F.F.K.M
21. tamberina
(
31/05/2007 06:41)
fikambananan'ny filoham-piangonana kristiana malagasy!najoro ho ray amandrenin'ny firenena ,tsy manao politika,izany hoe: tsy miditra @ raharaham-pitondràna ny firenena,mitazana , manoro sy manitsy ary mibitsika mangina @ izay tokony ahitsy lalàna, na olona tsotra na ny filoha aza dia izy iero no mitaiza sy mananatra!tsy miditra @ affaire urfer fa affaire d'etat sy katolisisma io,mijoro ho vavolombelona ary raha manoratra boky dia mahafeno 1000 pejy.
23. marozevo
(
01/06/2007 22:58)
Aoka aloha hamarinina kely ny fanalavana atolotr'i "tamberina". FFKM = Fivondronan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Fa tsy hoe FIKAMBANAN'NY MPITONDRA FIANGONANA... midika izany fa tsy aferan'ny mpitondra fiangonana irery ny FFKM fa an'ny Kristianina rehetra. Asakasak'izay tsy hanaiky ny mpitondra ny Fiangonany.
Manao Politika : Ny hevitry ny hoe POLITIKA mihitsy no niova teto Madagasikara hatramin'ny 1975, ka tsy azontsika intsony. Toa dia hoe asan'ny Satana le izy, ka fahotana ny miresaka azy. Tsarovy anefa fa tsy izany ny Politika.

24. ikaretsaka
(
02/06/2007 11:05)
majesty:
Ny ahy aloha ry zareo rehefa ny fiangonana no manao pôlitika dia tsy ao anatiny aho zay :D
dia mila mandinin-tena ny finoanao ianao izany ry majesty
Voalazako teo:
ikaretsaka:
Tadidio fa i Jesoa aza ange ka resaka politika sy revolution no nataony t@ fotoan'adrony e, ary nifanehitra t@ mpanao politika maro izy. Toy izany koa ry Piera, ry paoly, sns..
Dia raha tena manaraka an'i jesoa ianao, sy milaza tena ho kristianina, maninona no tsy hanarahanao ny nataony fa izay mahafalifaly anao ihany no raisinao?
dia aiza ho aiza no misy na teny na hafatra nataony milaza hoe "aza miditra @ politika ianareo"?
25. marozevo
(
03/06/2007 23:28)
Eto Madagasikara dia Fiangonana efatra hatramin'izao no ao anatin'ny FFKM : Katolika - FJKM - FLM ary Anglikana. Ka izay rehetra ao anatin'ireo Fiangonana ireo dia FFKM daholo, fa tsy hoe ny mpitondra Fiangonana ihany. Ny Fiangonana hafa ivelan'ireo moa izany dia tsy anisan'ny FFKM, saingy tsy mbola nisy nilaza hoe diso na tsy izy raha tsy ao anatin'ny FFKM. Mila ampatsiarovina ve fa any Europe dia tsy anisan'ny COE ny Katolika.
FFKM = Fivondronan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
COE = Conseil Oecuméniques des Eglises.
FFKM = Fivondronan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara.
COE = Conseil Oecuméniques des Eglises.
26. prime
(
06/06/2007 14:36)
marozevo==D
xxx> Kardinaly Razafindratandra... mbola kardinaly tsara mihitsy ny tenany fa tsy mpitondra ny EKAR fotsiny intsony satria efa misotro ronono... ny Eveka O. Razanakolona indray izao no rôle... (sa ts'izany ry EKAR?)
Ny FFKM dia andry lehibe amin'ny fampijoroana ny fiandrianam-pirenena sy arofanina goavana eo amin'ny fametrahana amin'ny toerany ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany eo anivon'ny firenena sy ny vahoaka ary ny mpitondra isan'ambaratonga...

27. marozevo
(
06/06/2007 19:11)
Inona ilay dikan'ny hoe "rôle".
