Famantarana ny Hazo Fijaliana

21. Fiffi ( 07/06/2007 05:42)
Ika: azafady akia an !
22. marozevo ( 07/06/2007 06:40)
Ny mahatonga an'ilay hoe "IZAY" dia traduction litterale avy amin'ny hoe "quis" = qui.
Notre Père QUI es aux Cieux.
Tsy dia midika hoe ianareo rehetra rainay izay any an-danitra akory izany.
23. xxx ( 07/06/2007 07:25)
marozevo:

Ny mahatonga an'ilay hoe "IZAY" dia traduction litterale avy amin'ny hoe "quis" = qui.
Notre Père QUI es aux Cieux.
Tsy dia midika hoe ianareo rehetra rainay izay any an-danitra akory izany.



mety misy maromaro angaha any :-)
24. hery ( 07/06/2007 07:57)
Ary nareo reto afaka manoratra ao amin'ny http://katolika.org daholo rehefa dinihina :-)
25. Fiffi ( 07/06/2007 09:25)
Avy eo dia mandefasa hafatra ho an'ny adiresy contact@katolika.orgIty adiresy imailaka ity dia voaaro amin'ny spam. Mila mampiasa JavaScript ianao vao afaka mahita azy. miaraka amin'ny solonanarana.
26. prime ( 07/06/2007 14:17)
Mafàna mihitsy ny ato izany... hummmm:)

Mahereza aby...
27. niryna ( 07/06/2007 14:36)
xxx:

marozevo:

Ny mahatonga an'ilay hoe "IZAY" dia traduction litterale avy amin'ny hoe "quis" = qui.
Notre Père QUI es aux Cieux.
Tsy dia midika hoe ianareo rehetra rainay izay any an-danitra akory izany.



mety misy maromaro angaha any :-)

:roll:=))=))
Amiko indray dia ny hazo fijaliana amiko dia toy izao no famantara azy:
-Nahalalako ny fitiavan'Atra ahy sy ny olona rehetra.
-Ny fitiavan'ny Zanany antsika ka nanolorany ny tenany noho ny ota.
-Ny famonjena nataon'i Jesosy ho antsika sy izay mbola mitady Azy ho mpamonjiny.
-Ny fandreseny ny fahafantesana ka nahatonga Azy nitsangana tamin'ny maty.
-Vita hoy Izy:io izany no mitamberina amiko hoe vitany ny asa nampanaovin'ny rainy Azy dia ny famonjeny sy ny sorona nataony ny Tenany noho ny ota rehetra.


28. ikaretsaka ( 07/06/2007 14:55)
toa mety misy maromaro any :wink: rehefa atao hoe Bold textIzay ko

Tahakan'ny hoe:
"Izay" manana baolina sy mipetraka any Isotry atsangano ny tanana o!
(-->hafa mihitsy ilay concept)

sy ny hoe Ra anona manana baolina sy mipetraka any Isotry, mba henoy aho!

Niryna> ireo indrindra ny famantarana ny hazo fijaliana. dia asivo gesture @ tanana amin 'izay isaky ny mihetsika, de fantatrao sy ny manodidina anao sy tadidinao foana!
29. marozevo ( 07/06/2007 19:06)
Misy maromaro angaha any ? ....

Oadray marina... Ka izany indrindra koa. Iray ihany no any, ka noho izany tsy marina ilay hoe "IZAY" dia milaza olona na zavatra maromaro.

