dinidiniky ny kristianina katolika

1. sonwin ( 07/06/2007 11:15)
1- Fa isika kristianina katolika angaha tsy mandefitra mihitsy raha mahatsapa fa manana ny rariny? Na dia hita izao aza fa mety hiteraka korontana ilay "tsy fandeferana"?
2- Raha ny zon'olombelona no olana, tsy aleo ve ny olan'ireo voafonja any amintsika no himasohana sy hanaovana fanambarana ren-tany ren-danitra sy hitadiavana vahaolana? Firifiry ireo anjakan'ny tsy rariny toa mangina isika fa dia vitan'ny "aoka isika hivavaka ho an'ireo voafonja", ka nony ilay mopera vazaha iny no voailika toa tantara lava be fa hoe tsy voahaja ny zon'olombelona?
3- Fa hatraiza marina no fetra hidirantsika ity amin'ny fiainam-pirenena? Araraotin'ny mpanohitra ange isika e! sa izay mihitsy ilay tanjona amin'izao?

Misaotra izay afaka mamaly sy mizarazara ny heviny fa raha resy lahatra aho dia mety hiova ny fomba fijeriko ny zava-misy.
2. bozyboleta ( 07/06/2007 12:32)
Za tsy katolika fa kristiana, de mahazo midinidinika ve za ry sonwin?
3. sonwin ( 07/06/2007 12:46)
tairo fa tsy olana
4. xxx ( 07/06/2007 12:49)
1- Raha zavatra rariny sy marina no ijorona dia tsy midika izany fa tsy mandefitra mihitsy.

2 - Ny resaka zon'ny voafonja dia isany miady mafy amin'izany tokoa ny fiangonana katolika @ alalan'ny ACP. Io aumonerie Catholique io dia tsy miezaka manafy sy manome sakafo ary manabe ny voafonja fotsiny, fa miady ny zon'izy ireo eny amin'ny fitsarana sy amin'ny fanjakana koa. Noho izany diso ny fanamarihanao eto

3- Olon'ny fiaraha-monina ny fiangonana ka izay mianjady amin'ny olona dia mianjady aminy koa.
5. sonwin ( 07/06/2007 12:53)
xxx> misaotra. Ianao mihitsy no anisan'ny tena nandrasako hamoaka hevitra satria hitako avoavo lenta ihany.

1- Azavao ary ilay resaka Urfer, nahoana no mihitatra? Tsy misy fomba hafa ve azo atao? dia aninona any koa ireo Eveka vazaha ireo? Dia ahoana io Fianarantsoa io?
2- Misaotra amin'ny fampahalalana fa tena tsy narahaka aho tamin'iny.
3- Ka izao ataontsika izao va tsy manome vahana ny "instabilité politique?". Ohatra iray, efa iny aloha ny lalam-panorenana vaovao, maninona no mbola hiverenana ilay resaka fa tsy ny ho avy no banjinina?
6. bozyboleta ( 07/06/2007 13:07)
Ny hitako t@ ty raharaha ity de refa voaroka i mopera de tsy ny lafiny maha-olona mety diso sy solafaka azy no nahatafintohina ny mpino katolika sasany fa ny lafiny maha-katolika sy mpitondra fivavahana azy.
Fa rehefa nanery ny mpitondra indray ny lohandohan'ny mpisorona katolika de ny lafiny maha-olona ndray no nibaiko sy tena novoizina ka adino teo ny fivavahana izay nampianatra ny fitiavana "mora fanahy,tsy mieboebo, tsy mirehareha, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,mandefitra ny zavatra rehetra..."
7. lila ( 07/06/2007 13:08)
zay ko mba te hahalala raha misy afaka manazava avec certitude fa tsy tsaho an.
fa ny mahagaga ahy koa de hoe anga tsy afaka jerena am lafiny tsotra am maha étranger azy fa tsy maintsy idiran'ny maha mompera satria ny katoloka zao no tena mahita olana fa tsy i france?
8. sonwin ( 07/06/2007 13:10)
bozyboleta, lila> izay indrindra mantsy oa!
9. ikaretsaka ( 07/06/2007 14:32)
Sonwin
amiko:

0) ny fisainana Zezoita (zezoita i Urfer) dia tsy manaiky zavatra takontakonana izany, fa rehefa hoe mety ity dia mety satria izao ny antony, rehefa tsy mety dia tsy mety satria izao no antony. Commitment to justice and honesty no anisan'ny fisainana voiziny voalohany.