Marihina fa i Odon RAZANAKOLONA dia tsy Cardinal.
Marihina fa i Odon RAZANAKOLONA dia tsy Cardinal.
28. prime
(
07/06/2007 10:28)
marozevo> ilay hoe "rôle" dia mpitarika sy mpitondra amperinasa...
marozevo:... ekena
Marihina fa i Odon RAZANAKOLONA dia tsy Cardinal.
aho:
ny Eveka O. Razanakolona...
29. sonwin
(
07/06/2007 10:49)
marozevo:
Asakasak'izay tsy hanaiky ny mpitondra ny Fiangonany.
Izaho aloha dia kristianina,ary tsy izay ihany fa Katolika iringirina, fa raha resaka fianam-pirenena amin'ny ankapobeny dia tsy miombon-kevitra velively amin'ireo mpitondra fivavahana kristianina aho. Ny antony dia averiko indray:
Nanana anjara toerana lehibe ny FFKM tamin'ny:
1- fandrodanana ny repoblika faharoa
2- nanosika an'i Zafy
3- namerina an'i Ratsiraka
4- nanosika an'i Ravalo
5- Dia izao hanosika an'iza indray?
Tsy milay ilay mandrava efa! nefa hiaraha-mahita fa tsy mora ny manangana! Jereo io zava-mitranga ao Fianarantsoa io fa araraotin'ny mpanao politika!!inona nefa no niatombohany?? ILay fanambarana!!!!!
Amin'ireo mpitondra ireo dia kristianina no betsaka, ka tokony hanaiky izay lazain'ny FFKM izany? mbay tany! koa raha tsy an'i FFKM no fitondrana ny tany sy ny fanjakana!
Ekena ny maneho hevitra fa tokony lanjalanjaina ny fihatraikany mba tsy hitarika ny vahoaka hikomy sy hi-révolte!!!!
Punkt!
30. xxx
(
07/06/2007 11:48)
Anjely ny mpitondra rehefa tsy eo amin'ny fitondrana. Fa vao miditra eo izy dia idiran'ny demony miaraka amin'ny vava, hany ka na dia nanafarana mpandroaka demony be dia be aza ireo biraom-panjakana maro, dia vao maika nitombo ny herin'ny demony satria naka namana maro koa izy. Io fa miseho ny demony ben'ny filoha :twisted:. I pastera andremanjato moa dia tena namamarina an'izany mihitsy satria izy koa tany, ary mbola any hatramin'izao.:-D:-D:-D
31. prime
(
07/06/2007 11:49)
Misy itoviako hevitra amin'i sonwin mihitsy, dia ny hoe tsy rafitra politika ny FFKM fa toerana iraisana ("plateforme", tsy hitako izay ilazàna azy loatra) noho ny finoana iray ka entina ijoroana vavolombelona amin'ny mpiarabelona ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'i Jesosy Kristy... Ireo filoham-piangonana mpitarika dia miaro sy arofanina sy tolon-kevitra no ataony fa tsy manapa-kevitra na mijoro misolo vava ny mpino nefa tsy manontany ny hevitr'ireto farany akory satria tsy manam-pahefàna amin'izany izy... ny nanosorana an'ireo dia ny hitandrina sy hiandry sy hanangona ary hamahana ny ondrin'Andriamanitra fa tsy ny hampiparitaka na ny hampizarazara azy...
32. xxx
(
07/06/2007 12:40)
misy iombonako hevitra aminareo ny hevitra sasany saingy misy kosa ny tsy ekeko. Ny fiangonana mantsy dia mijoro ao anatin'ny fiaraha-monina. Miaina ao anatn'ny fiaraha-monina izy, noho izany dia tsy maintsy miaina ny zavatra iainan'ny olona koa. Ohatra i Jesoa dia nandoa hetra, ny mpianatra koa toraka izany, sns...