Ianao izay mitory ny marina. (hira io an).
Ny ianao dia tokana (singulier), nefa ahoana io misy izay io ?
30. liba ( 08/06/2007 10:34)
ny ahy indray ny hazo fijaliana d midika oe :
le mitsangana : Jesoa nampihavana an' Atra sy ny olona,
le mitsivalana : Jesoa nampihavana ny olona samy olona
--- efa tsisy intsony ny efitra mampisaraka antsika d ny OTA izany, f' efa nafahan' i Jesoa isika
--- marika fa Izy irery ihany no mpanalalana antsika @ Atra
--- manamafy ny didy oe " Tiava an' Atrao @ fonao rehetra sy ny sainao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra " " Tiava ny namanao tahaka ny tenanao " - didy vaovao izay mahafehy ny didy 10
31. marozevo ( 08/06/2007 13:28)
Toy ny kintana ny Lakroa ka mamirapiratra.
Manambara ny tena fitiavana.
Mampiavana ny olombelona (pluriel) sy Andriamanitra.
Sy mitory fa izy (ny Lakroa) no làlana.
32. ari.malala ( 08/06/2007 14:12)
Nisy olona izay niteny tamiko fa isika katolika hono toy ny hoe manokatra sy manidy ny fivavahantsika @ famantarana ny Hazo Fijaliana, dia tsy nahateny aho tamin'izay!
33. marozevo ( 08/06/2007 17:29)
Ie marina io ka...
Rehefa hanomboka vavaka iray isika (manokatra), dia manao signe de Croix. Toy izany koa rehefa mamarana (manidy).
34. xxx ( 08/06/2007 21:30)
Amiko toa tsy mila izany intsony satria ilay hazofijaliana dia nanomezany ny tenany ho antsika.Efa nitsangana Izy dia ny toroheviny no hazofijaliana arahantsika.Raha tsy manana la croix izany ny olona dia mety hoe tsy ao aminy i Jesosy:roll:.Ato am-poko mandrakariva Izy fa lasa iny la croix iny indray no tena hifatohako raha izany
35. pissoa ( 08/06/2007 21:58)
Aminay dia tena manan-danja tokoa ny zavatra hita maso ry xxx fa tsy ampy anay ilay mody hoe ao ampo ao ampo ireny ! Izahay tsy "Kristianina anaty" fotsiny ihany, fa Kristianina ety ivelany ihany koa ary tsy ny "fo" fotsiny no tinay hitiavana an'i Kristy sy ny hazofijaliany, fa ny "tenanay" koa. Ary i Jesoa ny anay tsy avelanay "ao amponay" fotsiny, fa entinay eny amin'ny fiainana andavan'andro koa. Satria ny aminay IRAY MANONTOLO no tianay hanarahana an'i Kristy fa tsy AMPAHANY amin'ny tenanay fotsiny. Ary geste isan'ny kely (raha raisina amin'ny asa ataon'ny vatana) ny famantarana ny hazo fijaliana ataonay. Ka raha ny kely aza tsy vita ...
36. marozevo ( 09/06/2007 00:22)
Andraso aloha !.... Misy zavatra mifangaro izy izany. Samihafa ny hoe "Croix" sy ny hoe "signe de Croix", ka sao dia tsy mety ny fifanakalozan-kevitrareo dahy.

Sa vavy i xxx ? Azafady !
37. ikaretsaka ( 10/06/2007 04:28)
xxx -08-06>
Manampy an'i pissoa
ny anay dia TENYny sy TENAny no iainanay Azy fa tsy teny fotsiny!
Izay ilay MANONTOLO

Marozevo> samihafa mifandray hono ka:wink:
ohatran'ny hoe samihafa ny akondro sy ny paiso, saingy mifandray ihany satria samy voankazo
38. marozevo ( 10/06/2007 16:10)
ikaretsaka > marina tokoa izany. Nefa na izany aza tokony ho mazava ny foto-dresaka : akondro sa paiso ?

Croix sa Signe de Croix ?
39. pissoa ( 10/06/2007 16:39)
Marina ny tenin'i Marozevo, toa miteny tokoa i xxx hoe croix fa tsy signe amin'ny ampahany farany amin'ny teniny. :oops::oops::oops:
Fa
marozevo:
Ie marina io ka...
Rehefa hanomboka vavaka iray isika (manokatra), dia manao signe de Croix. Toy izany koa rehefa mamarana (manidy).

de
Amiko toa tsy mila izany intsony satria ilay hazofijaliana dia nanomezany ny tenany ho antsika.Efa nitsangana Izy dia ny toroheviny no hazofijaliana arahantsika.Raha tsy manana la croix izany ny olona dia mety hoe tsy ao aminy i Jesosy.Ato am-poko mandrakariva Izy fa lasa iny la croix iny indray no tena hifatohako raha izany
40. marozevo ( 10/06/2007 16:58)
Io quote farany io no antony nilazako fa samy hafa ny atao hoe "Croix" sy ny "Signe de Croix".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0808