Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka.

1. diamondra27 ( 18/05/2007 21:22)
Raha io no arahina de tsy afaka hanao na inona na inona izany fa hanome fahafahampo ny mpiara-monina.

Ny ahy rehefa madio ny saiko de tsy miraharaha zay tenin'olona any aho.

Ahoana ny hevitrareo @io?
novalian'i sympa ny 23/05/2007 14:37
2. diamondra27 ( 18/05/2007 21:23)
misaotra mialoha ho an'izay mandray anjara
:-*:-*
3. sakaizakely ( 18/05/2007 21:48)
marina mihintsy izany any amintsika. Matahotra ny vavambahoaka dia tsy sahy manao n'inn n'inn, ny olona koa tia fosafosa sy be resaka rahateo dia tsy maintsy mitandrina be hatrany. Nefa matetika tsy mifanaraka @ tena mahafinaritra ny saina izany, ka miteraka frustration bedabe

soa ihany fa efa tsy am zany intsony izao ka nena na maloto na madio ny saiko, rehefa tiako atao dia ataoko satria za efa vhv lehibe :-P
4. andry08 ( 18/05/2007 21:53)
yes! Aza mihaino vavan'olona izany. Ny hatao ihany no hatao.:)
5. Zina ( 18/05/2007 21:53)
Ny ahy rehefa madio ny saiko de tsy miraharaha zay tenin'olona any aho.

atraty io diams :wink::-*
6. niryna ( 19/05/2007 06:02)
Miombonkevitra koa aho.Manao ny tsara ianao misy manenjika,tsy misy ary lazainy fa misy kou.Matetika raha maloto saina ilay olona dia izay ihany koa no mivoaka ao am-pony.:arrow:izay fantatro fa tsara sy tsy mandratra ny hafa no ataoko.:8-).Toetran'olombelona io fa tsy any dago ihany.:cry:
7. diamondra27 ( 19/05/2007 06:25)
sakaizakely: vhv lehibe:wink:, ahan.(Bon annif):-*:-*
ho an'izay be vava de somary asiana le we aza mifandrebireby fa samy vhv lehibe an!:lol::oops::oops:

Andry08,zina: yes =D=D
nyrina:marina mihintsy zany


8. sipagasy ( 19/05/2007 07:26)
mmhhh nahoana moa ny fiaraha monina no tokony hitsabaka @ fiainana manokana??? nefa koa ve dia ho ataon'io fiaraha monina io an-kila-bao raha tsy manaraka ny fenitra sy fepetra tokony ho eken'ny sainy??? mmhhh amiko aloha dia izaho no masi-mandidy @ fiainako izay vao ny fiaraha monina e!;-)
9. soanja ( 20/05/2007 06:16)
Ny fahitako azy indray dia mila jerena foana hoe aiza ny fiarahamonina misy anao. Dia inona no value na zavamanan-danja amin'izany societe izany. Mifandraika amin'ny value napetrakao amin'ny fiainana ve ny zavaboizina ao? Raha ny anao no hitanao fa misy dikany kokoa, misy fiantraikany amin'ny manodidina ve izany zavamanandanja apetrakao hiainanao izany sa hitatra ho jeren'ny taranaka ka tianao arahiny? Ary raha toa sanatria ka manimba ny taranaka izany?
Aiza ny marimaritra iraisana.
Matetika dia izay no mahaolonafaka ny olonafaka iray amin'ny saina sy ny fihetsika ary ny momba azy. Dia ny fahafahany mitady izay toerana mifanandrify amin'io fomba fisainany/Fiainany io satria any izy afaka mivelatra kokoa. Zany hoe fluide le olona amin'izany, afaka mi-s'adapte nefa koa tsy mijaly satria Mahafantatra fa impossible le mission. Fa rehefa tonga amin'ilay toerana izy dia azony antsoina hoe Paradisa ilay toerana mifandraika aminy.
Mahereza daholo. Tsara tokoa ny mampiseho ny mahaizy anao saingy ilaina koa fandanjalanjana izany raha hisy fiantraikany amin'ny fanabeazana sy ny hafa maro tsy tononina. Mora ny manova olona iray saingy sarotra ny manova fiarahamonina satria asa be manaraka ny arabe. Mila ezaka anefa ny zavadrehetra raha te hahatratra tanjona.
10. xxx ( 21/05/2007 15:41)
Eo indrindra ntsika izao. Sarotra be ilay mandanjalanja io fiaraha-monina sy ny vie privee io.

Ny hevitro dia samy manana ny safidim-piainany ny tsirairay ary manantanteraka izay tiany any an-tokantranony. Rehefa mivoaka ny tranony anefa izy dia tokony ny fifanajana sy ny fifandeferana no atao laharam-pahamehana.

