Ento am-bavaka ny kristianina any Irak

1. xxx ( 05/06/2007 18:39)
Tato ho ato dia voahenjika mafy ireo havana kristianina any Irak.T@ Alahady teo, raha sendra avy nanao lamesa ity pretra iray ity dia notifirin'ny sasany niaraka t@ Diakra anankiroa. Maty teo no ho eo izy telo lahy, ary ora maromaro taty aoriana vao nisy afaka nandray ny razana satria mbola nasian'ireo tsy mataho-tody bòmba teo akaiki'ireo razana ireo hamonoana ny mpamonjy voina.
Akoatr'izay dia terena ny vehivavy kristianina hanao voile, ary ny jiosy kristianina kosa dia tsy maintsy mandoa hetra @ ireo mpampihorohoro ho fiarovana ny ainy hono.
Betsaka ny mitsoa-ponenana noho izany. Talohan'io dia efa nisy pretra 2 voatifitra ihany koa.
Marihina moa fa tsy Katòlika na protestanta izy ireto fa kristianina tatsinana manaraka ny rite chaldéen.
novalian'i marozevo ny 15/06/2007 20:48
2. Fiffi ( 05/06/2007 18:43)
xxx:

Marihina moa fa tsy Katòlika na protestanta izy ireto fa kristianina tatsinana manaraka ny rite chaldéen.
inona aloha zany hoe kristiana tatsinanana manaraka ny tite chaldéen zany ?


3. xxx ( 05/06/2007 19:02)
Aleo angamba sujet @ manaraka izay fa manjary lasa any indray ny intention-tsika.

Fa ny azoko lazaina dia avy t@ Katòlika ihany izy ireo fa noho ny tsy fifankazahoana nisy dia nihataka. Ka @ Finoana katòlika dia misy rantsana roa : rite latin na romana dia ny Ekar izany. Ary ny rite orientale izay mizara maromaro ihany ka misy @ ireo manaiky ny Papa, misy ny tsy mankatò azy satria nisaraka tanteraka taminy.
Fa @ ankapobeny dia manakaiky kokoa ny katòlika ihany ny votoatim-pinoany.
4. Fiffi ( 05/06/2007 19:24)
xxx:
misy ny tsy mankatò azy satria nisaraka tanteraka taminy.
intégriste ve zany ?


5. xxx ( 05/06/2007 19:39)
Fiffi: aleo amin'ny manaraka ny fanontanianao fa manjary miova ny sujet, na raha tianao dia hanokafana lohahevitra vaovao.
6. xxx ( 05/06/2007 19:41)
Voaray ny fanentanana fa mankasitraka an'i xxx nizara :-*

7. Fiffi ( 05/06/2007 19:54)
xxx:

Fiffi: aleo amin'ny manaraka ny fanontanianao fa manjary miova ny sujet, na raha tianao dia hanokafana lohahevitra vaovao.
heu...ka mba ahazahoako mamaly an'le dinika de mba tiako fantarina kalou zay tsy aiko koh ! sa aleo aza zah tsy hamaly eto an !


8. marozevo ( 06/06/2007 07:12)
Fiffi > Tsy mahasakana anao tsy hamaly eto akory izany. Sady tsy dia fanontaniana anie no eto fa fiangaviana hivavaka ho an zareo e.
Misaotra an i xxx aza isika manentana amin'izany. Ary raha ny marina aza anie dia tokony mbola hampitomboina ireo olona entintsika am-bavaka e : Darfour, Liban, Chine sns ankoatra io voalaza momba an'i Irak io.
Mahareta amin'ny finoana.
9. hery ( 06/06/2007 07:32)
Fiffi> afaka manokatra dinika vaovao hoe Inona ilay katolika manaraka ny fombafomba tatsinanana voalaza teto.

xxx> Misaotra nanentana fa mampalahelo tokoa izany.
10. prime ( 06/06/2007 11:01)
Misaotra amin'ny vaovao fa dia ho entina amim-bavaka tokoa izany...
11. nathie86 ( 06/06/2007 13:41)
d @firy ny atao ny fiombonambavaka ho azy reo:)
12. hery ( 06/06/2007 14:27)
nathie86 kay mbola hiandry anay? :-)
Tonga dia ataovy
13. Fiffi ( 06/06/2007 16:17)
hery:

Fiffi> afaka manokatra dinika vaovao hoe Inona ilay katolika manaraka ny fombafomba tatsinanana voalaza teto.
de aleo sokafan'i xxx ny dinika mikasaika an'io azany koh !:)


14. marozevo ( 06/06/2007 16:20)
Aza mifampiandry izany rehefa hanao vavaka samirery fa siavy dia ataovy eh. Raha misy mahavita hoe ndao isika hiara-mivavaka atsy na aroa, amin'izao daty, dia tena tsara, ka amin'izay vao miandry ny rehetra ho tonga.
15. Fiffi ( 06/06/2007 16:36)
marozevo: an3 kah ! tsy ny fivavahana akia no hifampiandrasana fa...ny fanazavana an'le hoe " Inona ilay katolika manaraka ny fombafomba tatsinanana voalaza teto"
16. marozevo ( 06/06/2007 16:38)
Kay ve eh... azafady.
17. Fiffi ( 06/06/2007 20:21)
sa ho ataoano io ? :)
18. LazaDaddy ( 07/06/2007 02:15)
Tohanako ilay hevitr'i Marozevo hoe tsy ny any Iraq ihany fa ny any Sudan, Lebanon, China, sns...

Ny tena mampalahelo sy ilaina vavaka koa dia ny Kristianina @ firenena misy fahalalahana sy tsy an'ady. Ry zareo voaenjika any China sy any Indonesia toa vao maika mitory ny Vaovao Mahafaly sy miombom-bavaka.

Isika nomena fahalalahana kosa indray no zary "menamenatra" sy "mihafinafina", ary "misalasala" aza matetika ny hitory an'i Kristy. Toa mora amintsika ny manasa ireo namana aman-tsakaiza hijery "cinema" fa toy ny "henatra" lehibe kosa ny "fampahafantarana an'i Kristy".
19. cutie ( 07/06/2007 02:27)
ny kristiana ihany nga no entim-bavaka:roll:
20. pissoa ( 07/06/2007 03:22)
Entina am-bavaka daholo, fa eto amin'ity dinika ity fotsiny dia ireo Kristianina any Irak no mba nangatahin'i xxx manokana mba ho entintsika ambavaka ! :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3771