Vavaka tsy mivaly?/antony?/ny tokony atao!!!

1. niryna ( 16/05/2007 07:05)
Matetika dia resaka eto foana io hoe tsy miresaka amin-tsika intsony Atra.Amiko dia Andriamanitra velona Izy.Atra tsy miova fa manome fanantenana antsika foana.Andriamanitra mamaly vavaka ihany koa.
Fanontaniana:
1) Fa maninona no antony tsy hiresahany amiko na aminao intsony?
2)Rehefa mivavaka izaho na ianao dia mety tsy mamaly izy.Inona no antony?
3)Inona izany ny vavaka tokony atao mba ahatonga azy hamaly.(marina fa sitrapony daholo ireo)fa misy fomba tokony atao mba ahatonga ny fivavahantsika hivaly.
Alefaso ary ny dinika ary dia misaotra antsika rehetra amin'ny fifampianarana sy fifandraisana anjara @ ny soratra masina.:D
(l)niryna
novalian'i niryna ny 02/06/2007 01:48
2. jemimah ( 16/05/2007 07:41)
zah niandry be lay valiny ka tsisy mba lazao hoe inona ny antony tsy hamaliany diso fangataka ve isika sa
3. cristal ( 16/05/2007 09:16)
(l)(l)(l)Bonjour niryna!
Tsy fomba ny vavaka fa refa resy lahatra ianao hoe tsy mahavita raha tsy misy azy dia,manolotra ny zavatra rehetra manahirana anao aminy satria efa voasoratra hoe;MANGINA FA IZAO HIADY HO ANAREO,Jesosy koa anefa na Andriamanitra dia misy zavatra takiany amintsika dia ny fahadiovan'io fontsika feno fahotana io io aloha no ento ho dioviny,dia maneke azy ho mpitondra ny fiainanao ka manao hoe "...nefa aoka ny sitram-ponao no atao fa tsy ny ahy,satria,IZYdia mahalala izay mahasoa antsika izay efa nisasarany hatrizay ka mandrankizay,mibebaha,aza manao ny fanaon'ny jetilisa sy ny fariseho,ary ny mpanoradalana,fa refa mivavaka dia ny vavaka vokatry ny fo tsy misy fiantsarambelatsiha no henoany satria fantany!Mahaiza mifona na t@ natao na ny @ mbola mety hatao ka mety ahadiso!Mazotoa mifankazatra amin'ny tsitoha dia tsy hanan-javamahory ianao!Ny olona mahalala ny tian'Andriamanitra nefa miery dia avelany ho eny,ka mila mahatsiaro tena mba tsy homeny lamosina,TSY NY MINO IHANY NO TIANY FA IREO IZAY TSY MINO KOA AZA NEFA MIBEBAKA!Mazotoa ry se a!(l)(l)(l)
4. leea ( 16/05/2007 09:23)
Andriamanitra anie mamaly vavaka foana e: raha mangataka zavatra ianao, mety ho eny ny valiny, mety ho tsia.
Tsy voatery hifanaraka amin'izay valiny andrasantsika akory.
5. sonwin ( 16/05/2007 09:52)
niryna:

Matetika dia resaka eto foana io hoe tsy miresaka amin-tsika intsony Atra.Amiko dia Andriamanitra velona Izy.Atra tsy miova fa manome fanantenana antsika foana.Andriamanitra mamaly vavaka ihany koa.



Izay indrindra ange oa e! Tsy mitombina mihitsy ilay lazain'i namana sasany hoe "Moana sy tsy miteny intsony Andriamanitra", amin'izay ref tsy izy mihitsy no omen-dry 'zalahy sy 'zavavy.
6. niryna ( 16/05/2007 15:18)
jemimah:

zah niandry be lay valiny ka tsisy mba lazao hoe inona ny antony tsy hamaliany diso fangataka ve isika sa

voavalinao sahady ny mety antony iray.:D

7. prime ( 16/05/2007 15:20)
Mitovy hevitra amin'i leea...
8. niryna ( 16/05/2007 18:15)
leea:

Andriamanitra anie mamaly vavaka foana e: raha mangataka zavatra ianao, mety ho eny ny valiny, mety ho tsia.
Tsy voatery hifanaraka amin'izay valiny andrasantsika akory.


Inona izany no tokony atao?

