Mampalahelo

41. ikaretsaka ( 12/06/2007 04:22)
vakio mein kampf dia hazava amin'i prime e
42. prime ( 12/06/2007 13:53)
Ika> Efa novakiako io r\'ise a, zay anie io lazaiko io ambony io nefa toa tsy fantatr\'i Ika akory ny mikasika ny namelabenaran\'i Hitler an\'io théorie de l\'espace vital io e... Ika ve izao efa namaky???
marozevo:
Tsy haiko aloha na mampiresaka aho na tsia fa io no lesonay tamin\'izany eh... le prof zany mampiresaka koo... Nefa naveriko ireo tamin\'izaho nanala BAC dia nahazo 16/20 ny Histo-Géo.
... Tsara izany fa ny fandalinana mbola ilaina foana fa tsy mijanona eo amin\'izay ampitaina hatreo amin\'ny secondaire...
marozevo:
Eh... Rangahy ity ah.... Ny monde occidental no (anisany tokoa i Vatican amin\'ny maha Etat azy) no nosoloin\'i Jean Paul II tena tamin\'iny fa tsy ny Fiangonana. Araho tsara ny vaovao. Izay ange ilay hoe \".. maninona chrétienne de l\'Europe\" moa ?
... :-D tsy haiko na ianao no tsy maharaka na mody fanina fa nanakoako eran-tany ny fifonana mahontsa nataon\'ny papa JP II teo @ mur de lamentations ho an\'ny kristiana sy ho fampiahavanana ny kristiana sy ny jiosy... http://www.chretiens-et-juifs.org/article.php?voir%5B%5D=1508&voir%5B%5D=3893
marozevo:
Tokony hamarininao tsara koa ny tantara mikasika ny fifanekena tamin\'Italia sy i Vatican. Misy zavatra tsy logique ao amin\'izay lazainao ao.
... Tsy resaka lojika ny tantara fa zava-nisy... raha lojika ny tantara mety efa tany an-danitra avokoa ny olombelona ary tsy nisy ny helo... indrisy

Ika, marozevo> Ianareo no mpampianatra indrindra hoe mba sokafy ny saina fa ny fahiratan-tsaina no mampandroso ka tsy iondrehana lava ao amin\'izay ampianarina any ampianarana sy any am-piangonana... (\"be open minded\" ozy Ika izay)... dia averiko aminareo ny tantara hoe fantaro iza i Pie XII dia ahoana ny fifandraisany t@ zava-nisy ara-tantara nikasika ny nanganana ny fanjakàn\'i Vatican sy ny fifandraisany t@ régime fasciste Mussolini sy nazi Hitler...ka nahatonga ny eglizy sy ny fiangonana kristiana nosoloin\'i JP II tena t@ fifonana... http://www.lemonde.fr/web/article/0,1-0@2-3214,36-918081,0.html?xtor=RSS-3214
43. ikaretsaka ( 13/06/2007 04:58)
prime.
1) fa na tiana na tsy tiana aza anie dia nisy foto kevitra hoe resaka fanenjehana sy fanafoana olona na andian'olona manana foi( finoana) sy io lazain'i marozevo hoe Atheisme io tao @ hitler

2) raha jerena mantsy anisan'ny lazain i hitler hoe Devolin'izao tontolo izao ny Judaisme (Finoana ny judaisme tompoko)
"Übermensch" no fiantsoan'i hitler ny tenany, izany hoe superman, Andriamanitra, ny teniny ihany no tena mazana sy to-teny

Dia hiverina ary @ teniko taloha aho rehefa nahita ny niafaran'i hitler:

zaho tary aloha tary:
izay Mpitondra niseho ho manenjika fivavahana hono na fivavahana inona io na fivavahana inona dia toa lasa mitsipozipozy sy voan'ny nataony aby
44. prime ( 13/06/2007 09:34)
Ika> Izaho tsy miteny hoe tsy athée Hitler... tsy any mihitsy no noresahiko...