200% manaraka ny filazany Diams hoe rehefa madio ny saina dia ok nefa ndraindray manafintohina loatra ny olona. Misy izao aty aminay olon-dehibe efa manan-jafikely fa dia tsy rony tsy vetiny eo, tsy hay izay nahazo azy tany, dia lasa manenjika tsotra izao. @ io telo-polo taona ny elanelan-taona ka sarotra be ny hiady @ olon-dehibe. Maka sisiny manao izay mahamety ny fiainanao ianao mahazo tsiny. Mifangaroharo @olona ianao, manao izay mety avonavona sy gidragidra ary teny marary no azonao. Dia tsy maintsy manindry fo, mitaty ny vava ataon\'izy mivady sisa no azo atao fa tsy vita ty hiady imasom-bahoaka ity.

@ alahady izao dia hivory ato an-trano indray satria samy gasy moa dia noho ny fiaraha-monina tsy mahazo manavakavaka. Rizareo koa tsy afaka ny handa satria matahotra tsarain\'ny fiaraha-monina hoe mpanavakavaka, dia efa miferin\'aina sahady fa tsy maintsy ahazo teny marary aman-taoniny ndray izao.Sa ve hovaliana am-pitoniana? Dia inona no tenenina?

Raha misy manana traikefa @ io Fiaraha-monina vs Vie privee io re dia mba atoroy fa sahiran-tsaina ny zandrikelinareo.


11. xxx ( 21/05/2007 19:17)
Izaho manokana dia mandrisika ny hihainoana ary hirarahina ny vavam-bahoaka ! Mihaino = Mihaino araka ny heviny fantatsika, teny gasy tsotra be. Ny miraharaha koa toy izany. Heveriko fa misy mahasoa antsika foana any, misy teny ampy antsika handinihan-tena sy hanatsarana ny fiainantsika. Dia anjarantsika ny mihaino, miraharaha sy mandray izay mahasoa antsika. Ny miraharaha anie tsy midika hoe "manaiky" e !
12. ikaretsaka ( 21/05/2007 20:07)
diamondra27:

Raha io no arahina de tsy afaka hanao na inona na inona izany fa hanome fahafahampo ny mpiara-monina.

Ny ahy rehefa madio ny saiko de tsy miraharaha zay tenin'olona any aho.

Ahoana ny hevitrareo @io?


raha mikasika olona ny sehatr'asanao dia mila mihaino tenin'olona ianao, satria ny fiaraha monina no tompoina, ny olona no soloinao vava, ny olona no miara miasa aminao.

fa raha mikasika anao manokana kosa dia marina tanteraka ny voalazanao
13. xxx ( 21/05/2007 20:36)
xxx:

Izaho manokana dia mandrisika ny hihainoana ary hirarahina ny vavam-bahoaka ! Mihaino = Mihaino araka ny heviny fantatsika, teny gasy tsotra be. Ny miraharaha koa toy izany. Heveriko fa misy mahasoa antsika foana any, misy teny ampy antsika handinihan-tena sy hanatsarana ny fiainantsika. Dia anjarantsika ny mihaino, miraharaha sy mandray izay mahasoa antsika. Ny miraharaha anie tsy midika hoe "manaiky" e !


bof!
14. Fiffi ( 21/05/2007 20:49)
bif bof zany koh ! :-D:-D:-D
15. malalatinasoa ( 21/05/2007 23:44)
xxx:

Izaho manokana dia mandrisika ny hihainoana ary hirarahina ny vavam-bahoaka ! Mihaino = Mihaino araka ny heviny fantatsika, teny gasy tsotra be. Ny miraharaha koa toy izany. Heveriko fa misy mahasoa antsika foana any, misy teny ampy antsika handinihan-tena sy hanatsarana ny fiainantsika. Dia anjarantsika ny mihaino, miraharaha sy mandray izay mahasoa antsika. Ny miraharaha anie tsy midika hoe "manaiky" e !


bof bif baaah :), raha ity vavan'olona rehetra ity no hohenoina sy rarahina dia ho lany andro sy marary an-doha @ tsy misy antony eo. Vao maheno ny fanaratsiana sy ny fanenjehana misesisesy ianao ka asianao sirany ilay izy dia efa malahelo. Dia hiferin'aina lava eo ve? Koa raha tsy andeha hitady raharaha @ ity fiainana efa tantara be ity koa :?.

Raha ireo olona tia sy manome conseil na dia masiaka indray tsy koi fa raharahiana kely klou dia izay tandrify no raisina.
16. soanja ( 22/05/2007 15:14)
OK aleo izao raisiko manokana ny ohatra aty aminay.
Tsy mahazo mividy labiera na toaka mihoatra ny 3.50 degire nagamba izy iny n'iza n'iza rehefa alahady. Nisy an'izay zatovolahy izay niteny hoe:" Fa maninona no tsy mahazo mividy aho refa te hividy? Raharahiako inona izay alahady na asabotsy na alatsinainy fa refa te hisotro aho ka manambola dia tokony afaka hividy. Diktatura izany amiko. Tsy rariny!"
Dia samy namaly azy teo ny olona hoe: "Ka ilay lalana anie isika abiaby no nandany azy tamin'ny vote e. Ka dia malahelo izahay milaza aminao fa rah te hisotro labiera ianao ny alahady dia aza hadino ny mividy azy asabotsy na zoma." Sady toran;ny homehy ny olona fa "ny alahady izany mba nofidiana ho andro fitsaharana hisotroana zavamahamamo eto amin'ny fiarahamoninantsika."

