Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka.
21. xxx
(
23/05/2007 07:22)
malalatinasoa : Mitovy ihany ny tsy mihaino mihitsy sy ny mihaino amin'ny sivana ! Tsy mitovy kosa ny mihaino ary nitovy hevitra tamin'ny vavan'olona sy ny mihaino fa tsy nitovy hevitra.
Izaho koa mihevitra fa tsisy olona hifanena amin'i Malalatinasoa voalohany tonga dia hiditra amin'ny raharahan-tokatranony, tsy rony tsy ventiny eo raha tsy olona adala. Fa amiko matoa ny olona iray, ankoatra ny ray amandreny sy ny havana tena akaiky, miteny zavatra momba ny tokantrano dia nisy nanome irika hitenenany izy. Raha ny ray aman-dreny na ny mpiray tampo kosa no miteny mikasika ny tokatrano dia heveriko fa fitiavana ahy hanana tokatrano milamina izany, ka anjarako no mahita hoe marina sa tsia ny teniny. Raha ireo koa moa no heverina fa adala dia resaka hafa iny.
Mahagaga ahy fa izaho mihevitra fa tokony henoina sy rarahina ny vavam-bahoaka, saingy izaho kosa manda ilay hoe
Fa nahoana aho no hanaraka fotsiny amin'izao ? Izaho angaha olona tsisy saina, na olona malemy tsy afaka manohitra izay heveriko tsy mety ? Ny fifanajana dia tsy voatery fanarahana izay tian'ny fiaraha-monina. Amiko ny fifanajana dia miankina betsaka amin'ny fahaizana mihaino ny hafa. Raha tsy henoina akory izay lazainy, afaka hilaza ny hanaja olona ve ? Ary raha manaraka ambokony izay teneniny koa, afaka hilaza ho manaja ny mahaizy azy ny tena ve ?

fa tokony hanaraka ny lalan'ny fiarahamonina misy eo @ toerana iray ny olona. Ary tokony hisy mandrakariva ny "fifanajana".
Fa nahoana aho no hanaraka fotsiny amin'izao ? Izaho angaha olona tsisy saina, na olona malemy tsy afaka manohitra izay heveriko tsy mety ? Ny fifanajana dia tsy voatery fanarahana izay tian'ny fiaraha-monina. Amiko ny fifanajana dia miankina betsaka amin'ny fahaizana mihaino ny hafa. Raha tsy henoina akory izay lazainy, afaka hilaza ny hanaja olona ve ? Ary raha manaraka ambokony izay teneniny koa, afaka hilaza ho manaja ny mahaizy azy ny tena ve ?
22. sonwin
(
23/05/2007 08:17)
diamondra27:
Raha io no arahina de tsy afaka hanao na inona na inona izany fa hanome fahafahampo ny mpiara-monina.
Ny ahy rehefa madio ny saiko de tsy miraharaha zay tenin'olona any aho.
Ahoana ny hevitrareo @io?
mitovy hevitra 100%
23. sympa
(
23/05/2007 14:37)
Ny fomba andiniako azy aloa de raha zvtr fanampihana anao aloa le izy de mety anaraka ihany ao ee :!: Fa raha zvtr afa klo de aleo tsy miheno fotsiny de zay :!: :wink: