Miteny @ Fiteny Tsy Fantatra.Ao anaty Baiboly io jereo eto !

81. marozevo ( 06/06/2007 16:35)
Raha teny misy fa tsy hay ny dikany dia ekeko ihany aloha hoe "teny tsy fantatra", fa indraindray misy miteny "teny tena tsy fantatra" satria teny tena tsy misy. Avy eo anefa voadikany ihany ilay teny teo. Ilay teny tsy fantatra izany.
Dia lasa ny eritreritro hoe : KOa naninona no tsy maintsy mandalo amin'ilay teny tsy fantatra fa raha tonga dia atao amin'ilay teny efa fantatra, satria efa fantatra izany ny dikany.
82. xxx ( 06/06/2007 17:44)
Mba jereo kely ange ity e!
Hita eto izany fa Hilatsaka ny Fanahy Masina

Dia mahaiza mitaty azy ary sao votsotra koa.

Dia mba alaivo sary an-tsaina kely io voalaza io fotsiny.


Efa nomeko anareo ireo ny baiboly tamin'ny teny grika sy latina, nakana ny dikan-teny rehetra, ka anjaranareo ny mijery sy mampitaha azy.

83. xxx ( 06/06/2007 18:06)
Mbola hanampy anao handinika sy handanjalanaja dia ireto misy tantara marina roa, izay hita ao amin'ny Evanjely.

1 - I Tòma rehefa nisaraka tamin'ireo namany dia tsy mba nahita an'i Jesoa tafa-tsangan-ko velona. Fanampin'izay dia tsy mba nino izy na efa nolazaina aza. Rehefa niverina niaraka tamin'ireo namany anefa izy dia sady nahita an'i Jesoa no afaka nikasika azy mihitsy.

2 - Ireo mpianatra roalahy handeha hiverina ho any aminy any Emaosy, rehefa nahita an'i Jesoa sy nahalala fa izy tokoa no niaraka taminy dia lasa niverina nihazakazaka namonjy ny namany ary niaraka tamin'izy ireo indray.

Ireo tantara roa ireo dia manamafy fa i Jesoa dia tia ny hampiray antsika. Izay hetahetany mba hampiray antsika izay dia mbola novetesiny tamin'ny vavaka nataony. Izay ataon'i Jesoa sy izay lazainy ihany anefa koa no tanterahan'ny Fanahy Masina sy lazainy amintsika ihany koa.

Noho izany:
- Raha mampisaraka antsika dia tsy avy amin'ny Fanahy Masina izany.

- Raha mitarika hiala amin'ny Fiangonana dia tsy avy amin'ny Fanahy Masina izany.

- Raha hanakorotana fa tsy hampisy fiadanana dia tsy avy amin'ny fanahy Masina izany.

Mahaiza mandanjalanja ny avy amin'ilay Tsara dia Andriamanitra sy ny avy amin'ilay ratsy. Mahaiza manavaka ny Fanahy tsara sy ny fanahy ratsy.

Tompo ò, ampianaro izahay hahay hanavaka sy handanjalanja ny zavatra rehetra. Amen

84. marozevo ( 06/06/2007 19:09)
Sady mamaly an'ity sujet ity ireo tantara roa ireo no manamafy ilay hoe tokony hiara-mivavaka any am-piangonana rehefa alahady fa tsy mianona amin'ny virtuelle.

Lalina ny fanilovan'ny Fanahy Masina an'i xxx tamin'ity indray mitoraka ity.
85. dailynews ( 06/06/2007 19:31)
manampy fotsiny izay lazainao eny ambony aho ry nyrina.

ny fiteny @ teny tsy fanatra dia tsy eken ny olon maro sy ny fiangonana maro ary izay fiangonana mampihatra io fahamarinana iray io dia lazaina fa sekta.

ny zavatra fantatro kosa mba hanampiako azy dia izao:
Atra tsy miova ilay Atra nampiteny ilay fiteny tsy fantatra. Ary raha marina izany t@ andro fahagola dia mbola marina izany fahamarinana izany androany.

