Fantaro ny fahavalonao

1. LazaDaddy ( 20/06/2007 05:17)
Tsikaritro eto fa misy mihevitra ny namana ho fahavalo rehefa miady hevitra ka lasa bontolo ny fomba firesany. Raha izaho no ataonareo fahavalo tsy maninona (vao maika mampitombo ny faharetako) fa kosa betsaka ny namana mety ho tafitohina amin'izany.

Aoka isika tsy ho voarebirebin'ny fakam-panahy fa tsy nofo aman-dra ny fahavalontsika Kristianina fa fanahy ratsy.

Aza manaiky resin'ny ratsy ianareo hoy i Paoly fa reseo amin'ny tsara ny ratsy :)
novalian'i niryna ny 12/07/2007 04:55
2. majesty ( 20/06/2007 05:47)
Marina ve zany ry Laza,
Raha izaho manokana aloha ôtran'ny tsy mbola nahatsapa an'izany na misy tsy fitovian-kevitra aza ato indraindray e,:D

3. diamondra27 ( 20/06/2007 08:45)
ny fahavaloko @ maha-kristiana ahy dia ny devoly fa tsy olona

I Korintiana 15:26 "ary ny fahafatesana no fahavalo farany horesena."


4. gasynamana ( 20/06/2007 08:55)
mahagaga fa rehefa tsy hainareo valina ny hevitra na fanontaniana apetraka de lazaina fa bontolo.

5. xxx ( 20/06/2007 09:25)
izaho ka mahatsapa an'io lazain'i Laza io , matetika isika eto tsy mahay miady hevitra fa mahay miady na te hiady angaha

gasynamana >>> ahoana no mahatonga anao hiteny an'izany ?
6. diamondra27 ( 20/06/2007 09:32)
za tsy miady fa rehefa tsy mety na tsy mazava ny fomba ampitaiko ny tiako ampitaina dia mijanona aho . Anjaran'Atra no miasa ao anatin'ny olona fa zaho efa nanao ny asako

Tsy miankina @ fahalalantsika na fombantsika no hi-sauver-na ny olona fa mamboly ianao de Atra mampitombo

Tsy tokony asia ady hevitra we : iza no tia iza no tsy tia fa raha tsy izay de efa nahazo ny valimpitia isika

7. gasynamana ( 20/06/2007 09:41)
xxx: misy fanontaniana napetrako ao ambadika ao tsy valiny ranama io. De aty izy no manao vava be
Jereo koa izay lazain'i marozevo: tsy naharesy lahatra ahy, satria tsy te ho resy lahatra, de ny tenako no lazainy fa secte rehefa sahy namotsipotsitra ny resaka ataony. Rehefa anontaniana anefa hoe lazao izay maha secte ahy tsy de misy zavatra mitombina loatra.
Hatreo aloha.
8. diamondra27 ( 20/06/2007 09:49)
gasynamana:fa inona ny dikan'ny hoe: bontolo?
9. gasynamana ( 20/06/2007 10:02)
diamondra: Bontolo: ny hevitra tsy hain'ny mmahay valina. Izay no fahazoako azy indray aloha amin'izao. :lol::lol::lol:
10. LazaDaddy ( 20/06/2007 10:16)
gasynamana:
xxx: misy fanontaniana napetrako ao ambadika ao tsy valiny ranama io. De aty izy no manao vava be

gasynamana> natokana ho anao manokana angaha ito? :) Ary inona kay izany vava be izany fa angaha ianao tsy GasyNamana? ;)

11. gasynamana ( 20/06/2007 10:25)
Tsikaritro eto fa misy mihevitra ny namana ho fahavalo rehefa miady hevitra ka lasa bontolo ny fomba firesany. Raha izaho no ataonareo fahavalo tsy maninona (vao maika mampitombo ny faharetako) fa kosa betsaka ny namana mety ho tafitohina amin'izany.

Fa inona io? Vava kely izany fa azafady.

Ianao mantsy milaza fa tsy azo disona ny Baiboly dia jereo ary amin'ilay lohahevitra nosokafako ary fa na ianao aza dia efa nandiso in-droa sahady ao.
Any isika miady hevitra raha vonona ianao. Ady hevitra hoy aho fa tsy ady vava akory. Tsoriko fa misy ny zavatra manalasala ahy matoa aho manontany. Ka raha vonona de manasa anao am-panajana.
12. xxx ( 20/06/2007 10:26)
Aza miady re fa samy zanak'Andriamanitra é. Na dia tsy mitovy aza ny hevitra dia tsy natao ampiady izany. Manjary hihomehezan'ny olona eo indray isika kristianina. Samia mahay manetry tena ao am-pony avy.
13. gasynamana ( 20/06/2007 10:30)
xxx: izaho tsy miady fa izay no fomba fiteniko.
Raha tsy mety de ifonana, nefa mba atory koa hoe ohatran'izao no ataovy. OK
14. LazaDaddy ( 20/06/2007 10:30)
15. diamondra27 ( 20/06/2007 10:40)
aza manome lalana ho an'ny devoly hono an!
de aza tia ady
de mifankatiava
zany doly no voalazan'ny SM:-*:-*
16. gasynamana ( 20/06/2007 10:46)
LazaDaddy: miandry!
17. ikaretsaka ( 20/06/2007 14:19)
LD>
Hamaly sy hitondra ny hevitro ary aho:

Raha tena Kristianina aloha ianao dia tokony tsy ho tsy manana fahavalo olona izany e!

Voalohany indrindra , ary efa naverina teto foana ny hoe tsy ny olona no miady eto fa ny hevitra.Betsaka ny olona tsy mitovy hevitra aminao: ary izay tsy mitovy hevitra aminao akory dia midika hoe fahavalo.

Tsy misy mifahavalo izany eto raha ny fahitako azy fa angamba ianao no mihevitra ny tenanao ho fahavalon'ny olona, asa! anao irery iny!

Raha tsy ampy ny ambaranao, na misy mivoana ,na misy hevitra tsy mety ka tsapan'ny olona fa ilaina fanitsiana sy fanazavana misimisy kokoa, misy hevitrao tsy mitombombona ka ahitsin'ny olona betsaka mba hazava kokoa, amiko dia tsy fahavalo ireny olona ireny, fa mamporisika anao aza ho tonga saina sy hijery akaiky ny momba ilay hevitra sy ny momba anao.

Io ilay naveriko sy nampidiriko foana hatramin'ny voalohany hoe mila misokatra , mikaroka, mianatra, mandinika, mitady, mihaino ary indrindra mandinin-tena.

Dia izao koa:

-Raha misy fanontaniana tsy hainao ny valiny, ka ilainao ny hevitry ny olona, dia apetraho.

-Raha misy Fanontaniana ka manana ny hevitrao manokana ianao momba iny fanontaniana iny,izay heverinao fa valin'iny fanontaniana iny, ary tsy tianao na mety hanafitohina anao ny hampidiran'ny namana hevitra hafa na hazavaina misimisy kokoa fa mety handiso iny hevitrao iny , ary mety hahatohina anao ny valiny!--->... aza apetraka!na dia miandrasa valiny bedebe, mety hahafaly, haharary, hahasosotra! simple as that!

Ny azoko atoro anao dia hoe diniho sy jereo ny fahamarinan'ny zavatra ambaranao aloha, jereo ny fiaviany, sokafy amin'ny hevitry ny hafa ny loha,aza bornevana, tadidio fa fianarana ny fiainana!
Raha tena convaincu ianao hoe izao ny hevitrao, ka te hampiditra an'iny ho an'ny olona , dia mitadiava arguments convaincants manamafy ilay hevitra, rehefa tsy mahita intsony...
miaike amin'izay hoe resy lahatra fa izay izany ry 'reto! inona ny olana amin'izany?



Ankoatran'izay ... efa lazaina eto foana ny momba io fandinihin-tena (examen de conscience io) Jereo akaiky io!

AMDG
18. xxx ( 20/06/2007 14:53)
Miombon-kevitra amin'i Ikaretsaka aho aloha eto. Tsy misy zavatra hazavaina intsony.

Ampianatra antsika iaina ny fitiavana marina hatrany ny Fanahy fitiavan'Izy Tompo! Amen.
19. xxx ( 20/06/2007 15:23)

gasynamana: misy hevitrao itovizako fomba fijery aminao. Saingy ilay fombanao mivatravatra be ity no hitako fa tsy dia mety loatra. Tsy hary mitovy daholo mantsy ny olona eto. Tsy olona iray no iresahana fa olona maro ka asio fandanjalanjana ihany ny teny atao. Sao very ny marina fa saron'ny hasosorana noho ny fomba fiteninao.

Teny atsipy am-pitiavana io, raiso raha mahasoa fa raha tsy mety aminao kosa avelao fa tsy maninona.

Ho aminao hatrany anie ny Fahazavan'i Kristy. Amen!
20. cutie ( 20/06/2007 15:31)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 20-06-2007 17:23:47
Lohateny : Re : Fantaro ny fahavalonao

gasynamana: misy hevitrao itovizako fomba fijery aminao. Saingy ilay fombanao mivatravatra be ity no hitako fa tsy dia mety loatra. Tsy hary mitovy daholo mantsy ny olona eto. Tsy olona iray no iresahana fa olona maro ka asio fandanjalanjana ihany ny teny atao. Sao very ny marina fa saron'ny hasosorana noho ny fomba fiteninao.

hitako mitsy io :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0628