ex - NDA

1. marozevo ( 18/06/2007 17:20)
Sao dia mba misy mpianatra teny amin'ny NDA Antsirabe tamin'ny taona 1978 - 1983 eto ?

Izay tao dia mahafantatra tsara hoe inona io NDA io.
novalian'i lloyd ny 26/08/2007 13:34
2. sitlo ( 18/06/2007 17:23)
NDA = Notafihin'ny Daholo Antsirabe ve?
3. marozevo ( 18/06/2007 17:26)
Iray aloha izay no niseho.... Tsy izy.
4. sitlo ( 18/06/2007 17:33)
Atahorako ho manirery eto i le-zevo marina
5. marozevo ( 18/06/2007 17:59)
Efa zatra... tsy olana izany
6. sitlo ( 18/06/2007 18:13)
efa zatra ntsooooooo, olona bdb ireo letsy eh. Izay vao tena hoe manirery anaty vahoaka. hahaha :-D. tsisy majinika :-D
7. marozevo ( 18/06/2007 18:48)
Tsy raharahanao izany...
8. xxx ( 18/06/2007 18:52)
tonga indray rasitlo fa midegany!fa maninona raha mba raisina sy atao matotra ny dinika fa tena mankaleo e!
9. mim ( 18/06/2007 18:58)
nareo ry sitlo d tena tsy avotra mits a!aza gafina kosa ny antso ataon'ny ranamana a!nareo v mbola tsy tonga t@ nareo mits zany mitady namana zany lé?
10. sitlo ( 18/06/2007 19:31)
xxx ndray hono no miteny hoe bla bla bla fa mankaleo eh :-D

mim> andefaso boue mihitsy aloha fa mitady tsy ho avotra. Zavatra mitady namana izany ny an'olona tonga dia tsy misy ankanavakavaka mihitsy fa anontaniana daholo.
Sao dia fantatrao i Lucienne be tao amin'ny DNA, ilay sipa be miada-pandeha iny etsetra etsetra.
Fa tsy hoe nde hitady olona tao am DNA aho, dia mankeny Analakely dia anontaniana ny olona "fantatrao ny fanalavana ny DNA Antsirabe", dia misy mamaly, "an ve", dia hoe, "eeeeh tsy izy, iray aloha izay" zay vao malaky manirery. :-D Aza manody ny mitady akama.
11. mim ( 18/06/2007 20:55)
ka r'efa tsy nareo d magina ftsn lé!inn no idiran'lahy @ zany e!
12. sitlo ( 18/06/2007 21:39)
tsy tapenam-bava
13. Fiffi ( 19/06/2007 06:44)
sitlo: heu.....fa misy fanavakavahana ahoana akia zany ? raha ohatra ve zah ka mba te-hitady an'i "sitlaaaa" nianatra tao am LTC taloha de azo lazaina hoe manao fanavakavahana ? heu....triéna le izy koh ! i "sitlaaa" hiany zao ohatra no tadiaviko tao de tsy mety ve akia zany ?:roll:
14. sympa ( 19/06/2007 07:56)
sitlo :arrow: :-D:-D elà lesy tena mpmé mintsy ka :-D:-D
15. sympa ( 19/06/2007 08:10)
sitlo :arrow: Fa tampenan'inona lesy :-D:-D
16. karinah ( 19/06/2007 08:25)
Marozevo: eny Mandaniresaka ve zany?:lol::roll::roll::roll::oops:
17. sitlo ( 19/06/2007 11:28)
voaloha aloha, mahaiza manavaka ny vary sy ny tsiparifary
fiffi> tsy haiko na mody tsy mahazo na ahoana fa tsy tiako ho valiana le fanontaniana bdb fa mihamivoana ny size
18. hery ( 19/06/2007 11:55)
Mahagaga ihany ny olona sasany.

Atsy ambadika atsy izy miteny hoe miha maivana ny resaka eto kanefa ato izy manamaivana ny resaka.

Rehefa misy antso (ato anatin'ny lohahevitra hoe antson'ny fo isika) dia tsy voatery hamaly ianao raha tsy voakasika... raha tsy hoe hanamaivana an'ilay resaka tokoa angamba. (mba hahafahana milaza atsy ambadika hoe miha-maivana ny resaka eto)

Mitady ny NDA Antsirabe 78-83 i Marozevo.
- Raha tsy tao Antsirabe ianao ka tsy mahalala ny NDA na teraka taorian'ny 83 dia efa tsy anisan'ny tadiaviny... ny ankoatra an'izay dia mandoto lohahevitra sisa. Be dia be no nandalo teto namaky an'io antso io fa tsy voakasik'ilay hafatra dia nivadika nijery lohahevitra hafa fotsiny... fa tsy voatery tsy maintsy hanoratra kely na dia tsy misy dikany aza ny zavatra hosoratana. Fantatrareo fa sarobidy ny fotoana, ka rehefa mandalo kely eto ny olona mpametraka hafatra ary mahita hoe misy mamaly dia faly ery ary vonona hamaky. Mazava ho azy anefa hoe inona no zavatra hitany.

