Miteny @ Fiteny Tsy Fantatra.Ao anaty Baiboly io jereo eto !

41. niryna ( 01/06/2007 04:54)
sonwin:

Inona ny hevitry ny teny tsy fantatro eto? miteniteny foana tsy misy maha-kôpy sa miteny amin'ny tenin'ny hafa firenena tsy mbola hainy hatrizay ka lasa mahazo izay tiany lazainy ilay hafa firenena iresahany?

*Jereo io fanazavan'ny namana sasany,dia ilay hoe miteny amin'ny fiteny hafa firenena,teny tsy nianarana kanefa tonga dia miteny toy ny miteny ny fiteninao.Nilatsahan'ny fanahy masina izany ny mpianatr'i Jesosy ary dia niteny tamin'ny fitenim-pirenena maro.Izany hoe izay mpiangona nivavaka tao tamin'io andro io dia samy naheno ny fiteniny daholo.Misy koa anefa ireny nomeko eo ambony ireny ny milaza fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.Ny fanahy masina izany no mirotsaka amin'ny fotoana hisian'ny fitenenana izay tsy fantatra,na fiteny tsy nianarana sns.
*Fiteny tsy fantatra na speaking tongues na glossalalia izay azo lazaina fa hita ao amin'ny TV ny kristiana izay famantarana nomen'Atra izay narahan' ny fanaovana batisa amin'ny Fanahy Masina( by New Testament Christians as a God-given sign accompanying the baptism in the Holy Spirit).

42. majesty ( 01/06/2007 04:55)
xxx ps tsy fantatra,manazava ny hevitry ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra,:D:D
43. niryna ( 01/06/2007 05:10)
majesty:

"raha misy miteny @ fiteny tsy fantatra,dia avelao ho roa na telo,fa aza atao mihoatra noho izany,ka ampifanarakarahina,ary avelao hisy iray mandika teny"1kor 14:27
misaotra majesty a.:D
Tohizako ny fanazavanao,satria ilay izy tsy zavatra namboarina na efa natao ho vonona,zavatra mitranga amin'ny fotoana izay omen'Atra ny fanahy masina ao amin'ny fiangonana na toeran-kafa.Misy olona izany miteny amin'ilay fiteny avy any an-danitra na fiteny hifampitenenan'ilay olona miteny amin'ny fiteny direct amin'Atra.Mety ahalala izy,mety misy voatendrin'Atra koa ao amin'ny fiangonana ary iny no mandika ilay teny eo amin'ny fiangonana iray manontolo.Mifandimby miteny ry zareo,ary iny no tena nahavariana ahy satria aho efa nahita marobe tamin'ny toerana maro.Efa voalahatr'Atra ilay fifamalian'ireo olona ireo ary tsy misy mifandipatra na mitsatsaingoka angamba no hanazavako azy.Miteny ny iray ,dia misy iray miteny na mandika dia toy izany hatrany.

"nefa raha ao am-piangonana,dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa,toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra" 1kor 14:19
io dia Paoly no niteny an'io raha tsy diso aho?Satria izy nomen'Atra fahasoavana ka nahay niteny @ fiteny tsy fantatra mihoatra lavitra noho ny rehetra.

"Nefa,ry rahalahy,raha mankeo aminareo aho ka miteny amin'ny fiteny tsy fantatra,inona moa no soa ho vitako aminareo amin'izany,raha tsy fanambarana,na fahalalana,na faminaniana,na fampianarana,no hitenenako aminareo?" 1kor 14:6

"Fa raha tsy misy mpandika teny,dia aoka izy hangina eo amin'ny fiangonana,fa aoka hiteny amin'ny tenany sy amin'Atra ihany izy." 1kor 14:28

Izany koa no nahatonga ny fitenenana hoe mivavaha ianareo mba omen'Atra mpandika teny.