Ny olombelona dia miaina ao anaty fiaraha-monina. Ka raha misy tsy fitoviana amin'izay zavatra takian'ny vie privee-nao ny zavamisy ety ivelany dia atao akory fa izay ilay anjaranao izany. Mila miafy ianao raha ny fahendrena no resahina satria izay no mampiray sy mampivondrona.
Raha tsy zakanao io societe io dia miala tao. Mifindra tanana na firenana hafa mifanaraka amin'ny filanao. Io ilay ataoko hoe fahafahana sy paradisa ary fivoarana fa aza force-na ny karatra tompoko fa ianao ihany no simba amin'izany no ifarany.
Ny fifandraisan'olona aminao tokoa mantsy dia isan'ny fahasalaman'ny saina.
Fa raha kosa ny fiainanao any an-tranonao any no resahina ka tsy manelingelina ny hafa dia zohio tokoa fa aza miahiahy akory.
"Ny Saonjo iray lohasaha anea tsy ilaozan'izay hamarara" tsy maintsy misy ireny pistopistony mandreraka ireny. Izay ilay fiainana ka tsy mitovy ny olombelona na dia mitovy aby aza ny taova ao anaty ao.
Mila fandinihina fotsiny ny fiainana fa tsy asarotina akory. Ento mora raha io fa mbola lava le lalana an!
17. xxx ( 22/05/2007 18:10)
malalatinasoa:

bof bif baaah :), raha ity vavan'olona rehetra ity no hohenoina sy rarahina dia ho lany andro sy marary an-doha @ tsy misy antony eo. Vao maheno ny fanaratsiana sy ny fanenjehana misesisesy ianao ka asianao sirany ilay izy dia efa malahelo. Dia hiferin'aina lava eo ve? Koa raha tsy andeha hitady raharaha @ ity fiainana efa tantara be ity koa :?.

Raha ireo olona tia sy manome conseil na dia masiaka indray tsy koi fa raharahiana kely klou dia izay tandrify no raisina.

Ka izay ilay izy ! Ny an'ny olona mantsy matetika dia tiany ho ny olona tia azy ihany no hiteny, ny olona mody masiaka nefa tsy maintsy asiana doka kely koa any anatiny any ! Mba te hanao hoe izay "tandrify" no raisiny, nefa vao eo amin'ny mihaino fotsiny dia efa manao sivana be manadala ! Ka raha voasivana daholo moa ny mahasoa fa ny doka rako-dainga sisa mijanona ?! Indraindray koa na olona tia aza no miteny, saingy tsy tanty ny zavatra teneniny dia lazaina fa manenjika ! Amiko tsy izay no tokony handraisana ny vavam-bahoaka. Amiko izay manan-tsofina aoka hihaino foana, saingy tsy izay mihaino rehetra no manatanteraka ! Mila mampiasa atidoha rehefa avy mihaino fa tsy manara-drenirano.
18. naughtyboy ( 22/05/2007 19:15)
tsotsa ny hevitso @ io refa manana ny firehankevitra
ny tena tsy azo ozongozoniny oul hafa nefa tsy manafitohana koa de milammm8)hajao ny hafa otrany anajanao ny tenanao:)
19. xxx ( 22/05/2007 19:43)
Ny liberténareo izany dia mangina rehefa movovo ny alika rehetra ? Tsara hatao be ny vava, ratsy hatao vao maika fa lasa manaraka renirano fotsiny fa tsy manan-tsafidy intsony. Dia handeha hanao "mouton de panurge" hoatry ny lazain'i Rabelais satria matahotra ny vavan'ny olona! Tohizo ny lalana fa tsy hijery an'iza na hiandry ny hevitry ranona aho!
20. malalatinasoa ( 23/05/2007 03:29)
Mazava amiko ny fanazavany soanja sy naughtboy fa tokony hanaraka ny lalan'ny fiarahamonina misy eo @ toerana iray ny olona. Ary tokony hisy mandrakariva ny "fifanajana".

Raha resaka manokana any an-trano indray na "vie privee" dia misy karazan'olona tsy mihambahamba mitsofotsofoka sy manao commentaire ny @ fiainan-tokantranonao izay tsy misy idirany mihintsy. Ka toa izy indray no mitady hanjakazaka sy hanohintohina ny maha-ianao anao.
Raha ohatra moa ka miendrika fananarana ny itondrany azy na am-pahendrena ny hitondrany ny hafany dia henoiko tokoa izy ary mety hosaintsainako kely fa raha ny eso-esonteny sy latsa latsa (ohatry alika mivovo hoy i xxx2) dia ialako tsiny fa tsy hiharitra an'izany aho na dia tsy hivazavaza eny imasom-bahoaka akory.
Izay no hanoherako ny hevitrry ny xxx1 hoe tsy rahirahiana ny momba aminy, ary miditra sofina havanana, havoaka any ankavia.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3657