a. Mikasika ny foto-kevitra indrindra no nanindriako fa \"moyens\" sy \"politique\" ahatongavan\'i Hitler tamin\'ny tanjona napetrany dia \"ny hampiadana ny vahoaka eo ambany fifehezan\'ny empire germanique sy hampivoatra ny fahambonian\'ny empire germanique fahiny\" no nahatonga an\'i Hitler nanao politique nasiaka dia nasiaka
b. Aoka tsy hadino fa Hitler tsy olona nanao putsch na nanongam-panjakàna no niakarany teo amin\'ny fitondràna fa \"par le suffrage universel\" sy hafetsena politika... izany hoe ny vahoaka allemand sy autrichien mihitsy no resy lahatra t@ politikan\'i Hitler na dia mahery setra aza
d. Ny \"théorie de Darwin\" izay tena nandresy lahatra an\'i Hitler dia tsotra, (raha fehezina) ny karazam-biby iray na fokom-biby iray (ary ny olona dia anisany hoy izy) raha te ho velona tsara, raha te hiaina tsara dia mila \"espaces\" sahaza azy ahafahany miaina, mivelona, mamokatra, mihary ary miadana (io ilay \"espace vital\")... ary rehefa tsy ampy io \"espaces\" io satria ny isa tsy maintsy mitombo(population) dia tsy maintsy mila \"espaces\" hafa izy ivelarany... ny \"espaces\" hafa anefa efa misy tompony... raha te ho velona izany ilay karazana na fokom-biby voalohany dia tsy maintsy miady ary mamono sy mandringana mihitsy ireo tompona \"espaces\" hafa ireo ahafahan\'ny \"colonie\'ny\" miitatra sy miadana ary mihary... mampiseho ny fahambonian\'ny \"race\" ny fahafahana manitatra ilay \"espace vital\"... tsy rendrarendra fa tena antoky ny fiainana ho avy \"survie\"... ary izany dia tsy maintsy alaina amin-kery fa tsy ifampiraharahàna...
e. Ny jiosy (sady kominista rahateo) dia antony roa no tena nankahalan\'i Hitler azy : ny voalohany raha saiky maty Hitler (caporal tamin\'izany) rehefa niverina avy any an\'ady (1ère guerre mondiale) dia anisan\'ny nahazo voninahitra... fa ny zavatra tena nahatohina azy dia ny fikambanana rehetra sy ny fiombonana jiosy dia tsy nandray anjara t@ ady lehibe voalohany ary tsy nandefa ny zanany tany an\'ady nefa ny voninahitr\'i Allemagne no narovana... ny faharoa, taorian\'ny \"crise de 1929\" dia Allemagne no anisan\'ny firenena tafarina hangana indrindra noho ny fanampian\'ny amerikana (jiosy amerikana no tao ambadika) manokana saingy ny harena sy ny orinasa rehetra tany Allemagne (banques, assurances, mines, recherche scientifique, haute technologie...) dia teo ampelatanan\'ny jiosy avokoa (sahala ny nahazo ny Malagasy t@ karàna nandritra ny fotoana ela) ka nahatonga an\'i Hitler tena tsy nahazaka satria ny vahoaka Allemand hoy izy no tena mifofotra, nahoana ny jiosy mpifindra monina (maka ny \"espace vital\" aty Allemagne) no manjaka amin\'ny harena tsy azo ekena intsony izany... tsy maintsy alaina amin-kery izany \"espace vital\" izany eny fa na hofoanana mihitsy aza ny jiosy... ary dia nampanantena zavatra maro ho an\'ny allemand izy t@ izany hoe : 1allemand (de race aryenne)=1foyer, 1voiture volkswagen, 1travail bien rémunéré, 1économie largement suffisante pour son expansion... nefa ny jiosy tsy vitan\'ny hoe nanan-karena fa nibahana t@ alalan\'ny fomba maro ny fidirana teo amin\'ny sehatra famokarana tany Allemagne... dia ny tanora Allemand lasa be tsy an\'asa sy mirenireny fotsiny...
f. Tsy mandeha ila nefa ny fampandrosoana hoy Hitler, fa mba hanafaingana ny fampandrosoana ny \"empire\" dia esorina avokoa ny enta-mavesatra rehetra ka tsy maintsy fongarina ary vonoina raha azo atao, ny voalohany amin\'izany ny jiosy... fa tao indrindra koa ny kilemaina, ny adala, ny antitra (tsy race aryenne), ny mpifindra monina mitsentsitra ny hatsembohan\'ny hafa (gitans, tzigane, Kurdes...), ny kominista...

Izany hoe raha fehezina hatreo aloha, dia \"moyens\" fa tsy \"but\" sy \"finalité\" ny fandringanana nataon\'i Hitler... ary Hitler nanoratra soamantsara tao amin\'ny boky nosoratany (mein kampf) fony izy nogadraina fa \"karazana fahendrena tsy dia ilaina loatra ny voasoratra ao amin\'ny baiboly no sady feno \"contradiction\" rahateo...\" hany ka tsy mila ifoterana loatra saingy tsy nanakana ny famakiana izany izy ho an\'ny Allemand...

