Lasa i Ruth Graham Bell

41. cutie ( 16/06/2007 21:01)
fa ahona no mampalahelo?
42. Papoose ( 16/06/2007 21:26)
ko nitsoaka daholo fa tsy nanan-kalahatra ko
43. cutie ( 16/06/2007 21:29)
ny anay sy marozevo aza efa lasa HS le resaka:-D
44. bazylou ( 17/06/2007 00:04)
on s'en fiche !!!! misaraha daholo dia omeo an'ilay 8 ny fiangonanao
45. LazaDaddy ( 17/06/2007 02:35)
ikaretsaka:
fa i Paoly nahafantatra ny ninoany,fantany tsara ny fototra ninoany na tara aza izy vao nino, niaraka t@ ilay naorin'ny Tompo teo @ Piera, nitambatra t@ apostoly, nanontany an'i Piera sy nanao tatitra sy naka ordre tany izy, ary tsy nisaraka t@ ireo ka nanao ny azy manokana...
izay no naha samihafa azy tanteraka!
Hoy i Paoly:
When Peter came to Antioch, I opposed him to his face, because he was clearly in the wrong

"Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy."

Mais lorsque Céphas vint à Antioche, je lui résistai en face, parce qu`il était répréhensible
46. ikaretsaka ( 17/06/2007 05:18)
OK... ataoko ankitsipona indray izany fa io moa no zavatra tian\'i laza?...


Galatianina1,18
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an\'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin\'ny folo andro.

deinde post annos tres veni Hierosolyma videre Petrum et mansi apud eum diebus quindecim

---> Nihaona t@ Piera Rapaoly ary notendreny hitory ho an\'ny jentilisa (Galatianina 2. 8-9)

ny momban\'ny apostoly dia ny Gal2. 23-24
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny
mitory ny finoana izay noravany fahiny.
Ary dia nankalazany an\'Andriamanitra aho.

tantum autem auditum habebant quoniam qui persequebatur nos aliquando nunc evangelizat fidem quam aliquando expugnabat

et in me clarificabant Deum


Mbola nanazava koa i Piera ny tsy hampiasampiasaintsika fahatany ny hafatr\'i paoly
(2Piera3, 15-16)
Ary ny fahari-pon\'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr\'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
tahaka ny ataony ao amin\'ny epistily rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin\'ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan\'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin\'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an\'ny tenany.

et Domini nostri longanimitatem salutem arbitramini sicut et carissimus frater noster Paulus secundum datam sibi sapientiam scripsit vobis
sicut et in omnibus epistulis loquens in eis de his in quibus sunt quaedam difficilia intellectu quae indocti et instabiles depravant sicut et ceteras scripturas ad suam ipsorum perditionem

Mbola misy tohiny kely eo @ 17....
AMDG!
47. LazaDaddy ( 17/06/2007 05:53)
ikaretsaka:
---> Nihaona t@ Piera Rapaoly ary notendreny hitory ho an'ny jentilisa (Galatianina 2. 8-9)
Diso famaky ianao ry ikaretsaka fa tsy i Petera no nanendry an'i Paoly ah. Na nanolo-tanana azy i Petera na tsia dia i Jesoa no nanendry an'i Paoly hitory @ Jentilisa
48. marozevo ( 17/06/2007 06:40)
I Jesoa tokoa no nanendry an'i Paoly tamin'ny alalan'i Petera.
49. LazaDaddy ( 17/06/2007 06:46)
kanefa ny Apostoly aza natahotra sy nisalasala momba an'i Paoly (Asa 9) :)
50. marozevo ( 17/06/2007 07:07)
ie... fa avy eo rehefa hitan zareo fa nibebaka marina izy dia noraisiny sy nametraha ny fitokisana. (Asa 11 sy 15).
51. Fiffi ( 17/06/2007 10:33)
bazylou:

on s'en fiche !!!! misaraha daholo dia omeo an'ilay 8 ny fiangonanao
mampalahelo enao ry bazylou.....