ny fomba fijery ny olona amin izao fotoana izao no tokony hiova hanaraka ny TA fa tsy ny TA no hovahovaina hanaraka ny fiovan ny olombelona sy ny toetrandro.
Atra tsy miova izy omaly sy anio ary mandrakizay koa raha nilaza fahamarinana izy arivoarivo taona maro izay mbola marina izany androany ary mbola marina izany rahampitso. Ny toe-pon olombelona no mila miova fa tsy ny TA no hovaina sy hamavoina fa tsy mifanaraka amin ny teotrandro amin izao fotoana izao.
86. dailynews ( 06/06/2007 19:38)
fanampiana kely sady ohatra ho fanampiana ny voalazako eo ambony.
raha nilaza ihany koa Atra fa tsy mety ny fijangajangana. dia mbola tsy mety izany androany. na inona na inona mitranga eo amin ny fiainana ny olombelona amin izao fotoana izao amin ny tele, any ampiasana, amin ny fiainana rehetra andavanandro....

tsy hoe satria efa tsy maninona izany eo amin ny fiarahamonina dia mety. non.

Atra tsy miova izy koa raha tsy neken Atra izany arivo taona lasa izay dia mbola tsy ekeny ihany koa h@ androany. ny olombelona no mila miova hanaraka ny TA fa tsy ny TA no hovaovaina hanaraka ny filan ny olombelona. hoe efa tsy maninona anie ilay mba mangalangalatra kely etsy sy ary e.

tahaka izany ihany koa ny resaka momba ny fahamarinan ny fiteny tsy fantatra. raha marina izany hoy ny TA dia mbola marina izany androany na inona na inona fiovaovan ny fiainan ny zanak olombelona.
87. xxx ( 06/06/2007 20:06)
dailynews:
ny fiteny @ teny tsy fanatra dia tsy eken ny olon maro sy ny fiangonana maro ary izay fiangonana mampihatra io fahamarinana iray io dia lazaina fa sekta.

Aza maika hitsara loatra fa mba vakio ny Baiboly, izay nosoratan'ireo olona nanoratra azy voalohany, dia ataovy ny fampitahana dia ho hitanao ny fahadisoan-kevitrao sy izay mitovy aminao.
Efa nomeko ireo moa izy, dia ampitahao.
ny fomba fijery ny olona amin izao fotoana izao no tokony hiova hanaraka ny TA fa tsy ny TA no hovahovaina hanaraka ny fiovan ny olombelona sy ny toetrandro.

Dia hainao tokoa ny milaza azy. Fa iza no manova ny Tenin'Andriamanitra? Tsy ianareo ve? Ohatra hita maso ny zavatra soratan'i niryna eto:
ohatra: ny tenin'Andriamanitra dia miteny hoe: miteny amin'ny fiteny (raha ara-bakiteny dia io no ao)
Rehefa nadikanareo anefa dia nataonareo hoe: miteny amin'ny teny tsy fantatra. Taiza no niavian'ilay hoe tsy fantatra?
Manaraka: ny tenin'Andriamanitra dia milaza fa: ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia nanenika ireo jenitily koa.
Ny andikan'i niryna an'izanny dia hoe: ary ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina dia nilatsaka tamin'ny jenitily ihany koa.

Iza no manova azy amin'izany?

Ovaina ny TA mba hahafahana manamarin-tena fa any aminareo no misy ny Fanahy masina. Nefa mba jereo io voalazako eo ambony io. Moa ve mbola avy amin'ny Fanahy Masina raha hampisaraka sy hampiala amin'ny Fiangonana? Moa mbola avy amin'ny Fanahy Masina raha manohitra izay voalazan'i Jesoa?

Ny toe-pon olombelona no mila miova fa tsy ny TA no hovaina sy hamavoina fa tsy mifanaraka amin ny teotrandro amin izao fotoana izao.

Mandehana ary araka izay. De fantaro hoe iza no manova azy izao? Izahay miezaka manitsy ny hadisoana mba hampifanaraka azy araka izay nanoratan'ireo nanoratra azy voalohany ve sa ianareo mandika sy mandray azy araka izay saim-patatrareo sy izay maha metimety ny fiananareo?