Hitler tsy nandrara ny finoana sy ny fivavahana (EKAR, Protestant...), izy rahateo tsy nino fa tsy nandefitra kosa t@ fitsabahan\'ny finoana t@ politikany... hany ka nangiana ny maro t@ ireo rehefa nandringana Hitler fandrao nifoterany...

Mikasika ny niafaràny dia zavatra hafa mihitsy... resy lahatra hatr@ farany Hitler fa nitombina ny politika tiany napetraka... ary aoka tsy hadino fa ireo lohandohan\'ny mpitarika ny IIIème Reich dia mpino Protestanta sy Katolika soamantsara daholo... raha tsy hiresaka an-dry Himmler, Goring...

Azafady fa lasa lava loatra fa ilaina ihany ny mamantatra ny tantara araka izay tena nisy fa tsy ny fijery isam-pinoana... izaho Protestanta fa rehefa izany no zava-nisy dia indrisy mila fibebahana ary ekena fa nisy fa tsy ahodina araka izay fampianaram-piangonana hanamarinan-tena...
45. ikaretsaka ( 13/06/2007 14:27)


Ekena aby aloha ireo voalazanao ireo
fa ireto mba fanontaniana vitsivitsy

1)Fa tena ho niadana tokoa ve anefa ny vahoaka raha sanatria ka tao ambany empire germanique? mbola nisy soa toavina ohatran'izao? ary raha izany nikatsaka ny fiadanana izany: inona no nahatonga ny allies niady taminy?

2)Efa fantatsika foana fa tsy te hiditra politika ampahibemaso ny jiosy ( ny hafetseny... fialan'ny jiosy hoy isika ) no tsy nandefasany ny zanany tany an'ady t@ ady voalohany. nanampy kosa anefa izy (mbola ankolaka ihany) taorian'ny 1929. Toy izany koa ny karana teto amintsika hoy ianao, dia sorena ny nasionalistra gasy, sorena hitler, ary nanao izay handripahana azy ireny.
dia nankaiza ny niafaran'ireny nanao OPK, sy ny niady t@ Jiosy ireny?
Sitrapon'ny tanora allemands t@ izany no te hirenireny, dia raha tsapan'i hitler izany, naninona ireny tanora ireny no tsy no eduquena mba ho fetsy nohon'ny Jiosy raha izany no tanjona tiana nahatongavana?

prime:
Hitler tsy nandrara ny finoana sy ny fivavahana (EKAR, Protestant...), izy rahateo tsy nino fa tsy nandefitra kosa t@ fitsabahan'ny finoana t@ politikany... hany ka nangiana ny maro t@ ireo rehefa nandringana Hitler fandrao nifoterany...

3)Dia inona ny vokany nony tsy niditra tany @ politikan'i hitler intsony ny fivavahana fa nanampy kosa ireo nenjehiny?

Mikasika ny niafaràny dia zavatra hafa mihitsy... resy lahatra hatr@ farany Hitler fa nitombina ny politika tiany napetraka... ary aoka tsy hadino fa ireo lohandohan'ny mpitarika ny IIIème Reich dia mpino Protestanta sy Katolika soamantsara daholo... raha tsy hiresaka an-dry Himmler, Goring.


4)Resy lahatra hatramin'ny farany izy hoy ianao, nefa naninona no nanao ohatran'ny fomban'i Jodasy avy eo? rehefa hitany fa tsy avotra intsony (ohatran'i jesoa) ny ideolojiany?
46. prime ( 15/06/2007 12:20)
Andraso... misy zavatra tsy azon\'Ika mihitsy an...

Izaho sady tsy manamarina na dia kely aza ny politikan\'i Hitler no tsy milaza koa hoe mahomby ny politikan\'i Hitler... fa mametraka ny tena zava-nisy ara-tantara tsy azo ovaina fa tsy bontolo hoe athée izy dia ratsy fiafara dia tsy haiko nefa ny tantara hafa mihitsy...

Ny fandinihanao raha zohiko etoana dia fomba fijery \"frantsay\" izay olona tofoka t@ Hitler ka tsy dia mahagaga loatra (miala tsiny aho fa izay no fahitako azy)...

