ensemble de dieu ou pantecotiste
21. niryna
(
17/05/2007 05:24)
diamondra27:
cristal: A@izao androntsika izao ve?
mety misy ny maha-marina ny teninao raha toa ka tsy mari-pototra le izy (misy mpanararaotra)fa za kosa dia afaka mijoro fa za tsy fitaovan'ny devoly izany rehefa miteny @ fiteny tsy fantatra. Misy ny miteny tout court ary misy ny olona sady miteny no mandika ilay fitenytsy fantatra.
Dia ahoana izany ireo toriteny sy vavaka alohan'ny hanalana demony ireny ohatra efa noteneninao hoe mandehana miangona any amin'ny 67 ha?Ny teny ao amin'ny Marka 16:18" Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino:hamoaka demonia amin'ny anarako izy,hiteny amin'ny fiteny izay mbola tsy hainy izy(io ilay fiteny tsy fantatra na(speaking tongue),handray menarana izy ,ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy,dia tsy hampaninona azy izany,hametra-tanana ny marary izy dia ho sitrana ireny."
Efa nomen'Atra ahy io dia ampiasaiko(rehefa teren'ny Fanahy aho) ary tsy ny olona rehetra no mahazo an'io fa ny sasany mahazo fanomezam-pahasoavana manasitrana, ny sasany mitaona olona, ny sasany faharetana, fanaovantsoa sns
Manaiky an'izany koa aho,tsy hoe akory isika hiteny hoe omeo ahy izao na izao,ny fanahy masina no manome sy manendry ny olona izay tiany anaovana izany amin'ny fotoana izay ilaina izany.
Tsy voatery any am-piangonana ihany no hahafahanao manao io fa na dia ao an-tranonao mitokana rehefa mivavaka ianao ka tena madio de tonga aminao ny FM
Mety misy tsy mahazo ny tiako lazaina fa de ambarako dieny izao : tsy we akory izay tsy manana an'io de tsy madio eo anatrehan'ATra fa ny tiako ambara de we rehefa tena pure ianao vao afaka tonga Izy
Toy isika manana finoana ka na ny olona ao an-trano sy ny manodidina na ny namana aza hivavahana dia mamaly vavaka Atra.Toy izany ihany koa ny fanasitranana,ny nofy,ny fahitana.Miresaka amintsika Atra amin'ny alalan'ireo,na olona manodidina anao,na olona izay miendrika anjely.Olona tsy fantatrao kanefa mamonjy anao amin'ny zavatra tsy ampoizina.Maro fa mino fotsiny ihany ary dia manaova fanandramana fa ho hitanao ny vokany rehefa tena mino sy mivavaka ianao.
Ahoana hoy ny Matio 7:7? Izay mangataka dia omena,izay mitady dia ahita,ary izay mandona dia hovahana.Moa va misy zavatra sarotra amin'ny Tompo?
* Misy nomen'ny tompo fahasoavana dia ireny tena olon'ny tompo ireny izay lasa mpitandrina,voaantso sy miofana,mpiandry,sns na olona ampiasain'ny tompo ao am-piangonana.
*Misy ny olona tsotra dia voaantso hanampy na hamonjy ny fanahin'ny maro ary dia nomeny hery hitori-teny.Ny herin'ny fanahy masina no miasa ao aminy.
*misy ny olona mpino ary misy fotoana tonga sy miresaka aminy ny Fanahy Masina(Holy Spirit na Holy Ghost)no filaza azy.
Tsy tromba velively io ary tsy ghost amin'ny fiteny gasy na lolo manangatra.
Isika tsirairay avy dia nomen'Atra fahasoavana fa anjaran-tsika no mangataka aminy mba hiseho izany fahasoavana izany na rehefa fantatrao dia ampiasao fa aza atao ao am-paosy fotsiny.Mahasambatra ny mizara no ny mandray.:P:P
Dia ireny manao choral ireny,mitendry zava-maneno,afaka mampiasa ny talentany amin'ny toerana izay hanampiany olona ianao fa tsy any am-piangonana ihany.Ohatra akaiky dia isika rehetra izay mandray anjara ary mitory sy mifampianatra ny tenin'ny tompo ato amin'ny serasera.Marina fa misy foana ny tsy hitovian-kevitra fa rehefa mahafantatra isika fa ny tenin'ny masina no hifampianarantsika dia efa tena zava-dehibe ho an'ny namana rehetra izay mandray anjara sy mitady fanampiana ato.8)8)
(l) niryna
22. diamondra27
(
17/05/2007 07:04)
xxx:
diamondra27:
Efa nomen'Atra ahy io dia ampiasaiko(rehefa teren'ny Fanahy aho) ary tsy ny olona rehetra no mahazo an'io
Misy tromba ianao izany.
_______________________________
tsy ifandaharana io ry xxx fa rehefa tsy mbola tonga ny fotoany de tsy azo forcé-na io
tsy mampaninona ahy nge zay filazanao na inona na inona fa de tsotra ny teniko angataho Ny Fanahy Masina hanazava azy aminao.
