hatraiza?

1. ikaretsaka ( 05/07/2007 22:29)
Ok, aleo atao hoe ny "fetran'ny azo atao sy ny tsy azo " ilay izy ho an'izay kamo hamaky!
resaka efa mpandeha eto ity fa aravoko ato aby !

Hatraiza sy hatramin'ny ahoana ary hatramin'ny inona no heverinareo hoe azo atao sy tsy azo atao @ resaka fivavahana! sy fomba azo atao any am-piangonana ?

Izao no niseho:
1)resaka hira:
-Sendra tafaresaka tamina namana iray izay aho androany dia miresaka ireny hira sy tehaka any ampiangonana ireny. dia misy an'izany hoe ny sasany hoe tsy mahazo mampiasa zava maneno ny any am-piangonany fa hita fotsiny amin'izao!
-Ny sasany indray dia ao aby ny orchestre 1 manontolo,miaraka amin'ny hira somary mampandihy (ny hira ao amin'ny "ankalazao" ohatra betsaka ny mampiasa azy @ lamesa)
-ny sasany indray harmonie sy orgue (afenina ao ambony ao) sy hira somary "traditional" no ataony fa hoe hivavaka hono no atao fa tsy hijery spectacle.

dia averiko aminareo ilay fanontaniana: raha ianareo manokana dia hatraiza heverinareo hoe mety sy tsy mety sy tafahoatra loatra? satria maninona?


2)resaka akanjo sy fomba
Efa nandeha teto ihany ilay resaka fa averiko ihany
- vehivavy manao pataloha sy ny zipo ary ny zipo lava
-ny mianjaika na tsia rehefa miangona...
-ny fanaovana voaly alohan'ny komonio(katolika)
-ny fandoalihana
sns
dia averiko aminareo ilay fanontaniana: raha ianareo manokana dia hatraiza heverinareo hoe mety sy tsy mety sy tafahoatra loatra? satria maninona?


2. pissoa ( 05/07/2007 22:55)
:-D:-D:-D

Resaka mozika : tokony kendrena hifanaraka amin'ny zavatra atao, ary mampifantoka ny Kristianina amin'Andriamanitra. Raha hira fifonana ohatra, dia toa hafahafa ihany raha mampandihy rock be ao ampiangonana :-D Toy izany koa ny voninahitra, somary hafa ihany raha hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny feonkira malaina be ! Dia izay ny ahy no fetra : mifanaraka amin'ny foto-kevitry ny hira, ary mampifantoka amin'Andriamanitra.

Raha azo ampiasana orikesitra be ireo dia tsisy olana amiko, vao maika aza tsara fa mba miara-miketriketrika ny coco be antsika mianankavy hanatona an'Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy. :-D:-D:-D

Resaka akanjo :
Mitovy @ ilay izaho isan'andro ihany ny izaho mandeha any ampiangonana amin'ny fitafy ! Tsisy olana amiko ny akanjo anaovan'ny olona. Fa mety misy olana amin'ny lehilahy ny miboridandridana anaovan'ny vehivavy ... na manify loatra ! :-D:-D:-D
3. ikaretsaka ( 06/07/2007 00:55)
pissoa> ry "fantatrao Ray o" sy ry "miverena ianao" kosa hira finonana rythme kooo!
4. pissoa ( 06/07/2007 02:09)
ie, fa tsy mampandihy rock :-D:-D:-D
5. pissoa ( 06/07/2007 02:22)
Hadinoko : Ny "Miverena ianao" tsy hira fifonana kooo !
6. fahamarinana ( 06/07/2007 04:59)
Hoy ny tenin'ny Soratra Masina hoe "Miderà an'i jehovah amin'ny lokanga;Mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.Mitendre tsara amin'ny feo fifaliana"Salamo 33:2-3