Ezahiko valiana araka izay azo atao ny fanontanianao na dia efa HS aza isika.
ika:
1)Fa tena ho niadana tokoa ve anefa ny vahoaka raha sanatria ka tao ambany empire germanique?
... Tsy ny vahoaka fa ny \"race aryenne\"... ny ankoatr\'ireo dia \"race inférieure\" manompo ny \"race supérieure\"...
ika:
mbola nisy soa toavina ohatran\'izao?
... Dia mazava ny amin\'io, izay rehetra firenena niaraka t@ Allemagne raha nandresy teo izy dia sady nandroso be araka ny zotra politikan\'i Hitler no nihazona ny soatoavina tsirairay avy nahaizy azy... Ny fivoaran\'ireo firenena niaraka t@ Allemagne (Italie, Japon, Autriche, Pays colonie allemande en afrique) no toa mampiseho izany... ny ankoatr\'ireo dia azo inoana fa vita ny aminy...
ika:
ary raha izany nikatsaka ny fiadanana izany: inona no nahatonga ny allies niady taminy?
... Sao dia fanontaniana tsy tokony hipetraka izany? rehefa tsy nanaiky ny fanoloran-tanana nataon\'i Hitler ny firenena hafa lehibe rehetra dia nomontsanin\'i Hitler tao anatin\'ny fotoana fohy avokoa... izany fanitsakitsahana ny fahafahan\'ny hafa izany no nahatonga ny \"alliés\" sasany nandray anjara...

Ny \"alliés\" anie tsy hoe vao nanomboka nampihatra ny politikany i Hitler dia nitsangana fa noho ny fivoaran\'ny toe-draharaha no nampiforona sy nampivondrona azy e... ny amerikana raha ny tena ara-tantara dia tsy nanana eritreritra mihitsy ny hiditra an\'ady lehibe ohatra fa ny fikitihan\'i Japon azy no nahatonga azy nirotsaka... Japon ohatra dia anisan\'ny nanana faniriana lehibe ny haka ny nosy rehetra tany Azia sy ny nosy rehetra teo am-pelatanan\'ny amerikana nanodidina an\'i Etazonia mba hiverina aminy satria ara-tantara fahiny dia ny empire nippon no tompon\'ireo nandritra ny fotoana rehetra fahagola... ny amerikana aoka tsy hadino fa nahita tombotsoa lehibe mihitsy t@ fiakaran\'ny IIIè Reich tany Eoropa... saingy noho io \"ambitions japonaises\" io dia niditra ihany Etazonia ary nampitongilana ny fivoatran\'ny ady mihitsy ka nanafaingana ny fianjeràn\'ny IIIè Reich...
ika:
2)Efa fantatsika foana fa tsy te hiditra politika ampahibemaso ny jiosy ( ny hafetseny... fialan\'ny jiosy hoy isika ) no tsy nandefasany ny zanany tany an\'ady t@ ady voalohany.
... Tsy dia tena izany loatra fa nanao politika mihitsy ny jiosy tany Eoropa ary t@ alalany no nampiroborobo betsaka ny kominisma izay fahavalon\'ny tandrefana no sady fahavalon\'i Hitler rahateo... ny tsy nandefàsana ny zanany tany an\'ady dia tena hakanosàna sy fitiavan-tena mihitsy ary takatry ny Eoropeana tandrefana izany fa i Hitler no sahy namaky bantsilana azy... ary misy \"thèse\" iray aza nanazava (nataona Frantsay izay) nilaza fa ny jiosy tany amerika ihany (Les Rothschild, les Rockfeller...) no namatsy ny IIIè Reich mba hanamontsanana ny politika ekonomika Eoropeana (mba hisy crise pétrolière) ka nahatonga an\'i Etazonia hatanjaka toy izao... ny tsy nampoizin\'ireo hoy izy dia ny \"dérives politiques\" nentin\'i Hitler ka namonoany ny jiosy tany Eoropa indray avy eo...
ika:
Toy izany koa ny karana teto amintsika hoy ianao, dia sorena ny nasionalistra gasy, sorena hitler, ary nanao izay handripahana azy ireny.
dia nankaiza ny niafaran\'ireny nanao OPK, sy ny niady t@ Jiosy ireny?
... Ny niafaran\'ireny hoy ianao? tsy fantatro... ny azoko ambara dia ny vokany 1: nifindra monina ireo manam-pahaizana jiosy rehetra tany Allemagne sisa velona, ny ankamaroany lasa tany Russie ary nampiasain\'ny Soviets t@ fikarohana ara-pitaovam-piadiana, ny ampahany vitsy2 lasa tany Etazonia (ohatra ry A. Einstein...) vokany 2, teraka ny ady mangatsiaka tandrefana sy tatsinanana... vokany ankehitriny: fantatrao iza no manjaka sy mibaiko izao tontolo izao...
ika:
Sitrapon\'ny tanora allemands t@ izany no te hirenireny, dia raha tsapan\'i hitler izany, naninona ireny tanora ireny no tsy no eduquena mba ho fetsy nohon\'ny Jiosy raha izany no tanjona tiana nahatongavana?
...:-D tsy hoe te hirenireny fa nahantra sy tsy an\'asa... tsy hoe tsy nianatra sy tsy nahita fianarana fa ny harena sy ny orinasa ary ny foibem-pamokarana dia an\'ny jiosy avokoa ka na manam-pahaizana aza ianao rehefa tsy omen\'ny tompon-karena asa dia eo fa tsy hoe \"TE\"...:-D hitantsika aty Dago io ny avonavon\'ny orinasa \"zones franches\"... na ianao sahy dia karama vary masaka na tsy sahy dia misôma na manam-pahaizana toa inona aza...
ika:
3)Dia inona ny vokany nony tsy niditra tany @ politikan\'i hitler intsony ny fivavahana fa nanampy kosa ireo nenjehiny?
... tsy nanampy ireo nenjehina velively ny fiangonana t@ izany fa nangiana... ary soa fa ny papa JPII no nanaiky hitondra ny feon\'ny kristiana maro hifona, ka namitrana t@ ampahany ny disadisa... ny jiosy sy ny kristiana anie ka mpifahavalo fa sao dia heverinao fa mpihavana aza t@ izany (eny fa na hatr@ izao aza dia mbola samy marisarisa)... ny kristiana dia nametraka fa ny jiosy no namono an\'i Kristy ka mendrika ho azy ny famaizana avy amin\'Andriamanitra... ny jiosy nametraka fa ny kristiana sy ny hakanosàny no nahafaty an\'i Kristy ary namadihany azy izay mampiseho ny tsy maha mesia an\'i Kristy...
ika:
4)Resy lahatra hatramin\'ny farany izy hoy ianao, nefa naninona no nanao ohatran\'ny fomban\'i Jodasy avy eo? rehefa hitany fa tsy avotra intsony (ohatran\'i jesoa) ny ideolojiany?
... izay ilay ambarako hoe, aza variana mijery ny fomba fa ny ara-tantara farafaharatsiny rehefa tsy amin\'ny finoana... tsy mitovy mihitsy, Jodasy nanenina ary niaiky ny fahadisoany saingy tsy nibebaka ka niverina t@ Kristy dia namono tena (nipotsaka hatr@ atiny hoy ny soratra masina ary tavela teo ny fatiny satria tsy nisy nijery)... i Hitler, niaiky ny fahareseny na dia resy lahatra ny fahamarinan\'ny politikany saingy tsy nanaiky ny hoviravirain\'ny fahavalo sy ampijaliana ka namono tena ary nodorana mihitsy ka tsy nisy \"trace\" akory...:wink:
Ny itoviany dia ny hoe namono tena fa ny iray tao anaty fijaliana tsy nisy ohatr\'izany t@ nenina... ny iray resy lahatra t@ zavatra nataony...
47. marozevo ( 15/06/2007 17:43)
Pays colonie allemande en afrique)
Iza tokoa moa fa hadinoko, ny firenena zana-tanin'i Allemagne tany Afrika ?

