baibolista na tsia : aretina mikiky

1. lapino ( 25/05/2007 15:11)
Lasa toa dia mampiady ny baiboly rehefa jerena ny resaka nandeha tato ho ato izay. Ohatra ny mifanebaka izany daholo hoe :

- baibolista = mitady izay toko sy andininy misy ny laoka androany
- tsy baibolista = kristiana sandoka

Dia ohatra ny misy mihantsy, misy mamaly hantsy, dia misy mandrangitra dia misy mamaly rangitra, sns ... dia etsetra. Dia mandalo amin'ny resaka 666, mifampitsara fitsarana, ka hatrany amin'ny sekta.

Ozizy Jesosy hoe "ny ahalalana fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia", toa tsy izany anefa no tsapa; ataoko fa tsara mandini-tena isika sao misy fankahalana ao anaty.

Tokony ho iray ihany no fahavalon'ny kristiana, fahavalo izay tsy olombelona. Ka sao mba diso fahavalo izay manenjika olombelona e ...

Raha ny fomba hampiasana, hamakiana an'io baiboly io, sy handraisana ny voasoratra ao, dia samihafa daholo isaky ny olona. Tsy afaka hodisointsika amin'izao fotsiny ny olona mihinan-kisoa na tsia, misotro alikaola na mifady, mitandrina sabata na tsia, manaraka litorjia x na y na tsia, sns ... toy izany koa ny baibolista na tsia; aleo izany ho afera amin'Andriamanitra irery. Satria tsy any no tena maha kristiana.

Amporisihana foana isika hamaky baiboly, hahafantatra ny tantara, hanovo fahendrena ao sy izay zava-tsoa voarakitra ao, ary mba hampandroso ny fiainany sy ny finoany araka izay. Fa mba tsy hampiady ilay baiboly e. Kanefa asakasak'isika ihany.

Miteny ho an'ny tenako koa aho amin'izany rehetra izany, ary mahatsiaro menatra aza :(
2. ikaretsaka ( 25/05/2007 16:10)
ahitsiko kely ny filazan'i Lapino:
Izao angamba no mahalaza azy kokoa
tsy baibolista = kristianina sandoka araky -Fomba fieritreritra sy fitsaran'ny baibolista ny tsy miaraka aminy

marina ny an'i lapino, Tairo ary ny ankitady vahaolana

lapino:
Ozizy Jesosy hoe "ny ahalalana fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia", toa tsy izany anefa no tsapa; ataoko fa tsara mandini-tena isika sao misy fankahalana ao anaty.


Miverina indray i "fandinihantena"
Io kao no hitako fa vahaolana ary voiziko ato foana. Ankoatran'ny:

Raha ny fomba hampiasana, hamakiana an'io baiboly io, sy handraisana ny voasoratra ao, dia samihafa daholo isaky ny olona. Tsy afaka hodisointsika amin'izao fotsiny ny olona mihinan-kisoa na tsia, misotro alikaola na mifady, mitandrina sabata na tsia, manaraka litorjia x na y na tsia, sns ... toy izany koa ny baibolista na tsia; aleo izany ho afera amin'Andriamanitra irery. Satria tsy any no tena maha kristiana.


marina!
Rehefa hitsimponana, hangalana zavatra hanamarinana firehankevitra, na atao fitaovana hivoizana izany ny baiboly , dia samy manana ny fomba andraisany azy aby ny olona, izay no maha olona, sy maha samihafa ny tsirairay.

Matetika ny zava mitranga dia hoe Voalaza ao zao (hevitra iray nahatonga firehankevitra ananao..) dia Voalaza ao koa anefa ny mifanohitra amin'io (Hevitra mahatonga sy mandiso ilay firehankevitra anananao)

Raha ny fihevitro: Mitohy foana ny ady hevitra raha izay no andraisana azy, za tsy manda ny mahampisy tenin'andriamanitra ny ao @ baiboly. fa ny tsara hahatongavana aloha dia inona ny tanjona, amiko dia ny hafatra tian'andriamanitra hampitaina dia hoe,

-manaja sy manompoa an'andriamanitra (izy 3 trinity) Raiso am-po izy dia miaraha miaina aminy!
-mifankatiava sy mifanaova soa ho an'ny vatanao sy ny fiaraha monina misy anao
-Antenao ny fiainan-ko avy
-arakarak'izay vita sy ny nataonao eto an-tany ny misy ny @ fiainan-ko avy!

Samy manana ny fombany fanatenterahana ireo foto-kevitra 4 ireo!

