ANDRO FIARAHA MIVAVAKA MANERANTANY

1. beza ( 22/05/2007 23:19)
Salama Tompoko
Ny 27 Mai izao dia andro hirahan'izao tontolo izao hivavaka ho an'ny tanindrazana.
manasa antsika hiray vavaka main'izany andro izany, tsy manavaka finona na fingonana ary n'aiza na aiza misy anao dia faka mitondra ambavaka ho an'ny firenenao.
raha mila fanzavana dia ao amin'ny faniloradio jereo ny video http://www.faniloradio.com/index.php?option=com_content&task=view&id=22&Itemid=65 na http://www.faniloradio.com/concert23.html

mirary soa indrindra
novalian'i niryna ny 26/05/2007 02:57
2. ranini ( 23/05/2007 08:50)
miala tsiny aho ry Beza raha mamaly anao toy izao. Tsy mba manaiky sy mino aho fa mihaino ny vavaka atao Andriamanitra ra ny vavaka hoan'ny firenena izany satria ny olona eto Dago fotsiny ohatra de misy mpamono olona, mpijanganjanga ,mpangalatra sns.... ka raha jerena ny Baiboly dia tsy mihaino ny vavaka ataon'ny olona toy izany Andriamanitra fa reraka eo fotsiny isika.Jereo ny Jeremeia toko 9 dia vakio tsara dia hohitanao fa marina io teniko io .ciaooo
3. Fiffi ( 23/05/2007 09:11)
"ranini":
Tsy mba manaiky sy mino aho fa mihaino ny vavaka atao Andriamanitra ra ny vavaka hoan'ny firenena izany
zao-nao ny tsy mino sy ny tsy manaiky kah ! fa Andriamanitra kosa de tena mihaino ny vavaka zay atao rehetra na momba n'inona zany na momba n'inona....izay le finoana
"ranini":
satria ny olona eto Dago fotsiny ohatra de misy mpamono olona, mpijanganjanga ,mpangalatra sns....
heu....tsy any dago hiany no ahitana an'zao toe-javatra zao....ka zay indrindra no tena mba hivavahana mba tsy hisy intsony ireny zavatra ireny!
"ranini":
.. ka raha jerena ny Baiboly dia tsy mihaino ny vavaka ataon'ny olona toy izany Andriamanitra fa reraka eo fotsiny isika.
:-w:-w mba azonao hampisehoana eto ve zany voalazan'Baiboly zany hoe tsy mihaino vavaka Andriamanitra ?
heu....raha mandreraka anao ny fivavahana na ny famakiana Baiboly de enao irery hiany zany fa tsy "isika rehetra"
Mazotoa mivavaka na am inona na am inona fa tena mihaino anao Andriamanitra satria Andriamanitra de be fitiavana.....tsy mbola nanary na iza na iza Izy...
4. prime ( 23/05/2007 12:30)
Tena tsara sady mahasoa tokoa izany fa ny tiana ho fantatra dia ny hoe "tsy manavaka finoana na fiangonana...", inona no tian'ny mpanoratra ambara?

Na silamo, na bodista, na dadarabe, na mpimasy sy mpisikidy.... ve dia amin'io no fotoana ifanaovana?
5. scorpion ( 23/05/2007 14:13)
aza dia zatra miditra lalina ra-prime fa mivavaka hono amin'io dia mivavaka izay mazoto an! dia izay tsy mazoto manao izay mahafalifaly ny sainy. Tsy asiana hoe lety inona dia lety avy aiza.Sa manahirana anao ny miara-mivavaka amin'ny olona tsy mitovy finoana aminao? :-w
6. xxx ( 23/05/2007 14:51)
Prime
Ka inona ny olana raha mba miaraka amintsika ao ireo. Ianao izao dia ilay karazana Fariseo mpihatsara-ivelatsihy fotsiny. Mba vakio kely hoe ilay fanoharana nataon'i Jesoa momba ilay Pòblikanina sy ilay Fariseo tao an-tempoly. Ny iray miseho milay ho mpivavaka, ny iray mando tratra mangataka fifonana.
Izao no nohenoina rehefa avy eo ?
Anjaranao ny manohy azy dia akao lesona io.
7. ikaretsaka ( 23/05/2007 14:53)
mivavaka hono letsy Ra prime dia mivavaka fotsiny amin'io an
samy manana ny fombany.
na hivavaak amin'ny Taoka ho an'ny tanindrazana izy na haninona...
zay zany hono!
8. rush ( 23/05/2007 15:01)
fa inona no mahagaga anareo @ izany e!tsy mahagaga io fa Rapasitera Raprime tsy hanaiky an'izany!asa loatra re hoe inona no atao hoe mivavaka aminy?ekipan'raniryna ireny!ny azy hiany ny marina fa ny hafa eisyyyy e!
9. rush ( 23/05/2007 15:13)
sady fivavahana ho an'ny taningazana no atao fa tsy ho anao ka raha mba misy ny fitiavana io taningazana io dia izay te-hivavaka dia mivavaka ho azy e!azonao atao ny mandà ny olona raha hoe hivavaka ho anao fa aza baréna ny lalan'ny tia taningazana hivavaka ho azy e!
10. prime ( 23/05/2007 15:26)
scorpion: Tsy maintsy miditra lalina aho satria ny Jehovah Andriamanitra ivavahako tsy azo afangaro ary Andriamanitra saropiaro...

"Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;" Eksodosy 20:5

"fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran'i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin'ny tany ianao." Deotoronomia 6:15

xxx: Indrisy diso hevitra ianao, tsy hanamarin-tena no antony anontaniako fa famakafakàna alohan'ny anaovan-javatra... isika mbola tsy eo amin'ilay hoe ataovy ary ny vavakao ka ahasahianao mitsara hoe ny anao no marina fa ny ahy diso toy ny an'ilay fariseo satria ianao mihevitra mivavaka toy ilay mpamory hetra...
Ka fantatrao angaha ny vavaka ho ataoko?:-D

Ikaretsaka: Ka izaho aloha tsy maintsy mandalina kosa e...

rush: :-D Izaho tsy miteny mihitsy hoe izaho no marina na ny ahy ihany no marina fa mijoro mihazona izay lazain'ny tenin'Andriamanitra...
11. ikaretsaka ( 23/05/2007 15:36)
prime> ko efa hoe tsy voatery ho fivavahana kristianina tsy manavaka finoana na fiangonana hono

"alalino tsara" aloha e e

manasa antsika hiray vavaka main'izany andro izany, tsy manavaka finona na fingonana ary n'aiza na aiza misy anao dia afaka mitondra ambavaka ho an'ny firenenao.

12. rush ( 23/05/2007 15:50)
"beza":
andro hirahan'izao tontolo izao hivavaka ho an'ny tanindrazana.
manasa antsika hiray vavaka main'izany andro izany, tsy manavaka finona na fingonana ary n'aiza na aiza misy anao dia faka mitondra ambavaka ho an'ny firenenao.
ataoko angamba fa mazava tsara ho an'Rapasitera Raprime io!raha izany dia tsy hiaraka hivavaka @ olona ianao @ io vanin'andro io satria ny kristianina mitovy @ nao hiany no ekenao?aiza re zany eeeeeeeee!
13. majesty ( 24/05/2007 05:40)
Mafana dia mafana ato zany :D
14. prime ( 24/05/2007 11:01)
rush: Mety ho marina ny fanamarihanao, hoy aho indray mety raha sanatria ka karazana firaisam-pinoana iarahan\'ny finoana hafa rehetra ankoatry ny kristiana koa tafiditra ao... hatr@ izao aloha aho dia mbola miandry fanampim-panazavàna amin\'i beza hatrany...

Mety resy lahatra ianao fa izaho aloha tsy mbola resy lahatra ny firaisam-pinoana mihitsy...
raha izany dia tsy hiaraka hivavaka @ olona ianao @ io vanin\'andro io satria ny kristianina mitovy @ nao hiany no ekenao?aiza re zany eeeeeeeee!
... Fanitsina kely : tsy ny kristiana no ekeko na tsy ekeko... tsy any mihitsy ny resaka fa ilay Andriamanitra ivavahana...

15. beza ( 24/05/2007 11:15)
Miarahaba antsika rehetra!

