Atra de fitiavana

1. bobone ( 14/06/2007 07:02)
Atra de Fitiavana ary izay rehetra haterak\'Atra de tia!
de lasa hoa ny saiko , tsy mande lavitra isika ato anivon\'ny sera ihany!!! matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay , nofidiany tanaty ny maro enao fa maninona anefa no tsy mamaly ilay olona hanoratana!!!
samy milaza ny hevitra e!@ fo tsotra io an!
répondu par bobone le 17/07/2007 07:07
2. marozevo ( 14/06/2007 07:11)
Andriamanitra dia fitiavana, ka izay mitoetra ao amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.Araka ny hevitro kosa dia tsy midika hoe tsy tia raha tsy mahavaly hafatra, raha any amin'ny hafatra manokana, na eto aza.
Mety misy antony maro hafa tsy amaliany.
Indraindray koa somary misy fifamaliana henjana kely eto: Tsy midika ho tsy fitiavana koa izany amiko. Ny tena mpifankatia manko dia olona manaiky hifampilaza ny tsara sy ny tsy mety ataon'ny namany. Hoy ny Ntaolo Razantsika hoe "Aza mijery arina an-tava".
3. ari.malala ( 14/06/2007 07:29)
Tsy voatery tsy fitiavana ny tsy famaliana hafatra! Raha ohatra kosa ve ka hafatra mifosa no azo dia mbola tokony hmaaly iany ilay andefasana?
4. marozevo ( 14/06/2007 07:38)
Kabary hafa koa izay....
5. majesty ( 14/06/2007 09:03)
d dinika hafa mihitsy koa
6. cristal ( 14/06/2007 09:15)
(l)(l)(l)Manahoana e!
Mety ho tsy fitiavana no tsy hamaliany fa mety tena fitiavana arakaraky ny resaka io e;fa ilay fitiavan'Andriamanitra dia tsy mila takalo,maharitra mandrakizay,fa tsy raisina amin'ny lafiny rehetra e,tsy haiko aloha ka za zao misy te hifandray amiko nefa za matetika tsy eto tana dia tsy mamaly aho raha tsy tonga dia miala tsiny mety ho tahaka izany na ny antony maro koa ka diniho tsara e,mazotoa daholo an(l)(l)(l)
7. scorpion ( 14/06/2007 09:19)
bobone:

nofidiany tanaty ny maro enao fa maninona anefa no tsy mamaly ilay olona hanoratana!!!



ka mety mijerijery ny mombamomba aloha ny olona sasany vao mamaly hafatra, dia hitany hoe tsy mahaliana azy dia tsy valiany fotsiny izao. Ny fifandraisana kosa ange tsy azao tery vay manta e.
Tsy midika tsy fitiavana aloha ny tsy famaliana hafatra amiko fa midika hoe "tsy liana ny hiserasera aminao".
8. ikaretsaka ( 14/06/2007 13:34)
miverina kely any @ ilay voalazan'i marozevo isika
marina fa misy nyh fifamaliana henjana eto. saingy tsy ilay olona sy ny fo no miady fa ny hevitra ihany!
fiadiana hevitra sy dinika no ilaina ny forum fa tsy fiadiana fo sy fijerena olona.
Nisy mompera izay nanoro anay fahiny hoe, aza ny endrik'ilay olona no jerena fa ny zavatra ambarany!
9. marozevo ( 14/06/2007 16:01)
Sady ny ankabeazantsika ato angaha moa mifankalala endrika. Afa-tsy izay nametraka sary angaha !!...
Amafisina izany io voalazan'ikaretsaka io, ary dia misaotra azy. Ary indrindra misaotra an'Andrimanitra Fitiavana nandrotsaka ny fitiavany ao amintsika tsirairay avy.
Namako tiako be ianareo rehetra.
10. patrick2002 ( 14/06/2007 21:33)
Ka misy koa ilay fitiavana mandoro kou :roll::roll:
jereo ny soratany Shakespeare, Ny Havana Ramanatoanina ,ary ny an'i Jean Jacques rousseau
L'amour est privé de son plus grand charme, quand l'honneteté l'abandonne.Otez l'idée de la perfection ,vous otez l'enthousiasme, otez l'estime, ET L'AMOUR N'EST PLUS RIEN.
11. marozevo ( 14/06/2007 21:52)
Dia misy koa nosoratan'i ED ANDRIAMALALA milaza hoe : "Rehefa tonga ny fitiavana dia very ny fifankatiavana". Tsy dogma akory io fa azo ifanakalozan-kevitra tsara an...
12. cutie ( 15/06/2007 01:12)
Mpandefa : bobone [ Valio ] 14-06-2007 09:02:33
Lohateny : Atra de fitiavana
Atra de Fitiavana ary izay rehetra haterak'Atra de tia!
de lasa hoa ny saiko , tsy mande lavitra isika ato anivon'ny sera ihany!!! matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay , nofidiany tanaty ny maro enao fa maninona anefa no tsy mamaly ilay olona hanoratana!!!
samy milaza ny hevitra e!@ fo tsotra io an!