Aza ovana ny Tenin'Andriamanitra.
Ho amintsika hatrany anie ny Fanahin'izy Tompo! Amen.


88. xxx ( 06/06/2007 20:17)
Jereo koa ity zavatra nosoratan'i niryna iray ity.
Jaona 2:3-8Ary rehefa lany ny divay,dia hoy ny renin'i Jesosy taminy:Tsy manana divay izy.Hoy Jesosy taminy :Ravehivavy,moa mifaninona akory Izaho sy hianao?Tsy mbola tonga ny fotoako.Fa hoy ny reniny taminy'ny mpanompo:Ataovy izay asainy ataonareoAry nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata ary nipetraka teo ho fanadiovana arka ny fanaon'ny jiosy.Dia hoy Jesoy taminy:Fenoy rano ny siny.
Jesosy izany no nanao ilay fahagagana satria lany daholo ilay divay mahamamo(intoxicating drink ) ary noho ny fampisehoana ny fahagagana nataony koa dia nanova divay i Jesosy ary divay tsy nahamamo ilay izy fa divay vita amin'ny ranomboaloboka tsy misy fangarony(nonintoxication).

Dia mbola jereo koa io lazain'i niryna io. Iza amin'izao amin'izay no manova ny zavatra voasoratra ao anaty baiboly?

dailynews
fanampiny: Aza maika ny hitsara sy hanameloka ny hafa fa mba mijere ny tena aloha, ary fantatro fa matoa ny hafa miteny dia satria mahita izy fa misy ny zavatra tsy mety ka mila hahitsy.

Hitantana ny dianatsika hatrany anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen.

89. niryna ( 07/06/2007 05:03)
Mino aho fa nahavaly ny fanontanian'i xxx ny namana izany nanambara ihany koa ny marina tao anaty baiboly.
Samy milaza ny resaka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra daholo ny olona kanefa moa ianao ry xxx tsy mino sady tsy mino ihany koa ny filatsahan'ny fanahy masina dia izay izy izany.Tazomy ny tsy finoanao.
Misy fanomezam-pahasoavana maro fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra moa no tiako ho resahina fa ao anaty baiboly ary io no nasian'i xxx notadiaviko dia nomeko,izy moa tsy mino dia avelao andeha amin'izao. Misy karazany maro ny resaka ho miteny amin'ny fiteny tsy fantatra:ary ireo efa nomen'ny rehetra ireo ny karazany ary dia misaotra azy ireo aho fa mbola misy ihany ny mijoro vavolombelona milaza izay voasoratra ao anaty baiboly.Misaotra an'Atra koa aho fa misy mbola tsy nahalala izany kanefa dia nomeny saina sy hery izy ireo.Anjaran'ny tsirairay no maka izay tandrifiny sy fantany fa marina na tsia.
_na miteny amin'ny fiteny misy(tenim-pirenena izay misy eo amin'ilay toerana)
-na miteny amin'ny fiteny izay teny misy eo amin'ny firenena fa nomen'ny tompo ny herin'ny fanahy masina ilay olona ka afaka mitory teny tsy mila mandinika na manao preparation,tonga dia ny tompo no manome ilay teny ho teneniny.
-na miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ka tsy maintsy misy mpandika teny eo.
-efa niteny koa ny namana fa rehefa milatsaka ny fanahy masina ka miteny amin'ny fiteny maro ny olona dia mandeha tsirairay ary tsy misy mifandiso
-ity iray ity no atao hoe fiteny tsy fantatra dia izay ilay olona sy Andriamanitra irery no miresaka ary tsy teny ety an-tany fa teny tsy fantatra na unknown language).Ary io no tsy hinoan'ny sasany.Misaotra betsaka anareo rehetra aho ary dia mamerina fisaorana manokana an'i diamondra27 sy dailynews.Nanome fampahafantarana ny marina,izay milaza fa izay voasoratra ao anaty baiboly dia nisy ary mbola misy hatramin'izao.
(l)niryna.
90. niryna ( 07/06/2007 05:54)
Misaotra anareo rehetra nampianatra sy nanoro ny atao hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra .Tsy maninona raha tsy mino izy.Miteny tsy fantatra no tadiaviny ary nomeko azy izany.Izany akory tsy midika hoe io ihany ny fanomezana.Efa nomeko koa io.
niryna:
-Olona marina miteny amin'ny fiteny tsy fantatra na (true speaking in tongues)ary ny iray mpaminany sandoka na false speaking in tongues).
True speaking in tongues na miteny tsy fantatra izany
- dia ny fanahy no miasa ary tsy takatry ny saina(supernatural)no hilazako azy,miteny izay teny tsy mbola nianarany mihitsy,miteny amin'ny fiteny misy ety an-tany,miteny amin'ny fiteny tsy misy mahafantatra(unknowns on earth),na mahafantatra ny teny ao amin'ny baiboly kanefa tsy nandalina1kor13:1.
Nenilava no ohatra akaiky misy tany amintsika:niteny tsy fantatra izy,niakatra tany an-danitra izy,efa im-betsaka fa tsy indray mandeha fotsiny, nampianarin'i Jesosy ny baiboly izy,sy ny zavatra hotoriany ary nahay fitenim-pirenena 12 izy.
-na koa ny fanahin'ilay mpino sy ny fanahy masina no miresaka na midera an'Atra na manao faminaniana( the believer's spirit and the holy spirit join in verbal praise and.or prophecy.
-fanomeza miteny izay misy mpandika miaraka nomen'Atra eo amin'io fotoana io

