohitra izany?


58. tslem ( 13/07/2007 10:30)
niryna:
ny baiboly no manambara sy milaza fa tsy hamela Izy raha tsy mamela ny hafa isika.

Mba omeo toko sy andininy hoe zah raha azo atao?

Tsy mahita toko sy andininy ngah niryna?


59. ikaretsaka ( 13/07/2007 11:08)
iza no tsy milaza ny marina isika sy niryna? hmm?
iza no voatenin'ny olona lalandava fa tokony handinin-tena hmm?
ary iza no rehefa milaza diso no tsy manaiky fa sarotra atoro, hmm?


izhao tsy manao mihitsy heo hotsipahiko fa hoe mivoana ka mila ahitsy

zavatra roa samihafa izany!
60. marozevo ( 13/07/2007 17:44)
Io ndray Nyrina !..... Misy fahadisoana ho'aho tsy dia miankina aminao loatra angamba fa miankina amin'ny source arosonao, na miankina amin'ny tsy fahazoana tsara.... Marina fa mety hoe tsy mila fandinihin-tena be loatra izany... nefa ilàna fiekena kosa.

Mba azonao jerena vetivety ve, ry Nyrina, ny voalaza ary amin'ilay hoe "Fisaka ny marina"?.

Hoy ianao hoe tsy mahatanty ny marina lazainao ny namana. Raha tena marina tokoa moa ka haninona...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008