FANDROAHANA MOPERA

1. naritsimba ( 11/05/2007 07:03)
Miarahaba antsika namana indray na dia efa elaela ihany aza izay no tsy nanoratana teto.
Voaroaka hiala eto Madagasikara ary tsy mahazo miverina miditra eto intsony ny mpitondra fivavahana ao @ EKAR iray, mpitondra ny fiangonana EKAR ao Anosibe Antananarivo, asa na inona na inona no antony, izy rahateo mpikambana ao @ SEFAFI (SEhatra FAnaraha-maso ny FIfidianana),
Fanontaniana no apetrako ka anjarantsika no mandinika 1- Fa maninona no tao aorian'ny fifidianana no noroahina izy?
2- Tsy voalaza mazava ny antony nandroahana azy sa sahy namoaka ny hala-bato t@ fifidianana dia enjehina?
3- Moa ve tsy tsapa @ izao fa izay olona te hampandroso ao anatin'ny mangarahara ka tsy manaiky miray tsikombakomba @ mpitondra dia hiaran'ny antsojay?
3- Mbola misy sahy miteny ve fa tena mitana ny fahamarinana sy ny fahamasinana ny Filoham-pirenena Ravalomanana mpitondra antsika?
4- Tsy manambara ve izao fa matahotra ny filazana ny marina ny mpitondra ka izay sahy mijoro @ izany dia na roahina raha vahiny ary samborina sy gadraina raha tera-tany Malagasy?
5- Moa ve tena misy marina ny fahalalahana ara-pivavahana eto Madagasikara?

Antsika no mieritreritra.
novalian'i prime ny 29/05/2007 13:42
2. nathie86 ( 11/05/2007 07:08)
Resaka politika ngamba io ka:roll:
3. pimaso ( 11/05/2007 07:28)
Mampalahelo anie ity valifatin'ny mpitondra @ EKAR ity e!
fa tsy maharesy anay izany io, fa ndao ary;
Resy any @ FFKM ve dia any @ secte sisa no manarina : adventiste, koa apokalipse koa, silamo sy bodiste koa ampidiro fa tsy maninona,
jereo fotsiny ireny 40% ny katolika erantany tany bresil ireny,
ho lasa conflit ihany izao ataon'ny fitondrana izao fa tsy hipetrapotsiny @ izao ny Pape;
Aza milalao Afo ingahy lehibe fa ho may ianao a!
;-)
;-)
;-)
4. hery ( 11/05/2007 08:08)
P. Sylvain Urfer no noroahina... fa tsy mompera tsy fantatra akory. Manana ny lazany sy fireha-keviny ara-politika. Tsy dia idirako iny.

Ny mahalasa eritreritra ahy dia ilay lazain'i naritsimba hoe "Tsy manambara ve izao fa matahotra ny filazana ny marina ny mpitondra ka izay sahy mijoro @ izany dia na roahina raha vahiny ary samborina sy gadraina raha tera-tany Malagasy?"

Raha nogadraina izy dia mety hoe marina io nolazain'i naritsimba io. Fa izy tsy nogadraina fa noroahina. Raha te hiteny izy dia vao mainka aza afaka miteny (efa nanao interview t@ AFP)... koa raha tena misy marina ny tsy rariny tamin'ny nandroahana azy inoako fa raha vao tonga aty andafy izy dia holazainy ampahibemaso.

Kia miandry izay holazain'i P. Sylvain Urfer izany satria efa tsy voatampim-bava intsony izy rehefa tonga ao Frantsa. Inoako fa afaka hilaza ny marina izy.
5. majesty ( 11/05/2007 08:12)
hoy naritsimba:

5- Moa ve tena misy marina ny fahalalahana ara-pivavahana eto Madagasikara


Misy ny fahalalahana ara-pivavahana eto Madagasikara satria na iza na iza dia afaka maneho ny heviny an-kalalahana,fa tsy dia amin'io resaka io loatra angamba no idiran'izany fa mety misy hevitra hafa ao ambadika ao izay tsy mbola hay ka dia mitovy hevitra amin'i Hery hoe aleo andrasana izay zavatra ho lazainy:D
6. sariaka ( 11/05/2007 09:18)
Tokony hojerena tsara hoe inona no antony nandroahana azy (nivoaka tamin'ny gazety Tribune, wanadoo sns io)fa tsy tonga dia raisina hoe sao matahotra ny filazany ny ho hala-bato ny mpitondra, na hoe aiza ny fahamarinana, fahamasinanana sns... Ny marina akory tsy mba maty fa ho hita eny ihany.
7. Jeankely ( 11/05/2007 09:22)
Diso malalaka loatra aza ny resaka fivavahana amin'ny Malagasy fa mba mandehana anie mitondra fivavahana any amin'ny tany Silamo fa ahita izany fahafahana makany amin'ny fasana izany ianao. Andraso ny fanadihadihana rehetra hitranga fa izay tsy izy ve tsy hiala foana amin'ny farany e. Nilaza ry zareo fa tsy afaka manao inoninona ny mpitondra ohatra tamin'ny resaka Tantely nohon'ny avy amin'i Frantsa ka andraso raha hisy fihetsika ataony indray ny amin'izany. Ny Pape ve hiditra direct amin'izany tsy lasa zavatra hafa e?
8. pissoa ( 11/05/2007 12:58)
:-D:-D:-D
ny silamo angaha no lasitra ?!