za anoratana fa za mamaly :lol:
13. LazaDaddy ( 15/06/2007 01:16)
matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay
tsy voatery :). Mety misy koa ny manoratra fankahalana na fampihorohoroana na fanesoesoana sns...
14. cutie ( 15/06/2007 01:17)
tsy voatery . Mety misy koa ny manoratra fankahalana na fampihorohoroana na fanesoesoana sns...

efa sujet hafa njay iny
15. lapino ( 15/06/2007 11:45)
- Atra de Fitiavana ary izay rehetra haterak'Atra de tia!
- matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay
- fa maninona anefa no tsy mamaly ilay olona hanoratana!!!
Neverinao fa Andriamanitra angaha ilay olona anoratana ?
16. ikaretsaka ( 15/06/2007 16:17)
LazaDaddy:

matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay
tsy voatery :). Mety misy koa ny manoratra fankahalana na fampihorohoroana na fanesoesoana sns...



fitiavana aby zany ka... mahatonga anao handinin-tena sy ho tonga saina fa aza raisina zavatra hafa..

hoe "maninona aho no ankahalaina teto , maninona aho no esoina teto , maninona aho no nampihorohoroinateto , naninona aho no nampian'ny olona fanazavana ny teniko teto, maninona aho no nodisoin'ny olona teto
dia mijery ny antony eo ianao dia manao heo , kay veee le za nanao an'izao eee! na hoe kay ve zany eeeee!
:wink:
Soa fa mbola misy namana e
17. marozevo ( 15/06/2007 16:42)
Namana ireo... tena namana. Ka mendrika hotiavina tahaka ny nitiavan'Andriamanitra ahy.
18. Fiffi ( 17/06/2007 10:37)
lapino:
Neverinao fa Andriamanitra angaha ilay olona anoratana ?
aiza kosa ? fa matoa ny namana manoratra ho anao de amiko misy "considération" ho anao izy zany...na tsara io na ratsy ....avy eo miankina am le hafatra njay no andraisana azy na fitiavana zany na tsia....


19. gasynamana ( 17/06/2007 17:42)
Mpandefa : bobone [ Valio ] 14-06-2007 09:02:33
Lohateny : Atra de fitiavana
Atra de Fitiavana ary izay rehetra haterak'Atra de tia!
de lasa hoa ny saiko , tsy mande lavitra isika ato anivon'ny sera ihany!!! matoa ny olona iray manoratra ho anao de efa fitiavany anao manokana izay , nofidiany tanaty ny maro enao fa maninona anefa no tsy mamaly ilay olona hanoratana!!!
samy milaza ny hevitra e!@ fo tsotra io an!

refa tsy valina de tiavo foana izy e. Inona ny olana amin'izany. Matoa izy tsy mamaly de izay no hitany fa mety. Aza asina blem.
20. xxx ( 18/06/2007 14:25)

Ity misy tantara marina iray misy ifandraisany amin'ity lohahevitra ity. Nisy tovolahy iray taratara tamin'ity tovovavy kely iray. Mpiara-mianatra ry zareo. Io tovovavy io anafe dia tena mpivavaka be mihitsy. Sarotra ny hambabona ny fony. Indray andro dia nandefasan'ilay tovolahy taratasy izy. Izao no tao anatiny: Ry Malala, aoka hifankatia isika fa ny fitiavana dia vavy amin'Andriamanitra (...). Napetrany ny toko sy ny adiny fa tsy tsaroako.

Ny zavatra tiako hifampizarana momba izay dia izao: Aza atao fitaovana hahazoana izay ilaintsika Andriamanitra sy ny teniny.

Hitombo ao amintsika hatrany anie ny Fitiavana an'Andriamanitra! Amen.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.098