Ireo tsy izy indray fa mpaminany sandoka dia mety olona no miteny ary mety ny demony ary izany no antony hilaza fa tsy tokony hinoana daholo fa mila mitandrina na avy amin'Atra na tsy avy aminy ilay fanahy. 1Ja 4:1.

-satria ny miteny tsy fantatra dia tokony avy amin'ny fanahy masina,ary ny herin'ny fanahy masina no miasa ao aminy.Ny filazana fa afaka hianarana izany io,na misy fianarana any an-tsekoly dia ilazana fa sandoka ilay izy.
-
niryna:
- Avy amin'ny fanahy masina irery ihany no nanaovana batisa ny fanahy koa izay tsy avy amin'io dia mpamitaka ,izay milaza azy fa miteny kanefa tsy mpanaradia an'i kristy,tsy mahatoky ny tenin'Atra ary tsy mino izay voasorata ao anaty baiboly dia mpamitaka izy izay.Jereo 1 Ja 3:6-10.Matio

marozevo:

Raha teny misy fa tsy hay ny dikany dia ekeko ihany aloha hoe "teny tsy fantatra", fa indraindray misy miteny "teny tena tsy fantatra" satria teny tena tsy misy. Avy eo anefa voadikany ihany ilay teny teo. Ilay teny tsy fantatra izany.

Io koa misy efa nahita

Tonga soa dailynews a:D
dailynews:

manampy fotsiny izay lazainao eny ambony aho ry nyrina.
ny fiteny @ teny tsy fanatra dia tsy eken ny olon maro sy ny fiangonana maro ary izay fiangonana mampihatra io fahamarinana iray io dia lazaina fa sekta.
Izay indrindra mantsy,io foana no hilazany izay olona mahita zavatra tsy fantany sy tsy hiainany na hitan'ny masony.
dailynews:

ny zavatra fantatro kosa mba hanampiako azy dia izao:
Atra tsy miova ilay Atra nampiteny ilay fiteny tsy fantatra. Ary raha marina izany t@ andro fahagola dia mbola marina izany fahamarinana izany androany.
ny fomba fijery ny olona amin izao fotoana izao no tokony hiova hanaraka ny TA fa tsy ny TA no hovahovaina hanaraka ny fiovan ny olombelona sy ny toetrandro.