9. niryna ( 17/05/2007 06:11)
niryna:

Matetika dia resaka eto foana io hoe tsy miresaka amin-tsika intsony Atra.Amiko dia Andriamanitra velona Izy.Atra tsy miova fa manome fanantenana antsika foana.Andriamanitra mamaly vavaka ihany koa.
Fanontaniana:
Miresaka amintsika Atra ,amin'ny maha Atra velona aminy dia afaka miahaino Azy koa isika.Ahoana koa izany?
Avy amin'ny alalan'ny baiboly izy no miresaka antsika,ny fanahy masina izay nomeny antsika ,mihaina ao anatin-tsika dia omeny hery hampianatra,hitaridalana,hanitsy,hiaro,hampahery antsika amin'ny fiainana.Ny nofy ,ny fahitana,ny mpaminany.
Mandany fotoana miaraka aminy,mitady azy,fantaro ny tiany atao,hiezaho hialana ny hafany izay tsy asainy ataontsika.

1) Fa maninona no antony tsy hiresahany amiko na aminao intsony?

Isaia 1:2,15 2-Mandrenesa ry lanitra ary mihainoa ry tany .Fa Jehovah no miteny hoe:Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho.kanjo niodina tamiko ireo.15-Raha mananty tanana ianareo dia hitapy maso tsy hijery anareo Aho.Eny na dia manao vavaka be aza hianareo dia tsy hihaino Aho.

2)Rehefa mivavaka izaho na ianao dia mety tsy mamaly izy.Inona no antony?

Isaia 1:16 Misasa ianareo,diovy ny tenanareo.Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo;mitsahara fa aza manao ratsy.

3)Inona izany ny vavaka tokony atao mba ahatonga azy hamaly.(marina fa sitrapony daholo ireo)fa misy fomba tokony atao mba ahatonga ny fivavahantsika hivaly.

Isaia 1:17Mianara hanao ny tsara.Diniho izay rariny,anaro ny mpampahory.Omeo rariny ny kamboty,tsarao ny adin'ny mpitondratena.
Fampaherezana:Isaia 1:18,19,20Avy ary hifandahatra isikahoy Jehovah:Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo.Dia ho fotsy tahaka ny orampanala.
*Raha manaiky sy mankatoa hianareo .Dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany.
*Fa raha mbola manda sy miodina ihany ianareo dia ho lanin'ny sabatra.Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.

Ireo izany no mety antony izay voasoratra ary dia horesahina sy hiarahan'ny maro mifampiady hevitra :P
10. diamondra27 ( 17/05/2007 07:23)
1:

Atra mbola tsy mitsahatra ny miresaka @olona izany hatr@zao ka ho mandrakizay fa ny olo no tsy mihaino azy.

Be de be ny fomba itenenan'Atra amintsika: ohatra toriteny, hira masina , vavaka , vavaky ny hafa, , teny atsipin'ny tsy mpino, na teny lazain'ny olona miresaka aminao? boky, TV, internet....

2:
tsy hoe tsy mamaly vavaka Atra fa isika no be caprice, mila valiny eo no eo.
Ny vavaka de mety hivaly eo no ho eo na elaela na elabe
Matoa io fitsapana io mihatra aminao dia fatatr'Atra fa zakanao izay. Raha tsy zakanao de apetraho ary lazao direct Aminy we za tsy mazaka an'ity tsony fa ento ny ziogako tahaka ny nolazainao (@izay fotoana izay kosa anefa de manao ny asan'Atra ianao fa tsy manao ze hahasambatra sy ze mahafalifaly ny fonao fotsiny)

3: ny fomba atao de manatena ary misaotra azy mandrakariva @ zay valimbavaka azonao

Tsy ny soa ihany no azontsika Aminy fa indraindray fampianarana ho an'ny mpino izany mba hahazoany mitombo @ fahalalana tsaran'i Kristy


Conclusion:
MINO, MANATENA, MIVAVAKA isanandro ilay zavatra angatahina mamndrapivaliny

Ario lavitra le fisainana we za nagataka an'izao de izao ihany no tokony ho valin

Jereo le tao @ Luc , efa nandritra ny alina no nanjono ry petera sy ny anamny, professionnels doly nefa reo an! tsy nahazo na trondro 1
Vao niteny anaefa Jesosy we: alatsaho ny haratonareo , sns... de narahindry zareo izany de inona ny vokany? nahazo hazandrao be de be

Dieu répond à notre prière et donne avec abondance

Dieu est fidèle,

11. diamondra27 ( 17/05/2007 07:28)
minoa fotsiny ihany de angataho ny zavatra araka ny sitrapony fa tsy ny sitraponao

fijoroana vavolombena: sarotra be vao mahita trano aty France sy asa, efa kivy aho ary efa nandia fitsapàna maro vao nahazo izay nilaiko

be de be ny fahoriana mianjady tamiko, fa rehefa miray @ Kristy dia zava-poana izany rehetra izany. Tsy hoe: foana akory fa Atra manoro ansika @izay zavatra tokony ataontsika.

