Ny dikany sy ny nihavian'ny teny hoe protestanta?

41. niryna ( 06/06/2007 06:00)
hery:

Koa maninona i LazaDaddy no mitory mafy fa tsy avelao i Jesoa ho tonga ho azy? :-)

ankoatry ny par elle izany dia mbola misy koa ny par la bible sy ny par nous :-)

Aiza kosa hery a,ny tenin'Atra no manambara fa mandeha mitory ny filazantsara,ataovy mpianatra ny firenena rehetra.Ahoana no ahalalan'ny olona ny tenin'Atra raha tsy nisy olona nomeny na nalefany hitory ny teniny?

42. niryna ( 06/06/2007 06:06)
hery:

LazaDaddy> Amiko dia tsy mifanohitra velively ny hoe "Tsy misy mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako" sy ny hoe "Mandehana, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra" ary ny hoe "Izaho sy ny Ray dia Iray ihany"

Tsy misy tonga any amin'ny Ray afatsy amin'ny alalan'i Jesoa. Marina io.
Fa i Jesoa koa naniraka ny mpianany hahatongavan'ny olona rehetra any aminy. Izany hoe ny olona no nahalala an'i Jesoa dia satria teo ny mpianatra nitory sy nanoro azy ireo. Tsy voatery tamin'ny teniny ihany fa tamin'ny fihetsiny sy ny maha izy azy koa... dia toa izany koa i Maria. Ny toetrany, ny fahasoavana niainany, dia modely mahatonga ny olona hitia ilay notiaviny indrindra dia i Jesoa. Izany hoe i Maria (tahaka ireo olona izay nitia an'i Jesoa) dia mitarika ny olona ho amin'i Jesoa.

Izay no lazaina eto. "Par elle (par son amour du Christ) nous arrivons au Christ". Tsy hitako izay diso amin'izany :-)

Ahoana tokoa izany?I Jesosy no naniraka ny mpianany,Izy koa no niteny hoe andao anaraka Ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo.Izy daholo izany no niteny.Ny tenin'Atra koa manambara fa hoe Izaho no nifidy anareo.:roll:


43. ari.malala ( 06/06/2007 06:18)
LazaDaddy:

ari.malala:
fa afaka nahita sy nahalala an'ireo teny ireo ve ianao raha tsy nisy ny apostoly nanoratra ny baiboly?
ENY, dia heverinao fa tsy mahavita azy ve sanatria i Jesoa raha tsy nisy ireo? Izao fandaharan-kevitrao izao mitovy tsy misy hafa @ ilay "gospel of Judas"


Fa satria nahoana no mitovy @ gospel of Judas? mahavita azy tokoa i Jesoa, fa naleony niaraniasa t@ olombelona.

LazaDaddy:

ari.malala:
marina fa niteny Jesoa hoe tsy misy mankany @ Ray afa tsy amin'ny alalany,
ari.malala anefa manohitra an'izany:
izany hoe tsy i Jesoa irery no afaka mitondra ny olona hoany @ Ray fa na ny olombelona iany koa aza.
Ny tenin'i Jsoa no inoako fa tsy ny fandaharan-kevitr'olombelona mitady hanova izany :)


Fa inona no fandaharan-kevitr'olombelona mitady hanova inona? azavao fa tsy azoko! ka raha tsy manova ny fandaharan-kevitr'i Jesoa anie ianao dia tsy mitory sy mitarika olona satria Izy irery no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana e! tsy misy ilàna anao miteniteny akory fa mamaky baiboly fts daolo ny olona d zay! tsisy ilàna ny pretra sy ny pasitera sns zany fa d mamaky maiboly daolo fts d zay, tonga any @ Jesoa! sa ve sur à 100% enao fa tena tsy mampiditra ny hevitrao mintsy @ interpretation an'izay zavatra vakinao ao @ baiboly refa mitory fa manao paraphrase sy mamerina sanatira toa boloky fts izay hitanao ao anaty baiboly?
44. ari.malala ( 06/06/2007 06:20)
azafady fa nisy adinoko, nahoana koa ary i Jesoa no naniraka ny mpianatrahoe mandehana ianareo @ izao tontolo izao, mitoria ny evanjely @ voary rehetra, ataovy tonga mpianatro ny olona rehetra raha tsy mila olombelona hanampy azy izy? dia inona no manohitra ny fandaharan-kevitr'i Jesoa @ izay noteneniko hoe na isika olombelona koa aza afaka mahataona olona hoany @ Ray, raha io tenin'y JEsoa io nojerena hoe mampianara ny firenena rehetra? Sa inona indray no havalinao an'izany?
45. niryna ( 06/06/2007 06:25)
rush:

mahalasa saina marina!izao e!misy antony matoa ny olona miteny an'i niryna hoe mandinihy tena hiany e!ny anao manko dia raisinao ho ratsy avokoa ny zavatra lazaina anao izay tsy mifandrify @ izay tianao!