Misaotra anao aho nanambara ny fahamarinana izay tsy hoe eken'i xxx velively ny tena marina.
dailynews:

Atra tsy miova izy omaly sy anio ary mandrakizay koa raha nilaza fahamarinana izy arivoarivo taona maro izay mbola marina izany androany ary mbola marina izany rahampitso. Ny toe-pon olombelona no mila miova fa tsy ny TA no hovaina sy hamavoina fa tsy mifanaraka amin ny teotrandro amin izao fotoana izao.
^:^^:^Izy no alfa sy omega,ny omaly sy anio ary mandrakizay.Ny olona mety mandao fa Izy tsy mba andao.:D
dailynews:

Atra tsy miova izy koa raha tsy neken Atra izany arivo taona lasa izay dia mbola tsy ekeny ihany koa h@ androany. ny olombelona no mila miova hanaraka ny TA fa tsy ny TA no hovaovaina hanaraka ny filan ny olombelona. hoe efa tsy maninona anie ilay mba mangalangalatra kely etsy sy ary e.

=D=D
dailynews:

tahaka izany ihany koa ny resaka momba ny fahamarina ny fiteny tsy fantatra. raha marina izany hoy ny TA dia mbola marina izany androany na inona na inona fiovaovan ny fiainan ny zanak olombelona
=D=D
xxx:

Jereo koa ity zavatra nosoratan'i niryna iray ity.

Voalaza teo :
Jaona 2:3-8Ary rehefa lany ny divay,dia hoy ny renin'i Jesosy taminy:Tsy manana divay izy.Hoy Jesosy taminy :Ravehivavy,moa mifaninona akory Izaho sy hianao?Tsy mbola tonga ny fotoako.Fa hoy ny reniny taminy'ny mpanompo:Ataovy izay asainy ataonareoAry nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata ary nipetraka teo ho fanadiovana arka ny fanaon'ny jiosy.Dia hoy Jesoy taminy:Fenoy rano ny siny.

Ao anaty baiboly io.Sa ilay hoe Maria no niteny hoe tsy misy divay intsony no tsy tianao.Afaka miteny izany daholo ny rehetra.Manasa olona aho, raha nisy olona hafa tonga ka tsy ampy ny sakafo,dia afaka miteny ny vadiko aho hoe tsy ampy ny sakafo fa nitombo ny olona ,na izy koa efa nanara-maso izay sakafoa dia afaka miteny amiko izy hoe naniraka olona aho hividy sakafo fa tsy ampy.8-)Toy izany io.Sa mbola misy tohiny,voasoratra ao anaty baiboly?
Io indray hoy ny maro fa niova ilay sujet 8-)
niryna:

Jesosy izany no nanao ilay fahagagana satria lany daholo ilay divay mahamamo(intoxicating drink ) ary noho ny fampisehoana ny fahagagana nataony koa dia nanova divay i Jesosy ary divay tsy nahamamo ilay izy fa divay vita amin'ny ranomboaloboka tsy misy fangarony(nonintoxication).

Satria Andriamanitra dia tsy nanaiky ny divay mahamamo hatrany amin'ny TT,tamin'ny andron'i Jesosy koa dia toy izany.Manao divay (fermente,na intoxication) no ilazaina azy dia miandry andro maro na volana vao fermente ary avy amin'ny ranomboaloboka nijanona ela io no lasa nivadika nisy alcohol.Ity fahagagana nataon'i Jesosy ity dia ranomboaloboka(jus de raisin fa tsy divay mahamamo).Teo amin'ny fotoana nanaovany fahagagana ny rano no tonga divay.Tsy niandry fotoana lava.Porofo iray ihany koa ireo nasaina no vaky vava fa izay manasa ny divay tsara no omeny aloha ary amin'ny farany ny ratsy,fa tamin'ity indray andro nanaovan'i Jesosy fahagagana ity dia tsara hatranin'ny voalohany ny divay ka hatramin'ny farany.Tsy nisy resaka koa ao anaty baiboly hoe iny Jesosy sy ny nasaina fa mamo,na ny hafa,misy an'izany ve eo.
Fehiny,mijereva ianao ao anaty TT taloha fa misy miresaka ireo fisotroana divay mahamamo ireo izay miafara amin'ny fahontana ary tsy nenken'Atra.Mijereva indray ao amin'ny TV izay tsy misy na iray milaza hoe mamo ny divay nomen'i Kristy ny mpianany.8-)
Misy fanazavana ao anaty TT sy TV mikasika ny dikan'ny divay.
91. xxx ( 07/06/2007 09:02)
niryna: Tsy ny Baiboly efa nadika vilanao iny ny ahy no inoako fa izay nosoratan'ireo olona nanoratra azy voalohany.