Tiako lazaina aminao fa za dia anisan'ny olona nanenjika ireny olona miteny tsy fantantra ireny ,t@ za mbola tsy nahalala dia nolazaiko sy noeritreretiko hoe: efa ifanarahan-jareo le fitenenana sy ianarany par coeur, dia rehefa miteny iny le pasteur hoe: zao ary dia hangataka @ FM isika hiasa sns... de misy olona miteny @ zay , de le olon-kafa iray no mamaly na miteny hafa indray.
Volana maromaro no nahenoko sy nanavatevaiko izany dia sendra namonjy fivoriana tao@ FEI Behoririka t@ zay , de indro fa tonga tamiko ny FM nampiteny ahy, ary za tsy nahalala raha tsy ilay namako no niarahaba ahy hoe: arahabaina indry, de gaga za we fa nnisy inona? De izy namaly hoe: ngah ndry tsy nahalala fa niteny sady nandika t@ fiteny tsy fantatra indry.
Dia nisaotra ny Tompo aho
Tsy mahamenatra ahy ny mitantara izany , fa fahasoavana noraisiko sy azoko t@ Tompo.
Samia fotsiny mandini-tena hoe: inona moa ny don azoko t@ Atra fa samy manana io daholo isika.
Fantaro ny anao dia ampitomboy.
Aza ilaozana mitsikera sy manaratsy fa tsy le olona no haratsianao fa Atra sy ny asany.
ny olona dia fitaovana fotsiny ihany. Atra no tompon'ny teny farany
Misaotra anao :-*:-*
23. niryna
(
18/05/2007 07:22)
diamondra>Misaotra nanazava ny fitenenana amin'ny teny tsy fantatra.Araka ny nolazaiko sy nazavaiko dia tsy ho voatery ho teny tsy hainao no omen'ny fanahy masina anao,mety miteny hafa amin'ny firenena izay hitoriana teny ianao na hanaovana mission.Misy miteny mantsy ao mandraby hoe rehefa hiboredika amin'ny teny hafa ve ianao tsy ho fantatray hoe tsy teny gasy?Mety mahay teny afrikana na izay karazan-teny erak'izao tontolo izao ianao araka izay toerana andefasan'ny tompo anao.Ny teny izay tsy fantatra iray dia miteny amin'ny fanahy masina ka teny avy any an-danitra izay tsy mahay azy izay olona manodidina azy eo fa saingy kosa tsy maitsy misy olona nomen'ny fanahy masina handika iny teny iny.Na ilay nahazo ilay teny na olona hafa mihitsy.
Vavolombelona:efa namaky ny bokin'i Nenilava ianareo?
Tantara sy fijoroana ho vavolombelona.Ao amin'ny fiangonana 67 ha no misy mivarotra azy na any amin'ny fampielezana literatiora loterana,na mpampiely baiboly.Mitantara ny boky fa efa im-piry izy no matory ary misy amambolana maro ary dia hivavahana satria izy efa namela hafatra foana fa andeha ho any amin'i Jesosy. Nenilava no nomen'ny tompo fitenenana 12 isa ary niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra izy.
^:^^:^^:^
Raha namaky ny tantara marina nalefako ho fijoroana vavolombelona ianareo"Mitomany Izy mahita ireo tsy nanaraka Azy".Tantara mikasika ny afobe.Olona anisany iray nisehoan'ny Fanahy Masina teo amin'ny fotoana nivavahany8O
Vavolombelona:efa namaky ny bokin'i Nenilava ianareo?
Tantara sy fijoroana ho vavolombelona.Ao amin'ny fiangonana 67 ha no misy mivarotra azy na any amin'ny fampielezana literatiora loterana,na mpampiely baiboly.Mitantara ny boky fa efa im-piry izy no matory ary misy amambolana maro ary dia hivavahana satria izy efa namela hafatra foana fa andeha ho any amin'i Jesosy. Nenilava no nomen'ny tompo fitenenana 12 isa ary niteny tamin'ny fiteny tsy fantatra izy.
^:^^:^^:^
Raha namaky ny tantara marina nalefako ho fijoroana vavolombelona ianareo"Mitomany Izy mahita ireo tsy nanaraka Azy".Tantara mikasika ny afobe.Olona anisany iray nisehoan'ny Fanahy Masina teo amin'ny fotoana nivavahany8O
24. ikaretsaka
(
18/05/2007 19:35)
diamondra27:
samy protestant daholo ireo
Ny dikan'ny protestant dia =mpanohitra...
dia mmpifanohitrohitra eo aby iznay ireo ko!
