hatraiza?
21. johnnyandri
(
08/07/2007 09:39)
Gasy namana aza kivy fa tsy diso adiresy ianao kah
tsiky dia ampy.
Dia natao ho DIVERSITY ity tontolontsika ity ka dia samy manana ny fomba fandraisany sy fanehoany ny fombam-pivavahana.
Tadidiko fony aho nandray anjara tamin ny TAFIKA dia tsy maitsy manao ilay dihy litorjika. Iny aho no ketraka satria tsyu miady amiko ilay mandihy sady tsy mahay no tsy menatra ery ampovoany. Naleko ihany nanentana tery aloha kah.
Tonde amin'ny lokanga ary ny harpa sy ny valiha.

22. rakaroka
(
08/07/2007 10:21)
mampiharihary 'reo fivavahana "conservateur" sy ireo efa "modernisé" manaraka ny fivoaran'ny tontolo sy ny fombafomba isan-kazarany, ny fiheverako ny talenta, sy izay karazana fanatitra, fanoloran-tena,sns dia "METY" hiderana an'Atra rehefa tafiditra ao @ ilay "ANKASITRAHANY" , ka 'zay hita miseho dia "ivelany" ihany fa lé fo amam-panahy nikotrika izany no zava-dehibe!
Ny "rock" tsy voatery ho ratsy araka ny fihevintsika:
ohatra ny "dessin animé" Sanguku dia nisy karazan-kira "Rock izay nankafizin'ny maro tokoa, se peut mety ahafinaritra an'Atra: talenta iray voa-exploité.
Rizareo karana miakanjo "sari" somary sexy izay lé izy fa entina hiderana aby, sns...
Soa ihany fa tsy voafetra tahaka ny fijerintsika
ilay Ray ao ambony :-D:-D:-D:-D

23. xxx
(
08/07/2007 13:51)
Hatraiza no fetra?
Hoy ilay olo-masina izay: "Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao". Izany hoe tiavo marina tokoa Andriamanitra dia izay fitiavana azy izay no aoka hitondra ny fiainanao.
Ny FO TIA no fetra. Tiavo Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra, amin'ny tena manontolo: saina, fanahy, vatana. Alaivo tahaka izay nataon'i Masina Maria (Lioka 1, 46 - 55) Tsy ny fo ihany no iderana sy isaorana azy fa ny tena manontolo. Izay be ao am-po mantsy no mseho hita maso, ka fadio ny mihatsaravelatsihy. Milaza fa manaja ny didy folo nefa mitondra ny hafa any amin'ny fijangajangana amin'ny fitafiana sy ny fihetsika atao, milaza fa mitory ny tenin'Andriamanitra nefa manome fanafitohinana ny hafa amin'ny teny lazaina, milaza fa mpitondra fivavahana nefa mamarina ny hafa any ankady amin'ny oha-piainana aseho...
Ento ao amin'Andriamanitra ny olona rehetra, fa izay no sitrany (Joany 17). Aza adika araka izay fahazoanao azy ny tenn'Andriamanitra, fa ampitaho amin'ny hafa araka izay voalazan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fisehoany (révélation). Iaino izay zaraina amin'ny hafa, mba handraisany ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny teninao ihany fa amin'ny fiainanao koa.
Tsy ilaina ny kabary sy ny fitantarana izay fiananao mba ho fijorona vavolombelon'ny finoana. Ianao mijoro, miaina araka ny evanjely no hahatarafan'ny hafa ny fahazavan'i Kristy. Jereo kely ity resaka nifanaovan’i Md Basile tamin’ireo mpanenjika azy ity:
Basile: Pourquoi craindrais-je ? que peut-il m'arriver ? que puis-je avoir à souffrir ?
mpanenjika: Ce que tu souffriras ? quelqu'un des châtiments que j'ai le pouvoir d'infliger.
Basile: Lequel ? fais-toi comprendre.
mpanenjika: La confiscation, l'exil, la torture, la mort.
Basile: Fais-moi d'autres menaces. Aucune de celles-ci ne me touche.
mpanenjika: Comment ?
Basile: Parce que la confiscation ne peut atteindre celui qui n'a rien, à moins que tu n'aies envie de ces vêtements usés et de quelques livres, qui font toute ma richesse. L'exil ne m'effraie pas davantage : je n'appartiens à aucun lieu : cette terre où je suis n'est pas mienne; en quelque pays que je sois mené, j'y serai chez moi. Pour mieux dire, je sais que toute la terre est à Dieu, et je me considère partout comme un étranger et un pèlerin. Quant aux tourments, ils ne m'importent guère : mon corps est si frêle, que le premier coup l'abattra. La mort me sera un bienfait : elle m'enverra plus vite à Dieu, pour qui je vis, que je sers, pour qui je suis déjà à de mi mort, et vers qui j'ai hâte d'aller.
"Ianareo no fanasin'ny tany", hoy Jesoa, ka anie tsy ho menatra na hatahotra ny ho masina isika rehetra. "Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao", hoy koa izy, ka enga anie ny fiainantsika hahatarafan'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra. Amen!
24. marozevo
(
08/07/2007 20:04)
Indraindray tokoa manana endrika tchat ny forum. Izaho izay miteny sy manoratra dia anisan'ny tratran'io matetika eto. Tsy manamarin-tena sanatria, fa mifona raha misy tsy nahazaka izany, fa ny antony dia izao : Misy fotoana olona roa sisa eto, dia miresaka sy mifanontany.... misy fotoana kely somary mivaona tokoa amin'ny sujet, fa ny ankabeazany dia mifototra amin'ny sujet ihany. Tokony hivadika any amin'ny tchat tampoka ve rehefa hanao hoe "Bonne nuit" ?. Asa anefa !.... Raha tsy mety ho'aho dia ifonana, ary mikasa mafy tsy hamerina intsony noho ny fitiavana anareo rehetra.
25. xxx
(
09/07/2007 13:57)
marozevo:
misaotra anao niteny fa izaho aza saika hanao remarque satria efa miverina matetika ilay izy. Ny mety dia mifanomeza adresy messanger (yahoo, na msn) dia any miresaka. Raha ny fahitako azy mantsy dia mety ho tsaratsara kokoa ny tafanareo any satria malalaka kokoa. Eto voafetra ihany sady ataoko fa tsy natokana ho amin'izany. Mety exagéré ny fahitako azy aloha anefa aleo lazaina toy izay kobonina hanimba zavatra. Tsy mandroaka na manampim-bava akory izany, fa fanatsaran-javatra kosa.
Misy tokoa ny resaka ifamaliana mifantoka amin'ny lohahevitra, na dia misy hanihany aza ao anatiny. Mahafinaritra ireny. Raha somary mivoaka kely tsy misy maharatsy an'izany, saingy matetika dia tena lasa resaka hafa mihitsy ka mpieritreritra zavatra hafa.
Teny atsipy am-pitiavana ireo, raha tsy ekenareo dia avereno aty amiko fa tsy misy olana. Raha mahasoa kosa dia raiso ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.
Hitantana ny diantsika hatrany anie Kristy. Amen!