52. ikaretsaka ( 17/06/2007 13:10)
Jesoa no nanendry an'i Paoly (nahatonga ny vocation-ny ohatran'ny mompera/pasitera rehetra_)
Fa avy eo izy nametrahan'i Piera fitokisana sy nirahiny (ohatran'ny relijiozy sy ny mpanao raharaha masina asaina mandeha any ambanivohitra rehetra any) fa tsy hoe ary no tiako aleha na zao no tiako atao dia izao!
53. LazaDaddy ( 17/06/2007 13:35)
marozevo:
ie... fa avy eo rehefa hitan zareo fa nibebaka marina izy dia noraisiny sy nametraha ny fitokisana. (Asa 11 sy 15).
izay voalazanao izay mihitsy ny marina fa tsy hoe notendreny =D


54. ikaretsaka ( 17/06/2007 13:58)
fa nanaiky azy (ny apostoly) i paoly fa tsy hoe tsy nanaiky sy nisy fifandirana sy hevitra dia nanao ny azy manokana!
55. gasynamana ( 17/06/2007 17:22)
izay vao tafaverina eto ny tenako.
mikasika ilay hoe secte.
Izaho nilaza fa secte LazaDaddy. Secte izy fa tsy mitovy amin'i Jesosy mihitsy. I Jesosy de secte ho an'ny Jody, fa i LazaDaddy dia secte ho an'ny Kristiana.
Jereo fotsiny: tsy misy fandalinana ny zavatra lazainy fa efa misy rafitra tsy maintsy arahina. Fanadihadina 9mn dia ampy. Tsy sahy milaza zavatra mihoatra izay efa ao anaty lasitra satria matahotra ny ho very tombon-tsoa manokana.
Tsy mitovy velively amin'ny protestanata koa, satria tsy manana fototra tena ijorona, afatsy ny fanaratsina ny hafa (jereo ny fomba filazany hevitra).
Ny vavaka sy fandinihana aminy tsy de ilana loatra. Jereo ny zavatra nosoratany ary aloha ary. Ny Jesosy inoany nateraky ny Demony (jereo ny hevitra rehetra nambarany mikasika ilay niteraka an'i Jesosy)
Ny fitarihany ny olona iakina be fahatany amin'ny hery mahagaga tsy lazaina intsony. (vakio ny hevitra efa nolazainy).
Ny fanaovany tsinotsinona ny olona. Io ambony io ohatra iray. Jesosy daholo no manao an'izao sy zao fa ny olona tsy misy dikany.

Mbola betsaka ny hevitra toy izany any.
Fehiny: secte izy satria satria tsy tena mitarika ny olona any amin'Andriamanitra, no manao tsinotsinona ny mahaolombelona sy ny olombelona.
Asevo faritany amin'izay ny atao hoe secte.
56. marozevo ( 17/06/2007 20:23)
Ary rehefa nitokisan'ny Apostoly i Paoly, dia nirahiny hitondra ny Tenin'Andriamanitra any amin'ny Jentily.
57. LazaDaddy ( 17/06/2007 23:41)
gasynamana:
Ny Jesosy inoany nateraky ny Demony


"Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. Fa izy namaly hoe: Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro; jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao...Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy...Hoy Jesosy taminy: Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy hianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo." Jaona 9:24-25;34;41
58. ikaretsaka ( 18/06/2007 01:15)
izay tokoa, ahoana ny famaritan'ireo olona efa lazain'ny olona hoe secte ny secte?
59. niryna ( 18/06/2007 04:41)
cutie:

tsy misy maharatsy an'zany nge ry marozevo na adaladala aza le hevitra refa tsy mivarina any @fanaovan-dratsy sy fitaoaman-dratsy fotsiny e:lol:

Marina ny anao:D

60. ikaretsaka ( 18/06/2007 04:48)
ikaretsaka:

izay tokoa, ahoana ny famaritan'ireo olona efa lazain'ny olona hoe secte ny secte?


ahoana ny valin'io?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079