ensemble de dieu ou pantecotiste

1. bonaventure ( 14/05/2007 10:15)
inona jkay no mampiavaka ,y assemblé de dieu sy ny pantecotiste,fa tsy mazava amiko tsara ary misy hifandraisany @ protestant ve ireo ok
répondu par ikaretsaka le 20/05/2007 23:35
2. diamondra27 ( 14/05/2007 12:03)
samy protestant daholo ireo

Ny pentecotiste de manandratra ny FM , manome plasy bebe kokoa @ asan'ny FM,

3. lapino ( 14/05/2007 13:44)
toa ny anarany fotsiny no tena mampiavaka an'ireo
4. booboo ( 14/05/2007 15:25)
5. soanja ( 14/05/2007 16:36)
bonaventure:

inona jkay no mampiavaka ,y assemblé de dieu sy ny pantecotiste,fa tsy mazava amiko tsara ary misy hifandraisany @ protestant ve ireo ok


Tsy fantatro ny any Mada fa ny aty US dia tsy afaka mipataloha na mikavina na manao haingo tsy misy ifandraisan'ny amin'ny filan'ny vatana ny mpiangona pantekotista. Ny assemble anefa dia manao izay tiany fa tsy voafetra ny akanjo hanaovana.
Ny fomba handraisana ny batisa, zany hoe ny teny resahina eo ampanaovana azy koa tsy mitovy.

6. diamondra27 ( 14/05/2007 19:47)
ny ADD dia mbola mizara2
ADD Evangelique
ADD Baptiste

ny ADD évangelique de manao batisa olondebe sy manome toerana ho an'ny FM

Ny ADD baptiste : manao batisa olondebe, tsy manome toerana ho an'ny FM @ culte

Ny pentecotiste: manao batisa olondebe sy manome temps kely mandritra ny culte hiantsoana ny FM sy hanao ny asany, zany we le pasitera mangataka @ mpiangoan we zao de angataka ny FM isika hiasa ao anatintsika de le manome alalàna manokana ho an'izay nahazo dons hampiasa izany= miteny @ fiteny tsy fantatra etc... fanasitranana ...
7. xxx ( 14/05/2007 22:31)
Ilay hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra: fa ahoana moa ny Fanahy Masina no mampiteny amin'ny teny tsy Fantatra e? Fa angaha izy tsy Andriamanitra? Angaha izy tsy ho an'ny rehetra? Nahoana no miteny amin'ny teny tsy azon'ny rehetra? Aiza ao amin'ny soratra Masina no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fanatra ny Fanahy Masina? Mba hazavao hoe!
8. bonaventure ( 15/05/2007 06:07)
xxx:

Ilay hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra: fa ahoana moa ny Fanahy Masina no mampiteny amin'ny teny tsy Fantatra e? Fa angaha izy tsy Andriamanitra? Angaha izy tsy ho an'ny rehetra? Nahoana no miteny amin'ny teny tsy azon'ny rehetra? Aiza ao amin'ny soratra Masina no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fanatra ny Fanahy Masina? Mba hazavao hoe!


zako aza mba gaga,maheno lay olona miteny tsy fantatra,efa 3 ans aho no tao ADD fa nisy vokany teo @fiainanko:lol:
9. niryna ( 15/05/2007 07:40)
xxx:

Ilay hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra: fa ahoana moa ny Fanahy Masina no mampiteny amin'ny teny tsy Fantatra e? Fa angaha izy tsy Andriamanitra? Angaha izy tsy ho an'ny rehetra? Nahoana no miteny amin'ny teny tsy azon'ny rehetra? Aiza ao amin'ny soratra Masina no milaza fa mampiteny amin'ny teny tsy fanatra ny Fanahy Masina? Mba hazavao hoe!

Afaka jerevanao any amin'ilay hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra (speaking tongue) tany aloha fa ao no misy fanazavana betsaka.
Fitiniko kely.
Matio 18:18 sy ny Marka 16:16-17"Manambara ny fitoriana ny filazantsara ary ny fanomezan'ny tompo ny herin'ny fanahy masina ho an'ireo izay rehetra mino.Izay mino sy atao batisa hoy izy no ho vonjena.Nampilaza ihany koa Jesosy fa hanome famantarana dia ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra,fanasitranana, fametrahan-tanana ho an'ny marary ary ny fandroahana ny demony.
Ireo fahasoavana ireo izany dia mety ho tonga amin'ny mpino fa tsy hoe olona efa voatokana no manana an'io.
Mety olona tsy mino koa aza no omeny azy mba hideran'ilay olona ny voninahiny.
Vavolombelona:silamo nigadra ary naheno feon-kira tsara sy mahafinaritra,nanantona ilay toerana izy ary dia nantsoin'ireo kristiana hiaraka aminy.Nanaraka ny fampianarana soratra masina izy ary nilaza izy fa mbola tsy nanana izany fifaliana tamin'ny fiainana izany.Fehiny niova fo izy ary nivadika ho kristiana.Tsy voatery ho mpivavaka no omen'ny tompo ny fanahy masina hampiova fo ny olona,fa na tsy mpino aza dia mety miova.
Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia misy karazany maro:Teny avy any an-danitra ary ilay olona sy Atra irery no mifampiresaka,tsy fantatra ilay izy fa tsy maintsy misy omeny hery koa eo andika ilay teny.
Mety teny tsy mbola hainao mihitsy ary dia lasa mitoriteny amin'iny teny iny ianao.Lavabe io fa fanazavana kely fotsiny no teneniko :D:

10. xxx ( 15/05/2007 08:01)
niryna:


Mety teny tsy mbola hainao mihitsy ary dia lasa mitoriteny amin'iny teny iny ianao.Lavabe io fa fanazavana kely fotsiny no teneniko :D:



Io lazainao io no mamaly ny fanontanian'i xxx. Raha teny tsy fantatra tsy misy "cible" dia tsy mino mihitsy aho fa Fanahy Masina fa fanahy mantsina izany! Gasy daholo ve no manodidina sy itoriana teny dia tena tsy misy maha-kobo fa bla bla bla sy blu blou sy wan wan wan miaro kiakiaka no heno!
11. cristal ( 15/05/2007 09:23)
(l)(l)(l)Aoka hazava fa ny FLM + FJKM no antsoina hoe Protestanta;izay niala tao @ katolika;noho ny teny nolazain'i Kristy dia ny tsy tokony iainantsika ambany lalana tahaka ny fariseho sy mpanoradalana satria ireny hoy jesosy dia mbola any aorian'ny mpivarontena sy ny mpijangajanga ny fidirany any an-danitra;"IZAY ATAONAREO REHETRA DIA ATAOVY AMIN'NY FITIAVANA"Ikor16/14!Ny amin'ny hoe miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia ny mpaminany sy ny Apostoly ihany no nampitenenin'ny Fanahy masina fa ny @ androntsika ankehitriny dia tsy mitombona intsony!Tandremo fa ny devoly ange ka mahay lavitra noho ny kristianina ny BAIBOLY sy ny SM e!vakio izy naka fanahy an'i jesosy teny antendrombohitra;tsy ny fanaovana izay voalaza ao @ baiboly no zava-dehibe fa ny fiainantsika izay voasoratra ao;zahao toetra ny fanahy;rehefa avy eo isika dia hiteny hoe:Moa tsy efa nanala dimonia t@ anaranao va zahay; moa tsy efa nanao batisa tamin'ny anaranao va izahay;dia hoy Jesosy hoe TSY FANTATRO IANAREO.Dia tahaka izany no nilazany tao Korinto hoe;"MIDERA AHY @ VAVA SY MOLOTRA IRETO FA NY FONY KOSA LAVITRA AHY" Tandremo mandehana mahintsy ary vakio tsara ny Baiboly dia mangataha ny Fanahy Masina hanazava antsika fa tsy mahalala na inona isika raha tsy misy FM hanazava(l)(l)(l)
12. prime ( 15/05/2007 11:30)
Raha vao fivavahana kristiana tsy ao anatin'ny katôlisisma roa lehibe (Rômana sy Ôrtôdôksa) dia efa protestanta avokoa...

Mifanakaiky dia mifanakaiky ny foto-pinoan'ny pentekôtista sy ADD ary efa somary voasoritra ireo ambony ireo ny lehibe ka tsy ampiako intsony aloha...
13. diamondra27 ( 15/05/2007 15:58)
prime:^:^

cristal: A@izao androntsika izao ve?
mety misy ny maha-marina ny teninao raha toa ka tsy mari-pototra le izy (misy mpanararaotra)fa za kosa dia afaka mijoro fa za tsy fitaovan'ny devoly izany rehefa miteny @ fiteny tsy fantatra. Misy ny miteny tout court ary misy ny olona sady miteny no mandika ilay fitenytsy fantatra.

