somary misangojy kely aho

1. sitlo ( 10/06/2007 22:45)
1- Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny ...

2- Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao.
2. pissoa ( 10/06/2007 22:48)
mampisangojy fa ampio fanazavana :roll::oops:
3. sitlo ( 10/06/2007 22:55)
Samy i Jesosy no niteny azy. Ilay voalohany momba ny fahatokisana an'Andriamanitra. Dia ny faharoa tamin'i Jesosy nalain'ny devoly fanahy.
4. li1234 ( 11/06/2007 00:33)
sitlo:

1- Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny ...

2- Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao.



angaha lasa mino ny baiboly indray sitlo eee????
5. sitlo ( 11/06/2007 01:57)
wadray, mino aho ka.
6. pissoa ( 11/06/2007 03:05)
mbola mampisangojy fa ampio fanazavana :oops::-D
(mba tena donto koa ngamba za ty kle :oops::oops::oops: )
7. li1234 ( 11/06/2007 03:20)
sitlo:

1- Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny ...

2- Aza maka fanahy an\'i Jehovah Andriamanitrao.



hay ra mino ny baiboly izany ianao de izao no tin\'i jesosy lazana @ io araka ny baiboly ok!

1- Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny ...: Io ny tin\'ny jesosy lazana @ io de aza manahy be ny ampitso, fa katsaho kaloha ny fanjakany sy ny fahamarinany (ataovy @ toerana voalohany) de manaraka ho azy izany retra izany (ny ara-nofo),.. satria Andriamanitra de mahalala sy manome izay mahasoa ny zanany mandrakariva.
Ka noho iznay de tsy tokony variana mikatsaka ny harena ara-nofo be loatra,mandany ny fotoanany be lotra @ ara-nofo, ka zara raha manome ny fotoana 1min ohatra @ lafiny ara-panahy, zara ra misy.
Jereo 1Timoty 6:7-10:\"Car nous n\'avons rien apporté dans le monde, et nous ne pouvons non plus rien en emporter. Ainsi, ayant nourriture et vêtement, nous nous contenterons des ces choses.Cependant, ceux qui sont bien décidés à être riches tombent dans la tentation, dans un piège et dans de nombreux désirs insensés et nuisible, qui plongent les hommes dans la destriction et la ruine. Car l\'amour de l\'argent est une racine de toutes sortes de choses mauvaises, et en aspirant à cet amour quelques-uns se sont égarés loin de la foi et se sont transpercés partout de bien des douleurs.\"

Matio 13:22:\" Quant à celui qui a été semé parmi les épines, c\'est celui qui entend la parole, mais l\'inquiétude de ce système de choses et le pouvoir trompeur de la richesse étouffent la parole, et il devient stérile.
Jereo koa 1Jaona 2:16.manamafy izany.
8. li1234 ( 11/06/2007 03:43)
sitlo:

1- Tsinjovy ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny ...

2- Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao.




tohiny:

2- Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao.
Tsy hoe satria hoe mino be an'Atra aho de tsy hiasa tsy haninna tsy haninna fa hivavaka foana, de hanantena mana avy any andanitra hilatsaka,(Izany hoe miandry miracle hahafampo ny tenenao manokana). zay le hoe maka fanahy an'i Jah Atra. tsy azo hatao izany. Fa hoy koa i jesosy hoe: aoka izay tsy hiasa tsy hihinana. Na koa hoe efa hita fa efa loza be io hahafaty anao ohatra, ohatra hatao hoe efa hita fa mirehatra ny trano, de hoy ny namanao niteny anao hoe miala tao ianao fa may ny trano, de ianao tsy mety miala tao ihany fa hoy ianao hoe mpivavaka be aho fa aleo aho ato ihany, ka hoe hivavaka ato foana aho fa Atra hoavy eo hamono ny afo, de ra may tao ianao de aona???? Nefa Atra efa nampiasa ny namanao hanala anao tao hamonjy anao, de iza no diso??? zay le hoe aza maka fanahy an'i Jah andriamanitrao.
Zany hoe mila manana finona ianao vao voavonjy, ary maty ny finoana raha tsy arahin'asa, ary koa arahina vigilance.Jakoba 2:17-26; 1:22-25.
9. xxx ( 11/06/2007 03:47)
li1234>, miombokevitra.
10. diamondra27 ( 11/06/2007 06:22)
ny ahy indray izany dia toy izao no andraisako azy:

le 1 =

voalohany aloha dia mila mino ianao sy manara-dia an'i Kristy. Rehefa i Kristy no manapaka ny fiainanao dia
tsy tokony hitaintaina lalandava isika, tsy tokony hanana ahoahy @ rehetra fa raha manao izay nandidiany antsika isika dia omeny izay mahasoa foana. Eny fa na dia tsy hanana ny fianakavianao intsony aza ianao satria hisy fankahalana @izany fanompoana ny Tompo izany dia Jesosy mitsinjo sy mahay ny zavatra rehetra ary tsy avelany hijaly ianao.

Hoy Izy we: aza tia izao tontolo izao na ny zavatra @ ITI ianareo

raha misy tia ahy de hitandrina ny didiko

inona ny soa azon'ny olona raha mahazo ITI nefa very ny ainy?

Dia asainy mikatsaka ny fanjakany aloha isika sy maniry ny zava-panahy

le 2 indray dia =
raha toa ka tena mino ianao, dia tokony tsy hatanty ny fahatsapana rehetra satria ny SMfa nilaza fa tsy hisy zioga tsy ho zakanareo, ka na inona na inona ady misy @ fiainanao de tokony hino ny promesses de Dieu ianao fa tsy hanary na handao anao Izy
Koa @izay fotoana izay dia afaka milaza @ Devoly ianao hoe: aza maka fanahy an'i Jehovah Atrao.
Zany hoe: tsy Jehovah akory ianao fa Izy no miasa sy miady ao anatinao ka tsy tokony ho lavo na tratry ny fakampanahy ianao

Tantan'ny devoly tsara ange isika rehetra ireto e: we inona ny point faible antsika , ka raha hitany fa mandroso @ asan'i Tompo ianao de kapohiny ary ny tanjony de ny hahalavo anao @ fakampanahy tsy maharitra ilay fitsapana

SM nefa milaza fa natao hitomboana @ ireny zavatra manjo anao rehetra ireny
11. diamondra27 ( 11/06/2007 06:29)
Misy diso azafady

raha toa ka tena mino ianao, dia tokony hatanty ny ...fa tsy hoe:
raha toa ka tena mino ianao, dia tokony tsy hatanty ny

fahatsapana rehetra satria ny SM fa nilaza fa tsy hisy zioga tsy ho zakanareo, ka na inona na inona ady misy @ fiainanao de tokony hino ny promesses de Dieu ianao fa tsy hanary na handao anao Izy

Fantan'ny devoly tsara .... fa tsy hoe:
Tantan'ny devoly tsara ange isika
12. diamondra27 ( 11/06/2007 06:34)
Mila dinihina tsara izany ny SM hoe: inona moa ny zava-miseho t@ Jesosy niteny ireo teny ireo (ilay sujet)?

Dia oharinao @ fiainanao ankehitriny ilay izy dia tokony ampiharinao.
Mila MINO sy MANANTENA
Mivavaka ary maharitra @ fanarahana ny Tompo fa ny devoly fahavalo dia tsy mamela fa mitady izay hahalavo antsika foana.

Tadidio anefa fa hoy ny SM manao hoe:
fa ny fahafatesana no fahavalo farany ho resena
raha mbola ady @ fiainana, fankahalana sns no manjo anao dia mbola tsy inona akory izany
13. Fiffi ( 11/06/2007 06:50)
sitlo:

2- Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao.
@ ity voalaza ity io zany ! http://www.biblebasicsonline.com/french/06/D20.html


14. majesty ( 11/06/2007 09:27)
:D merci Diam's
15. naritsimba ( 11/06/2007 10:04)
Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray] Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia] nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.(Matio 6:26-34 )

