MIOVA NY SAINA REHEFA MISY MAHAZO.

1. niryna ( 25/05/2007 06:05)
Nisy tovovavy jamba izay tsy tia ny tenany izy satria jamba.Tsy misy tiany daholo ny olona rehetra afats'ilay olon-tiany irery.Eo amin'ny mandrakariva ity tovolahy.Hoy izy raha mba mahita izao tontolo izao aho dia hanambady anao.
Indray andro nomen'olona maso izy ary dia nahita ny rehetra hatramin'ity tovolahy tiany.
Nanontany azy ity tovolahy"Efa mahita an'izao tontolo izao ianao ka afaka ny hanambady ahy amin'izay?"
Hendratra ilay tovovavy raha nahita ity tovolahy izay jamba ihany koa,ary dia nandaha ny hanambady azy izy.
Lasa ilay tovolahy miaraka ny ranomaso sy ny alahelo,nony afaka avy eo nanoratra ho an'ity tovovavy izy."Hiangaviako ianao ,karakarao tsara ny masoko."
(Ny masony no nomeny ilay tovovavy)
novalian'i niryna ny 01/06/2007 20:40
2. nathie86 ( 25/05/2007 06:16)
ny olona d tsy mety afapo fa mitady ny tsy hitany fôna.Nihevitra zao le vhv ho fa aôna mo za no hanambady jamba nefa zà ary mahiratra. Tsy mba nihevitra akory izy hoe fitiavan'ilay lhl azy no nahitany izao tontolo izao.
Ho betsaka ny valimpitia ho an'ilay lhl na d narian'ilay sipa ary izy.
3. Imahaka ( 25/05/2007 09:21)
voasoratra ao anaty baiboly be io angano mifono hevitra tsara dia tsara io? 8)
4. prime ( 25/05/2007 09:41)
Mampatsiahy ilay tantara nambaran'i Kristy io voalaza io mikasika ilay boka fololahy nositraniny dia nasainy niseho teo anoloan'ny mpisorona rehefa sitrana... fa iray ihany no niverina teo Aminy nisaotra sy nidera an'Andriamanitra... indrisy

Sarotra tokoa io "ingratitude" io satria na ny tena aza dia mety tratra ihany... rehefa ilay anaovan'ny olona soa iny dia lasa manadino indray2 na dia ny misaotra fotsiny any an-tranony na any amin'ny birao aza... indray2 koa aza ampatsiahivin'olona vao mahatsiaro...:(
5. Mandefitra ( 25/05/2007 10:46)
Ny loza ko dia ilay "fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka".Na teo aza ny fitiavan'ilay lehilahy, ny fahafoizany ny masony ho an'ilay vehivavy,vo nahiratra ny masony de le ratsy (ny fahajamban'ilay lehilahy)no hitany voalohany, ka hadinony ny fitiavana be.
Torohevitra : raha mbola misy sombim-pahatsarana na sombim-pitiavana hitanao @ olona mifanerasera aminao, iny handraisana azy fa aza ny ratsy vitany na nataony na hitanao aminy ... @ zay angamba, mety ho mora ny hitia "na dia ny fahavalo aza"
6. andreasr ( 25/05/2007 11:54)
AIZA HO AIZA AO AMINY BAIBOLY KAY NO MISY IO TANTARANY VEHIVAVY JAMBA IO FA TENA TIAKO HO FANTARINA MAFY MIHINTSY NY TOHINY?
7. nathie86 ( 25/05/2007 12:19)
mandefitra marina:-D
8. Zina ( 25/05/2007 13:05)
Tokony averina jamba ndray zany ilay kala ko hihihihih

ny olona d tsy mety afapo fa mitady ny tsy hitany fôna

marina io ry nathie
9. ikaretsaka ( 25/05/2007 13:21)
Mandefitra:

Ny loza ko dia ilay "fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka".Na teo aza ny fitiavan'ilay lehilahy, ny fahafoizany ny masony ho an'ilay vehivavy,vo nahiratra ny masony de le ratsy (ny fahajamban'ilay lehilahy)no hitany voalohany, ka hadinony ny fitiavana be.
Torohevitra : raha mbola misy sombim-pahatsarana na sombim-pitiavana hitanao @ olona mifanerasera aminao, iny handraisana azy fa aza ny ratsy vitany na nataony na hitanao aminy ... @ zay angamba, mety ho mora ny hitia "na dia ny fahavalo aza"

mandefitra!:-* tena marina
Matetika manko dia ny hoe "mba haratsian-toetran'olona izany, dia vitany hatramin'ny nanao ahy ho toy izao" foana no tadidy.
fa tsy hoe "eeee dia iny olona iny moa dia nahafoy sy nahavita izao ho ahy!"
Izay no ilaina ilay fandinihin-tena!
10. xxx ( 25/05/2007 16:04)
Tantara mahonena, mampihentsi-po, sns... ity tantara ity.
Raha jerena akaiky sy dinihana anefa dia izao no azo marihana: na ilay vehivavy jamba teo aloha ka lasa nahiratra, na ilay lehilahy nahafoy ny masony noho ny fitiavana ilay tovovavy dia samy mbola tsy nisy nanana ny fitiavana tena tian'i Kristy ananantsika. Tsy manameloka azy ireo aho akory fa mba te hisarika kely antsika handinika fotsiny hoe: mbola mihoatra lavitra noho ireo ny fitiavana nitiavan'i Kristy antsika.

Hazavaiko: ilay vehivavy nametraka ny fitiavany amin'ny endrika ivelany fotsiny ka nivadi-belirano raha nahita ny haratsian-tarehin'ilay lehilahy gaoka maso.
Ilay lehilahy kosa dia tia ihany saingy nametraka fepetra: Izany hoe raha tsy nilaza ilay vehivavy fa hanambady azy rehefa mahiratra tsy nanome ny masony ho azy izy.

Mihoatra an'ireo ny an'ny Kristy. Tsy mba miandry valiny avy amintsika izy raha nahafoy ny ainy ho antsika rehetra. Tsy nametraka fepetra na kely aza. Tsy nijery ny haratsintsika koa, satria aminy, izay mijery am-pitiavana, dia tsara isika ka mendrika ny ho tiavina daholo.

Tompo ò, ampianaro mitia marina izahay. Amen
Ho amintsika hatrany anie ny fitiavan'i Kristy.
11. ikaretsaka ( 25/05/2007 16:13)
amen X
12. niryna ( 26/05/2007 04:41)
nathie86:

ny olona d tsy mety afapo fa mitady ny tsy hitany fôna.Nihevitra zao le vhv ho fa aôna mo za no hanambady jamba nefa zà ary mahiratra. Tsy mba nihevitra akory izy hoe fitiavan'ilay lhl azy no nahitany izao tontolo izao.
Ho betsaka ny valimpitia ho an'ilay lhl na d narian'ilay sipa ary izy.

Ie, toetra iray misy amin'olona io.Ny mianatra ny mankasitraka no ahitana ilay fifaliana,ny mizara koa dia ahitana ny fitiavana.Jesosy anefa dia nanome antsika rehetra fitiavana feno tsy nisy tambiny na takalony.Ary nampahatsiahy antsika izy fa ny fahafatesana no tambin'ny ota.

13. Rasiligaoma ( 26/05/2007 08:19)
izay koa ilay tsy ampy fandinihantena...
ny toetr'ilay sipa ammiko dia ohatr'ilay resaka tato hoe tafita ny tetezana dia veloma hatreo, fa fony teoa mbony tetezana dia natao daholo izao vavaka rehetra izao
14. niryna ( 26/05/2007 15:17)
Rasiligaoma:

izay koa ilay tsy ampy fandinihantena...
ny toetr'ilay sipa ammiko dia ohatr'ilay resaka tato hoe tafita ny tetezana dia veloma hatreo, fa fony teoa mbony tetezana dia natao daholo izao vavaka rehetra izao

Rasily a,aza kivy amin'izany:cry:,mifaly hatrany:Dsatria raha olona iray no tsy tia,mitoto-koba hatavy.Izay olona miaraka aminao na tianao dia hivavaho amin'ny Tompo fa raha anjaranao iny dia hainy foana ny hampiaraka anao aminy.Raha tsy mety kosa ny fiarahana dia misaora Azy fa fantany fa tsy mahasoa anao iny.Tsofirano izy mba ahazo izay tiany sy tandrifiny omen'ny Tompo azy.Toro-hevitra nomeko ny tanora marobe tany dago io.Ny fahitana fifaliana sy fahasambarana dia ny manankina ny fiainan-tsika amin'ny Tompo hatramin'ny madinika indrindra ka hatramin'ny goavana.Andramo anie ny mivavaka isaky ny manao zavatra e^:^,manoro anao ny Fanahy masina ary izay resahina na (teny tonga ao an-tsaina no dikan'izany) dia iny no araho fa tsy misy anenenanao.Raha mivavaka ianao ka manoro lalana izay eritreritinao Izy dia araho fa izay ilay valim-bavaka.Raha mifanohitra ny vavakao no lazainy dia araho koa fa tsy izay no mahasoa.Omeko porofo ianao?Tohero ny teny nomeny izay diso dia ho hitanao tokoa fa tsy nety ilay zavatra efa tsy nekeny kanefa notoherinao 8-).:roll::oops::cry:

15. ikaretsaka ( 26/05/2007 15:23)
fa ny tsy azoko... tsy maintsy misy zavatra mahazo ve vao hiova saina?
16. niryna ( 29/05/2007 01:06)
xxx:

Tantara mahonena, mampihentsi-po, sns... ity tantara ity.
Raha jerena akaiky sy dinihana anefa dia izao no azo marihana: na ilay vehivavy jamba teo aloha ka lasa nahiratra, na ilay lehilahy nahafoy ny masony noho ny fitiavana ilay tovovavy dia samy mbola tsy nisy nanana ny fitiavana tena tian'i Kristy ananantsika. Tsy manameloka azy ireo aho akory fa mba te hisarika kely antsika handinika fotsiny hoe: mbola mihoatra lavitra noho ireo ny fitiavana nitiavan'i Kristy antsika.

Hazavaiko: ilay vehivavy nametraka ny fitiavany amin'ny endrika ivelany fotsiny ka nivadi-belirano raha nahita ny haratsian-tarehin'ilay lehilahy gaoka maso.
Ilay lehilahy kosa dia tia ihany saingy nametraka fepetra: Izany hoe raha tsy nilaza ilay vehivavy fa hanambady azy rehefa mahiratra tsy nanome ny masony ho azy izy.

Mihoatra an'ireo ny an'ny Kristy. Tsy mba miandry valiny avy amintsika izy raha nahafoy ny ainy ho antsika rehetra. Tsy nametraka fepetra na kely aza. Tsy nijery ny haratsintsika koa, satria aminy, izay mijery am-pitiavana, dia tsara isika ka mendrika ny ho tiavina daholo.

Tompo ò, ampianaro mitia marina izahay. Amen
Ho amintsika hatrany anie ny fitiavan'i Kristy.

xxx a misaotra betsaka.Mahafaly ery ny mieritreritra ny fitiavan'ny Tompo antsika.Ny faniriana dia ny fanantonantsika Azy fanaovana sy ny fanarahana ny sitrapony.:D
^:^ Ho Azy irery any ny voninahitra:°):°)

17. ikaretsaka ( 29/05/2007 01:52)
Dia ianao koa ve rehefa misy mahazo dia miova saina?
raha zatra nahazo ny tsara sy hoe zatra valimbavaka ianao dia tsy nahazo tampoka elaela dia tsy manao?
18. marozevo ( 29/05/2007 23:40)
Misy manontany ao hoe "Aiza ho aiza ao amin'ny Baiboly...'" Fa angaha kosa moa i Niryna nilaza hoe tao amin'ny baiboly no nakany an'io.

Tena lalina be io tantara io... Fa tokony mbola nasiana tohiny kely kosa eh... Mba tokony ho nandresy kosa ilay lehilahy raha ny lojikam-pilm no jerena.

Mitovitovy amin'ilay tanim-boaloboka io. Koa satria tsy mendrika ireo nanankinana, dia hafindra any amin'ny firenen-kafa ny fanjakan'Andriamanitra.
19. niryna ( 30/05/2007 05:35)
marozevo:

Misaotra anao nahafantatra fa tsy niresaka hoe ao anaty baiboly aho.Nisy niteny fotsiny hoe ao io,nisy niteny koa hoe mitovy ny tantara toy izao sy toy izao,ary nisy ny nangataka hoe aiza ao anaty baiboly io?.Amin'ny manaraka ny tohiny.:*

20. ikaretsaka ( 30/05/2007 18:23)
oooo azafady..
ka izay ilay izy.. zatra mpitsimpona ao anaty baiboly dia eritreretin'ny sasany hoe rehefa misy tantara dia tsiponina ao anaty baiboly foana...

ts'isy hafa amin'ilay bandy kely zatra mandainga hoe misy amboadia dia rehefa tonga ny tena amboadia dia tsy ninoan'ny olona intsony fa efa zatra/leo ny olona.. kay zavatra hafa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1167