:D

Mahalasa saina marina raha avy @ olona mijoro vavolombelona etsy sy eroa!mahalasa saina raha avy @ olona milaza fa mpiandry sy mpitory no mametraka an'io fanontaniana io!hany ka nahazahoan'ny olona hilaza hoe mandainga no manoro-vohana ny olona ianao e!dia averiko eto hiany ilay hoe mandiniha tena!

Te ahafantatra ny momba ahy ianao?Zanak'olona nahantra aho,tao anaty fangirifirina te-hianatra aho no niantso an'Atra,misaora an'Atra ianao raha mbola tsy nisy zavatra niantra taminao.Izay manetry tena no asandratra,ary izay manandratena no ahetry.Noho ny finoako Azy,noho ny fifonako ny ratsy rehetra vitako,noho ny fitiavany ahy dia nomeny fahasoavana aho ary maro kanefa tsy dia fomba ny manindrahindra tena,noho ny fahasoavana betssssakkka ary tsy ho voatanisako anao eto.Tsy ho voavidin'ny vola mihitsy fa ny zavatra hafa voavidin'ny vola ihany.Faly ny foko,mizara aho,manampy izay azoko ampina.Miezaka ny manao sy ny manaraka ny tenin'i Jesosy.Tsy mora io fa raha manana finoana kosa isika ka miantso,miresaka,mivavaka aminy isan'andro isan'andro dia ho hitatsika ny voninahiny,ny fitiavany,ny famindra-pony.Izay no hijoroako vavolombelona eto ary tsy mba mahamenatra ahy ny milaza ny marina sy izay kely fantatro sy nomeny ahy.Te-hanana fifaliana ianao?Mizara izay kely anananao,isao izay fahasoavana nomeny anao tsirairay avy,isao,diniho,jereo izay nomeny sy narotsany taminaosy fa na kahie 300 pages aza mbola mila manampy aho raha eo amin'ny toerako ianao.
Voninahitr'Atra ilay mahery sy Tompon'ny Tompo anie hitantana ny dianao mandrakariva.Mangataha amin'ny amin'ny fo madio,feno fitiavana,fifaliana,fo torotoro fa omeny anao izay tadiavinao.Izy no mahalala ny mahasoa anao.Ny fivavahana dia ampiarina amin'ny fiainana isan'andro,raha mitovy amin'ny tsy mpino isika ka tsy mahita fifaliana kanefa milaza ho mpivavaka,manaraka an'i Kristy ,amiko izany dia mila miezaka hatrany ny manantona Azy.Manantona Azy fa hanantona anao koa Izy.Jakoba 4:8


46. niryna ( 06/06/2007 06:27)
ikaretsaka:

niryna: ny fahazoako izany Protestant izany aloha dia avy amin'ny hoe protester, izany hoe manohitra!
Ekena fa nisy olana tao, fa amiko tsy ny fialana na fanorenana na ny fisarahana no vahaolana fa ny fandinihantena sy ny famahana izay olana. marina hoe nisy ny tsy nety , fa tsy hoe tsy mety akory dia hoe toherina dia miala avy eo!

Ka inona no notoheriny?

47. niryna ( 06/06/2007 06:36)
ari.malala:

azafady fa nisy adinoko, nahoana koa ary i Jesoa no naniraka ny mpianatrahoe mandehana ianareo @ izao tontolo izao, mitoria ny evanjely @ voary rehetra, ataovy tonga mpianatro ny olona rehetra raha tsy mila olombelona hanampy azy izy? dia inona no manohitra ny fandaharan-kevitr'i Jesoa @ izay noteneniko hoe na isika olombelona koa aza afaka mahataona olona hoany @ Ray, raha io tenin'y JEsoa io nojerena hoe mampianara ny firenena rehetra? Sa inona indray no havalinao an'izany?