:arrow:Ny fahitako azy rehefa tena ho an'Andriamanitra,tsy miteny ratsy an'Andriamanitra dia tokony ho hety.Fa samy manana ny fomba sy fitondràny ny fotoam-pivavahana moa ny fiangonana tsirairay kanefa rehefa tonga amin'ilay hoe tsy mahazo atao an'izao ,sns dia mipetraka ny olana avy eo.
:arrow:Ny fomba fitafy ndray dia angaha moa hiboridana,ohatra hoe hamonjy mariage isika dia mihaingo fatratra dia hanao fotoana amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny daholo be manandratra ny Anarany,tena fotoan-dehibe anie izany e.Mba tandremana ho tsy choquant,mino aho fa tsy hisy hiankanjo lamba maloto akory:lol:,
Za manokana dia fatratra mpanao pataloha,eny na nandeha nivavaka azy,fa dia niova tsikelikely teny,tsy nisy contrainte,tsy nanao forcing fa izany tokoa no tonga amin'ny hoe Jesosy no manova antsika tsikelikely eny .Izay ilay Fitiavany antsika,izay ilay Fitahiany antsika .Lehibe Izy sy mahavita izy tsy ampoizintsika indrindra amin'ny fiainantsika e.Amen
7. ari.malala ( 06/07/2007 05:27)
Mitovy hevitra am pissoa za am le resaka hira. Momba ilay resaka akanjo indray, tsy miova ny hevitro, izaho andavanandro no izaho alahady fa tsy hoe hafa aho ny alatsinainy hatram sabotsy de iny fa hafa ndray za alahady. Manao pataloha ny andavanandrom-piainako de pataloha koa no ahazoako aina rehefa ande mivavaka aho.
8. fahamarinana ( 06/07/2007 05:34)
ari.malala:

Mitovy hevitra am pissoa za am le resaka hira. Momba ilay resaka akanjo indray, tsy miova ny hevitro, izaho andavanandro no izaho alahady fa tsy hoe hafa aho ny alatsinainy hatram sabotsy de iny fa hafa ndray za alahady. Manao pataloha ny andavanandrom-piainako de pataloha koa no ahazoako aina rehefa ande mivavaka aho.


Eny e,izay maha-à l'aise ny olona anie,Jesosy tsy mba nanery fa ny hevitro fontsiny iny sy nety tamiko ary betsaka koa ny toa anao,ary tsy misy maharatsy azy.Ny essentiel dia tonga manantona an'Anndriamanitra hoy aho.


9. majesty ( 06/07/2007 07:30)
ikaretsaka:raha araka ny hevitro dia mi jouer rôle betsaka amin'io ny kolon-tsaina,ne eo amin'ny lafiny zava-maneno ampiasaina ao am-piangonana izany na eo amin'ny lafin'ny fitafiana hanaovana,noho izany sarotra be ny hilaza hoe ity no tsy mety ary izao kosa no azo ekena,fa ny hamintinako azy dia ny hoe,rehefa resi-lahatra ianao fa manomé voninahitra an'Atra izany dia ataovy fa raha ny mifanohitra amin'zany dia aza atao,(raha atao amin'ny teny baiko izany dia hoe ny an'Andriamanitra sacré fa tsy profane):D
10. xxx ( 06/07/2007 07:44)
eo @ fitafiana:raha izaho manokana indray dia ny foko no midera ny Tompo fa tsy ny fitafiko akory, izany hoe mety amiko daholo izany, ary mino aho fa angamba tsy handà Andriamanitra raha sanatria aza hoe misy olona miboridana(fanoharana fotsiny io an) aza eo ka tsy ho raisiny.
eo @ hira, gadona sns indray: tena à l'aise be aho raha sebdra an'ilay manentanentana ireny ary tena mahatsiaro fahasambarana ohatry ny hoe any an-danitra mihitsy:D
11. nathie86 ( 06/07/2007 07:55)
ra mozika d somary mihetsiketsika ny tsara aloha mba motivé ny saina sy ny fanahy
ra fitafiana indray d za miombokevitra @ xxx oe ny fo no midera ny Tompo fa saingy kosa tsy tokony anao akanjo manome faka-panahy ho any hafa ianao manajary lasa fanafitoinana ho azy ny fahitany anao.
12. andrylahy ( 06/07/2007 08:33)
Manahoana daholo ! :D:D:D:D
Tsara daholo ny hevitrareo teo fa afaka mba lazainareo ve ny hevitr'Andriamanitra.:idea::idea::idea: Matetika manko ny hevitry ny olona no "lazaina fa sitraky ny Ray ". Ohatra ny hira : rehefa antitra ny mpitarika ( oh pastera na hafa ) dia miteny izy hoe tsy tian'i Jesosy ny hira mampandihy sy ny rock ary ny mampientanentana :(:(:(; fa ho an'ny mpitarika mbola tanora ( pastera na hafa ) dia milaza koa izy hoe mampandositra ny anjely ny hira mivareraka sy ny mampatory:):):).
Dia toy izany koa @ lafiny maro. Indrindra ilay resaka pataloha sy akanjo manify voalaza ery ambony.
Fa mba lazao anay ny hevitr'Andriamanitra momba ny aakanjo sy ny firavaka sy ny fihaingona sy ny hira sy ny zavapisotro sy ny zavatra azo jerena.
13. diamondra27 ( 06/07/2007 08:46)
ny fiangonana de efa nizarazara araka ny fombafombany sy ny finoany

ny mpiangona zany no misafidy hoe: ato no mety amiko na tsia.