Ka raha misy ny zavatra tsy mety na tsy mandeha ao anatin'ny fiaraha-monina dia tsy afaka mialangalana ny fiangonana: ohatra tamin'ilay fitsapan-kevi-bahoaka tefi-maika sy tery vay manta iny. Tsy hoe nitarika ny olona tsy hifidy ny eveka, fa niezaka kosa nanazava tamin'ireo mpitondra fa tsy misy fanajana ny zon'ny vahoaka ny zavatra hataony. Tsy resaka fikomina na fitarihana ny olona hikomy mihitsy izany amiko.
Ny resaka famahanana ny vahoaka dia tsy midika hoe: baiboly ihany akory. Mangetaheta fiadanana ny olona, mangetaheta fahamarinana, sns... ka hataonao ahoana no hitory izany aminy anefa ianao tsy sahy akory miteny ny zavatra tsy rariny, sy mamoaka ny tsy marina?
Tsy aferan'ny fiangonana ny manapa-kevitra amin'ny hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Marina io. saingy tena adidin'ny mpitondra fiangonana kosa ny miaro izay heveriny fa mitondra soa ho an'ny vahoaka.

33. marozevo
(
10/06/2007 20:48)
Hoy i marozevo:
Asakasak'izay tsy hanaiky ny mpitondra ny Fiangonany.
Izaho aloha dia kristianina,ary tsy izay ihany fa Katolika iringirina, fa raha resaka fianam-pirenena amin'ny ankapobeny dia tsy miombon-kevitra velively amin'ireo mpitondra fivavahana kristianina aho.
ie... ny safidy ao foana ka ! Andriamanitra aza mbola misy mandà ko izay mpitondra Fiangonana ve ambony noho i Andriamanitra.
Io lazain'i xxx farany io dia iombonako tanteraka.
34. prime
(
11/06/2007 12:44)
xxx:Ekena tanteraka...
Miaina ao anatn\'ny fiaraha-monina izy, noho izany dia tsy maintsy miaina ny zavatra iainan\'ny olona koa. Ohatra i Jesoa dia nandoa hetra, ny mpianatra koa toraka izany, sns...
xxx:... Manombona azo iadiana hevitra satria tsy mitombina foana...
Ka raha misy ny zavatra tsy mety na tsy mandeha ao anatin\'ny fiaraha-monina dia tsy afaka mialangalana ny fiangonana:
a. Kristy t@ fotoan\'andro nahafantatra tsara fa zanatany romana ny jiosy nefa tsy nikomy na nitsikera na nanenjika na nanana eritreritra akory na dia indray mandeha aza ny hamaky bantsilana ny zavatra tsy nety nataon\'ny mpanjana-tany... izay no tsy nitoviany hevitra mihitsy tamin\'i Jodasy sy Barnabasy...
b. ny tian\'i xxx lazaina @ hoe mialangalana dia tsy mazava... fa ny fanoherana ny tsy rariny eo amin\'ny fiarahamonina tsy voatery ho amin\'ny alalan\'ny fanehoan-kery foana... fa Kristy nampianatra ny mpino hanana fitiavana ny \"fahavalo\" aza araka izay azo atao fa tsy ny hanameloka sy ny hitsikera ny \"fahavalo\"...
xxx:... Ekena tanteraka saingy nanao \"fitsikerana\" kosa, efa endrika fanoherana izany ary fantatra hatr@ tantaran\'izao tontolo izao fa rehefa ny fiangonana no mitsikera dia efa midika fikomiana izany fa tsy resaka ambony latabatra fotsiny akory hoe tsy mitovy hevitra...