Isika miandry ny fiverenany hitsara,kanefa Izy nanome toky fa hisy Fanahy Masina hitaridalana antsika.Ny fitorina ny filazantsara izany dia efa nataon'ny mpianany ary dia mbola tohizan'izay rehetra kristiana.Manana anjara avy isika rehetra,amin'izany fitoriana an'i Jesosy Kristy izany.
48. hery ( 06/06/2007 07:29)
niryna:


(...) Ce qu'elle (La Vierge Marie) veut, ce n'est pas que nous allions à elle, mais que, par elle, nous allions à Dieu.

Mba azavao hoe io ry hery azafady,ary omeo ny tonony sy ny andininy milaza izany aho raha tsy mahadiso.


Tsy ao anaty baiboly io kah :-)
i Luther no niteny an'io... i Luther izay nanangana ny Fiangonana Protestanta.

niryna:


Ka inona no notoheriny?


Ireo efa nolazaina teo ambony ireo.

Ara-tantara dia notoheriny ny fomba fitondrana sy ny resaka ara-bola teo amin'ny Fiangonana (tsy ao anaty baiboly ireo kanefa zava-nisy :-)). Resaka politika sy resa-bola izany aloha no voalohany. Dia avy eo izy nijery izay noheveriny ho tsy ao anaty finoana dia nesoriny ary natsangany ny fiangonany.

Izay no niandohan'ny protestanta, izay no niandohan'ny fanoherana.
49. marozevo ( 06/06/2007 07:35)
Inona no toheriny ? hoy i Nyrina.

Ko ireo efa voalaza be dia be eo ambony ireo ko inona indray ary ity ?
50. ari.malala ( 06/06/2007 11:32)
niryna:

ari.malala:

azafady fa nisy adinoko, nahoana koa ary i Jesoa no naniraka ny mpianatrahoe mandehana ianareo @ izao tontolo izao, mitoria ny evanjely @ voary rehetra, ataovy tonga mpianatro ny olona rehetra raha tsy mila olombelona hanampy azy izy? dia inona no manohitra ny fandaharan-kevitr'i Jesoa @ izay noteneniko hoe na isika olombelona koa aza afaka mahataona olona hoany @ Ray, raha io tenin'y JEsoa io nojerena hoe mampianara ny firenena rehetra? Sa inona indray no havalinao an'izany?

Isika miandry ny fiverenany hitsara,kanefa Izy nanome toky fa hisy Fanahy Masina hitaridalana antsika.Ny fitorina ny filazantsara izany dia efa nataon'ny mpianany ary dia mbola tohizan'izay rehetra kristiana.Manana anjara avy isika rehetra,amin'izany fitoriana an'i Jesosy Kristy izany.



Izaho anie ry nyrina manaiky e, fa i LAzaDaddy milaza fa manohitra ny fandaharan-kevitr'Andriamanitra hono ny hoe ny olombelona iany koa mandray anjara @ fitraritana ny olona hoany @ Ray, nefa dia izany no misy satria raha tsy manaiky irahin'ny Fanahy Masina, tsy nanaiky ny irak'i Jesoa moa ny mpaminany sy ireo apostoly, moa nisy teny notorina v amzao andro izao? nahalala akory ny Tenin'Andriamanitra ve isika? fa alohan'izany rehetra izany, raha tsy nanaiky hitondra an'i Jesoa tao an-kibony i Masina Maria tsy nisy famonjena hoan'ny olombelona angamba, noho izany, mandray anjara tanteraka @ fitariahana ny olona hoany @ Ray ny olombelona.
51. rush ( 06/06/2007 11:39)
"niryna":
Te ahafantatra ny momba ahy ianao?
fa ataoko inona?hors-sujet izany e!
52. marozevo ( 06/06/2007 13:12)
Hita ho'aho koo
53. prime ( 06/06/2007 13:51)
Ny mahaprotestanta dia fanoherana izay fampianarana rehetra tsy miorina amin\'ny tenin\'Andriamanitra voasoratra araka ny soratra masina fa tsy resaka tany tsy naverina sy avonavona hoe nisitaka satria tsy nanaiky ny fitondràm-piangonana...

Aoka tsy hadino fa pretra katolika i Lotera ary ny tantara no aoka hambara fa tsy mamorona isika...