Izay mandresy lahatra anao sy hampitombo nyy fiainana ara-panahy ihany no zava-dehibe amiko @ fanarahana ny Tompo. Raha ohatra manko ka tsy resy lahatra @ le fombafomban'ilay fiangonana ianao dia tadidio fa tsy haharitra @ finoanao fa hangatsiaka vetivety. (anisan'ny zavatra mampihemotra ny Xna io).

Valiny:
aoka isika hidera an'i Jehovah Etc etc
ny sasany @ lokanga sns...,
mitehafa tanana...
aoka ny lohalika rehetra handohalika etc etc...
ny vhv aoka hisaron-doha etc etc...
zay raha fintinina fa mety misy hafa tsy voatanisako
Ireo anefa dia andalan-tsoratra masina ao anaty baiboly ary tsy izy rehetra ireo miaraka no ataon'ny fiangonana iray fa samy manana ny azy hoe: ato amintsika de mitehaka , ny anay dia misarondoha, ny anay dia sabata (mivavaka sabotsy), ny anay mivavaka alahady, ny anay de mandohalika sy manao signe croix

resaka akanjo indray dia:
za manokana dia @ fomba mihaja simple tsy manintona na manafitohina ny hafa.
Ny fomba fijeriko anefa tsy mitovy @ fomba fijerinao satria OHATRA: raha za zao zatra manao pataloha nefa asaina manao zipo de tena tsy à l'aise aho ary mety mandritra ilay fotoam-pivavahana dia tsy concentré, dia tsy hisy tombotsoa @izany

Vahaolana: Atolory an'i Jesosy ny fonao sy ny tenanao , ny momba anao rehetra dia angataho Izy hanova anao tanteraka araka ny tiany hamolavolana anao.



14. mimich ( 06/07/2007 08:51)
Fitafy> izay mety amiko nefa tsy mitondra fanafintohinana na fakam-panahy ho an'ny hafa

Mozika> Araka ny thème ny mozika, oh voninahitra na fisaorana, hira fidirana, rakitra tsy maninona na somary mihetsiketsika.
fifonana sy fandraisana komonio: mila mozika malefadefaka.

Fihetsika> Ny tehaka tsy dia mampaninona ahy loatra raha atao amin'ny fotoana mampety azy, oh: mandritra ny hira fisaorana.
Fa ilay resaka geste liturgique:
izaho aloha h@ izao de tsy resy lahatra am geste liturgique mandritra ny lamesa ee ,oh mapiahakaha-kevitra izany na ho an'ny mpitazana na ho an'ny mpandray anjara. Ny mpitazana mijery ny fihetsiky ran sy ran hany ka tafitohiny raha sendra nisy tafahoatra na tsy mety. Ny mpandray anjara sahiran-tsaina hoe hotadidiko ve ilay fihetsika rehefa eo anatrehan'ny vahoaka be, menatra raha vao mandiso a tsy concetré am tohin'ny lamesa tsony sns....
Tena hita taratra izany rehefa le misy mandray sakramenta ka ampanaovina fihetsika ireny a!tena hitanao we misy ankizy tsy ao mihitsy fa any foana ny saina we hety sa tsy hety, nefa mba te handihy satria ny ankizy mandihy daholo.
Izany eo ihany fa indrindra moa fa ilay resaka we fampanaraham-bolotany ity an!!! , draydraydrayyyy; lasa misy mitady ho lasa kawitry (masina !!!!!) tampoka zany ny fihetsiky ry zareo avy any avaratra rehefa tena mandeha ny aingam-panahy eo am fanolorana eo.
Fomba fijeriko io an!!

(Miala tsiny aloha fa katolika aho, de ny liturgie katolika no voaresako.)