Averiko indray fa tsy tamin'ny teny malagasy na tamin'ny teny anglisy no nanoratana ny Baiboly fa tamin'ny teny hafa mihitsy.

Matoa koa mbola tsy mitsahatra mamoaka dikan-teny vaovao ireo mpandika ny Baiboly dia satria tsapan'izy ireo fa be ny diso amin'izay fandikana ny Baiboly teo aloha.

Porofon'izany izao fampianaran-diso ataonao etsy sy eroa izao. Tsy hoe rehefa misy mijoro vavolombelona milaza fa nisy an'izao tokoa hanamarnana ny hadisoana, ninina natao mba hisarihana olona, dia lazaina fa marina.

Manoro hevitra anao aho mba hahalalanao ny marina: mandehana mianatra teny grika sy teny ebrio izay nanoratana ny baiboly voalaohany dia ho hitanao ny hadisoanao hatramin'izay. Na mivavaha mafy mba omen'ny Fanahy Masina anao izany fahasoavana izany. Tsy sanatria faneoana io fa tena vokatry ny fo.

Mahatsiaro am-bavaka anao.
92. xxx ( 07/06/2007 09:24)
niryna: ilay resaka divay izay ao amin'ny evanjelin'i Md Joany.

Jereo kely koa izay lazain'ilay mpandahatra ny fanasana, rehefa nanandrana ny rano voaova ho divay izy: ny an'ny olona hoy izy dia izay divay tsara no aroso aloha, ary rehefa mamomamon'io ny rehetra izay vao aroso izay tsy dia tsara loatra.

Sa ve tsy izay no nolazainy? Ny divay tsara ry niryna araka io voalaza io dia tena mahamamo tokoa. Ary tena mahery.

Ny resaka fotoana indray dia izao: Moa misy zavatra tsy vitan'Andriamanitra ve? Eto izao dia tsy tamin'ny alalan'ny voaloboka mihitsy no nanaovany divay, tsy mitombina izany io fanazavana lava be ataonao eo ambony io. Rano no novainy ho divay. Ny fotoana nanovany an'izany dia minitra vitsy. Izay fotoana vitsy izay dia tsy misakana an'Andriamanitra hanao zavatra iray ataontsika ao anatin'ny fotona lava be. Jereo fotsiny hoe: firy taona no lazain'ny manam-pahaizana fa niforonan'ny tany? nefa ao amin'ny evanjely dia ambara fa 6andro monja dia hary ny zavatra rehetra.

Noho izany ny divay tsara lazaina eto dia tena mahamamo tokoa. Porofo roa ireo nomena anao ireo.

Ny hoe tsy nisy resaka mihitsy ao amin'ny Baiboly hoe: mamo i Jesoa sy ny mpianany. Marina fa tsy voasoratra izany. Nefa ataoko fa fantatrao hoe: i Jesoa no ifantohan'ny tantara fa tsy ny mpianany velively, noho izany tsy ilaina ny miteny hoe: mamo ny mpianatr'i Jesoa. Izay tsy azo lavina velively fa tena mamo tokoa ry zareo tamin'io andro io.

93. xxx ( 07/06/2007 09:31)

Fanitsina kely:
Tsy sanatria faneoana io fa tena vokatry ny fo

Tsy sanatria fanesona io fa tena vokatry ny fo.
94. xxx ( 07/06/2007 10:46)
Fanitsina kely:
nefa ao amin'ny evanjely dia ambara fa 6andro monja dia hary ny zavatra rehetra.