Raha fintinina izay voalaza dia ny fiteny tsy fantatra dia teny misy (tenim-pirenena misy) fa tsy teny tsy misy akory,ary azo atao tsara ny mandika azy ho azon'ny rehetra,ary ny antony hitenenana @ fiteny tsy fantatra dia entina hampianarana,hitoriana ny filazantsara...sns
Raha ianao irery no hiteny teny sinoa any ampengonana nefa tsy misy mandika teny dia inona moa ny dikany :D

:D

44. niryna ( 01/06/2007 05:19)
Io fiteny tsy fantatra io izany dia anisany iray nomen'Atra ny mpino fa tsy io irery akory no fanomezam-pahasoavana nomeny ny mpino fa maro(spiritual gift for believers) jereo ny 1kor 12:7.
Marihiko fa fahasoavana tonga ho azy io fa tsy novolena na nangataha ,na koa hoe hianarana any an-tsekoly.Tsy misy fianarana mampianatra ny hoe hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra :roll:na ny mpaminany satria zavatra tonga ho azy amin'ny olona tsotra toy ny olona rehetra io.Tsy mitovy ny hoe pasitera,diakonina na masera na izay mpitondra fivavahana sy izay olon'Atra tena voahantso hanompo an'Atra io.Mety ianao,na izaho,na izay rehetra mpino an'i Kristy dia omen'Atra an'io fanomezam-pahasoavana karazany maro io.Izy irery ihany no mahalala izay tiany homena azy:cry:
45. Fiffi ( 01/06/2007 06:10)
mba azonareo dinihina kely ve ity ?
http://66.249.91.104/translate_c?hl=fr&sl=en&u=http://www.biblegateway.com/passage/%3Fsearch%3D1%2BCorinthians%2B14&prev=/search%3Fq%3Dcorinthians%2B14:2%26hl%3Dfr%26sa%3DX
46. niryna ( 01/06/2007 06:21)
-Olona marina miteny amin'ny fiteny tsy fantatra na (true speaking in tongues)ary ny iray mpaminany sandoka na false speaking in tongues).
True speaking in tongues na miteny tsy fantatra izany
- dia ny fanahy no miasa ary tsy takatry ny saina(supernatural)no hilazako azy,miteny izay teny tsy mbola nianarany mihitsy,miteny amin'ny fiteny misy ety an-tany,miteny amin'ny fiteny tsy misy mahafantatra(unknowns on earth),na mahafantatra ny teny ao amin'ny baiboly kanefa tsy nandalina1kor13:1.
Nenilava no ohatra akaiky misy tany amintsika:niteny tsy fantatra izy,niakatra tany an-danitra izy,efa im-betsaka fa tsy indray mandeha fotsiny, nampianarin'i Jesosy ny baiboly izy,sy ny zavatra hotoriany ary nahay fitenim-pirenena 12 izy.8-)
-na koa ny fanahin'ilay mpino sy ny fanahy masina no miresaka na midera an'Atra na manao faminaniana( the believer's spirit and the holy spirit join in verbal praise and.or prophecy.
-fanomeza miteny izay misy mpandika miaraka nomen'Atra eo amin'io fotoana io