Ireo andala-tsoratra masina ireo dia tena nampihariko ary mbola ampihariko amin'ny fiainako hatramin'ny nahatsapako izany hoe tsy maintsy miasa raha te ho velona, fa tsy hoe foana i Dada sy Neny hanome hanina.
Misy Andriamanitra ary matoa Jesoa nanao io fanoharana io dia misy antony io.
Ny antony nitenenany an'ireo dia:
1-Natao ho an'ny olona be fanahiana lava.
2-Misy ireo izay nomen'Andriamanitra ny sahaza ho azy nefa dia tsy mahay mionona fa mbola be fanahiana sao lany ny eo an-tanana, hany ka na ny anjaran'ny hafa aza dia atao izay andrombahana azy, ary izany no tena miteraka ny fangalarana, hafetsifetsena, fanambakana ny hafa, fanodikondinam-bola, fanaparam-pahefana sy ireo toetra tsy mendrika isan-karazany. Efa nomen'Andrimanitra anao ny tokony ho anao dia anjaranao no mampitombo izany @ fomba tsara.
3-Isika olombelona dia te-hihoatra an'Andriamanitra eo @ lafiny rehetra, ka dia noharin'i Jesoa t@ voro-manidina, aoka isika ho tonga saina fa na dia ny mpanjaka Solomona izay anisan'ny nanana t@ andro nanjakany aza tsy nanana tahaka ny nananan'ny voro-manidina akory.

Ho ahy manokana na inona na inona nitranga teo @ fiainako dia tena marina io voalaza io, ary tena tanteraka marina tokoa.
(mbola ho tohizana)
16. diamondra27 ( 11/06/2007 13:13)
naritsimba: misaotra e!

fanampiny

raha efa nanao expérience tsy mikatsaka ny zavatra ety an-tany ianao dia tena mirotsaka aminao ny fahasoavana izay mihoatra lavitra noho izay nantenainao

izay le we: Il donne avec ABONDANCE

mba andramo ry reto fa tsy hanenenana a!

katsaho aloha ny fanjakany(zany we: mila manao ny fiainanao eto an-tany : mianatra , miasa
tsy mila mitady we za te-hanana an'izao sy zao satria ranona manana an'zao) de refa vita zany ny asanao de manao ny asan'i Tompo ianao fa hirotsaka aminao ny fahasoavana

de io hamafisin'i naritsimba io we tokony hahay hionona

miandry ny tohiny...
17. sitlo ( 11/06/2007 13:28)
misaotra betsaka, aoka aloha fa mbola hodinihina

pissoa> norma ianao kah :wink:
18. naritsimba ( 12/06/2007 05:53)
(tohiny)
Misy amintsika dia sahy manome tsiny an\'Andriamanitra, ary rehefa iharan\'ny zavatra izay tsy mifanaraka @ eritreretintsika isika lasa manaonao foana.
Vakio ity andinin-tsoratra masina eto ambany ity:

Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin\'ny anankiray amin\'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin\'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin\'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin\'ny molony Joba. Joba 2:10

Vakio dia diniho ny fiainan\'ny Joba, fa Andriamanitra dia afaka maniraka an\'ny Satana:

Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy].Dia hoy Jehovah tamin\'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan\'i Jehovah. Joba 1:11-12

Matoa mihatra aminao ny zavatra iray dia aza be fanahiana fa efa voasoratra hoe:

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Isaia 55:8

Raha ny faniriako taloha rehefa lehibe dia ny hanao miaramila, rehefa tena tafiditra tao tokoa ny tenako dia niova hevitra ho azy ary dia nanapa-kevitra ny hijanona fa dia lasa nanapa-kevitra fa hanao pasitera, noho ny fahitana fa tsy ampy ny asa fitoriana eny anivon\'ireny toerana fanaovana raharaha miaramila ireny, tena tsapako mantsy fa dia maro tamin\'ireo izay miaramila hitako no tsy nahalala an\'Andriamanitra na minia tsy te hahalala an\'Andriamanitra akory satria hoe : Miaramila.
Tsy tanteraka ihany koa anefa ilay faniriana hanao ny asan\'ny pasitera fa dia lalan-kafa no nitondran\'Andriamanitra ny tenako, lasa nanao asa hafa izay tsy noeritreretina akory dia ny asan\'ny mpanao trano sy mpandrafitra, ary dia izay no asa natao nandritra ny taona maro(9 taona).
Taorian\'io dia niova asa indray ary asa izay tena tsy nankafiziko sy tsy tiako atao mihitsy satria dia sahy nilaza aho t@ izany fa asan\'ny kamo ny miasa @ \"ordinateur\", nefa dia mbola io no asako hatramin\'izao na dia tsy nianatra t@ sekoly natokana ho @ izany aza, dia tsy ambakan\'ireo izay nianatra noho ny fahasoavana izay nomen\'Andriamanitra.
Nisy t@ ireo olona izay tena akaiky ahy no sahy nanenjika t@ izany fa olona tsy nisy nilana ahy t@ izany satria sady tsy nanana ny tena, no tsy dia lasa lavitra t@ fianarana ka matetika no nataon\'ny olona firesaka.
Hoy izay olona izay tamiko : \"Jereo ny olona mitovy aminao fa manana ny maha izy azy daholo nefa ity ianao tsy kitay tsy vary maina, mba menatra\"
Tsotra ny valiteniko tamin\'io olona io: \"aza manahy ny ampitso; fa aleo ny ampitso hanahy ny azy\", tsy maintsy tafita ny fiainako fa ho hitanao eo.

Ho antsika: Tsarovy fa MIAHY ANTSIKA ISAN\'ANDRO ANDRIAMANITRA, ary efa voasoritra ny lalana hitondrany antsika ka aoka hidera Azy mandrakariva isika, maro ny mety hanakivy, ny handrabiraby, ny fakam-panahy fa dia mijoro mandrakariva, ary misy mihitsy ny amboadia mitafy hodi-janak\'ondry, maro ireo milaza azy ho izao na izatsy nefa na dia ny kely indrindra tokony ataony aza tsy vitany.

Hamaranako azy dia atolotro ity andinin-tsoratra masina ity ho saintsainintsika: Efa nasehoko anareo tamin\'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin\'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Asan\'ny Apostoly 20:35
19. naritsimba ( 12/06/2007 05:57)
NY LALAKO

“Atolotra ho an’ireo izay tsy manan-tsaina afa-tsy ny manaratsy sy manenjika ny hafa.”

Ny lalana hombako, dia efa voasoratra
Lala-mankany, amin’ny tanjona iray,
Ny lalan’hombako, dia tsy ho tratra toraka
Mizotra amin’ny fiainana mandrakizay

Ny fomba izorana, dia maromaro
Ny fakam-panahy etsy an-daniny ihany
Fa ny ahy dia safidy, satria misy Mpiaro
Tsy iza fa ny Ray, any an-danitra izany.

Hiezaka aho, hizotra amin’ny lalako
Na iza hiteny, ary hanome tsiny
Ny zavatra tokana izay hifaharako
Dia ny fitiavana, fitiavana ihany

Izay no voalaza, hizorako izao
Manome fanampiana, manao soa
Tsy hanao toy ny hafa, mba manan-katao
Manao ihany, zara fa vita sy kitoatoa.

Isaorako indrindra, ny Ray ao ambony
Nanome tanjaka, sy saina ary hery
Misy tsy mahatsapa, fa ny ao am-pony,
Tsy misaina ankoatran’ny ho azy irery.

Tsy hiverin-dalana aho, n’inon-kidona
Na iza hanakana, tsy maintsy miroso
Raha mitady hivena, tohano tsy hirona

Ry Ray ao ambony, tantano ny diako
Fa hiezaka mafy aho, hanatratra ny tanjona
Mba ho tazan’ireo, izay tavela aoriako.


NARITSIMBA
2007
20. bozyboleta ( 12/06/2007 07:05)
Tsara le tononkalo ry Naritsimba.
Fa za zao nandray azy de anisan'le notononinao ho nanoloranao azy ve? Aiza kosa e!
:-*:-*:-* aloha na izany aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.327