Lotera tsy nampiaika na nanainga ny olona hanohitra ny eglizy velively fa nahita kosa rehefa nandinika sy namakafaka tsara ny soratra masina izy (satria ny fiangonana t@ izany dia noraràna tsy nahazo namaky baiboly sy ny asa soratra fikarohana rehetra nataon\'ireo pretra afatsy ireo mpitondra fivavahana sy pretra ary ireo eveka sy kardinaly sy ny papa... ka izay ambaran\'ireo dia tsy maintsy ankatoavina satria mpitondra ny hafatr\'Andriamanitra ireo) fa maro no \"fomba fanao\" sy \"rafitra\" napetraka tsy ara-tsoratra masina intsony toy ny \"inquisition\" (ny toerana ho \"inquisiteur\" t@ izany dia niadiana fatratra satria tena toeram-boninahitra sy fahefàna lehibe avy amin\'ny papa mihitsy ny atao amin\'izany hanamelohana olona ho eretika sy mpamosavy raha vao tsy manaja ny tian\'ny eglizy hatao), toy ny \"purgatoire\", toy ny \"reclusion à vie ordonnée par les prêtres\", toy ny \"indulgences\" izay namoretana fianakaviana maro ka nahatonga fividianana amim-bola ny famelan-keloka (ny vita, ny atao sy ny hatao)...

Hitan\'i Lotera ireo (ireo no tena goavana fa maro koa ny zavatra madinidinika noezahiny nahitsy, ohatra ny fandikàna sy fanotàna baiboly maro ho amin\'ny fiteny isankarazany, natao ho azon\'ny rehetra vakiana fa tsy ilay baiboly hebraika sy latina foana no atonta ary nozaraina t@ sarambaben\'ny mpino fa tsy ho an\'ny pretra ihany... ohatra ihany koa ny fitsinjaràna ara-drariny ny harenan\'ny fiangonana mba hahafahan\'ny mahantra mba mihary ho an\'ny tenany)... I Lotera tsy niteny velively hoe tsy izy ny finoana katolika, na hoe foanana ny eglizy, fa nitondra ireo fanitsiana ireo ary niezaka nanavao ny \"fomba\" sy ny \"rafitra\" teo anivon\'ny fiangonana notantanany satria t@ izany ny pretra iray dia nitantana eglizy maromaro... rehefa niroborobo ny fampianaran\'i Lotera satria sady nitondra aina vaovao teo anivon\'ny eglizy no nampiitatra lavitra ny fandraisan\'ny olona ny filazantsara dia tsy faly ireo \"conservateurs\" ka niezaka nanatona an\'i Lotera hitondra fanazavàna amin\'ny fanavaozana ataony nefa tsy nahazoana alalana t@ papa...

Rehefa izany dia nangonin\'i Lotera ny zavatra vaovao, sy nohavaozina rehetra ka noraiketiny an-tsoratra ary nangataka fihaonana isan\'ambaratongan\'ny eglizy izy nentina nizaràna ny fampianarana nentiny izay tsy tena vaovao loatra raha ny tena izy (fanavaozana=reforme, nihavian\'ny hoe église reformée) fa famerenana ny \"fomba\" sy ny \"rafitra\" rehetra mba ho ara-tsoratra masina...

Vokany I, maro ireo ambaratongam-pitondràna tamin\'ny eglizy no nahatsapa ny fanavaozana tian\'i Lotera hatao ka nanohana azy ary niezaka nitondra ny hetahetany teo amin\'ny papa... tsy vitsy koa nefa ireo mpialona ka niezaka namingana hatrany izany ary niasa manokana t@ papa mihitsy...

Vokany II, in-telo nangataka fihaonana t@ papa Lotera fa tsy tanteraka avokoa izany... t@ fahaefatra dia nanaiky ny papa na dia efa tena sady tsy faly aza no sady efa vonton\'ny foto-kevitr\'ireo \"conservateurs\" voatohintohina tombotsoa noho ireto fampianarana vaovaon\'i Lotera ireto (tombotsoa teo amin\'ny fidiram-bola, fanangonana harena satria maro t@ fanjakàna niasan\'ireo pretra \"conservateurs\" ireo no nanan\'ireto farany harem-be, lapa maro, tany maro... anisan\'ny nanan-karena indrindra isaky ny lapa sy fanjakàna nisy azy aorian\'ny Mpanjaka amin\'ilay toerana mihitsy ireo t@ izany...)

Vokany III, nanao fihanianana manokana Lotera fa rehefa hiditra eo amin\'ny vavahadin\'ny Roma izy dia handohalika ary amin\'ny fandoalehana no hanatonany ny papa mba ho fanetren-tena no sady mba hihainoan\'ny papa azy... dia nataony izany... indrisy rehefa tonga teo alohan\'ny papa izy dia tsy nohainona na dia indray mandeha aza fa fanamelohana sy fampitandremana no azony fa raha manohy io fampianarany io Lotera dia \"ex-communié\"... (tsy misy tsy mahalala ny zava-doza ao ambadik\'izany ex-communiation zany isika raha mbola kristiana satria ny famonjena mihitsy no atao antoka)...

Lotera nefa tsy nihemotra fa nanohy ihany ny fanavaozana nataony, ka ny ankamaroan\'ny eglizy tany avaratry eoropa nahita aina vaovao avokoa... rehefa izany dia tezitra ny papa ka namoaka \"bola\" maro ho
fisamborana an\'i Lotera n\'aiza n\'aiza misy azy ho entina eo anatrehan\'ny \"inquisiteur\" lehiben\'i Roma mihitsy... tsy tratra izy rehefa nafenin\'ireo mpiaradia taminy...

Vokany IV, ex-communié i Lotera na dia mbola pretra nandritra ny fotoana maro tamin\'ireo eglizy notantanany aza... teo no nanomboka ny fanavaozana na ny reformasiona...

Ny teny hoe protestanta dia teny fanesoana niantsoana ireo mpanara-dia an\'i Lotera na dia mbola tao anatin\'ny eglizy katolika aza izy ireo fa ny tena niantsoana azy ireo ofisialy dia ny hoe hetsika reformasiona na \"mouvement de reformation\"...

Ka eo no tiana tsipihina tsara, fa tsy i Lotera sy ny namany velively no te-hisitaka fa ny eglizy katolika romana t@ fotoan\'andro no nandroaka t@ alalan\'ny \"ex-communiation\" izay rehetra nandray an\'i Lotera sy ny fampianarany teo anivon\'ny fiangonana katolika ihany... noho izany tsy nisy fiangonana vaovao na noforonina fa ny eglizy katolika notantanan\'i Lotera ihany no nanara-dia azy...

Hatreo aloha... (ialàna tsiny raha lava2 satria tsy maintsy ambara mba hampipetraka ny tantara fa lasa izay fihevitra sy fampianaram-piangonana no mibahana fa tsy ilay tena zava-nisy ara-tantara)
54. hery ( 06/06/2007 14:54)
Tsy hoe natao hitsarana moa ity resaka ity kanefa efa samy mandinika ny tantara ihany isika.
Telo taona mahery taorian'ny 95 thèses izay napetrak'i Luther momba ny Indulgences vao ex-communié izy. Nisy izany ny fifampidinihana sy ny adihevitra fa samy tsy nilefitra ny andaniny sy ny ankilany. Tsy azo lazaina avy hatrany hoe nailiky ny Fiangonana fotsiny i Lotera noho izany. Tsy nifanaraka t@ conscience-ny hoy izy ny zavatra lazain'ny Fiangonana. «rétracter quoique ce soit, je ne puis ni ne veux... car agir contre sa conscience, ce n'est ni sûr ni honnête».

Betsaka no nitovy hevitra tamin'i Lotera momba ny indulgences kanefa tsy nanangana fiangonana... fa nitady izay fomba rehetra hanatsarana ilay fiangonana efa mijoro. Ary taona vitsivitsy taorian'io dia nisokatra ny Concil de Trente izay nandinihana manokana ny momba ny Reforme. Raha tena tsy nieritreritra ny réforme ny Eglizy dia tsy hivaky loha amin'izany mihitsy... fa ilay fanaovana bontolo no tsy mety. Tahaka ny zavatra rehetra ihany io, raha tianao hovaina dia ovaina tsikelikely sao tapaka.

Saingy tsy vitan'i Lotera izany. Asa mety mifandraika amin'ny personnalité-ny ilay manao bontolo. Na ny fomba nahatongavany ho Pretra aza, araka ny voalazany, dia karazana bontolo ihany. Tsy antony hidirana ho moine mihitsy ny hoe "Raha arovanao amin'ity oram-baratra ity aho dia hanao Moine"... Hany ka na tsy mifanaraka amin'ny tena toetranao aza ilay Moine dia terenao fotsiny satria efa nanao teny sy voafatotr'izay teny izay ianao.

Mbola azo itarina amin'ny tantaram-piainan'i Lotera rehetra saingy lava loatra fa ny hamehezako azy fotsiny dia hoe raha tao anaty fandeferana i Lotera fa tsy nanao bontolo dia ho tonga tamin'ny zavatra niriny ihany... satria be dia be ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Eglizy tamin'ny lalan'ny ara-dalàna (Konsily) no mifandraika @ heviny.
55. ikaretsaka ( 06/06/2007 14:59)
1)ka na protestanta io na reforme na inona na inona. dia ny inoako dia fiangonana 1 ihany no nahorin'i Jesoa aloha fa tsy marobe e, ireny no lazaiko hoe manorin-tena ao @ Jesoa!
Samihafa ny naoriny sy ny manorin-tena ao aminy!

Ary naveriko teto foana fa tsy ny fisarahana sy ny fanaovana be mokon-doha (rebel) no fitadiavana ny vahaolana fa ny faharetana sy ny fivavahana "mahareta... " hoy izy

2) ny fihaonana @ papa dia tsy hoe izay rehetra inspire teo am-pivalalana (cas efa nisy io t@ andron'i jean paul 2) akory dia mandeha mankany dia ekena aby izay inspiration -ny... tadidio fa na ny fisehoana tany Lourdes aza efa eeeeeeela be vao approuve!
56. niryna ( 06/06/2007 15:04)
Prime>misaotra betsaka anao aho fa izay vao tena mazava amiko tsara,mbola hitohy hoy ianao:D Alefaso ny manaraka fa vonona aho hamaky hatramin'ny farany.8)
Dia mbola misy manaraka izany io fiangonana nahorin'io pretra io amin'izao fotoana izao sa miova hatrany?
Ilay fiangonana protesanta niorina tany amintsika amin'izao fotoana izao izany dia avy aminy?
Misaotra mialoha.
57. niryna ( 06/06/2007 15:06)
ikaretsaka:

niryna: ny fahazoako izany Protestant izany aloha dia avy amin'ny hoe protester, izany hoe manohitra!
Ekena fa nisy olana tao, fa amiko tsy ny fialana na fanorenana na ny fisarahana no vahaolana fa ny fandinihantena sy ny famahana izay olana. marina hoe nisy ny tsy nety , fa tsy hoe tsy mety akory dia hoe toherina dia miala avy eo!
Misaotra Ika.


58. niryna ( 06/06/2007 15:12)
tywa68:

nyrina : ireo efa voalazan'ny namana ireo ny antony, fa politika sns ... dia tsy maintsy niala zay tsy faly lasa ni-protester. Dia mazàna mampiady soratra mba hilazàna hoe tsy mitombina ny an'i katolika :-D Nefa toa mitovy ihany ny inoana, fijery sy fomba no samihafa hoa. Izany hoe katolika sy protestanta izany tsy mavesatra noho ilay Tenin'Atra hiombonana satria samy tiany rehefa olombelona, ka mankatò Azy, dia manantena an'ilay fiainambaovao ao Aminy.:-*

misaotra.

59. niryna ( 06/06/2007 15:23)
hery:

Ny tena fanontaniana angamba efa voavaly. Ny dikany sy ny nihavian'ny teny hoe Protestanta.

Misaotra betsaka.
60. prime ( 06/06/2007 15:29)
hery> Ka tsy mifanohitra na mitsikera ny lazainao fa manamafy aza satria manome "repères" mbola vao maika azo hamarinina tsara...

Ny ara-tantara dia tsotra, mety bontolo tokoa angamba, fomba fijery hafa indray koa izay, satria Lotera dia manana toetra hentitra sy henjana izay tokoa (charismatique avec rigueur et discipline)... fa ny filazàna fa nisitaka no tsy mitombina...

Ny hoe nodinihina tany @ concile de trente sy ny phase naha-ex-communié an'i Lotera dia dingana hafa mihitsy... fa raha jerena ny tena votoatin'ny concile de trente dia tsy resaka fandinihana hoe inona no azo raisina t@ fampianaran'i Lotera loatra fa indrindra ny hoe, ahoana no tetika sy fomba rehetra hampanginana ny fampianaran'ity heretika ity fa manimba ny ho avin'ny eglizy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084