F.F.K.M

1. pimaso ( 30/05/2007 06:57)
Misaotra betsaka
Olon-kendry marina ianareo,
vondrona iray tsy mivaky manoloana ny tsy rariny sy ny tsy masina
ho ela velona;
;-)
novalian'i sonwin ny 12/06/2007 08:56
2. majesty ( 30/05/2007 07:24)
Fa nisy inona :?::?::?:
Mba izarao vaovao :D
3. mamamia ( 30/05/2007 08:27)
Ny hitako olana fototra dia ny vaovao marina izay tsy fantatsika kristiana...Nanaraka io raharaha io ihany aho fa lazaiko amintsika fa misy zavatra tsy azo ambara satria vao maika ho afa baraka io mopera io... mivavaha ho azy raha tia azy isika fa aoka tsy ho resaka guerre de réligion lay izy e... Andriamanitra no ivavahana aoka izy no hitsara ary isika anie hahita ny marina fa tsy ho entipo be loatra ka hiteniteny foana indraindray..
4. xxx ( 30/05/2007 09:42)
mamamia: angaha ianao tsy Kristiana?
Inona ilay zavatra tsy azo ambara? Mbola fanampin'ireo fanaratsina maro efa natao hatraizay hatraiza ve? Raha izao ianao vao mba manaraka izay lazain'ny olona sy ny haino amn-jery, dia aza miambo ho tena mahalala azy. izaho efa ela no niara-niaina taminy ka mahalala azy misimisy kokoa. Misy ny zavatra tsy maha d'accord ahy aminy aloha e, tsoriko izany. Fa izaho koa mahita fa be loatra ny tsaho ahely e.
Ny fototry ny olana rehetra dia: Razafindratandra sy Ravalomanana.
Ho avy eo ny fanazavana amin'ny an-tsipirihany raha ohatra ka lazainao ilay tsy azonao ambara.

Aleo hivoaka ny marina.
5. sonwin ( 30/05/2007 10:06)
samia mamoaka izay fantany aza fa toa mahaliana izy izany!

xxx> Tsy aleo ve mba atao hoe Kardinaly Razafindratandra e, na dia hoe mety ho mpiara-miasa aza ianareo 8)

6. ikaretsaka ( 30/05/2007 12:06)
ny ahy tsotra fotsiny:
raha araka tantara dia ny fanjakana miady@ fivavahana dia tsy nateza loatra izany na mitsipozipozy:
i Hitler izao ohatra velona (efa maty) ! i Fidel Castro, ny Kominisma Rosianina, ....
dia ho sanatria ve ho ao koa i madagasikara??:cry:
7. naritsimba ( 30/05/2007 13:15)
Ho ahy manokana dia anisan'ny faly t@ nahatongavan'ny Ravalomanana ho filoham-pirenena, saingy indrisy fa tsy nitana ny teny nomeny izy koa dia tsy manohana azy intsony.
Raha ny FFKM manokana dia kendan'ny vomanga nasesiky ny tanany, ay nokaikerin'ny amboa kely tiany.
8. sonwin ( 30/05/2007 13:44)
ny ahy manokana indray dia manohana sy mankahery izay eo amin'ny fitondrana foana, na iza izy na iza. Avy any Ambony ny fahefana ary sarotra ny manorina nohon'ny mandrava. Dia raha hifandrava fitondrana eto foana isika mianakavy dia tsy handroso mihitsy ity firenena ity. Ny fahavonona ny hiaraka hiasa ihany no antoky ny fampandrosoana. Raha dinihina anefa toa ny "handrava" foana no tonga ao an-tsaina rehefa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'ny tsirairay.

Hiverenako ny FFKM, nanana anjara toerana lehibe ny FFKM tamin'ny:
1- fandrodanana ny repoblika faharoa
2- nanosika an'i Zafy
3- namerina an'i Ratsiraka
4- nanosika an'i Ravalo
5- Dia izao hanosika an'iza indray?
grrrrrr :evil:
ra za hitako ka hanosika an'i Urfer :-D:-D:^)

Ekena ny miteny, fa mila lanjalanjaina mba tsy hanosika ny olona hi-révolte sy tsy hanome vahana ny adilahy politika!!!
9. xxx ( 30/05/2007 20:30)
sonwin:
Ekena ny miteny, fa mila lanjalanjaina mba tsy hanosika ny olona hi-révolte sy tsy hanome vahana ny adilahy politika!!!

Marina mihitsy ny anao. Aleo mangina aloha, toy izay miteniteny foana ohatran'io mamamia io.
Fanamarihana: efa tsy kardinaly intsony Razafindratandra
10. marozevo ( 30/05/2007 22:29)
Tsy vao izao akory no nandalo fitsapana ny FFKM... fitsapana saiky nampisaraka ny efa nanomboka niombona. Fitsapana ihany izany, fa tsy ny ratsy no tompon'ny teny farany.
Fanamarihana : MBOLA KARDINALY MARINA TOKOA RAZAFINDRATANDRA.
11. LazaDaddy ( 31/05/2007 01:49)
Inona moa no antony mampirediredy ny fiangonana amin'ny mpanao politika kanefa raisina ihany ny vola be "miendrika fanomezana" avy aminy?
12. pissoa ( 31/05/2007 02:17)
LD : Satria ny Kristianina tsy manda fanomezana ! :-D:-D:-D
13. LazaDaddy ( 31/05/2007 02:21)
pissoa> i Daniela aza anefa nanda sakafo sady sakafo avy amin'ny mpanjaka mihitsy :)
14. pissoa ( 31/05/2007 02:21)
I Daniela angaha Kristianina ?! :-D:-D:-D
15. cutie ( 31/05/2007 02:22)
tsy miaina @andron'i Daniela tsony isika zao e :-D
16. LazaDaddy ( 31/05/2007 02:23)
ary ny FFKM? =))

17. pissoa ( 31/05/2007 02:28)
LazaDaddy:

ary ny FFKM? =))




Tsy mamaly fanontaniana njay an ! Ary i Daniela ?! ^^^^^^

Ie, tena Kristianina ny FFKM, na vao ny anarany fotsiny aza :wink: Ny asany koa !

Amiko manokana, na nomena/nandray fanomezana na tsia --- ny Kristianina dia natao hiketriketrika eny anivon'ny fiaraha-monina. Ny Kristianina miafina ao ambadiky ny hoe "Kristianina tsy manao politika" amiko dia na
- tsy mahafantatra ny atao hoe politika marina !
- na kely saina mpiala andraikitra ! :-D:-D:-D
18. cutie ( 31/05/2007 02:34)
mazotoa nareo sy ny FFKM anareo alou fa za hiapa:lol:
19. LazaDaddy ( 31/05/2007 02:35)
cutie:
mazotoa nareo sy ny FFKM anareo alou fa za hiapa
anjaso aho akia a!
20. ikaretsaka ( 31/05/2007 03:54)
ary afangaro daholo ity ny akoho sy ny vorona ko..
ny kristianina lazaina fa tsy izy, ny tsy izy lazaina fa izy! daniela lasa kristianina? aoka re!
Ny Kristianina miafina ao ambadiky ny hoe "Kristianina tsy manao politika" amiko dia na
- tsy mahafantatra ny atao hoe politika marina !
- na kely saina mpiala andraikitra !

izay manko... ary na i jesoa aza ange nanao politika raha nifanehitra t@ ndry pilaty sy ry mpanora dalana sy ry heroda e!
Kristianina fosika izany tsy manao politika izany kle..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6766