26. cutie
(
09/07/2007 14:14)
miombon-kevitra @le size lasa miova tampoka alou e.
Fa ndraindray koa ilaina le HS kely fa tsy atao manalavitra ny size fotsiny. Raha lasa trop loatra njay moa, de samia tonga de mahatsapa-tena mamerina azy @ laoniny :-D
Fa ndraindray koa ilaina le HS kely fa tsy atao manalavitra ny size fotsiny. Raha lasa trop loatra njay moa, de samia tonga de mahatsapa-tena mamerina azy @ laoniny :-D
28. niryna
(
13/07/2007 07:57)
fahamarinana:
Hoy ny tenin'ny Soratra Masina hoe "Miderà an'i jehovah amin'ny lokanga;Mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.Mitendre tsara amin'ny feo fifaliana"Salamo 33:2-3
:arrow:Ny fahitako azy rehefa tena ho an'Andriamanitra,tsy miteny ratsy an'Andriamanitra dia tokony ho hety.Fa samy manana ny fomba sy fitondràny ny fotoam-pivavahana moa ny fiangonana tsirairay kanefa rehefa tonga amin'ilay hoe tsy mahazo atao an'izao ,sns dia mipetraka ny olana avy eo.
:arrow:Ny fomba fitafy ndray dia angaha moa hiboridana,ohatra hoe hamonjy mariage isika dia mihaingo fatratra dia hanao fotoana amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny daholo be manandratra ny Anarany,tena fotoan-dehibe anie izany e.Mba tandremana ho tsy choquant,mino aho fa tsy hisy hiankanjo lamba maloto akory:lol:,
Za manokana dia fatratra mpanao pataloha,eny na nandeha nivavaka azy,fa dia niova tsikelikely teny,tsy nisy contrainte,tsy nanao forcing fa izany tokoa no tonga amin'ny hoe Jesosy no manova antsika tsikelikely eny .Izay ilay Fitiavany antsika,izay ilay Fitahiany antsika .Lehibe Izy sy mahavita izy tsy ampoizintsika indrindra amin'ny fiainantsika e.Amen
=D=D=D
Marina ny anao
Ny olana dia izay tian'ilay olona no tadiaviny ataon'ny rehetra.kanefa misa aza mifanohitra ny ao anaty baiboly.Rehefa manaraka an'i kristy irery ihany amiko dia efa ampy izay.Atra mahalala izay ao am-po fa tsy ny fitsikeran'ny olona no dinihany.Lasa mifindra fiangonana ny olona fa tsy misy Fanahy Masina ao raha izany.
29. ikaretsaka
(
13/07/2007 11:36)
eo indrindra isika izao..
Io ny tenin'ny salamo, dia maninona ny fiangonana sasany (church of christ ohatra) tsy manao an'io? fa mihira maina?
betsaka ny hira mihetsika no tena mino sy mankalaza an'andriamanitra tokoa (hillsongs ohatra http://www.dailymotion.com/relevance/search/hillsong/video/xwk42_hillsong-united-one-way , na ankalazao ny tompo, ) dia maninona misy fiangonana rehefa hira ohatran'ireny dia hoe mihetsika loatra hono e, sns..
resaka akanjo> ny an-dri petera sy ny namany ange akanjo maimbo trondro no nentiny nanaraka ny tompo e!
ilay resaka mifindrafindra> mifindra ato aho fa ato milay sy azoazo kokoa , dia leoleo ao dia mifindra atsy indray
"Ianareo kao ve handeha? handeha ho aiza moa izahay Tompo" (Joany 6, 65)