MIOVA NY SAINA REHEFA MISY MAHAZO.

21. xxx ( 30/05/2007 19:03)
Eo amin'izay fanontaniana izay indrindra no tiako mba hisarihana kely ny fijery:
Efa fanontaniana mahazatra ato io hoe: aiza ao anaty Baiboly no msy an'izany? Angamba tsy mahita hevitra hanoherana izay voalaza ilay olona, na hevitra tokony hodisona satria KATOLIKA no milaza azy, dia avy izy manontany hoe: aiza ao anaty Baiboly no milaza an'izany? Na koa lasa mitsipona andalana maromaro ao anaty Baiboly mba entina hanamelohana na hamelesana ny hafa.

Fanamarihana ihany io mba hanitsiantsika ny famindra.

Tompo ò ampianaro mitia hatrany izahay.
Hanenika ny fiainantsika anie ny fitiavan'i Kristy!
Amen
22. ikaretsaka ( 30/05/2007 19:59)
za kosa tsy manome tsiny ilay xx1 amin'io
resaka lojikan-javatra ilay izy, raha izany kosa ny fanehoan'i xx2 hevitra (ilay asiana versets bibliques) dia normal i xx1 raha zatra sy manontany rehefa avy eo hoe toa niova ny fanehoan'i xx2 hevitra satria nankaiza ilay verset biblik mahazatra.
23. tsiafoi1 ( 31/05/2007 08:25)
Mampatsiahy ilay tantara nambaran'i Kristy io voalaza io mikasika ilay boka fololahy nositraniny dia nasainy niseho teo anoloan'ny mpisorona rehefa sitrana... fa iray ihany no niverina teo Aminy nisaotra sy nidera an'Andriamanitra... indrisy


Mahereza hatrany amin'ny asan'ny Tompo a! Ny Tompo aza ny hazofijaliana sy ny lefona no valim-pitia azony tety.

Fa ho an'izay rehetra momba Azy sy Tia Azy kosa dia Jerosalema vao2, Ho avy ny Tompontsika, ary tsy maintsy ho avy Izy.
24. niryna ( 01/06/2007 20:40)
Misaotra tsiafoi1 a:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0066