Tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava?

1. Bita ( 14/06/2007 17:52)
Tany @ tany feno bibilava no mipetraka ireto fianakaviana kely ary vao avy niteraka tsy ela ilay ramatoa. Rehefa @ alina dia tonga ilay bibilava iray mandeha minono @ ilay ramatoa ary rehefa mitomany ilay zaza dia kapokapohiny @ rambony dia mangina indray ary dia manohy mitnono ihany izy........ Misy hafetsena maro vitan'ireny bibilava ireny ka tandremo. @ lafin'ny ara-pinoana dia fantatrao ny tiako ho lazaina...............
novalian'i Bita ny 19/06/2007 17:13
2. nikopol ( 14/06/2007 18:11)
tsy fantatro mihintsy tompoko ny tianao lazaina
3. karinah ( 14/06/2007 18:16)
mapatahotra koa izany,:{:{:{ fa raha ara-pinoana koa aloha tsy fantatra eh!:oops:
4. marozevo ( 14/06/2007 21:50)
Efa henoko koa io resaka bibilava minono io.
Fa tsy fantatro kosa ny tianao ho lazaina amin'ny fehezan-teny farany io. Sao ndray ary dia ataonao tery vay manta eo ny fifandraisany... eritreritra ihany ny ahy, fa ny fanazavanao misimisy kokoa no hampazava azy.
5. cutie ( 15/06/2007 01:09)
Tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava

samihafa nga ny menarana sy ny bibilava :roll:
6. LazaDaddy ( 15/06/2007 01:12)
cutie> samihafa ve ny "cutie" sy ny "vehivavy"? :)

- i cutie dia vehivavy, ny menarana dia bibilava.
- tsy i cutie ihany no manja fa rehefa vehivavy dia manja
- tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava dia fetsy :)

mazava?
7. cutie ( 15/06/2007 01:15)
:-D:-D:-D:-D:-D
8. cutie ( 15/06/2007 01:16)
Mpandefa : Bita [ Valio ] 14-06-2007 19:52:13
Lohateny : Tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava?
Tany @ tany feno bibilava no mipetraka ireto fianakaviana kely ary vao avy niteraka tsy ela ilay ramatoa. Rehefa @ alina dia tonga ilay bibilava iray mandeha minono @ ilay ramatoa ary rehefa mitomany ilay zaza dia kapokapohiny @ rambony dia mangina indray ary dia manohy mitnono ihany izy........ Misy hafetsena maro vitan'ireny bibilava ireny ka tandremo. @ lafin'ny ara-pinoana dia fantatrao ny tiako ho lazaina

ohtran'ny mampatahotra ihany zany tantara zany
9. cutie ( 15/06/2007 01:19)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 15-06-2007 03:12:57
Lohateny : Re : Tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava?
cutie> samihafa ve ny "cutie" sy ny "vehivavy"?

- i cutie dia vehivavy, ny menarana dia bibilava.
- tsy i cutie ihany no manja fa rehefa vehivavy dia manja
- tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava dia fetsy

mazava?

mazava tompoko :lol:
10. pissoa ( 15/06/2007 01:45)
Bita:

Tany @ tany feno bibilava no mipetraka ireto fianakaviana kely ary vao avy niteraka tsy ela ilay ramatoa. Rehefa @ alina dia tonga ilay bibilava iray mandeha minono @ ilay ramatoa ary rehefa mitomany ilay zaza dia kapokapohiny @ rambony dia mangina indray ary dia manohy mitnono ihany izy........ Misy hafetsena maro vitan'ireny bibilava ireny ka tandremo. @ lafin'ny ara-pinoana dia fantatrao ny tiako ho lazaina...............


inona aza ny hidiran'ny tsy famaliana hafatra amin'ny Andriamanitra Fitiavana ! Tandremo fa na ny vady ao an-trano aza anie no miantso eo ampovoan'ny conference tsy ho afaka valina e :oops::oops::oops:
11. majesty ( 15/06/2007 04:59)
H.S ndray pissoa :D
12. havotra ( 15/06/2007 06:35)
Tena fetsy ny menaana n dia i Eva aza dia voafitany ! tandremo fa misy koa nyvhivavy menarana ! rehefa mahita bandy be vola izy de ver tanteraka ny vady ao an-trano !
13. marozevo ( 15/06/2007 07:49)
Azafady fa mbola tsy fantatro ny tianao holazaina ry Bita.
14. Imahaka ( 15/06/2007 08:45)
Ikotofetsy kosa aloha tsy bibilava e
15. booboo ( 15/06/2007 10:32)
Pissoa > hihihihihi HS beeeee mihitsy ô hihihihihi
16. marozevo ( 15/06/2007 16:40)
kay ve ilay voalaza ao amin'ny Jenezy no resahinareo eh... Fa angaha moa tsy hoe "devoly naka endri-bibilava izy iny". Ka ny demony izany no fetsy fa tsy ilay bibilava.

sady izao koa : Inona marina aloha no dikan'ilay hoe fetsy eh...
17. Fiffi ( 15/06/2007 19:32)
nikopol:

tsy fantatro mihintsy tompoko ny tianao lazaina
zah koh tena tsy mahazo an'le resaka hatram-zao....


18. marozevo ( 15/06/2007 20:08)
Za mba mahita rirany kely dia io mandray anjara io.
19. sakaizakely ( 16/06/2007 08:54)
eny wà, inn tokoa moa no atao hoe fetsy ?

Manana fomba fihazana (stratégie de chasse) doly ny biby sy ny zava-mananaina rehetra. Misy ny plantes carnivores, misy ny trondro mahay manao camouflage hihazana hitadiavana sakafo. Reflexe de survie daholo izany, tsy misy maharatsy azy fa izay no atao hoe écosystème ka ahoana ary no haratsiana ? raha tsisy io eco systeme io dia tsy misy ny olombelona...
20. marozevo ( 16/06/2007 09:42)
Izany indrindra no mahatonga ahy hanontany ny atao hoe fetsy.
Satria manko raha izany dia fetsy daholo ny zavatra rehetra manana aina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0693