Tsy hoe nitarika ny olona tsy hifidy ny eveka, fa niezaka kosa nanazava tamin\'ireo mpitondra fa tsy misy fanajana ny zon\'ny vahoaka ny zavatra hataony. Tsy resaka fikomina na fitarihana ny olona hikomy mihitsy izany amiko.
xxx:... Asa raha mamaky tsara i xxx fa tsy misy miteny mihitsy eo ambony eo hoe famahanana=baiboly ihany... dia averiko indray, ny fanoherana ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana tsy voatery amin-kery foana ihany akory...:wink:
Ny resaka famahanana ny vahoaka dia tsy midika hoe: baiboly ihany akory. Mangetaheta fiadanana ny olona, mangetaheta fahamarinana, sns... ka hataonao ahoana no hitory izany aminy anefa ianao tsy sahy akory miteny ny zavatra tsy rariny, sy mamoaka ny tsy marina?
xxx:... Tsy mazava ny tianao ambara amin\'ny hoe miaro fa amiko (mety ho diso ny hevitro, fa fomba fijery io) ny fiarovana ny fiangonana tena mahery vaika, raha ny fahitako azy, dia tsy ny fidradradràna ny tsy rariny tsy akory fa ny fandraisana andraikitra avy hatrany toy ny ataon\'ny EKAR amin\'ny fanampiana ny mahantra sy ny fikarakaràna ny tsy salama, toy ny ataon\'ny LOTERANA amin\'ny famonjena ny fanahin\'ny mpino any amin\'ny tobim-pifohazana, toy ny ataon\'ny FJKM miasa mivantana avy hatrany any amin\'ny asa fampandrosoana amin\'ny alalan\'ny SAF, toy ny ataon\'ny ANGLIKANA mandray an-tanana mivantana ny mpiray finoana amin\'ny alalan\'ny fifanampiana anatiny...
...saingy tena adidin\'ny mpitondra fiangonana kosa ny miaro izay heveriny fa mitondra soa ho an\'ny vahoaka.
Mitombina mihitsy ny ahiahin\'ny EKAR nikasika ny fifidianana farany teo ohatra fa tsy midika izany hoe mendrika ny fiziriziriana amin\'izany hevitra izany fa efa vita iny aloha, ny fanarenana ny manaraka no tokony banjinina ka anitsiana ny sisa ho avy (fifidianana parlemantera, fompon\'andraikitra isantsokajiny, fari-piadidiana, faritra, commune, fokontany...)
35. sonwin
(
11/06/2007 14:58)
prime:

Marina mihitsy io ra-prime a. Mitovy hevitra isika=D=D. Io voasoratrao io mihitsy no efa nosoratako tary ambony tary fa tsy nisy nanohy fa lasa nirona be amin'ny afera politikan-draUrfer ny resaka.
36. xxx
(
11/06/2007 18:57)
prime: Angaha misy mampiasa hery?
Ny filazanao koa hoe: ny mamahana ny vahoaka no tokony hataony, inona ary no tokony hafahany ny vahoaka raha tsy lazaina ilay izy? Mazava be fa resaka Soratra Masina satria mpitondra fivavahana no resahana.
Manaraka: Ekena àry hoe, avela ny lasa fa ny ho avy no banjinina. Ahoana anefa no ahafahana mandroso raha tsy mijery ny lasa aloha, mba hanarenana ny tsy nety teo aloha?
Efa im-piry nanao hadisoana moa izay ny fanjakana? Efa im-piry notenenina amin'izay tokony hatao? Ny marina angamba dia hoe: izy no mitondra fa tsy ianareo (na izahay). Nefa fiainam-bahoaka no lalaovina ka rariny raha miteny izay mahatsapa sy mahita fa misy ny tsy rariny. Tsy hoe miandry hisy fahavoazana hafa indray vao hiteny.
Hamaranako azy dia izao: Ny toetran'ny filoham-pirenena koa no tokony hahitsiny satria izao: raha natao nilamina anie ny fandrohahana an'i P. Urfer azo natao tsara e. Azony natao ny nangataka tany amin'ny filohan'ny fikambanan'i Jesoa hoe: noho izao antony izao dia tiako raha alefanao tsy hiasa eto Mada intsony ity olona ity. Raha antony Politika, ataoko fa azon'io olona io atao tsara ny miteny azy hoe: atsaharo io zavatra io (toy izay efa nataony tamin'i Ralibera, izay zezoita koa). Ary mbola inoako koa fa azony atao tsara ny miteny aminy hoe: mandeha miverina any Frantsa ianao izao, na alefany any amin'ny faritra hafa, na firenena hafa.