Ireo tsy izy indray fa mpaminany sandoka dia mety olona no miteny ary mety ny demony ary izany no antony hilaza fa tsy tokony hinoana daholo fa mila mitandrina na avy amin'Atra na tsy avy aminy ilay fanahy. 1Ja 4:1.
-satria ny miteny tsy fantatra dia tokony avy amin'ny fanahy masina,ary ny herin'ny fanahy masina no miasa ao aminy.Ny filazana fa afaka hianarana izany io,na misy fianarana any an-tsekoly dia ilazana fa sandoka ilay izy.
- Amin'izao androtsika izao dia efa maro ny fiangonana izay feno fiantsaram-belatsihy ary ny fahagagana ataony dia avy amin'ny herin'ny satana(signs and wonders from satanic powers.Mat 7:22-23.Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe Tompoko,Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay?ary tsy efa nanaovasa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?Ary dia hambarako aminy marimarina hoe :tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay,miala amiko ,hianareo mpanao meloka.,misy milaza koa fa mpanompon'Atra kanefa sandoka.2 kor 11:13-14Fa Apostoly sandoka izy ireny,mpiasa mamitaka,ka dia mampiova ny hendriny tahakan'ny Apostolin'i Kristy.Ary tsy fahagagana izany ,fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava.
- Avy amin'ny fanahy masina irery ihany no nanaovana batisa ny fanahy koa izay tsy avy amin'io dia mpamitaka ,izay milaza azy fa miteny kanefa tsy mpanaradia an'i kristy,tsy mahatoky ny tenin'Atra ary tsy mino izay voasorata ao anaty baiboly dia mpamitaka izy izay.Jereo 1 Ja 3:6-10.Matio 24:4,9,11,24[i] Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe mitandrema,fandrao hisy hamitaka hianareo.Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe :Izaho no Kristy.Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana hianareo ka hovonoiny,ary ho halan'ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro..Fa hisy kristy sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana ,ary raha azo atao na dia ny olom-boafidy aza dia ho fitahiny.
Izay izany no mba fahalalana kely fantatro ka nozaraiko anareo:D
(l)niryna
47. niryna ( 01/06/2007 06:23)
nathie86:

tsy mety tapitra ty miteny @ teny tsy fantatra ty ka marina mafy.
T@ toriteny aloha no nahenoaka hoe tsy teny² fôna no atao hoe teny tsy fantatra fa hoe niteny t@ fiteniny avy izy ireo zany hoe niteny t@ fitenin'ny fireneny avy d zay ao @ acte des Apotres ao izy io eh.
Misaotra ho an'ireo nizara fa nahita versé bdb ndray eh:-*

Tsy misy fisaorana fa izaho koa aza misaotra an'ireo izay nizara tamin-tsika koa.

48. niryna ( 01/06/2007 06:36)
diamondra27:

Raha mbola tsy hanananao ilay fanomezam-pahasoavana dia mety tsy tsapanao ilay izy hoe: tahaka ny inona no fisehony

Marina mihitsy izany,raha mbola tsy nahita ihany koa dia tsy ahafantatra,kanefa tsy ho voatery ahita na hanana fanomezana,fa finoana no tokony hisy.


Efa nambarako teto ary mbola averiko fa tsy resaka tromba izany ny fiteny tsy fantatra

Ity tantara marina iray,vao niseho aingana tany dago,nanao tori-teny ilay pasitera niangonako.Nisy zazavavy nipetrahan'ny tromba hoy izy ary nifindra tamin'ny namana roa tao an-dakilasy.Niantso azy ireo sy ny mpiandry maromaro ny fokontany nisy ilay ankizy ary dia nandeha tany ny mpiandry.Naharitra folo andro ry zareo no niasa tany amin'ilay toerana, nampijalian'ilay zavatra ireo ankizy telo,nakarapony,ary dia niasa mafy tokoa izy rehetra nandritra izany andro izany."Sao dia heverinareo fa angano angano fotsiny aza ity herin'ny fanahy ratsy ity hoy izy",izahay mivady mihitsy no niaraka nandeha tany niaraka olona maro ary tsy nahazo nianatra izy telo.Izay no mba nahatadiavako hoe voan'ny tromba izany dia misy herin'ny fanahy ratsy mipetraka ao amin'ilay olona ka mampijaly azy.:wink:

Koa aoka tsy afangaro @izay ny atao hoe: fiteny tsy fantatra ara-baiboly.