48. prime ( 18/06/2007 14:11)
marozevo> Vitsy2 ihany raha ny fahafantarako :
http://www.inrp.fr/edition-electronique/lodel/dictionnaire-ferdinand-buisson/document.php?id=2367
49. marozevo ( 18/06/2007 17:09)
Hay ve eh.... Fa raha arako tsara ny tantara dia tsy colonies allemandes intsony ireo firenena ireo teo an-katoky ny ady lehibe faharoa fa zana-tany Frantsay...

Raha tsy diso koa ny fitadidiako, teo an-katoky ny ady lehibe faharoa dia nizara roa i Europe : HAVING sy HAVING NOT. Manana na tsy manana colonies no dikany. Ary toa anisan'ny faharoa i Allemagne... Raha tsy diso ny fitadidiako lesona tamin'ny 1982.
50. prime ( 19/06/2007 13:46)
marozevo> ie nisy t@ ireo efa tsy colonies allemandes intsony rehefa akaiky ny ady lehibe faharoa nefa mbola sous occupation allemande ihany toa an-dry Togo angamba raha tsy diso aho... Afrique du Sud dia nisy ampahany sous occupation allemande satria ireo Boers ireo d tsy néerlandais sy anglisy daholo fa nisy allemands ihany koa indrindra fa tany @ partie occidentale...
51. marozevo ( 19/06/2007 20:38)
hay ve e
52. Fiffi ( 28/06/2007 20:54)
misy mahay lesona be ato zany an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2318