Ento am-bavaka ny kristianina any Irak

21. ikaretsaka ( 07/06/2007 03:23)
Fanamarihana kely: sady mamaly ny fanontanian'i Fiffi
Ny atao hoe Chaldeen dia karazana katolika somary "affilie" dia miady dia affilie dia miady amin'ny Katolika Romanina . Ny maha samihafa azy dia izy mitazona ny traditions betsaka "tantsinanana".
Nisy fotoana izy nisaraka t@ katolika fa avy eo izy ireo dia nifandray ihany ary niverina ho katolika (romanina) ny patriarka andry zareot @ 16 eme sciecle tany raha tsy diso aho, dia miady sy miombona arakarak'izay patriarka tonga eo! Misy miantso azy koa hoe nestorianina .. raha tsy diso aho (St Nestor no nitory evanjely tany atsinanana-Irak Iran iny t@ andron'ny Ottomans)
Any bagdady (Irak no misy ny foibeny)
22. Fiffi ( 07/06/2007 05:47)
LazaDaddy:

Isika nomena fahalalahana kosa indray no zary "menamenatra" sy "mihafinafina", ary "misalasala" aza matetika ny hitory an'i Kristy.
rehefa kristiana zany ozy enao de afaka mitory ? na iza na iza ?


23. LazaDaddy ( 07/06/2007 06:23)
Fiffi:
rehefa kristiana zany ozy enao de afaka mitory ? na iza na iza ?
Raha Kristianina dia manana adidy hampiely ny Vaovao Mahafaly.

Tsy safidy io nomen'i Kristy io fa baiko ho an'izay misafidy hanara-dia Azy.

24. marozevo ( 07/06/2007 06:42)
Miala tsiny aho, Fiffi, fa tsy voafehiko io sujet io ka tsy afaka manokatra an'io aho ah.
25. niryna ( 07/06/2007 06:47)
LazaDaddy:

Fiffi:
rehefa kristiana zany ozy enao de afaka mitory ? na iza na iza ?
Raha Kristianina dia manana adidy hampiely ny Vaovao Mahafaly.

Tsy safidy io nomen'i Kristy io fa baiko ho an'izay misafidy hanara-dia Azy.




Misaotra xxx a ho entina ambavaka izany ry zareo e.
Izaho koa manaiky an'izany ry lazaDaddy.
Afaka manambara amin'ny olona an'i kristy isika ary tsy mila diploma io,hafa ny efa voahosotra ho mpitondra ny fiangonana ohatra,fa ny fampahafantarana an'i kristy dia miainga eo amin'ny tsirairay,ny fihetsika,ny fiteny, ny fanoratra,ny fitiavana ,sns.Ireo dia taratra azo hilazana fa kristiana ilay olona na tsy kritiana.Ny mahasamy hafa azy dia ny kristiana koa manana ny fanantenana an'i kristy fa ny tsy mpino na hananany daholo aza izao rehetra izao raha tsy manana an'i kristy izy dia ho zava-poana ny fiainany.
26. nathie86 ( 07/06/2007 07:04)
hery-> ka aleo mba miaraka eh:)
27. Fiffi ( 07/06/2007 10:57)
LazaDaddy:

Raha Kristianina dia manana adidy hampiely ny Vaovao Mahafaly.

Tsy safidy io nomen'i Kristy io fa baiko ho an'izay misafidy hanara-dia Azy.
ekena fa tsy safidy io....fa ozy indray zah hoe: am katolika de misy fotoam-pivavahana 3/j ny aty amiko aty aloha io an ! (mety HS ny zavayta lazaiko eto , miala tsiny) aleo tohizana ny fitondram-bavaka am loha-dinika....


28. ikaretsaka ( 07/06/2007 13:54)
rehefa kristiana zany ozy enao de afaka mitory ? na iza na iza ?


Eny.. nefa tsy hoe lalana 1 na fomba 1 ihany ny fitoriana fa misy fomba bobaka be! io ilay arakaraky ny fanomezam-pahasoavana fa tsy voatery hitovy!

-Misy ny mitory @ alalan'ny tabataba @ megaphone sy ny fitsiponana baiboly any an-tsena (efa azony ny valisoany hoy ny Tompo)

-Misy ny Mizara depliants etsy sy eroa

-Misy @ asa fanasoavana

-Misy ny mpanazava ny sain'ny olona tsy hinohino foana fa hahafantatra sy handanjalanja ny fototra sy ny anton'ny finoany

-Misy amin'ny asany isan'andro fotsiny sy ny fanehoany fitiavana eo am-panataterahana izany
29. prime ( 07/06/2007 14:13)
LD:
Tohanako ilay hevitr'i Marozevo hoe tsy ny any Iraq ihany fa ny any Sudan, Lebanon, China, sns...

