somary misangojy kely aho

21. diamondra27 ( 12/06/2007 07:26)
naritsimba: misaotra nizara fa tena mafonja tokoa
misaotra ny Tompo koa satria mbola misy ny heriny tao matoa ianao afaka mamaly tsara ny olona maneso sy manakivy anao.
Variana miahy ny zavatra eto an-tany nefa ireny rehetra ireny mety ho lo...
22. marozevo ( 12/06/2007 08:02)
Tsy hanao toy ny hafa, mba manan-katao
Manao ihany, zara fa vita sy kitoatoa.

Misaotra anao aho Andriamanitra, fa tsy mba nataonao mitovy amin'itsy poblikana itsy.

Ankoatr'io : tsara.
23. Fiffi ( 12/06/2007 09:16)
naritsimba: misaotra akia an ! hisy ho dinihana tsara ireo voalazanao rehetra ireo...
24. naritsimba ( 12/06/2007 10:05)
bozyboleta>>> ho an\'izay mahatsiaro tena fa ho azy io dia tsotra ihany ny valiny ary tsy aiza fa ao @ Soratra Masina:
Ary aza manaraka ny fanaon\'izao tontolo izao; fa miovĂ  amin\'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon\'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].Romana 12:2

sy ny hoe:

Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). Romana 12:20

Antsika no mieritreritra.
25. bozyboleta ( 12/06/2007 10:42)
Kay!!! Mafy loatra kosa le andinin-tSoratra Masina faharoa an!

Fa ny FITIAVANA no lehibe indrindra. Raha mampihatra io @ fiainany ny rehetra de foana ny fifanenjehana, ny fitenenana ratsy ny hafa,....
26. naritsimba ( 12/06/2007 11:25)
Dia hoy Jehovah tamin\'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan\'i Jehovah. Joba 1:11-12

Milaza mazava io fa Andriamanitra irery ihany no tompon\'ny Aina, ny fomba ahafatesana no samihafa, fa matoa tonga ny fahafatesana dia avy @ Andriamanitra izay.
27. bozyboleta ( 12/06/2007 11:42)
Somary mampisalasala ahy io hoe matoa maty ny olona de avy @ Andriamanitra zay.
De ahoana ireny olona mamono tena ireny? ary @ ferapara maty aza atao hoe "sitrak'Andriamanitra no niantso ny mpanompony" nefa efa fantatra fa namono tena le olona.
Ahoana indray io?
28. naritsimba ( 12/06/2007 11:50)
safidin'ny tsirairay io ka, tsy mbola namaky ny momba an'i jodasy angaha ianao? Jodasy izay nananton-tena, ireny dia milaza fa ratsy fahafatesana.
29. marozevo ( 12/06/2007 18:50)
Somary misangojy tokoa izy izany ry havana.
30. bozyboleta ( 13/06/2007 05:24)
IEEE!!!
Efa hats@ vonalohany mitsy; fa njainjay koa tsara le mampisangojy.
31. marozevo ( 13/06/2007 09:22)
Somary misangojy be izy izany.
32. majesty ( 13/06/2007 09:26)
Naritsimba:efa lasa tokoa ny zavatra taloha an,indro efa lasa vaovao :D

Dia misaotra amin'ilay tononkalo:D
33. naritsimba ( 13/06/2007 10:04)
majesty> inona ilay zavatra taloha? amiko tsy misy zava-baovao akory fa nisy najanona fotsiny ireo izay nahazatra ny olona ny nahita sy nahafantatra azy.
34. majesty ( 13/06/2007 11:01)
naritsimba : misaotra e:D
35. naritsimba ( 14/06/2007 09:50)
majesty> ny fiainana letsy mandeha foana an, tsy azo tazonina io, mila fanavaozana isan'andro isan'andro sao lasa fahazarana fotsiny sisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.626