1)Ny kristianina ( tsy vatery ho ny katolika ihany) dia tsy manaiky ny zavatra takotakona sy ny tsy rariny izany mihitsy. ary raha araka ny tantara sy ny zavatra miseho dia ireny olona iharan'ny tsy rariny sy zavatra tsy mazava ireny foana no tohanan'ny kristianina katolika, na tsy mazava ara-politika io na ara piaraha monina na araka lafiny inona na inona.

2) izaho sy i xxx dia mitovy fijery , olon'ny fiaraha monina ny katolika fa tsy maniditsidina fanahy fotsiny.

3) Ilay resaka Urfer, dia tsy mazava mihitsy anie hatramin'izao hoe inona marina no nitranga sy zavatra tena marina nisy tao,fa samy nanana ny filazany! raha nisy nangalatra sy voasazy ve ve ka hita ilay nangalatra, tsy ho anontaniana sy hazavaina ve hoe izao no antony naha voasazy na ny antony nangalarana? @ izay izy mangarahara tsara. Ny ankizy any am-pianarana aza miteny aloha ny mpampianatra heo izao ny ditra nataon'ialahy dia izao ny sazin'ialahy!

4)Ny mpanohitra, avelao izy hanararaotra raha te, fa tsy ahitany tombotsoa koa anefa izany!
10. sonwin ( 07/06/2007 15:02)
Ikaretsaka> mazava. Dia ahoana ny tohin'ilay nosoratako teto> 07-06-2007 14:53:33 sy ireo nosoratan'i bozyboleta sy lila?

Valiny faha 4- Ovina ny mpanohitra teto madagasikara no mbola tsy nahita tombontsoa tamin'ny "position" raisin'ny fiangonana manoloana ny fianam-pirenena? 1991? 1997? 2002?
11. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:10)
nahita "ihany "izy... saingy tsy naharitra foana !
satria miantehitra t@ fototra hafa foana ny antony fa tsy fototra hatrany @ fakany mihitsy (karazana parasite, remora, sns izany e)
dia vao mihotra ilay olona fa mangidihidy dia anyyyyyyy!
12. sonwin ( 07/06/2007 15:22)
Ika> tsy maharitra satria eo foana ra- "fiangonana" ho hery manohina na hery mandrava! Dia izahay vahoaka kely no voa mafy satria entin'ny tsy fananana dia lasa mora atao fitaovana entina mandrava. Dia iza no migoka ny tombotsoa? Izay nanohitra? Iza no hery niangan'ireo mpanohitra? Ireny karazana fanambarana ataon'ny.......ireny!!!
13. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:29)
ka "hery" ireny koa!:-D
14. xxx ( 07/06/2007 16:12)
Ilay resaka Fianaratsoa aloha dia resa-jaza be satria na ireo mpitokona aza tsy mahalala ny antony itokonany. Ny hany itambarany dia hoe: tsy ekena ny didy jadona. Fa tsy mazava kosa hoe: iza no nanaovana an'io? Samy manana ny valiny ny rehetra. Tanora miala sakana te mba hanao zavatra sy te hisehoseho fotsiny ireo amiko. Asa anefa aloha ny tohiny e. Hisy hanararaotra avy eo angamba.
Amiko dia tsy misy idiran'ny fiangonana ny amin'io.

Ny resaka Urfer indray dia samy manana ny version-ny ny tsirairay. Fa raha mikasika ireo eveka solon-tenan'ny vatikan nalefa any Mada dia hijery am-potony ny zava-misy marina. Tsy mba fanaon'ny Fiangonana ny miteny raha tsy efa avy nanadihady marina.
Ny fanararaotan'ny mpanohitra dia misy foana na inona fihetsika natao na inona. Ohatra iray fotsiny izao ilay resaka masera tany Toliary. navoaka gazety re tany ren-danitra fa nalefa koa izy satria tsy nanara-dalana. Tena marina io. Noho ny fanadinoana anefa no nahatonga izany. Dia novoizina tetsy sy teroa ny momba an'io. Ny pour ny fitondrana milaza fa izay tsy manara-dalana dia dakao. Ny mpanohitra indray miteny fa efa filana ady ny an'ny fanjakana amin'izato didy jadona ataony.
Tsy nisy anefa na dia gazety iray aza niresaka fa nahazo visa vaovao indray io masera io, ary mahazo mipetraka soa aman-tsara any Mada. Raha ny pour ny fitondrana no miteny an'io mantsy dia ho avy indray ny fanonataniana maro saro-baliana, raha ny mpanohitra koa no milaza azy dia vao maika hahazo vahana ny mpitondra.
Izay aloha fa misaotra anao.
15. pissoa ( 07/06/2007 17:09)
sonwin :

Ny 1 - 2 - 3 angamba efa mazava ireo. Ilay resaka hoe "Araraotin'ny mpanohitra" no asiako teny.