Misaotra betsaka nanazava

49. diamondra27 ( 01/06/2007 09:02)
majesty:

xxx ps tsy fantatra,manazava ny hevitry ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra,:D:D


______________________

=))=))=))

tena saika tsy hihomehy aho
50. diamondra27 ( 01/06/2007 09:16)
za aloha dia manao we tsy angano angano izany fa efa mba be ihany izay zavatra hita izay e!

tao ny namoaka demonia: tsy mahazo mihomehy mandritra izany fotoana izany fa any aminao izy no miditra raha mivanivany sy tsy serieux ianao

tao izany hoe: eny ampitoriana filazantsara ianao no sendra olona manao ody nefa afaka nandray anao ihany izy mba hiasànao aminy

tao ny fahitàna tromba

ny tiako lazaina dia hoe: tsy honohono ity resaka fiteny tsy fantatra ity na tromba fa zava-misy ary mbola hisy.
Mety hoe: ny finoana misy anao no tsy mi-pratiquer azy na koa misy mampiasa @ tsy rariny dia manjary ataon'olona hoe: miteniteny foana...

51. xxx ( 01/06/2007 09:20)
Dia misaotra antsika rehetra satria efa hita ihany izao ny marina.

Misaotra manokana an-dRamatoa niryna koa nanazava fa tsy ilay teny tsy fantatra araka ny fiheverana diso no izy fa Fitenenana amin'ny fitenim-pirenena hafa.

Ny manampy izay dia izao: raha hiresaka ny momba an'Andriamanitra isika dia sarotra ny maneho ny misteriny amin'ny olona indraindray. Amin'ireny fotoana ireny dia misy koa ny Fanomezan'ny Fanahy Masina hahaizana milaza ny misterin'Andriamanitra amin'ny voambolana vaovao: toy ny hoe Trinite, incarnation, sns... Amin'ny zavatra toy ireny no ilazan'i Md Paoly hoe: raha nomena anao ny fahasoavana hiteny toy izany dia angataho koa ny mba hahaizanao mandika azy.


linarako2: ataoko fa mazava aminao fa tsy hoe: miteny amin'ny teny tsy fantatra ny ao anaty baiboly, fa hoe miteny amin'ny tenim-pirenena hafa. Vakio tsara ny fanazavan'i niryna fa mitsipaka ny filazany hoe: miteny amin'ny teny tsy fantatra. Ary manamafy fa miteny amin'ny tenim-pirenena hafa. Io no ao anaty Baiboly. Voalazan'i Jesoa, noraketin'ireo evanjelista an-tsoratra, ary mbola ambaran'i Md Paoly koa.

Ampianaro anay ry Tompo ny marina hanarahanay anao isan'andro. Amen

52. niryna ( 02/06/2007 01:49)
xxx:

dia aiza ho aiza amin'izao ilay.....:-w:-@

tsy "stable" ara-kevitra ireto vondron'olona ireto

Inona no tianao tenenina mitifitra amin'ny basy io.

53. niryna ( 02/06/2007 01:55)
hery:

Fa na dia miteny amin'ny fiteniny tsy fantatra aza aho kanefa tsy ao amiko ny fitiavana... (1kor 13. 7-13)

Ny fitiavana ihany izany no lehibe indrindra :-)

hery a !
Fa na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho.Kanefa tsy manam-pitiavana dia tsoriko aminao.Zava-poana e,zava-poana e e e .o^oo^o io izy izany fa mahalala fa misy fiteny hafa amin'ny fitenin'ny anjely hono.:roll:=))=))

54. niryna ( 02/06/2007 01:57)
Imahaka:

ary any amin pentekotista misy ilay olona miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ireny, dia hoe nilatsahan'ny Fanahy Masina. Ilay teny amin'io tsy misy maha-kopy mihitsy an. Dia senina fotsiny izany ireny sa mihetsi-javatra?

Marina ny anao ,tena tsy mi-kopy mihitsy isika fa izay hilatsahan'ny fanahy irery ihany sy izay mpandika ilay teny no mifampi-kopy.Tsy ho voatery ho fiangonan'ny pentekotista ihany ka.

55. niryna ( 02/06/2007 02:42)
xxx:

Voalohany indrindra aloha dia izao: Ny Fanahy Maina dia tsy mba [size=18px]nilatsaka[/size] fa [size=18px]nidina[/size]. Eo dia efa misy hevi-diso iray.

