Ny dikany sy ny nihavian'ny teny hoe protestanta?
21. ikaretsaka
(
05/06/2007 12:12)
niryna: ny fahazoako izany Protestant izany aloha dia avy amin'ny hoe protester, izany hoe manohitra!
Ekena fa nisy olana tao, fa amiko tsy ny fialana na fanorenana na ny fisarahana no vahaolana fa ny fandinihantena sy ny famahana izay olana. marina hoe nisy ny tsy nety , fa tsy hoe tsy mety akory dia hoe toherina dia miala avy eo!
"toa sarotra izy izy izany, ahoana ny ahazoanay izany"? hoy ny mpianany
dia novaliany hoe:Izay noteneniko taminareo dia Fanahy sy fiainana fa tsy inoanareo..
Dia betsaka ny niala (. . . ) dia hoy izy nareo koa ve hiala? Dia namaly i Piera nanao hoe "ka hiala ho aiza anefa zahay ry Tompo?"
(Joany 6,60-66)

22. prime
(
05/06/2007 12:55)
Ny fanazavan\'i hery no akaiky kokoa...
marozevo> nandà=protester ekena, ny ambiny :-D:-D
marozevo> nandà=protester ekena, ny ambiny :-D:-D
23. xxx
(
05/06/2007 13:09)
LazaDaddy: Ny fahalalana an'i Kristy no fototra ijoroan'ny FINOANA sy ny FITIAVANA azy. Tsy afaka ny hitia azy sy hino azy isika raha tsy mahalala azy. Tsy afaka ny hanaraka azy isika raha tsy mahalala azy.
Ekena fa i Kristy no lalana ary tsy misy makany amin'ny Ray afatsy amin'ny anarany. Iza anefa no hampalala ny anarany amin'ny olona? Tonga ho azy ve ny fahalalana an'i Kristy? Raha izay no marina tsy ilaina intsony ny mitorin-teny sy ny mamaky Baiboly.
Mba hahalalan'ny olona an'i Kristy dia miara-miasa amin'ny olombelona Andriamanitra. Ao ireo mpaminany maro, nahampalala azy mialohan'ny hiaviany, ao ireo mpianany rehetra vavolombelon'ny fiarahany taminy, ary ao ireo mpitondra fivavahana sy ray aman-dreny akehitriny. mampita ny fahalalana amintsika mianakavy.
Izay mahalala anefa no tena afaka mampahalala. Tsy misy olona afaka hiambo ho tena mahalala an'i Jesoa mihoatra an'i Maria anefa. Raha mahita akoatra an'azy ianao dia lazao. Izy no reniny nitondra azy sivy volana an-kibo ary tsy nisaraka taminy mihitsy nandritry ny fiainany. Noho izany, averiko indray, raha misy ny olombelona tena nahalala an'i Jesoa dia i Masina Maria.
Angamba ianao hiteny hoe: ny Baiboly no hahalalako azy. Dia hoy aho hoe: nanaiky ny hevitra notsipahanao iray sahady ianao aloha izay.
Fantaro koa anefa fa ny Baiboly dia mirakitra ny fiainan'i Jesoa miaraka amin'ny olombelona. Voafetra ihany izy io. Nefa koa fantaro fa isany loharano nanovozan'ireo evanjelista ny momba an'i Jesoa i Masina Maria.
Ampitomboy ny fahalalanay anao ry Jesoa, mba hitiavanay anao bebe kokoa hatrany, sy hamatotra anay bebe kokoa hatrany aminao; Dia ho toa an'i Masina Maria koa izahay, ho afaka hitarika ny hafa hanantateraka izay lazainao. Fa hoy izy: " Ataovy izay rehetra lazainy anareo ".
Hitombo fahalalana an'i Kristy anie isika! Amen.
24. hery
(
05/06/2007 14:19)
Niova ilay lohahevitra satria notsaingohan'i LazaDaddy fa tsy ariny ny nahita an'ilay fisainan'ny Katolika.
Ny tena fanontaniana angamba efa voavaly. Ny dikany sy ny nihavian'ny teny hoe Protestanta.
25. ari.malala
(
05/06/2007 14:25)
LazaDaddy:
Hery> Tsy exclusif hoy ianao? Mahalasa saina izany. Mitovy ve araka ny hevitr'i Hery ny hoe:
"Tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" sy ny hoe "misy afaka mankany amin'ny Ray amin'ny alalako"?
Kanefa hoy Izy:
"que par moi"
"afa-tsy amin'ny alalako"
"except through me"
LazaDaddy, marina fa niteny Jesoa hoe tsy misy mankany @ Ray afa tsy amin'ny alalany, fa afaka nahita sy nahalala an'ireo teny ireo ve ianao raha tsy nisy ny apostoly nanoratra ny baiboly? izany hoe tsy i Jesoa irery no afaka mitondra ny olona hoany @ Ray fa na ny olombelona iany koa aza. Izany akory tsy midika fa iny olombelona iny (i Masina Maria na ny apostoly na ireo olomasina) no ivavahana fa manampy fotsiny iany izy ireny.