Tsy evanjely io fa jenezy. Azafady.
95. xxx ( 07/06/2007 11:00)
niryna:
Tsy sahinao valina ny fanontaniana rehetra miantefa aminao mivantana satria matahotra ianao ny hamaly azy. Tsy sahinao jerena akaiky mantsy hoe: avy aiza marina maoa izany fanahy miteny amiko izany? Hery avy aiza marina no nanosika ilay vavolombelona nolazaiko teto?
Ny hany herinao dia ny mamerimberina ny zavatra efa lazaina fa diso. Ny manameloka ahy lava ho tsy mpino. Mba mandiniha kely ihany e! Maninona raha valina mivantana ireo fanontaniana apetrako ireo. Ny olona lazainao fa mamaly ny fanontaniako dia zavatra hafa daholo no lazainy.

96. xxx ( 07/06/2007 11:03)
niryna: Ireo averiko eto ny fanontaniana fanampn'ilay efa napetrako tery aloha.

Mbola hanampy anao handinika sy handanjalanaja dia ireto misy tantara marina roa, izay hita ao amin'ny Evanjely.

1 - I Tòma rehefa nisaraka tamin'ireo namany dia tsy mba nahita an'i Jesoa tafa-tsangan-ko velona. Fanampin'izay dia tsy mba nino izy na efa nolazaina aza. Rehefa niverina niaraka tamin'ireo namany anefa izy dia sady nahita an'i Jesoa no afaka nikasika azy mihitsy.

2 - Ireo mpianatra roalahy handeha hiverina ho any aminy any Emaosy, rehefa nahita an'i Jesoa sy nahalala fa izy tokoa no niaraka taminy dia lasa niverina nihazakazaka namonjy ny namany ary niaraka tamin'izy ireo indray.

Ireo tantara roa ireo dia manamafy fa i Jesoa dia tia ny hampiray antsika. Izay hetahetany mba hampiray antsika izay dia mbola novetesiny tamin'ny vavaka nataony. Izay ataon'i Jesoa sy izay lazainy ihany anefa koa no tanterahan'ny Fanahy Masina sy lazainy amintsika ihany koa.

Noho izany:
- Raha mampisaraka antsika dia tsy avy amin'ny Fanahy Masina izany.

- Raha mitarika hiala amin'ny Fiangonana dia tsy avy amin'ny Fanahy Masina izany.

- Raha hanakorotana fa tsy hampisy fiadanana dia tsy avy amin'ny fanahy Masina izany.

Mahaiza mandanjalanja ny avy amin'ilay Tsara dia Andriamanitra sy ny avy amin'ilay ratsy. Mahaiza manavaka ny Fanahy tsara sy ny fanahy ratsy.

Tompo ò, ampianaro izahay hahay hanavaka sy handanjalanja ny zavatra rehetra. Amen
97. niryna ( 09/06/2007 05:20)
Fiffi:

mba azonareo dinihina kely ve ity ?
http://66.249.91.104/translate_c?hl=fr&sl=en&u=http://www.biblegateway.com/passage/%3Fsearch%3D1%2BCorinthians%2B14&prev=/search%3Fq%3Dcorinthians%2B14:2%26hl%3Dfr%26sa%3DX

Misaotra betsaka aky fiffi a.Andriamanitry ny fiadanana anie hanome hery anao hatrany.Izy no nanome hery sy saina anao nijery sy namakafaka ny zava-misy ao anaty baiboly.Enga anie ka hijery izay voasoratra ao ny namantsika rehetra dia hazava ho azy ireo ny tena atao hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.
Tena mazava be ilay hoe "1 Cor 14:1-2 ..particulierement le cadeau de la prophetie,n'importe qui qui parle dans une langue ne parle pas aux hommes mais a Dieu.En effet,personne ne le comprend.. sy ilay karazany fiteny tsy fantatra samy hafa. ilay any amin'ny farany indrindra izay manome fehiny amin'ny dikan'io fiteny tsy fantatra io.:*
98. diamondra27 ( 09/06/2007 16:43)
efa nazavaiko io ange e! sady nomeko dikany @ teny gasy

Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 06-06-2007 14:40:42
Lohateny : Re : Miteny @ Fiteny Tsy Fantatra.Ao anaty Baiboly io jereo
ho fanazavana fa raha miteny @ fiteny tsy fantatra ianao dia tsy olona intsony no resahanao fa Andriamanitra. Communication pure tsy misy pentina sy ota intsony aminao, satria ny Fanahin'Atra dia tsy miditra @ olona manana ota

izay no nilazako tery ambony hoe: mila mifona , mibebaka @ ratsy natao. Tena sincère sy @ fo madio, tena tsy haiko ny hanazava azy aminareo fa toy ny olona iray mitalaho mafy dia mafy @ olona anankiray hoe: vonjeo re za fa misy zavatra manjo ahy mafy dia mafy. Tena mitakaho ampanetren-tena.

Izany dia iarahantsika mahita @ito andinin-tsoratra masina ito, voalaza ao koa fa tsy tokony ampiasaina fahatany ilay izy:


IKORT 14:2
" Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin'olona, fa amin'Andriamanitra; fa amin'ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala"

I KORT 14:12-19
"

12 Ary toy izany ihany koa hianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra.

13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa.

14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona.

15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.

16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany hianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao 'Amena' raha misaotra hianao? Satria tsy mahalala izay lazainao izy.

17 Fa hianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.

18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho hianareo rehetra aho;

19 nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra."


mbola averiko indray izany fa tsy olona intsony no miresaka aminao fa Atra ary izay no mahatonga ny olona hisy handika izay voalazan'ilay olona miteny
Satria efa tsy nisy ota intsony tao aminy t@ io fotoana nitenenany io dia afaka miditra ny fanahin'Atra mampiteny azy

Raha tsy manaiky fa Jesosy Kristy efa tonga nofo ilay fanahy dia tsy avy @ Atra izay


dia marina koa ireo voalazan'i xxx ireo hoe: raha mampiady sy mampisaraka etc dia tsy fanahin'Atra izany


Koa samia mijery fotsiny ny tandrifiny e!
Mananà firaisana sy fotoana manokana @ Atra dia ianao ihany no mahalala na fanahin'Atra na tsia no ao aminao

rehefa misy ny mpanenjika dia tsy tokony asiana olana izany fa efa nahazo tenin'Atra momba izany isika raha toa tena kristiana marina


ohatra: sambatra ianareo raha haratsian'ny olona sy henjehina noho ny @ anarako(hoy jesosy)
99. xxx ( 10/06/2007 15:05)
Diamondra27:
Marina izay lazainao nefa koa izao. Azo mbola lazaina ve fa tsy fantatra ny teny iray raha toa ka misy olona afaka mandika azy?

Ny fahafahan'ny olona iray na vitsivitsy mandika izay ambaran'ny olona iray dia manafoana ny hoe: miteny teny tsy fantatra izy.
Manaraka, marihana koa fa raha azo adika ny teny dia azo atao koa ny manoratra azy, azo atao koa ny mianatra azy. Nefa ve mbola nisy sahy nampianatra ny teny lazainy fa teny tsy fantatra an'ny vahoaka an'Andriamanitra? Nahoana no notanana ho an'ny tena samirery ny fanomezana nomena fa tsy zaraina amin'ny hafa? Raha io teny lazainareo io no teny ahafahana iresahana mivantana amin'Andriamanitra, nahoana no tsy ampianarina ny olona koa mba iresahany mivantana aminy?

Ho amintsika hatrany anie ny Fahasoavan'ny Fanahy Masina, ka hahafahantsika handanjalanja ny zavatra rehetra! Amen.
100. marozevo ( 10/06/2007 20:40)
Izany manko ho'aho no nahatonga ahy nanontany tary ambony tary hoe : "Koa raha hay adika, nahoana raha tonga dia ilay dikany no lazaina".

Sa raha tsy izany tsy "manaitra"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1163