Jodasy

1. nikopol ( 16/05/2007 15:13)
Mba misy fanontaniana manitikitika ahy ho anareo izay nandalina ny baiboly, i jodasy ve lasa any amin'ny afobe sa nakany an-danitra ?
2. lapino ( 16/05/2007 15:24)
Zanaky ny fahaverezana ozizy Jesosy (raha tsy diso aho).
3. lapino ( 16/05/2007 15:27)
Jaona 17:12:
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
Raha nankany an-danitra izy tsy ho natao hoe very angamba ...
4. salmo1 ( 16/05/2007 15:31)
Fa nahoana i Jodasy no very.. knefa izy no varavarana hamonjena ny olona, mba hilantsahany Jesosy sang teo @ azo fijaliana:?:
5. lapino ( 16/05/2007 15:35)
Za koa manontany ...
6. Fiffi ( 16/05/2007 15:57)
salmo1:
Fa nahoana i Jodasy no very.. knefa izy no varavarana hamonjena ny olona, mba hilantsahany Jesosy sang teo @ azo fijaliana:?:
hummm....ary tena mahay caté tsara ange salmo zany an !


7. niryna ( 17/05/2007 06:41)
Ny fahalalako azy dia nivadika tamin'i Jesosy izy.Rehefa nahatsiaro tena izy fa diso dia namerina ilay vola namadiany an'i Jesosy.Efa nahafantatra izany izy fa nanao fahadisoana fa namadika olona marina,saingy araka ny voalaza Matio 27:5 manambara fa lasa nanato-tena izy.Namono tena izy izany ka io nataony farany io no nahatonga azy ho very.Toy ny fahotana rehetra izay tsy angatahina famelankeloka alohan'ny ahafantesana.Izany no antony hitoriana ny filazan-tsara mba hibebahantsika satria tsy misy mahalala izay ampitso.Na mamono tena na mamono olona dia samy fahotana ireo toy ny fahotana rehetra.Isaia 1:18 milaza fa Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo .Dia ho fotsy tahaka ny orampanala..raha manaiky sy mankatoa hianareo
Ho antsika velona na inona na inona fahotantsika ka manantona sy mibebaka ary mahafantatra isika fa diso,ka manantona an'ny tompo dia ho voavela izany.
Ny fahatsapana sy ny fahahiaikina ny zavatra tsy nety na ratsy nataontsika dia ahatonga an'Atra hanampy antsika amin'izany.
1 Jaona 1:11 Ary izay mankahala ny ralahiny dia ao amin'ny maizina, mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany,satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
8. bichette ( 17/05/2007 14:00)
hoy salmo1
Fa nahoana i Jodasy no very.. knefa izy no varavarana hamonjena ny olona, mba hilantsahany Jesosy sang teo @ azo fijaliana



hoy i niryna

Marina izany, izay no lalana efa plan'Andriamanitra.

Izao anefa, toy ny olombelona rehetra tsy ankanavaka, manana anjara ihany koa amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy amin'ny alalan'ny fibebahana. Raha nibebaka i Jodasy dia voavela ny helony na dia namadika an'i jesosy kristy aza izy, saingy tsy izany no nataony fa lasa izy TONGA dia namono ny tenany. Dia tsy nisy ny fibebahana, ary ny famonoan-tena moa dia fahotana ihany koa....

Namadika tokoa i Jodasy fa raha nibebaka izy dia voavela tanteraka ny helony.
9. prime ( 18/05/2007 15:19)
Mitovy hevitra amin'i bichette..
10. simplex ( 18/05/2007 15:29)

kanefa ra tsy namadika i Jodasy mety ho hafahafa ny fiafaran'ny tantara :P

11. nikopol ( 18/05/2007 15:54)
efa voasoratra ve ilay tantara sa nosoratana ?
12. simplex ( 18/05/2007 16:03)

ra nosoratana le izy tokony hisaotra azy i Jesoa sy A/tra

ra voasoratra le izy, karazana pion fotsiny lery zany, d ny an'iza no tsy efa voasoratra :roll::-w:-w
13. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:43)
avy namaky ny evanjely araka ny nosoratan'i Jodasy daholo indray ny mpianatra katesizy dia nanondrana
14. niryna ( 18/05/2007 19:51)
Izay indrindra ilay izy araka ny fanazavako eo ambony.Nahatsapa izy fa namadika ra marina,namerina ilay vola,raha nibebaka izy dia vita ny tantara.Saingy tsy izay no nataony:-@:-@nitifibasy ny tenany izy ka dia nanantontena irery.Asa aloha fa tena mangirifiry izany a,voadidin'ny antsy kely aza ny tena efa mijafaka kouo^o.
Izy efa voasoratra dia voasoratra ary izany no hitaomana ny namana mba hamaky ny tenin'ny tompo fa fiainana iainantsika hatramin'izay, amin'izao ary ho mandrakizay ny tantara sy ny fanoharana ao anaty baiboly.
Mahereza ary mangataha ny herin'ny Fanahy Masina hanazava ny teniny ao anaty baiboly.
(l)niryna
15. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:55)
samy nanda an'i jesoa izy sy i piera,
fa ny fibebahana sy ny famoizam-po no naha samihafa azy roalahy
lery namoy fo fa tsy nibebaka
16. niryna ( 18/05/2007 20:09)
ikaretsaka:

avy namaky ny evanjely araka ny nosoratan'i Jodasy daholo indray ny mpianatra katesizy dia nanondrana

Tsy nosoratan'i Jodasy izany no vakiako aloha fa Baiboly izay nosoratan'i Matio milaza an'i Jesosy izay Mpanjakan'ny mpanjaka sy ny Marka mitantara an'i Jesosy zanak'ATra.8)8).Ireo no isany misy ny tantaran'i Jesosy sy ny namadihan'i Jodasy Azy.

Aoka ary hono isika samy hamaky ny Baiboly hoy Ikaretsaka e.Io no mofon'aina izay hohanina isan'andro.Arakaraky ny hianarana sy handalinana azy no hiresahin'ny tompo amintsika be dia be kokoa.
Mifameno daholo ny Baiboly izay misy ny TT sy TV.8-)8-) ireo.
(l)niryna
17. simplex ( 18/05/2007 20:57)
za:
kanefa ra tsy namadika i Jodasy mety ho hafahafa ny fiafaran'ny tantara :p
18. ikaretsaka ( 18/05/2007 21:18)
ka tsy maintsy hosy hi "proteste" hamadika foana eo letsy e:D
19. xxx ( 19/05/2007 15:48)
ikaretsaka:

ka tsy maintsy hosy hi "proteste" hamadika foana eo letsy e:D

Io ilay lazaiko anareo,ity lehilahy ity miditra ato foana fa tsy mbola naheno aho hoe mivavaha amin'ny Tompo,manantona an'i Jesosy.Inona marina no tena paikan'ialahy io.Handrembirery ny sain'ny olona tsy hivavaka?Aza avadika moa ny resaka e.Valio izay tokony valiana fa tena reraka izahay ,tsy milaza ny marina ise.Tena nojerevako tokony fa izay aho vao nino fa tena tsy mamporisika anay mihitsy ise^^^^:roll:

20. ikaretsaka ( 20/05/2007 02:39)
ka tsy marina ary ve izany lazaiko izany?
raha misy diso, aiza no diso? raha marina, dia ahoana no mamely be fahatany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2798