26. marozevo
(
05/06/2007 16:39)
Ilay nolazaiko momba ny tanim-piangonana io dia tantara mipetraka ka !
27. niryna
(
05/06/2007 17:02)
rush:
hery:mahalasa saina marina!izao e!misy antony matoa ny olona miteny an'i niryna hoe mandinihy tena hiany e!ny anao manko dia raisinao ho ratsy avokoa ny zavatra lazaina anao izay tsy mifandrify @ izay tianao!
Mahalasa saina lalina ilay fanontaniana...
Raha protestanta i niryna ka tena tsy mahalala ny niandohan'ny protestanta dia inona no maha protestanta? Lova avy amin'ny Ray amandreny fotsiny?
Mahalasa saina marina raha avy @ olona mijoro vavolombelona etsy sy eroa!mahalasa saina raha avy @ olona milaza fa mpiandry sy mpitory no mametraka an'io fanontaniana io!hany ka nahazahoan'ny olona hilaza hoe mandainga no manoro-vohana ny olona ianao e!dia averiko eto hiany ilay hoe mandiniha tena!
Bjr rush,fanontaniana no ataoko dia mba valio araka an'iny fa tsy ny hitsikera foana e:D
28. tywa68
(
05/06/2007 18:10)
nyrina : ireo efa voalazan'ny namana ireo ny antony, fa politika sns ... dia tsy maintsy niala zay tsy faly lasa ni-protester. Dia mazàna mampiady soratra mba hilazàna hoe tsy mitombina ny an'i katolika :-D Nefa toa mitovy ihany ny inoana, fijery sy fomba no samihafa hoa. Izany hoe katolika sy protestanta izany tsy mavesatra noho ilay Tenin'Atra hiombonana satria samy tiany rehefa olombelona, ka mankatò Azy, dia manantena an'ilay fiainambaovao ao Aminy.:-*
29. xxx
(
05/06/2007 18:11)
niryna: rehefa manontany koa ny olona dia mba valio araky izay fa aza ialana fotsny.
30. rush
(
05/06/2007 18:26)
niryna:mino aho fa efa voavalin'ny rehetra eto ny fanontaniana napetrakao!ny zavatra mba tokony jerenao angamba dia ireo novalian'ny rehetra ireo fa tsy izay zavatra nolazaiko irery izay norasinao ho fitsikeraina anao indray sady norasisinao ho ratsy hatrany!
Bjr rush,fanontaniana no ataoko dia mba valio araka an'iny fa tsy ny hitsikera foana e:D
31. xxx
(
05/06/2007 18:52)
Fehiny :
Andriamnitra RAY : Principe, fondement et Créateur
Zanaka : Mediateur
Fanahy Masina : Qui procède
Olombelona : Participe
Andriamnitra RAY : Principe, fondement et Créateur
Zanaka : Mediateur
Fanahy Masina : Qui procède
Olombelona : Participe
32. LazaDaddy
(
05/06/2007 19:27)
ari.malala:ENY, dia heverinao fa tsy mahavita azy ve sanatria i Jesoa raha tsy nisy ireo? Izao fandaharan-kevitrao izao mitovy tsy misy hafa @ ilay "gospel of Judas"
fa afaka nahita sy nahalala an'ireo teny ireo ve ianao raha tsy nisy ny apostoly nanoratra ny baiboly?
ari.malala:
marina fa niteny Jesoa hoe tsy misy mankany @ Ray afa tsy amin'ny alalany,
ari.malala anefa manohitra an'izany:Ny tenin'i Jsoa no inoako fa tsy ny fandaharan-kevitr'olombelona mitady hanova izany :)
izany hoe tsy i Jesoa irery no afaka mitondra ny olona hoany @ Ray fa na ny olombelona iany koa aza.
33. pissoa
(
05/06/2007 19:35)
ENY, dia heverinao fa tsy mahavita azy ve sanatria i Jesoa raha tsy nisy ireo? Izao fandaharan-kevitrao izao mitovy tsy misy hafa @ ilay "gospel of Judas"
TENA vitan'i Jesoa tokoa io raha nataony ! Saingy tsy nataony fa naleo ihany naniraka ny Apostoly sy ry Maria sns ... ary isika amin'izao. Izay midika fa izay no SITRANY fa tsy le tian'i Laza :wink:
34. majesty
(
06/06/2007 04:32)
Protestant= ny baiboly ihany;
"Raha araka ny soratra masina dia ho ento aty,fa raha tsy araka ny soratra masina dia aoka ihany",izay no tena protestant.:D
"Raha araka ny soratra masina dia ho ento aty,fa raha tsy araka ny soratra masina dia aoka ihany",izay no tena protestant.:D
35. xxx
(
06/06/2007 05:26)
Ny olombelona dia manana anjara tandrify azy @ asam-pamonjena : " participant ". Izany hoe : An'Andriamanitra ny Famonjena izay notanterahiny tao @ Kristy. Fa isika kosa dia miara-miasa @ Fanahy masina miaina sy mampita io famonjena io @ olon-drehetra tsy an-kanavaka.
I M.Maria ohatra dia nanaiky ny Fanahy Masina ka tonga nofo tao aminy ilay Zanak'Andriamanitra. T@ alalany no nahazoantsika an'i Kristy. Ka hajao ihany izy,eny na dia @ maha-reniny azy izay.
Ny olona tsara sitra-po rehetra koa dia mandray an'I Kristy na mivantana io na an-kolaka. Koa dia tonga nofo ao aminy koa i Kristy( Md : Paoly: tsy izao intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko)
Ny olombelona dia tsy passif, fa manana andraikitra lehibe @ asam-pamonjena ka samia mandray izay tandrify azy aby.
Tsy Andriamanitra mihitsy no hanao magie-magie hiteny hoe : tsy maintsy voavonjy daholo ny olona rehetra. Amen !
Tsy maintsy manaja ny Liberté-ntsika tanteraka izy. Izay no maha- Fitiavana azy.

36. niryna
(
06/06/2007 05:35)
[quote=hery]
Mahalasa saina lalina ilay fanontaniana...
Raha protestanta i niryna ka tena tsy mahalala ny niandohan'ny protestanta dia inona no maha protestanta? Lova avy amin'ny Ray amandreny fotsiny?
Tsy ho voatery ho fantatra daholo ny zavatra rehetra,izany no mahatonga ahy hanontany.Angaha koa voasoratra ao anaty baiboly ny tantara mikasika an'ny protestanta.:D

37. niryna
(
06/06/2007 05:37)
Jeankely:
Efa feno ny fahalalanao koa tsy misy hazavaina intsony. Arak'izany dia hitanao fa misy ny nialan'ireo ohatra ny resaka Masina Maria sns. Na izany aza mbola samy Christian fa tsy hoe lasa nifandray @ Allah na Qu'ran.
Raha feno ny fahalalako dia tsy nila nianatra sy manaraka ny fianarana fivavahana intsony aho ka,tsy mety feno io fa mangetaheta foana aho ary mizara izay kely fantatro ary mandray izay fantatro fa marina.:P
38. niryna
(
06/06/2007 05:40)
cristal:Misaotra cristal a
(l)(l)(l)Salama e!Ie efa io no marina fa misy fanampiny kely dia ny hoe nisy nitarika izy ireo,dia i Kalvin sy Luther izany izay no nahatonga ny protestants,dia samy nitondra ny azy dia io hitantsika ireo ny iray loterana ny iray Fjkm!Fa ny ankohatrireo tsy ao afa tsy ny anglikana izay niorina taty aoriana avy amin'ny katolika ihany koa!Tsy haiko aloha e!(l)(l)(l)
Dia ahoana no tantaran'ireo olona ireo?Raha fantatrao?Olona tsotra sa mpitondra fivavahana sa lohaolona moa no filaza azy?Toa tsy naheno mikasika an'i Maria izany aho raha tsy taty aoriana?sa niaraka?
39. niryna
(
06/06/2007 05:46)
hery:
(...) Ce qu'elle (La Vierge Marie) veut, ce n'est pas que nous allions à elle, mais que, par elle, nous allions à Dieu.
Mba azavao hoe io ry hery azafady,ary omeo ny tonony sy ny andininy milaza izany aho raha tsy mahadiso.
LazaDaddy:
[quote=Jesoa]"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako"
Jésus lui dit: Je suis le chemin, la vérité, et la vie. Nul ne vient au Père que par moi.
Izany no mahatonga ny hoe kristiana,satria manaiky fa izy no lalany sy fahamarinana ary ny fiainana.Tsy misy hoy izy na iray aza mankany amin'ny Ray afatsy amin'ny alalako.Voasoratra io ary io.
40. niryna
(
06/06/2007 05:58)
hery:
Tsy azon'i LazaDaddy indray :-)
dia inona indray no lalana mankany amin'i Jesoa? :-)
Lasa mivoana kely isika kanefa tsy maninona.Izy no efa nanolotra ny ainy hanavotra antsika rehetra teo amin'ny hazofijaliana.Isika izany no mitady ny fahamarinana,manaraka izay fampianarana nomeny,voasoratra ao anaty baiboly io.Izy no efa lalana mankany amin'ny Rainy.Manantona an'Atra dia hanantona anareo IzyJakoba 4:8.