Maty mamela mamy sa .....

1. niryna ( 22/05/2007 05:23)
Rehefa hatrizay ka miala ety amin'ity tany fandalovana ity izaho na ianao,inona no mba tianao ahatsiarovan'ireo olona (izay mbola velona na ny manodidina na ny havana sns)anao?
Ary ahoana no anantanterahanao an'izany tanjona izany?
Ohatra hoe:Iny xxx iny dia olona tena tsara fanahy,na manampy ny fokonolona,na mitarika ny tanora hanao baolina kitra,na mitsiky lava sy miarahaba olona foana izy iny tamin'ny fahavelomana.Na koa hoe tena tsy azo hidirana an-trano,faran'izay kizitina sns..Kanefa rehefa a maty ny olona toa tsy mba misy sahy miteny ilay toetra ratsy nataony aloha e.:roll:
Ny tiako ahatsiarovan'ny olona ahy dia olona....
Ny zavatra ezahiko atao amin'izao fahavelomako izao dia .....
Alefaso ary ny dinika
(l)niryna
novalian'i majakely ny 27/05/2007 09:04
2. Fiffi ( 22/05/2007 05:52)
faniriana olona ho faty ? :roll::roll::roll: de heritreretina dien'zao hoe aleo zah anao an'zao sy zao dien'mbola velona i niryna fa rehefa lasa izy de zao sy zao no andé ataoko azy ? :roll::roll::roll:

de mandehana koh mitsikera ny olona efa maty enao !!! fidiny azy ve no maty izy ? fa maninona raha mba atao fotsiny hoe "PAIX A SON AME" fa mbola ande tsikeraina hiany hoe zao sy izao iny olona maty iny ?????????????
"niryna":
rehefa a maty ny olona toa tsy mba misy sahy miteny ilay toetra ratsy nataony aloha e
sahy zavatra enao kah ! raha ny maty aza ho tsikeraina .....hoe zao sy zao iny olona iny ...maika fa ny velona ? :-w:-w:-w:-w:-w:-w
3. Fiffi ( 22/05/2007 06:14)
heu....ny Messe de requiem aza atao ho azy ....sa am io koh no andé ilazana ny toetra ratsy nataony mba ho fahatsiarovana aza ?
"niryna":
rehefa a maty ny olona toa tsy mba misy sahy miteny ilay toetra ratsy nataony aloha e
mba tena sahy enao raha mahavita an'zany kah !
4. booboo ( 22/05/2007 06:44)
Zà vao haingana mihitsy no nanontany ny tenako hoe raha zao moa zà no gli dia raha manakory no ahatsiarovan'ny be sy ny bobaka anà ....fa tsy nahita valiny :°)(mila mandini-tena ndray hihihihi).

Fa beben'ny bebeko mbola fantatray hatr@ zao ny ampahan'ny tantarany fa averina aminay foana isaka zay mihetsika : tena mahay mandray vahiny be mihitsy hono izy zany no sady be fiantrana ny manodidina azy...