Hoy Izy:

Misaora @ zavatra rehetra(na tsara na ratsy)
Mifalia mandrakariva.

12. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:32)
Ny ahy dia ny fara vavaky ny Jesuites foana no hitondrako an'io..
ny Jesuites rehefa mamarana vavaka dia misy manao hoe
"Aoka anefa tsy ho izay tiako/tianay no hiseho amiko/aminay ry Tompo, fa Izay sitrakao sy fantatrao fa mety hahasoa ahy/anay"

Bene, cum Latine nescias, nolo manus meas in te maculareItalic text:wink:
13. niryna ( 18/05/2007 19:43)
diamondra27:

1:

Atra mbola tsy mitsahatra ny miresaka @olona izany hatr@zao ka ho mandrakizay fa ny olo no tsy mihaino azy.

Ny fanahy masina ao amintsika no endrika iray hiresahany amintsika koa.

Be de be ny fomba itenenan'Atra amintsika: ohatra toriteny, hira masina , vavaka , vavaky ny hafa, , teny atsipin'ny tsy mpino, na teny lazain'ny olona miresaka aminao? boky, TV, internet....

=D

2:
tsy hoe tsy mamaly vavaka Atra fa isika no be caprice, mila valiny eo no eo.
Ny vavaka de mety hivaly eo no ho eo na elaela na elabe

Ka mba mihantahanta indraindray kou:miam:

Ario lavitra le fisainana we za nagataka an'izao de izao ihany no tokony ho valin

Isika matetika dia tsy manana faharetana ka izay no mety evitra hitenenana hoe tsy mety mamaly izy.(l)(l)

14. ikaretsaka ( 18/05/2007 19:46)
tsy hoe tsy manam-paharetana isika, fa manantena lalandava hoe ho arak'izay sitrapontsiaka FOANA no valim-bavaka!
tsy voatery nefa
15. xxx ( 19/05/2007 16:01)
Mamaly vavaka Izy fa isika no tsy mihaino Azy.
Tsy Izy no hivavahantsika fa rehefa misy manjo vao mankany aminy.Tsy hamaly mihitsy Izy raha tsy Izy irery no hifatoan'ny saintsika.:o
16. tywa68 ( 19/05/2007 16:11)
ikaretsaka:

tsy hoe tsy manam-paharetana isika, fa manantena lalandava hoe ho arak'izay sitrapontsiaka FOANA no valim-bavaka!
tsy voatery nefa


=D=D


17. Mmamisoa ( 20/05/2007 11:21)
niryna:

leea:

Andriamanitra anie mamaly vavaka foana e: raha mangataka zavatra ianao, mety ho eny ny valiny, mety ho tsia.
Tsy voatery hifanaraka amin'izay valiny andrasantsika akory.


Inona izany no tokony atao?




Ka efa oé "ENY = eken'Atra" na "TSIA = lavin'Atra" ny fangatahana atao!! izy no mahay sy mahalala ny zvt mety sy tsy mety @tsika ka inn ndray no tadiavinao tokony atao?? refa "TSIA" ouz Atra tsy andé hi insiste @ eo fona!! matoa "TSIA" ny valiny d'efa tsy mety @nao izany lé zvt atao!! ary raha mbola mi insiste dé tsy manaiky ny sitrapony zany....
:P


18. Mmamisoa ( 20/05/2007 11:55)
Misy adinoko sy ahitsiko kely! :lol:
Ny zvt mety tokony atao zany mba ho tanteraka ny fangatahanao : dé manova ny fomba fangatahana satria mety nisy tsy nety ny fangatahana natao.... atao @ fo madio.. arahina finoana ihany koa...


19. niryna ( 20/05/2007 13:21)
Mmamisoa:

Misy adinoko sy ahitsiko kely! :lol:
Ny zvt mety tokony atao zany mba ho tanteraka ny fangatahanao : dé manova ny fomba fangatahana satria mety nisy tsy nety ny fangatahana natao.... atao @ fo madio.. arahina finoana ihany koa...