Koa mba mifanajà ihany e... na dia hoe tsy mendrika hohajaina loatra aza ny fieritreretanao ny olona sasany.
19. sitlo ( 19/06/2007 13:08)
hahaha
Aza atao sasany fa efa hita be izao hoe izaho no tiana tenenina.

Tsy manaja hoy ianao, hoy i Marozevo tatsy ambadika: Ialahy dia naveriko taminy tamin'ny fomba ankolaka ny fanontaniana.

Mahagaga hoy ianao satria: "Atsy ambadika atsy izy miteny hoe miha maivana ny resaka eto kanefa ato izy manamaivana ny resaka."
1- samy manana ny fomba fampidirany dinika,
(tsy eto mihitsy ity resaka ity no tiako hitohy, araka ny nolazaiko tamin'i fiffi teo ihany hoe miha mivoana, fa tao amin'ilay resaka efa ho tapitra izay nahitanao ahy nilaza izany resaka miha maivana izany http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4674262679c69 )
2- manamaivana ilay resaka aho hoy ianao ka tsy tokony hamaly raha tsy voakasika, ny tsaratsara angamba dia raha mba mety faritanao ilay hoe manamaivana.

Tsy haiko na ny fomba firesako no sarotra raisina fa dia efa mazava be mihitsy ny fahitako azy.
Hoy aho hoe: "Notafihin'ny Daholo Antsirabe ve izany NDA?" ny dikan'izany dia tsy fantatro ny dikan'ilay NDA. Ary matoa aho namaly dia midika izany fa intéressé amin'ilay izy aho. Mba tia hahalala hoe inona izany NDA ao Antsirabe. Dia ny valiteny tonga dia hoe "Iray aloha izay... Tsy izy" Izay ilay teneniko hoe fanavakavahana. Manaja aho sa tsia? Dia rehefa izany hoy aho, atsy izy manontany hoe famingavingana sa tsia, ilay resaka "ialahy" io. Dia mba nataoko. Sady nolazaiko hoe "hanirery" eto ange raha izay mba mis'int amin'ilay NDA dia hatao ohatra izany daholo eh. Dia hoe "efa zatra... tsy olana izany". Avona izany ka avona. Fa mba noreveko milay dia notoroko hevitra hoe betsaka nge ny namana ato amin'ny serasera fa dia aiza no dia hanirery. Sady notaperiko ny resaka fa nitady hivoana. tamin'ilay hoe "tsisy madinika". Dia ny valiteny hoe "tsy raharahanao izany". Toetra re izany.
Fa ny marina dia izy no nampiditra ny dinika dia izy no nisaofy dia lasa hoe izaho no diso. Ialako tsiny.

"tsy voatery hamaly ianao raha tsy voakasika" betsaka tokoa ny dinika tsy valiako, misy hevi-dehibe tsy tsidihiko mihitsy akory aza.

"Raha tsy tao Antsirabe ianao ka tsy mahalala ny NDA na teraka taorian'ny 83 dia efa tsy anisan'ny tadiaviny... ny ankoatra an'izay dia mandoto lohahevitra sisa. Be dia be no nandalo teto namaky an'io antso io fa tsy voakasik'ilay hafatra dia nivadika nijery lohahevitra hafa fotsiny... fa tsy voatery tsy maintsy hanoratra kely na dia tsy misy dikany aza ny zavatra hosoratana."

Ny tsy misy dikany aminao mety hisy dikany amiko. Izaho no manoratra fa tsy ianao ary fantatro ny tiako tenenina. Tsy mila hazavaina amin'ny rehetra ny tiako tenenina.

"Koa mba mifanajà ihany e..." raha ny fahanginana no atao hoe fanajana dia okay. Mahay mis'adapta aho.
20. mim ( 19/06/2007 14:42)
zay no nolazaiko oe tsy avotra rasitlo!efa lazaina fa r'efa tsy mikasika an'ise d aza valiana a!zay no lazaiko oe mba asio fanajana ny antson'ranamana e!ise indray mbola b wawawa eto lé!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5757