miala tsiny aho raha izao vao mandalo fa be herehina kely dia tsy nahamarika akory fa hay lasa adihevitra ilay izy.
Tsy maninona anefa fa natao an'izany koa ny eto amin'ity toerana ity.
Marina fa tsy nazava tokoa angamba ny fanasana nataoko ka tsy azon'ny namana prime,
Kanefa raha nandeha nijery ilay video ao amin'ny faniloradio ianao dia mety nazava satria tsy ho ary tonga ao antsaiana ny hanome ny détail hahazoan'ny rehetra azy eto.
Ny tena asaina aloha dia ny firenena rehetra , ho antsika malagasy izany dia ny tsirairay avy izay te hivavaka nefa sty antery koa.
Faharoa dia tsy manavaka finona, fa marihiko fotsiny fa ny kristianina no nahita an'io hevitra iraisampirenena io , izany hoe ny kristianina samihafa fingonana tsy voafetra, ary tsy mitarika ny hafa hiala amin'ny mahazatra azy fa amin'ny fomba fanaony hiantsoana an Andriamanitra.
Ohatra fianakaviana zatra miaraka mivavaka dia azo hatao, na koa vondrombavaka ao amin'ny sampana misy ao ampianagonana, eny fa na dia hatao mandritra ny fotoampivavahana koa aza.
Ny tanjona dia ny hiraisan'ny vavaka mba ho tanjona iray dia ny firenentsika misy maro be no mitondra amabavaka.
Ary satria koa aho kristianina sy mahalala hoe ny Andriamnitra hivavahako dia mihaino vavaka satria velona izy. Dia tsy manakana ny finoana hafa aho raha te hanao izy fa hasehoko fotsiny izay fantatro hoe ny Ahy ny Andriamanitro dia velona ary mihaino sy mamaly vavaka.
Dia miteny ny fivavahana hafa aho hoe mba handramo fa tsy hanenenana.

Misaotra
16. rush ( 24/05/2007 11:21)
Pasitera Prime>>>>>manahirana ny miady hevitra @ nareo be finoana!aleko hiany mionona @ finoako na dia kely aza nefa mihezaka mampitombo azy andro aman-alina!ka dia mazotoa hatrany!
17. prime ( 24/05/2007 12:45)
beza: Izay vao mazava tsara... dia misaotra indrindra fa dia amin'io izany ny fotoana...

rush: Misaotra... miala tsiny aho raha mitondra fanitsiana hatrany hoe tsy be finoana velively mihitsy aho... ahoana aza no ilazànao izany... sady tsy be finoana aho no tsy mahay mandrefy hoe ahoana moa ny be sy ny kely finoana izany... fa ny finoako dia mitoetra ao amin'i Kristy dia ampy ahy... ny hoe betsaka na kely dia angamba Izy no mahalala fa na izaho aza dia tsy dia mahafantatra loatra...
18. ikaretsaka ( 24/05/2007 13:33)
prime> ny mahatonga ny olona miteny hoe "be finoana dia " angamba @ ilay maha sarotiny be anareo @ fanamarihana sy fanitsiana..

dia lasa tsy hainy intsony hoe aiza marina ny tena finoanareo. nefa izy mba te hianatra aminareo fa sadaikatra ihany... satria matahotra ilay dictature hoe ny anareo ihany ny anareo hatrany, tsy azo kianina tsy azo ahitsy, tsy azo hiadian-kevitra!

dia ataony hoe "be finoana" nareo satria ohatran'ny hoe siny feno be hatrany @ molony na karazan'ny, hazo coco mijaridina be dia raha tany ka ampiana na ahitsy raha sendra mitongilana dia sarotra be sao tapaka eo, raha ampiana gouttes moa dia mitobaka ny rano!!
Aza anona fa eritreritro fotsiny izany an!
19. rush ( 24/05/2007 16:22)
prime:
beza: Izay vao mazava tsara... dia misaotra indrindra fa dia amin'io izany ny fotoana...
nanaiky hiany ianao ny farany!hitanao izany fa tsara ny fiharaham-bavaka!somary nampalahelo fotsiny ny niozonozona nefa Andriamanitra dia Iray hiany no hivavahana!


20. niryna ( 24/05/2007 16:46)
beza:

Miarahaba antsika rehetra!

Ny tanjona dia ny hiraisan'ny vavaka mba ho tanjona iray dia ny firenentsika misy maro be no mitondra amabavaka.
Ary satria koa aho kristianina sy mahalala hoe ny Andriamnitra hivavahako dia mihaino vavaka satria velona izy. Dia tsy manakana ny finoana hafa aho raha te hanao izy fa hasehoko fotsiny izay fantatro hoe ny Ahy ny Andriamanitro dia velona ary mihaino sy mamaly vavaka.
Dia miteny ny fivavahana hafa aho hoe mba handramo fa tsy hanenenana.

Misaotra

Dia misaotra anao izahay nampita hafatra.Eny,mamaly vavaka tokoa Atra.Ary ny vavaky ny maro mahataka-danitra.Mazotoa daholo e.:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1567