Ny tena mampalahelo sy ilaina vavaka koa dia ny Kristianina @ firenena misy fahalalahana sy tsy an'ady. Ry zareo voaenjika any China sy any Indonesia toa vao maika mitory ny Vaovao Mahafaly sy miombom-bavaka.

Isika nomena fahalalahana kosa indray no zary "menamenatra" sy "mihafinafina", ary "misalasala" aza matetika ny hitory an'i Kristy. Toa mora amintsika ny manasa ireo namana aman-tsakaiza hijery "cinema" fa toy ny "henatra" lehibe kosa ny "fampahafantarana an'i Kristy".
... tena itoviako fijery tanteraka...
cutie:
ny kristiana ihany nga no entim-bavaka
... ento ny hevirao dia atolory ny soso-kevitra raha misy hafa koa tianao entina amim-bavaka... na hanokafy dinika mihitsy ka maninona moa?... fa ny eto aloha dia io...
30. cutie ( 07/06/2007 16:06)
prime
efa voavalin'i pissoa ny fanontaniako :D
31. xxx ( 07/06/2007 21:55)
Androany indray dia pretra iray sy ankizy dimy no lasa Otage. Ary mangataka onitra ireo fondamentalista Sunnites @ famotsorana azy. Ary ny mampalahelo dia nozimbazimbaina ny Fiangonana ary novaina ho Moschée avy eo. Ny Fiangonana sasany indray lasa fitobian'ny miaramila.

Tena mandalo sedra mafy ny kristianina any fa dia izay vavaka izay angamba no mba vitantsika hanohanana azy ireo.
32. marozevo ( 07/06/2007 22:02)
Samia mivavaka mafy ary eh.
Le zava-misy ankapobeny any Irak dia efa iaraha-mahalala, fa mba aiza kosa ho'aho no anovozan'i xxx ireo vaovao manokana ireo eh ?
Mba asio jerena eto moa eh.
33. xxx ( 07/06/2007 22:10)
Tsy haiko na manaraka an'iny Agence Zenith iny marozevo fa @ iny no misy an'ireo. Dia miseho an-gazety aty italia ihany koa io( Avvenire, sns)
34. marozevo ( 08/06/2007 09:42)
Fa angaha i xxx any Italie ? Ko no tsy hitako !
Misaotra nanolotra ilay loharanom-baovao.
35. linarako2 ( 08/06/2007 21:15)
marozevo:

Samia mivavaka mafy ary eh.

Marina izany ary tsy izy irery ihany fa ny firenena rehetra misy ady
36. xxx ( 08/06/2007 23:48)
Aoka hajaina ny lohahevitra. Na izany aza tsy manakana anao hivavaka ho an'ny hafa.

Marozevo : samy eto @ tanàna izany fa tsy mifankahita tokoa.
37. marozevo ( 09/06/2007 00:05)
xxx > Izaho kanjo efa tsy any intsony eh... Efa ho herin-taona izao no nialako tany.

Asa na mbola manao an'ity ianareo ao Roma ao : Miara-mivavaka isam-bolana ny Malagasy rehetra (Ao Roma) dia eo no itondrana am-bavaka izany rehetra izany : Irak, Soudan, Côte d'ivoire sns... Tsaroako fa tamin'ny 2004/2005 dia niara-nivavaka ho an'ny Madagasikara isika, noho ny siklaonina Gafilo. Sady narahana asa ilay vavaka tamin'izay, ka samy faly ny rehetra, tsy sanatria noho ny siklaonina, fa noho ny adidy vita.
38. xxx ( 09/06/2007 17:01)
Mbola misy tokoa iny. Ary efa nijoro aza ny Aumonérie malagasy eto. P. Paul Louis no tompon'andraikitra @ izany.
39. kelly13 ( 09/06/2007 17:19)
Père Paul Louis d tena nahafinaritra ny ankizy rehetra tao @ semigany, mampamangy azy any indrindra, miala tsiny nivoana kely
40. ikaretsaka ( 10/06/2007 04:22)
kay ve kelly13 koa semigany e?
eeeeeeeee hitako no zezoita fisaina!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836