37. prime
(
12/06/2007 08:15)
xxx:... ahitsiko
Ny filazanao koa hoe: ny mamahana ny vahoaka no tokony hataony, inona ary no tokony hafahany ny vahoaka raha tsy lazaina ilay izy? Mazava be fa resaka Soratra Masina satria mpitondra fivavahana no resahana.
aho:... tsy mamahana ihany nefa moa io no notsindrianao ka dia naveriko ny nolazaiko...
Ireo filoham-piangonana mpitarika dia miaro sy arofanina sy tolon-kevitra no ataony fa tsy manapa-kevitra na mijoro misolo vava ny mpino nefa tsy manontany ny hevitr\'ireto farany akory satria tsy manam-pahefàna amin\'izany izy... ny nanosorana an\'ireo dia ny hitandrina sy hiandry sy hanangona ary hamahana ny ondrin\'Andriamanitra fa tsy ny hampiparitaka na ny hampizarazara azy...
Ary ny fahanana ny ondrin\'Andriamanitra dia ny tenin\'Andriamanitra fa tsy ny soratra masina... miala tsiny fa nanamarika io aho fa samihafa ny atao hoe : baiboly, soratra masina, tenin\'Andriamanitra na dia mifampiankina sy mifandrohy aza ireo...
xxx:... Marina ny voambaranao fa ny fijery mampandroso dia ny fanomezana vahaolana ho fanatsaràna na fanitsiana ny tsy nety teo aloha fa tsy ny fidradradràna foana izay tsy nety taloha fotsiny ihany...
Ahoana anefa no ahafahana mandroso raha tsy mijery ny lasa aloha, mba hanarenana ny tsy nety teo aloha?
xxx:... iza nefa no tsy manao hadisoana? efa impiry koa moa izay ny eglizy sy ny fiangonana ihany koa no nanao hadisoana nefa maninona no samy mbola miziriziry ihany koa amin\'ny hevidiso na eo amin\'ny fanarahana an\'i Kristy na eo amin\'ny fiainam-pinoana na eo amin\'ny fiarahamonina?:wink:... hitanao fa mora ny mitsikera fa rehefa hoe omeo ary ny vahaolana dia hoe andraso aloha...
Efa im-piry nanao hadisoana moa izay ny fanjakana? Efa im-piry notenenina amin\'izay tokony hatao?
xxx:... Marina mihitsy ny ambaranao ary izany indrindra no nandraisan\'ny fitondram-panjakàna fanapahan-kevitra avy hatrany handroaka an\'ingahy URFER fa tsy niandrasana hisy fahavoazana goavana vao handray andraikitra...
Ny marina angamba dia hoe: izy no mitondra fa tsy ianareo (na izahay). Nefa fiainam-bahoaka no lalaovina ka rariny raha miteny izay mahatsapa sy mahita fa misy ny tsy rariny. Tsy hoe miandry hisy fahavoazana hafa indray vao hiteny.
Mikasika ny soson-kevitra nomenao farany dia tena mitombina saingy tsy any intsony isika izao fa hevira efa tapaka iny aloha... amin\'ny manaraka mila ahitsy izany araka ny tranga misy... satria ny filazàna ofisialy nilaza fa tsy ny maha zezoita na maha pretra katolika an\'ingahy URFER no nandroahana azy fa izy mihitsy sy ny nataony...
38. sonwin
(
12/06/2007 08:56)
aie aie aie :^), miha-lalina ny adi-hevitra, kely sisa dia tsy takatry ny saiko intsony kle:^), aleoko mitsaoka :°)