Inona no maha-diso an'izany.Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny fanahy masina aminareoAsa 1:8
.
Ao amn'ny taratasin'i Md Paoly ho an'ny koritiana izay lazainao eto dia hafa mihitsy, satria izao:
Ny 1kor14: dia manambara ny fahaizana mampiasa ny teny, izay fanomezan'ny Fanahy Masina. Zavatra samihafa fa tsy mitovy mihitsy ny ambarany ao amin'ny andininy lazainao ireo.

:D Raha andininy hafa no omenao ahy dia mazava fa tsy hitovy ny andininy omeko anao mihitsy.Raha andininy iray mitovy dia hitovy raha tsy hoe angaha hafa ny baibolinareo:roll:

Hazavaiko:
1kor14, 2: dia manambara fa raha hiresaka amin'Andriamanitra dia azo atao ny mampiasa ny fiteny nomen'ny Fanahy,eny fa na dia tsy azon'ny olona aza izany.

Hay ianao hiaky ihany fa misy fiteny nomen'ny fanahy ary misy tsy mahazo ny olona?
Izay ihany dia ampy ahy fa nahafoaka ny fanazavako ho an'ny rehetra.Misaotra anao aho.
(l)niryna

1kor14, 22: firy volana farahakeliny ny fianarana teny iray? Raha hainao ao anatin'ny segondra vitsy ve izany tsy fahagaga lehibe?

Izany no maha Andriamanitra azy ka,ny hevitro tsy mba hevitrareo,ny fisainako tsy mba fisainanareo,ny zavatra vitako tsy ho takatry ny sainareo.Na ny zaza vao teraka fotsiny ihany aza dia efa mahalasa saina ny fitondran'Atra azy ireny tao ambohoka.:D

Anisany fahasoavana iray nomena ny mpino io ary ianao mahalala tsara izany,ny mahay teny hafa dia efa teny nomena maimaipoana ihany koa.Mitady ny ao anaty baiboly ianao ary nomeko maro dia maro mba tsy handavanao ny marina kay vao maika notoherinao ny hita maso?Tsy hitako intsony izay omena anao.:cry:

Fomba fijery manokana:
Amiko manokana dia tsy mba tia sehoseho Andriamanitra. Ny zavatra rehetra dia omeny mba hanasoavana antsika zanany. Isan'izany ny fanomezan'ny Fanahy Masina ny fahaizana miteny tenim-pirenena hafa.

Izay izany no fijerinao fa tsy mbola nino ilay tao anaty baiboly notadiavinao ianao,manaja ny fijerinao tanteraka aho.
56. niryna ( 02/06/2007 02:44)
ikaretsaka:

[

Ilay hoe miteny @ teny tsy fantatra no andao jerena indray ary


=D=D

57. niryna ( 02/06/2007 02:50)
diamondra27:

za aloha dia manao we tsy angano angano izany fa efa mba be ihany izay zavatra hita izay e!

tao ny namoaka demonia: tsy mahazo mihomehy mandritra izany fotoana izany fa any aminao izy no miditra raha mivanivany sy tsy serieux ianao

tao izany hoe: eny ampitoriana filazantsara ianao no sendra olona manao ody nefa afaka nandray anao ihany izy mba hiasànao aminy
tao ny fahitàna tromba
ny tiako lazaina dia hoe: tsy honohono ity resaka fiteny tsy fantatra ity na tromba fa zava-misy ary mbola hisy.
Mety hoe: ny finoana misy anao no tsy mi-pratiquer azy na koa misy mampiasa @ tsy rariny dia manjary ataon'olona hoe: miteniteny foana...