25. bonaventure
(
19/05/2007 16:40)
xxx:
niryna:
Mety teny tsy mbola hainao mihitsy ary dia lasa mitoriteny amin'iny teny iny ianao.Lavabe io fa fanazavana kely fotsiny no teneniko :D:
Io lazainao io no mamaly ny fanontanian'i xxx. Raha teny tsy fantatra tsy misy "cible" dia tsy mino mihitsy aho fa Fanahy Masina fa fanahy mantsina izany! Gasy daholo ve no manodidina sy itoriana teny dia tena tsy misy maha-kobo fa bla bla bla sy blu blou sy wan wan wan miaro kiakiaka no heno!
zaho efa nanao fandinihana fa tena tsy mampino lay izy e,maheno blibla ianao fa rehefa tena mifantoka ny fivavahana ianao dia manjary misy dikany @nao iny blibla iny
26. soanja
(
20/05/2007 06:44)
Ny Teny tsy Fantatra raisina amin'ny fotoana ivavahana, izay azo lazaina fa midina na mandray ny Fanahy Masina eo dia misy karazany roa:
-Ny iray izay ho anao sy Andriamanitra irery ihany no mifampiresaka. Langue nomeny anao io hiresahinao aminy. Ianao moa matetika midera azy amin'iny fotoana iny.
- Ny iray izay mitondra hafatra ho an'ny rehetra. Dia iny koa hisy handray ny Fanahy Masina koa ny hafa handika izany teny tsy azonao izany ho azon'ny rehetra.
tsy voatery takatry ny saina ny zava=bitan'ny fanahy masina. Ny finoana mantsy tsy miankina amin'ny hoe izao no logique sns satria Andriamanitra dia tsy manam-petra ny zavabitany ary isika olombelona dia bitika tokoa manoloana izany zavabitany izany. Ny capacite ny saintsika mety tsy hatakatra akory ny fahafahany ka aza miezaka mitady valiny ny NAHOANA?. Rehefa mahasoa sy manampy ny rehetra dia isaory Izy. Mahaiza hatrany mikatsaka ny tsara indrindra.
-Ny iray izay ho anao sy Andriamanitra irery ihany no mifampiresaka. Langue nomeny anao io hiresahinao aminy. Ianao moa matetika midera azy amin'iny fotoana iny.
- Ny iray izay mitondra hafatra ho an'ny rehetra. Dia iny koa hisy handray ny Fanahy Masina koa ny hafa handika izany teny tsy azonao izany ho azon'ny rehetra.
tsy voatery takatry ny saina ny zava=bitan'ny fanahy masina. Ny finoana mantsy tsy miankina amin'ny hoe izao no logique sns satria Andriamanitra dia tsy manam-petra ny zavabitany ary isika olombelona dia bitika tokoa manoloana izany zavabitany izany. Ny capacite ny saintsika mety tsy hatakatra akory ny fahafahany ka aza miezaka mitady valiny ny NAHOANA?. Rehefa mahasoa sy manampy ny rehetra dia isaory Izy. Mahaiza hatrany mikatsaka ny tsara indrindra.
27. bonaventure
(
20/05/2007 12:38)
zaho izany dia hanao temoin zavatra niainako,teto france:rehefa tsara petrapetraka sy nofitahin'ilay vadiko aho telo taona lasa izay ,fijaliana fitomaniana,eny gaga ianareo fa lehilahy no mitomany ,tsy menatra aho ny mitantara izany,satria mafy ny irery ny tena vahiny.rehefa nahita fiangonana aho dia nivantana teo @ pastera nolazaiko azy ny fahoriako,ny famoizampo eny hatr@ famonontena zay saika nontontosaiko: nivavahany aho ary niezaka aho ny mamaky baiboly eny meme pas trois dia foana ireo rehetra ireo ,eny na mbola mavesatar ato ampoko aza ny ratra izay nahazo ahy dia tena maivana ny miaraka @ Jesosy ,telo taona izay fa fifaliana lalandava ny fiainako zay probleme tonga eo dia toa ohatra ny rano andamosiny gana hoy isika rehefa arahana fivavahana ,matoky ilay Nahary aho asa ianao
28. xxx
(
20/05/2007 13:37)
nyrina: ilay miteny amin'ny teny tsy fantatra laizanao efa nojereko tany amn'ny baiboly fa tsy misy izany ao. Efa novakiko hatramin'ny dikan-teny voalohany izany hoe tamin'ny teny grika, fa tsy misy izany ao. Dia mba hazavao misimisy kokoa hoe azafady, fa hafa mihitsy ny ambaranareo mikasika azy io sy ny zava-nisy marina. Amin'ny teny greka izay volaza ao amin'ny Marc 16, 17 dia hoe:
midika hoe miteny ami'ny teny vaovao(azafady aloha fa tsy mety anoratana teny grika eto na efa niezaka ihany aza aho)
Fanamarihana: aza mampiana-diso fa manova ny tenin'Andriamanitra.
glossais lalesousin kainais
midika hoe miteny ami'ny teny vaovao(azafady aloha fa tsy mety anoratana teny grika eto na efa niezaka ihany aza aho)
Fanamarihana: aza mampiana-diso fa manova ny tenin'Andriamanitra.
29. ikaretsaka
(
20/05/2007 23:35)
toy izao koa io @ teny latinina (teny nampiasaina nandritra ny 2000 taona sy t@ andron'ny tompo: linguis loquentur novis: midika hoe ->manambara @ fiteny vaovao!
ity fanovanareo dikanteny ity tompoko o!:roll:
ity fanovanareo dikanteny ity tompoko o!:roll:
