Fantaro ny fahavalonao
21. gasynamana
(
20/06/2007 18:09)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 20-06-2007 17:23:47
Lohateny : Re : Fantaro ny fahavalonao
gasynamana: misy hevitrao itovizako fomba fijery aminao. Saingy ilay fombanao mivatravatra be ity no hitako fa tsy dia mety loatra. Tsy hary mitovy daholo mantsy ny olona eto. Tsy olona iray no iresahana fa olona maro ka asio fandanjalanjana ihany ny teny atao. Sao very ny marina fa saron'ny hasosorana noho ny fomba fiteninao.
Teny atsipy am-pitiavana io, raiso raha mahasoa fa raha tsy mety aminao kosa avelao fa tsy maninona.
Ho aminao hatrany anie ny Fahazavan'i Kristy. Amen!
Misaotra anao. Eo fa iezaka aho raha izay no olana.
Miala tsiny amin'izay mety tafintohina tamin'ny teny nolazako izany e. Ataoko fa tsy ho mafy fo isika ka tsy hahay hamela. Raha mbola misy manana fanamarihana manokana koa dia aoka izy hiteny fa vonona ny handray aho, eny fa na dia hoe, aza miteny eto intsony aza ianao dia tanterahako izay raha hahatsara zavatra. Teny tena vokatry ny fo ireo fa tsy hoe tafitohina aho akory amin'ny tenin'i xxx, ka manao farateny.
Misaotra antsika.
24. kelly13
(
22/06/2007 05:59)
ary inn oa ry ikaretsaka le oe "fisainana jezoita" fa tsy novalinao nge le tary ananona tary e?
25. LazaDaddy
(
22/06/2007 13:43)
ikaretsaka:Ny Kristianina tokoa dia tsy mandray olona ho fahavalo araka io nambarako ery ambony io sy ito nohamafisin'ikaretsaka ito. Na izany aza anefa dia misy ny olona mandray antsika ho fahavalo. Tsy atao mahagaga izany satria i Kristy aza noenjehin'ny olona fatratra.
Raha tena Kristianina aloha ianao dia tokony tsy ho tsy manana fahavalo olona izany e!
26. ikaretsaka
(
22/06/2007 15:08)
kelly13:
ary inn oa ry ikaretsaka le oe "fisainana jezoita" fa tsy novalinao nge le tary ananona tary e?
Oay , Azafady
Tadiavina @ alalan'ny zavatra rehetra Andriamanitra dia tsapanao fa eo akaikinao mandrakariva Izy"
27. ikaretsaka
(
22/06/2007 16:04)
LazaDaddy:anaka tsy atao olana izany e, tsy hitako izay hampiahiahy @ izany, na ny fieritreretana an'izany fotsiny aza
ikaretsaka:Ny Kristianina tokoa dia tsy mandray olona ho fahavalo araka io nambarako ery ambony io sy ito nohamafisin'ikaretsaka ito. Na izany aza anefa dia misy ny olona mandray antsika ho fahavalo. Tsy atao mahagaga izany satria i Kristy aza noenjehin'ny olona fatratra.
Raha tena Kristianina aloha ianao dia tokony tsy ho tsy manana fahavalo olona izany e!
28. niryna
(
12/07/2007 04:55)
Ny olona no fitaovana ampiasan'i satana ho fahavalo.Indraindray ireny olona ireny hono dia tsy mahatsapa fa ampiasainy.Ary misy kosa anefa izay tsy manaraka ny soratra masina dia tsy mahatandrina izany ka dia manangana fahavalo ho an'ny tenany izy(lasa mankahala olona,be fialonana,tia tena,tsy mizara,miavonavona,mialona ary mankahala fotsiny amin'izao)Rehefa anontaniana anefa ny antony hankahalany ilay olona dia milaza izy fa tsy fantatro fa tsy tiako fotsiny izao:roll:.Aza mba mahavoa ihany ny goavy manta.Mila miambina isika,ary mila mivavaka ny olona manana ady na manana fankahalana ary indrindra ny olona izay heverintsika fa ho fahavalontsika satria izy ireny mety tsy mahalala fa mizotra fotsiny.