3. pissoa ( 25/05/2007 16:36)
Mankasitraka Lapino :oops::oops::oops:
4. Fiffi ( 25/05/2007 16:56)
hummm.....misy hiheritreretina tsara zao dinika zao...
5. booboo ( 25/05/2007 17:00)
Lapino > misaotra ary miombon-kevitra tanteraka.

Ozizy Jesosy hoe "ny ahalalana fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia", toa tsy izany anefa no tsapa; ataoko fa tsara mandini-tena isika sao misy fankahalana ao anaty.

Tokony ho iray ihany no fahavalon'ny kristiana, fahavalo izay tsy olombelona. Ka sao mba diso fahavalo izay manenjika olombelona e ...

Raha ny fomba hampiasana, hamakiana an'io baiboly io, sy handraisana ny voasoratra ao, dia samihafa daholo isaky ny olona. Tsy afaka hodisointsika amin'izao fotsiny ny olona mihinan-kisoa na tsia, misotro alikaola na mifady, mitandrina sabata na tsia, manaraka litorjia x na y na tsia, sns ... toy izany koa ny baibolista na tsia; aleo izany ho afera amin'Andriamanitra irery. Satria tsy any no tena maha kristiana.


6. simplex ( 25/05/2007 17:19)
Tena marina ny voalazan'i lapino, singanina manokana @ izany:
lapino:
Tsy afaka hodisointsika amin'izao fotsiny ny olona... misotro alikaola
^:^^:^
7. ikaretsaka ( 25/05/2007 17:37)
=))
8. pissoa ( 25/05/2007 18:37)
simp :-w:-w:-w:-D:-D:-D
9. Zina ( 25/05/2007 20:32)
oi i lapino
Ozizy Jesosy hoe "ny ahalalana fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia", toa tsy izany anefa no tsapa; ataoko fa tsara mandini-tena isika sao misy fankahalana ao anaty


mila mandinika tena isika marina mihitsy izany, satria tsy kely lalana Satana ary faly mihitsy izy rehefa mahita olona miady momban'ny tenin'Andriamanitra.

Ka ny volohany tokony ataon-tsika dia ny tsy hanekena an'i Satana hiditra sehatra.
10. Zina ( 25/05/2007 20:35)
misy adiniko ko ity.

Tsy tantiny sady tsy tian'i Satana isika ahalala ny fahamarinana izay ao antain'ny baiboly=tenin'Andriamanitra. Mangataka ny Fanahy masina no zava-dehibe.
11. ikaretsaka ( 26/05/2007 14:11)
misy adinonao koa ity
tsy tantiny sady tsy eken'ny baibolistra ny ahalala ny fahamarinana rehetra sy ilay hoe mbola miteny @ alalan'ny zavatra rehetra nohariany andriamanitra
12. booboo ( 26/05/2007 15:53)
raha zay no hitany fa mahabe sy mahamafy ny finoany, helony ve zany ? tahaka ny "mihinana kisoa sy ny tsy mihinana kisoa" ihany io....
13. ikaretsaka ( 26/05/2007 15:56)
izay mantsy.. fa na izany aza aleo manao hoe andramo fa tsara fa tsy hoe tsy hihinana nefa tsy mahalala akory"
"andramo ka zahao" e!
14. cutie ( 26/05/2007 22:07)
mbola ho lavitra ny lalana :?
15. Zina ( 28/05/2007 15:27)
cutie [ Valio ] 27-05-2007 00:07:16
Lohateny : Re : baibolista na tsia : aretina mikiky
mbola ho lavitra ny lalana


cutie ie
16. niryna ( 29/05/2007 01:08)
Zina:

oi i lapino
Ozizy Jesosy hoe "ny ahalalana fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia", toa tsy izany anefa no tsapa; ataoko fa tsara mandini-tena isika sao misy fankahalana ao anaty


mila mandinika tena isika marina mihitsy izany, satria tsy kely lalana Satana ary faly mihitsy izy rehefa mahita olona miady momban'ny tenin'Andriamanitra.

Ka ny volohany tokony ataon-tsika dia ny tsy hanekena an'i Satana hiditra sehatra.

Marina ny anao.8)

17. ikaretsaka ( 29/05/2007 01:50)
niditra an-tsehatra taiza indray izany fa fanina aho?
18. LazaDaddy ( 29/05/2007 03:17)
ikaretsaka:
niditra an-tsehatra taiza indray izany fa fanina aho?
dia nataony ho fanina sy jamba tokoa ve sanatria?
19. cutie ( 29/05/2007 22:45)
cutie ie

eisy e ry zina:wink:
20. Zina ( 30/05/2007 00:05)
nyrina:wink:

cutie 8O :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0994