Raha tena nisy tokoa ny tsy rariny, ary mangina ny fiangonana dia toy ny hoe avela "araraotin'ny mpitondra" indray izany. Izay position an'ny fiangonana eo, dia tsy maintsy misy manararaotra na ny mpitondra na ny mpanohitra miankina amin'izay mahazo tombotsoa na voadaroka amin'ny fanehoana ny tsy rariny eto ! Toy ankabeazan'ny hetsika any amintsika ihany io. Ka raha ny mpanohitra no mahazo tombony amin'ny fanehoan'ny fiangonana ny tsy rariny eto, dia hadalan'ny fanjakana izany ! Ka aleo ny fiangonana amin'ny mahaKristianina azy hilaza sy hanohitra izay heveriny ho tsy rariny sy tsy mety.
16. marozevo ( 07/06/2007 18:57)
Jereo kely ange ao amin'ny Asan'ny Apostoly ao eh. Miosy milaza mitovitovy amin'izao : "Raha tsy avy amin'Andriamanitra io, dia ho rava ho azy, fa raha avy amin'Andriamanitra dia tsy horavanareo na oviana na oviana".
Raha tsy diso aho dia anisan'ny mpitondra ara-panjakana no niteny an'io raha nitory teny ny Apostoly. Mba manararaotra kely eo ny mpanohitra...

Fa raha hiverina amin'ilay fanontaniana hoe :
Fa isika kristianina katolika angaha tsy mandefitra mihitsy raha mahatsapa fa manana ny rariny? Na dia hita izao aza fa mety hiteraka korontana ilay "tsy fandeferana"?

Inona moa no tokony ho korontana hitranga eo raha ny marina no lazaina. Ny fanafenana ny marina no mety hiteraka korontana. Aiza izany no miantefa ilay hoe "tokony handefitra"?
17. Fiffi ( 08/06/2007 05:53)
marozevo:
Inona moa no tokony ho korontana hitranga eo raha ny marina no lazaina. Ny fanafenana ny marina no mety hiteraka korontana. Aiza izany no miantefa ilay hoe "tokony handefitra"?
ny olana de misy de misy tsinona ny olona mbola sarotra aminy ny fanekena ny fahamarinana....


18. marozevo ( 08/06/2007 07:53)
Et oui ! La verité derrange ! La verité blesse !
19. sonwin ( 08/06/2007 10:17)
Nefa ihany koa "Ny marina rehetra tsy filaza".

Pissoa> ka ny tokony andraisana an'i Urfer dia amin'ny maha-olona azy fa tsy amin'ny maha-pretra azy. Raha amin'ny maha-pretra katolika azy no antony nandroahana azy dia "tsy rariny sy tsy mety". Nefa inoako marimarina fa na tsy mivoaka aza ny tena marina dia tsy noho izy katolika mihitsy no olana fa noho izy.....(ny Frantsay no tokony hikorapaka sy ho tohiny fa tsy ny fiangonana mihitsy).

Ny amin'ny fanehoana ny rariny, raha mahazo vahana ny mpanohitra, ok aza, dia sitrakareo izany ny tsy hilaminan'ny tany mihitsy fa hifanongana ampitoerana lava eo! Dia rahoviana vao ho tafarina?

Ilay resaka "referendum" toa mbola tsy nisy nanisy resaka. Marihiko fa marina tanteraka ny voalazan'i fiangonana talohan'iny. Nahoana nefa no mbola atsikafona ilay resaka nefa efa io aloha no eo? Hihemotra ve izany no tiantsika atao?

xxx> tsy tokony andraikitry ny frantsay ve izany e? Toa lasa miditra lalina loatra kale!(ireo Eveka io).

Toa marina ilay voalazan'i Lapino atsy ambadika atsy hoe: Resam-politika avadika ho resam-pivavahana!


20. lila ( 08/06/2007 10:32)
fa tena ilaintsika ve hamakian'ny fanjakana ampahibemaso ny anton'ny fandroahana nefa raha étranger any andafy no voaroaka tsy mba manana compte à rendre?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5051