15. ari.malala ( 06/07/2007 12:12)
miombon-kevitra tanteraka am mimich am le resaka geste liturgique, indrindra moa raha mbola ankizy no ampanaovina azy dia toy ny hanao fety ny fiheverany an'iny fa tsy geste liturgique... ary na ny olona ao am-piangonana aza dia toy ny mijery fety rehefa misy geste liturgique mandritra ny lamesa, sady misy dia tena exagéré loatra e! manomboka any @ voninahitra ka hatrany @ fisaorana misy mandihy aby...
16. ikaretsaka ( 06/07/2007 14:14)
Misaotra ireo namaly

fa ilay tenin'i majesty
ikaretsaka:raha araka ny hevitro dia mi jouer rôle betsaka amin'io ny kolon-tsaina

amiko dia tsy voatery
satria na samy fiangonana ao antaninarivo aza ohatra, (inoako fa mitovy kolontsaina ny tananarivianina) dia samy manana ny fombany.
tahaka izany kao raha eto USA, culture mitovy fa ny any @ Church of christ izao tsisy zavamaneno, ny atsy @ evanjelical anankiray le tena gospel sy mandihindihy be ireny
17. ikaretsaka ( 06/07/2007 14:24)
Mozika> Araka ny thème ny mozika, oh voninahitra na fisaorana, hira fidirana, rakitra tsy maninona na somary mihetsiketsika.
fifonana sy fandraisana komonio: mila mozika malefadefaka.

marina ny an'i ari sy i mimich saingy
misy mihetsiketsika koa anefa ny fifonana ka: "fantatrao ray o" "izahay izay natsanganao" na ilay somary zafindraony manao ilay hoe "tompo ooooooooo...mamindra fo aminay eeeee fa nanaiky ho faty ianao eeee mamindra fo aminayyy eeee" ohatra!
(ohatra ireo @ katolika a)
misy ny milamina nefa hira fisaorana "misaotra anao jesoa hostia"

za tsy manakana ilay fanaraham-bolontany raha hita fa mampiakatra fanahy ireny !, fa ilay conservatif be ko anefa... misy leo ny olona fa tsy mampiakatra na ny toriteny na ny hira .. za efa nahita fa misy ny resin-tory mihitsy amin'izy ireny!
eo no anontaniako hoe Hatraiza
18. marozevo ( 06/07/2007 18:03)
Tena mi-jouer mihitsy ny kolon-tsaina. Fa raha miteny an'io dia considere-na daholo ny kolon-tsain'ny olona rehetra ao : Mopera na Pasitera, Mpanampy azy ireo, Ny mpivavaka rehetra.

Iombonako ilay filazana fa arakaraka ny mpitondra koa. Misy milaza hoe tsy tian'i Jesoa ny Rock, misy milaza hoe mampandositra ny anjely ny hira mivareraka...

Eo indrindra no mivaly ilay hoe, ka na samy ao Tanà aza dia samihafa nefa mitovy kolontsaina ny samy tananarivianina....

Fa izao koa no tsarovy, (zava-tsy nisy ity nefa lazaiko ihany), mino ve ianareo fa raha tsy Abrahama no nofidian'Iaweh, na raha tsy tany Israely i Kristy no tonga olombelona, dia ho nitovy amin'io ananatsika io ny Baiboly.... Misy taratry ny kolon-tsain'ny tantsinana ao anaty Baiboly, satria tany no niantombohany.... Ka na Andriamanitra aza ni-consideré ny kolon-tsaina... dikany: misy lanjany ngeza be ny kolon-tsaina eo amin'ny fivavahana sy ny finoana.
19. gasynamana ( 07/07/2007 10:52)
Miombon-kevitra amin'i Pissoa aho amin'ilay resaka hira.

Fa ny asiako teny dia eto amin'ny resaka dinika. Tsy haiko na iaho no tsy mahalala na zavatra mitovy ihany ny atao hoe: dinika (forum) sy karajia (tchat). Ny hita anefa dia avahan'ilay olona namorina ny serasera izy ireo, noho izany dia zavatra samihafa ka tsy tokony afangaro. Hevitro moa io, mety ho diso, ary azo disona, nefa raha mba mahasoa ihany dia raiso. Ny olana mantsy dia izao: ohatranay tsy dia manana accès firy eto, rehefa tonga mba hamaly hevitra dia sahirana satria lasa resaka hafa be no hita. Mihevi-tena ho diso adresy mihitsy aza indraindray.
20. ikaretsaka ( 07/07/2007 14:13)
gasynamana: amiko ity an:
raha manontany hoe
- manao ahoana ny andro any aminareo?
-avy ny orana.. dia tchat izy izay
fa raha manao hoe
- miombon-kevitra amin'i anoana aho momba ilay teniny ary,
- dia izaho koa miombona! (dia forum izay)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2453