=D=D=D Izay no antony iray tokony atao.
Ho antsika rehetra izay vonona ny anaraka an'i Kristy
Miresaka,mitalahoa,mandoaliha miantso ny Anarany(Kristy),miankohofa miantso ny Anarany(Kristy),mivavaka amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy irery ihany.Izy irery ihany no Andriamanitra Velona.Tsy misy NA IRAY AZA MAHASOLO AN'I JESOSY RAHA HIVAVAKA ISIKA NA HANGATA-JAVATRA NA HITALAHO NA HIANKOHOKA.Hatramin'izao hoy Izy dia mbola tsy nangataka zavatra tamin'ny Anarako ianareo(until now,you never ask anything in My Name).Matoa Izy manambara izany ao anaty Baiboly dia tsy taminy isika no nangataka, misy olona mandeha any amin'ny hafa ka manao azy ho andriamanitra kely hangatahany zavatra:cry:Tsia,tsia Jesosy irery ihany no tokony hitalahona sy hivavahana ,mangataha amin'ny Anarako dia omeko ianao(ask in My Name then I will give unto you),ary dia ataoko ho tanteraka ny fifalianao(and your joy will fullfilled).
Ho antsika rehetra izay manaraka an'i kristy raha te-ahazo valimbavaka dia amin'ny Anarany no angataho fa hainy sy omeny anao izay rehetra mahasoa anao.Manaova fanandramana raha tsy mahatoky ahy ianao.
Vavolombelona:jereo ao anatin'ny fandaharana iray "Niova ho kristiana aho/vavolombelona."Afaka mijoro koa ianao mba aharesy lahatra ny namana mangetaheta an'i Kristy.
Fivavahana no horesahiko sy hisitomako ny namana rehetra eran-tany,fivavahana izay mino an'i Kristy irery ihany koa no toriko eto ary hijoroako vavolombelona.Andramo ka zahao fa tsara Izy,velona i Kristy,Andriamanitry ny velona no hivavahana tsy misy na iray aza mahasolo Azy.Mivavaha, manetre-tena, esory ny fo feno fankahalana,maro no mamaly ratsy ny ratsy ary ny tena nahagaga ahy dia kristiana daholo no tena betsaka tao,miakatra mihitsy ny vato:cry:mialatsiny aho fa tena malahelo satria ny atao hoe kristiana dia miova fo,raha mbola izaho na ianao omaly tsy miova ihany dia inona no maha-kristiana ahy na ianao,mifona,aza manenjeky ny lavo,omeo fitiavana ny fahavalonao(l)(l)(l),raha olona tianao ihany no omenao fitiavana,inona no dikan'izany.Sarotra io fa andramo taterahana manao famerenana toy ny zavatra rehetra(pratique)Tsy misy fihovana izany ny fiainanao?:b Tsy misy dingana vaovao niova izany ianao raha atao hoe kristiana:?::roll::roll:Raha tsy misy mahasamy hafa ahy sy ianao amin'ny tsy mpino:idea:inona no andaniantsika fotoana hitoriana,hianarana,hiainoana ny kristiana namantsika raha mitovy ihany tsy misy fihovana ny fiainako sy ny anao amin'ny tsy mpino ???

(l)niryna

20. niryna ( 20/05/2007 13:31)
Ho antsika rehetra izay vonona ny anaraka an'i Kristy
Miresaka,mitalahoa,mandoaliha miantso ny Anarany(Kristy),miankohofa miantso ny Anarany(Kristy),mivavaka amin'ny Anaran'i Jesosy Kristy irery ihany.Izy irery ihany no Andriamanitra Velona.Tsy misy NA IRAY AZA MAHASOLO AN'I JESOSY RAHA HIVAVAKA ISIKA NA HANGATA-JAVATRA NA HITALAHO NA HIANKOHOKA.Hatramin'izao hoy Izy dia mbola tsy nangataka zavatra tamin'ny Anarako ianareo(until now,you never ask anything in My Name).Matoa Izy manambara izany ao anaty Baiboly dia tsy taminy isika no nangataka, misy olona mandeha any amin'ny hafa ka manao azy ho andriamanitra kely hangatahany zavatra:cry:Tsia,tsia Jesosy irery ihany no tokony hitalahona sy hivavahana ,mangataha amin'ny Anarako dia omeko ianao(ask in My Name then I will give unto you),ary dia ataoko ho tanteraka ny fifalianao(and your joy will fullfilled).

Raha mbola tsy nahita na tsy nahazo famonjena tamin'i Kristy ianao dia andramo ny mivavaka amin'ny mangina ka antsoy Izy fa hiresaka aminao ny Fanahy Masina.
Toy ny zavatra rehetra mila manao fanandramana(mianatra piano,manao choral,mianatra manjaitra,sns)tsy tonga dia haintsika sy fantantsika daholo,Nisy ezaka tao,dia toy izany ihany koa ny fanantonana an'ny Tompo.Ny zavatra nataoko ka nahitako ny Tompo no teneniko anareo.Tsy misy an-tery anefa io fa anjaranao no mandanjalanja sy manantona Azy ary miantso ny Anarany raha tianao izany hanana fahasambarana sy fifaliana izany:D:D.Mangataha Aminy ny Fanahy Masina hiara-dia aminao sy hanoro anao.:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3926