Tsy ny menarana ihany no fetsy fa rehefa bibilava?

21. Bita ( 17/06/2007 00:02)
Ny bibilava dia manantsaina noho ny biby hafa rehetra. Raha tena izy dia tsy i Satana akory no niova ho menarana fa izy no nisitrika tao ambadik'ilay menarana (ohatry ny hoe: niakanjony angaha ny menarana fa t@ izany hono mbola nanana elatra ny bibilava fa tsy nikisaka) ary koa hoe taorinan'io tantara io ihany koa no nahavoahozona azy ho lasa nandandy). Raha nilaza aho hoe tandremo fa fetsy ireny bibilava ireny dia ilay fahaizany mamantatra hoe: raha mitomany ilay zazakely dia kapokapohana dia mangina na matory indray ary mba tsy hamoha ilay reny ampirehitra jiro. Raha @ lafin'ny finoana dia tadidio izay nolazain'ilay menarana t@ ny Eva handresany lahatra azy: hoy izy: " Raha mihinana an'io voankazo io ianao(nareo) dia ahiratra ny masonao(nareo.Nefa ahoana ny nandraran'Andriamanitra azy 2: "Raha mihinana io ianareo dia ho faty tokoa" Niady hevitra anie i Eva e fa saingy resy lahatra t@ ilay hoe: "hahiratra" Ataontsika hoe: raha mba namaly boraingina moa i Eva hoe mandehana mandeha any ry menarana na hoe: tsy ahoako izany teninao izany dia ahoana ny tohiny >Tsy te hivoana @ ilay resaka fetsy ery ambony aho sy ilay zazakely ary ilay reny fa ny zazakely azo rotsirotsiana ary ny reny tsy nmahalala mihitsy hoe iza no minono ary ny bibilava sady mahay maka ny tsiron'ny nonon-dreny no mandrotsirotsy...... Azafady fa jereo anie ilay tantara kely momba ilay hoe raha tsy tahaka ny zaza ianareo dia tsy handova sa inona moa izy iny??? Ny bibilava no mampalahelo fa i Satana no nahatonga azy ho voahozona. Ka raha nieritreritra aho dia rehefa avelatsika hiasa amintsika ilay Satana dia toa isika no hianjeran'ilay fahatezeran'Andriamanitra na dia tsy sitrapontsika aza. Ary toy izany ilay zazakely tsy ampy sakafo intsony izy fa ritrain'ilay bibilava......
22. sakaizakely ( 18/06/2007 08:49)
araky ny filazan'ny dokotera, rehefa noana ny zaza dia manao contractions ny vavoniny, ary maharary hono izany amindry zareo (douloureux), indrindra ilay vao zazamena ireny ; dia tsy vitan'ny kapokapoka izany fa tsy maintsy feno indray ny vavoniny izay vao milamina izy

noho izany dia tsy mampino ilay tantara
23. ikaretsaka ( 18/06/2007 13:26)
ny tsy azoko koa dia hoe hoe ahoana aloha ny atao hoe fetsy e?
Amiko tsy ny hafetseny io fanazavana voalazanao io
Ahoana ary no misy ny bibilava matin'ny biby sasany kely noho izy (vitsika)? Raha fetsy izy tsy tokony ho faty izany ary arany ny tetik'ireo vitsika.

Fanamarihina kely: misy karazana andiam-bitsika dia ny ataony dia ny mamahana sy mitondra sakafo ho an'ilay bibilava, ataveziny ilay bibilava dia rehefa avy eo matin'ny taviny.. dia sakafony @ izay!

24. marozevo ( 18/06/2007 16:37)
Ao amin'ny voary manana aina rehetra dia misy instinct d'autoconservation. Misy fomba be dia be mihitsy, na biby na vorona na zava-maniry.

Misy zava-maniry mihinana moka na lalitra. Raha mijery reportage mikasika izany ianao dia hilaza koa hoe "mba fetsy koa izany vonin-kazo izany". Tsy fetsy izy fa izay no fomba fivelomany.

Ilay bibilava minono dia efa henoko koa, fa tsy milaza aho hoe mino fa misy tokoa izany. Raha ny marina dia tsy tena inoako ilay izy...
25. cutie ( 19/06/2007 03:41)
Fanamarihina kely: misy karazana andiam-bitsika dia ny ataony dia ny mamahana sy mitondra sakafo ho an'ilay bibilava, ataveziny ilay bibilava dia rehefa avy eo matin'ny taviny.. dia sakafony @ izay!

interesting :-D
26. Bita ( 19/06/2007 17:13)
araky ny filazan'ny dokotera, rehefa noana ny zaza dia manao contractions ny vavoniny, ary maharary hono izany amindry zareo (douloureux), indrindra ilay vao zazamena ireny ; dia tsy vitan'ny kapokapoka izany fa tsy maintsy feno indray ny vavoniny izay vao milamina izy

Ny zazakely tsy hoe noana ihany vao mitomany fa raha ohatra h oe: lena ny tantiny na misy manelingelina azy any Oh: Parasy, na mafana loatra..... tsy midika akory fa noana foana ka raha tsy noana izy dia azon'ilay reniny safosafoina na kapokapohina mandrotsirotsy dia mangina indray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0071