Efa nomen'Atra ahy io dia ampiasaiko(rehefa teren'ny Fanahy aho) ary tsy ny olona rehetra no mahazo an'io fa ny sasany mahazo fanomezam-pahasoavana manasitrana, ny sasany mitaona olona, ny sasany faharetana, fanaovantsoa sns

Tsy voatery any am-piangonana ihany no hahafahanao manao io fa na dia ao an-tranonao mitokana rehefa mivavaka ianao ka tena madio de tonga aminao ny FM
Mety misy tsy mahazo ny tiako lazaina fa de ambarako dieny izao : tsy we akory izay tsy manana an'io de tsy madio eo anatrehan'ATra fa ny tiako ambara de we rehefa tena pure ianao vao afaka tonga Izy

14. xxx ( 15/05/2007 16:09)
diamondra27:


Efa nomen'Atra ahy io dia ampiasaiko(rehefa teren'ny Fanahy aho) ary tsy ny olona rehetra no mahazo an'io


Misy tromba ianao izany.
15. pissoa ( 15/05/2007 16:16)
Neveriko fa marina amin'ny Protestant rehetra hoe efa ampy ny Baiboly ! Nefa dia mbola betsaka ny milaza tena ho mpaminany, tsy vitsy koa no milaza azy hoe nahazo hafatra tamin'ny teny tsy fantatra ... tsy azo intsony, marina e ! :roll:
16. prime ( 16/05/2007 14:04)
pissoa: tsy mazava ny tianao ambara amin\'ny hoe \"amin\'ny protestant rehetra dia ampy ny baiboly nefa dia mbola betsaka no milaza tena ho mpaminany\"... misaotra

Ny amin\'ny hoe nahazo fanomezam-pahasoavana miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra dia ny tenin\'Andriamanitra mihitsy no manamarina izany ka rehefa misy milaza ho manana izany moa tsy tsara va izany? sa ahoana hoy ianao?...

Hoy ny tenin\'Andriamanitra mantsy momba izany amin\'ny anaran\'i Jesosy Kristy :

\"4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin\'ny olona rehetra.7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan\']8 Fa ny anankiray nomen\'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,9 ary ny anankiray finoana, amin\'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin\'izany Fanahy iray izany ihany,10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin\'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery]11 Ireo rehetra ireo dia asan\'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika]\" I Korintiana 12:4-13
17. prime ( 16/05/2007 14:12)
pissoa: tsy mazava ny tianao ambara amin'ny hoe "amin'ny protestant rehetra dia ampy ny baiboly nefa dia mbola betsaka no milaza tena ho mpaminany"... misaotra

Ny amin'ny hoe nahazo fanomezam-pahasoavana miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia ny tenin'Andriamanitra mihitsy no manamarina izany ka rehefa misy milaza ho manana izany moa tsy tsara va izany? sa ahoana hoy ianao?...

Hoy ny tenin'Andriamanitra mantsy momba izany amin'ny anaran'i Jesosy Kristy :

"4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan']8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany,10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery]11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika]" I Korintiana 12:4-13
18. pissoa ( 16/05/2007 16:47)
Prime : azonao tsara ny tiako ambara fa resaka malaza eto io Baiboly azo ampiana sy tsy azo ampiana io. Ka rehefa milaza fa "tsy azo anampiana ny baiboly" --- mbola tokony misy "mpampinany" ve amin'izao hitondra hafatr'Andriamanita ?! Heveriko fa tsy "faminaniana" intsony raha zavatra efa voambaran'ny Baiboly no mbola ho averiny indray ! Fa misimisy ihany nefa ireo nilaza tena ho mpaminany na gasy na vazaha ! :-D:-D:-D

Dia toy izany koa, "tsy azo ampiana ny baiboly" ka inona no ilana olona "hiteny amin'ny teny tsy fantatra" ... ny baiboly anie ohatra efa voadika amin'ny teny gasy e ! Dia ilana olona ve hiteny zavatra ao amin'ny Baiboly amin'ny teny tsy fantatra aloha, izay vao hadika teny gasy indray ?! :{:{:{ Toy izany koa ny teny frantsay, anglisy ... Raha misy tany mbola tsy manana dikan'ny Baiboly dia ie - mety misy olona ho any ary hiteny ny teny tsy fiteniny toy ny nitenenan'ny apostoly !
19. lapino ( 16/05/2007 17:02)
pissoa:
Neveriko fa marina amin'ny Protestant rehetra hoe efa ampy ny Baiboly !
:roll::roll::-w:-w

Nefa dia mbola betsaka ny milaza tena ho mpaminany, tsy vitsy koa no milaza azy hoe nahazo hafatra tamin'ny teny tsy fantatra ... tsy azo intsony, marina e ! :roll:
Tena misy izany, fa aza dia atao vazivazy. Tena misy tena misy!
Na dia misy koa aza no misandoka.
20. pissoa ( 16/05/2007 17:42)
pissoa:

Neveriko fa marina amin'ny Protestant rehetra hoe efa ampy ny Baiboly !

:roll::roll::-w:-w

Diso nga io ?! Ampy araka ilay hevitra hoe : tsy azo ampiana (tsy azo hanalana) :oops::roll:

Tena misy izany, fa aza dia atao vazivazy. Tena misy tena misy!
Na dia misy koa aza no misandoka.

Andray ! za angaha mamazivazy ?! Za aza manontany ... de io ambony io ny anton'le fanontaniana :oops::oops::oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0794