Mazava tanteraka toy ny kintana mitsilopy sy ny jiro manaza antsika rehetra.Misaotra betsaka.Izaho koa manao izany ary hisaorako antsika rehetra nandray anjara teto.Raha mbola tsy nahita izany manala demony,na olona hipetrahan-javatra izany ianao ka mba te-hijery,mandehana ary mivavaha tokoa.:roll::idea:
58. ikaretsaka ( 02/06/2007 03:39)
ny ahy aloha mbola isalasalako hoe herin'iza marina izy miteny tsy fantatra ity?
mi pratiquer resaka exorcisme tokoa ny finoana misy ahy ary, izy ary no nanao voalohany , izay vao nanaraka ireo maro be taty afara, ny ahy aza no miteny amin'ny fiteny maro indrindra raha tena dinihina.
59. xxx ( 02/06/2007 14:06)
Niryna
[size=14px]- Voalohany: Lazaiko fa diso ny hoe: Nilatsahan'ny Fanahy masina satria:
Tsy izay no voasoratra ao anaty Baiboly na ara-bakiteny na araky ny hevitra.[/size]

Hazavaiko:

1 - Zavatra no milatsaka. Ohatra orana, varatra, sns... Dia ho sanatria ve ho sahala amin'izany ny Fanahy Masina? Asa aloha e! Amiko dia manova zavatra betsaka io. Dia hoy ny sasany angamba hoe: ny saina no amboary.
Dia hoy aho hoe: mandehana torio amin'ny olona mbola tsy naheno mikasika ny Fanahy Masina io hoe: nilatsaka ny Fanahy Masina dia ho hitanao tsara ny andraisany izay antsoinao hoe Fanahy Masina.

2 - Olona fahatelo amin'ny Trinite Masina ny Fanahy Masina hoy isika, Andriamanitra koa izy. Raha izay no zohina dia tsy zavatra velively izy.

3 - Amin'ny dikan-teny voalohany dia mampiasa ny verbe: "eprxomai" izay midika hoe: "venir sur" i Lioka ao amin'ny asan'ny Apostoly (Asa 1,8 ). Dia adikao amin'ny teny malagasy io, dia ho hitanao ny fahadisoanao eto

Ny ao amin'ny Asa19, 6: dia mbola mampiasa ny verbe "erxomai" (=venir) ihany i Lioka.
Samihafa mihitsy ny dikan'ny hoe: venir sy ny hoe milatsaka.

Ny dikan-teninao momba ny asa10, 45 dia tena dika vilana mihitsy.
-Ary talanjona ny mino isan'ny voafora izay niaraka tamin'i Petera,satria nilatsaka tamin'ny jentilisa koa ny fanomezana,dia ny Fanahy Masina .Fa nandre azy niteny t@ fiteny tsy fantatra sy nankalaza an'Atra.Asa 10:45-46

Voalohany: ao amin'ny soratra nosotan'i Lioka dia milaza hoe: "hè dòrea tou agiou pneumatos", raha hadika io dia toy izao
hè : article feminin
dòrea: don
tou: du (eto izy " de l' " )
agiou pneumatos: esprit saint
Dia jereo raha mitovy amin'io izay nosoratanao.

Manaraka mampiasa ny verbe: "ekxeò" (=répandre) i lioka, raha nilaza fa ireo jentily koa dia nahazo ny Fanomezan'ny Fanahy Masina.

[size=14px]Dia aiza amin'izay no milaza fa Milatsaka ny Fanahy Masina?[/size]

2 - Ianao moa mbola misisika amin'ny hoe teny tsy fantatra ihany ka hoy aho:

[size=14px]Omeo eto ary izay milaza ao amin'ny Baiboly fa niteny tamin'ny teny tsy fantatra na i Paoly, na ny apostoly, na mpianatr'i Jesoa. Ny voasoratra ao dia hoe: miteny amin'ny tenim-pirenena hafa, na miteny amin'ny fitenena maro.[/size]

[size=14px]Miandry valiny azafady. Aza adika vilana izay voasoratra ao amin'ny Baiboly.[/size]
60. xxx ( 02/06/2007 14:17)
azafady fa misy teny kely latsaka: eperxomai= venir sur fa tsy eprxomai (3 )
fitenenana fa tsy fitenena.

Misaotra betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1174