5. majakely ( 22/05/2007 09:10)
fiffi ataoko kosa fa mba tsy niteny hoe sahy an'izay hanome tsiny ny maty i nyrina fa mba nanotany izy hoe nahoana no tsy mba sahy milaza ny zavatra ratsy nataon'ilay olona ny velona rehefa misy ny fahafatesany ?nefa mis yny olona tena ratsy fanah nefany aaan?voatery hoe tsara fanah iny olona iny? nahoana izay ?fihatsaram-belatsihy sa mi compatir? ataoko fa izay angamba no tian'i Nyrina holazaina ,
za manokana i bebe anay de kizitina be zay ,efa maty izy ary "PAIX à son Âme " fa hatramizao zahay zafikeliny sy ny zanany refa miresaka azy de mahita hoe kiziitina i bébé aaa ,tsy azo hiainana mihitsy zany nefa mba maman sy grand-mère...fa zahay no ohatran'izay aa,,ratsy ve izany ??:roll: asa aloha?? fa misy ohabolan'ny gasy koa miteny hoe" maty vao ra malala"hoe rehefa maty ilay olona vao mody hoee ...
de am-bava homana am-po mierotra ee!!!!
6. Vahinala ( 22/05/2007 09:34)
Ny zavatra hita sy tsapa aloha d ny olona iray rehefa maty d hindraindraina foana na d olona farak'izay tsy nisy mpitia zao aza nandritra ny fahavelomany. Ny tiako tenenina dia ohatra hoe misy olona iray maty izy vao omena ordre de mérite e sns, fa naninona ra velona izy no nomena anzany, tsy miraharaha izay antony aho fa amiko dia velona ny olona no tokony omena fankasitrahana fa tsy hoe maty izy vao hoe zao anie iny olona iny na zao.
Ka raha za manokana d tsy miasa saina amze hoe inona no ahatsiarovan'ny olona ahy zany aho fa fomba fiainako d am maha za ana ihany, rehefa maty aho d any aho zay.
7. Fiffi ( 22/05/2007 09:51)
majakely:
hoe nahoana no tsy mba sahy milaza ny zavatra ratsy nataon'ilay olona ny velona rehefa misy ny fahafatesany ?nefa mis yny olona tena ratsy fanah nefany aaan?voatery hoe tsara fanah iny olona iny?
heu....fa nahoana no efa maty ve izy de mbola sahiana tsikeraina hiany hoe zao sy zao iny olona maty iny ? izy aza efa maty.....tsy mba mampalahelo ve hoe mba lasa iny olona iny ary hivavahana raha sanatria ka ratsy fanahy arak'io lazainao io , mba voavela ny helony ? mba ho sambatra izy any an-danitra any ?


8. majakely ( 22/05/2007 10:21)
Vahinala dakoro aminao 100%100 za...
tsy hoe ts malahelo azy rehefa maty anie le izy fiffi eee ...fa zista hoe na maty aza ilay olona de rah nanao ratsy loatra (tsy hoe zavatra tsisy dikany aa fa le olona tena ratsy fanah be ireny aa, aoka hazava ny resaka satri tsisy olombelona tonga lafatra izany mantsy),tamin'ny fahavelomany de na tonga ny andro hahafatesany de amiko mijanona olona nanao ratsy izy point barra...tsy tiko le hoe maty vo hoe tsara fanah iny aa,,,non zay...mivavaka hoa zy pourkoi pas??? fa tsy hilaza ny contraire ny aho satria hoe maty izy ...
9. Fiffi ( 22/05/2007 10:36)
Fiffi:
heu....ny Messe de requiem aza atao ho azy ....sa am io koh no andé ilazana ny toetra ratsy nataony mba ho fahatsiarovana aza ?
mandria am-piadanana daholo ry maty rehetra....zay no fara-teniko.....


10. Aino ( 22/05/2007 11:03)
mandria am-piadanana daholo ry maty rehetra....zay no fara-teniko.....
8O8O
11. Samoana ( 22/05/2007 14:30)
Ary ahoana indrayry nyrina raha maty mamela ...mamo:-D ?Feno ranomason-taoka angamba @ messe de requiem:lol:
12. majakely ( 22/05/2007 14:35)
8O8O
13. sympa ( 22/05/2007 15:13)
"Paix à toute âme bon et mauvais"
"Nul ne peut dire quand il va naître et quand il va mourire"
"Laisse à chacun le choix de s'exprimer et tu sauras recompenser"

;-)
;-)
;-)
14. rush ( 22/05/2007 16:07)
ianareo koa no mety rebireben'ny rediredin'i raniryna eto!na dia ny olona efa maty aza mbola anaovana wawawawa hiany!efa tsy azony intsony ny velona dia ny maty indray no atao an'izao!
"Paix à toute âme bon et mauvais"
ataoko fa mazava izay!!!!
15. nikopol ( 22/05/2007 16:14)
nyrina vs rush : 3-1
16. booboo ( 22/05/2007 16:38)
Fiffi sy Rush > tena tsy azonareo ilay fomba fiteny "mamy mamela maty" ô ? Fomba fiteny malagasy io ...
17. sympa ( 22/05/2007 17:06)
Gasy, vazah sa japone :?: odoie :!: :-D:-D:-D:-D:-D
18. niryna ( 23/05/2007 05:06)
booboo:

Zà vao haingana mihitsy no nanontany ny tenako hoe raha zao moa zà no gli dia raha manakory no ahatsiarovan'ny be sy ny bobaka anà ....fa tsy nahita valiny :°)(mila mandini-tena ndray hihihihi).

Fa beben'ny bebeko mbola fantatray hatr@ zao ny ampahan'ny tantarany fa averina aminay foana isaka zay mihetsika : tena mahay mandray vahiny be mihitsy hono izy zany no sady be fiantrana ny manodidina azy...



Misaotra aky booboo a fa tena fantatrao ny tiako ambara.:D

19. niryna ( 23/05/2007 05:16)
majakely:

fiffi ataoko kosa fa mba tsy niteny hoe sahy an'izay hanome tsiny ny maty i nyrina fa mba nanotany izy hoe nahoana no tsy mba sahy milaza ny zavatra ratsy nataon'ilay olona ny velona rehefa misy ny fahafatesany ?

=D=D
Samy manana ny fomba fandraisany azy ny olona,ary ianao no nahazo ny tiako ho tenenina ka dia misaotra e.

nefa misy ny olona tena ratsy fanahy nefany aaan?voatery hoe tsara fanahy iny olona iny? nahoana izay ?fihatsaram-belatsihy sa mi compatir? ataoko fa izay angamba no tian'i Nyrina holazaina

Voalazanao tanteraka.

za manokana i bebe anay de kizitina be zay ,efa maty izy ary "PAIX à son Âme " fa hatramizao zahay zafikeliny sy ny zanany refa miresaka azy de mahita hoe kiziitina i bébé aaa ,tsy azo hiainana mihitsy zany nefa mba maman sy grand-mère...fa zahay no ohatran'izay aa,,ratsy ve izany ??:roll: asa aloha?? fa misy ohabolan'ny gasy koa miteny hoe" maty vao ra malala"hoe rehefa maty ilay olona vao mody hoee ...
de am-bava homana am-po mierotra ee!!!!

Taiza ary ianao no tsy hita e,mila anao ny serasera.Ekany ho izy.Ny zavatra tsara no voalaza fa mety hoe ny olona ao an-trano izay nijaly ihany no afaka miteny izany,tsy misy lafiny maharatsy izany fa milaza ny marina.



20. niryna ( 23/05/2007 05:25)
Vahinala:

Ny zavatra hita sy tsapa aloha d ny olona iray rehefa maty d hindraindraina foana na d olona farak'izay tsy nisy mpitia zao aza nandritra ny fahavelomany.

Hay koa ianao mahatsikaritra izany,aleo tonga dia tsy miteny fa manjary miantsaravelatsihy mamorona zavatra tsy misy e

Ny tiako tenenina dia ohatra hoe misy olona iray maty izy vao omena ordre de mérite e sns, fa naninona ra velona izy no nomena anzany, tsy miraharaha izay antony aho fa amiko dia velona ny olona no tokony omena fankasitrahana fa tsy hoe maty izy vao hoe zao anie iny olona iny na zao.

Izay ilay hoe maty aho vao ra-malala,velona aho tsy tiany.Lasa mivadika indray izao io hoe maniry ny olona ho faty isika:D:D

Ka raha za manokana d tsy miasa saina amze hoe inona no ahatsiarovan'ny olona ahy zany aho fa fomba fiainako d am maha za ana ihany, rehefa maty aho d any aho zay.

Marina aloha izany e,fa ny rar manao izay hikirizany mba hanao ny tsara ho an'ny taranany kanefa misy ny ankizy sasany raha vao mikipy ny masony dia miady lova no ataony ary mivarotra amin'ny fotoana fohy ilay nosasarany nandritra ny androm-piainany.Misy anefa ny olona manodidina no milaza sy mampahatsiahy ny zanany na ny zafikeliny hoe mba tsara fanahy i ranona iny tamin'ny fahavelomany a,ary io dia tena mitombona ny hatsaram-panahin'ilay olona,fa ilay miteny zavatra hafa na toetra nisy ratsy ,tsy azo atao,fady be mihitsy:P:P.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0185