Ny antony nandroahana azy, rehefa samy miteny izy roa hoe tena izay tokoa dia izay vao mety ho marina. Fa raha mbola fanjakana fotsiny no manazava ... Toy ny mpanao ratsy avo lenta ao amintsika rehetra ihany ohatra ... misy voahenjika fa misy tsia ! Dia hiteny ve ianareo fa ny halatra tokoa no tena anton'ny fananjehana ?! ...
9. Fiffi ( 11/05/2007 14:39)
sariaka:
Tokony hojerena tsara hoe inona no antony nandroahana azy (nivoaka tamin'ny gazety Tribune, wanadoo sns io)fa tsy tonga dia raisina hoe sao matahotra ny filazany ny ho hala-bato ny mpitondra, na hoe aiza ny fahamarinana, fahamasinanana sns...
aleo hiany mitandrina am zay lazain'gazety fa.....:-w:-w:-w
Ny tsara angamba de aleo miandry ny ahatongavany aty de ho hita eo zay lazainy.....


10. ikaretsaka ( 11/05/2007 15:21)
manamarika kely fotsiny aho.
i Mompeta S Urfer, sj dia efa hatramin'izay no nanana firehana "tsy azoazon'ny mpitondra"

Za tsy mpanao politika ary tsy miditra lalina amin'izany, fa ny tantara no aoka hitsara, ohatran'ny niainan'ny EKAR hatramin'izay.
Eo foana!
11. Zina ( 11/05/2007 15:37)
inn zany sj?
12. rakaroka ( 11/05/2007 15:47)
"Quelle diplomatie"?...
Dé "ampinoana anay aty..."
ny hoe "Asandrato i Kristy!".
dia tao koa Ra8 ity?....
13. pissoa ( 11/05/2007 15:50)
hi hi hi
14. Zina ( 11/05/2007 15:58)
rakaroka [ Valio ] 11-05-2007 17:47:54
Lohateny : Re : FANDROAHANA MOPERA
"Quelle diplomatie"?...
Dé "ampinoana anay aty..."
ny hoe "Asandrato i Kristy!".
dia tao koa Ra8 ity?....


Ity nolazain'i Rakaroka ity no hampiteny ahy oe - miala tsiny aloha fa HS no sady tsisy idiran'ilay fandroahana an...-
Tsy tokony ho faly ve isika fa ny Tanin-drazan-tsika eo ambany'ny fahasoavan'Andrimanitra no sady mba manana "President" mba mivavaka? itako betsaka ny tezitra @ ilay prezy?????
15. rakaroka ( 11/05/2007 16:09)
Zina:

"President" mba mivavaka?


V-O-A-L-A-Z-A-N-A-O tokoa
mba mivavaka; fa tsy tena mivavaka!
Toa kilalao ilay fivavahana aminareo koa!:oops::oops:
16. pissoa ( 11/05/2007 16:10)
hi hi hi
17. ikaretsaka ( 11/05/2007 16:21)
io 'mba' 'mba' io e
18. Zina ( 11/05/2007 16:23)
rakaroka a au moins anie izy "mba" e...
iza no mahita mety "tena" avy eo? :wink:
19. Zina ( 11/05/2007 16:24)
rakaroka a au moins anie izy "mba" e...
iza no mahita mety "tena" avy eo? rehefa hidiran'ny Fanahy Masina :wink:

Mivavaha ho azy mba ho "tena" e:wink:
20. rakaroka ( 11/05/2007 16:25)
[quote=Zina]
rakaroka [ Valio ] 11-05-2007 17:47:54
Lohateny : Re : FANDROAHANA MOPERA
"Quelle diplomatie"?...
Dé "ampinoana anay aty..."
ny hoe "Asandrato i Kristy!".
dia tao koa Ra8 ity?....


Ity nolazain'i Rakaroka ity no hampiteny ahy oe - miala tsiny aloha fa HS no sady tsisy idiran'ilay fandroahana an...-

Ahoana ary no HS fa angaha tsy fandroahana moa no resaka eto?:-D:-D:-D
Sady vao ambetin-dresaka tsy ela anie ilay "hoe "asandrato i Kristy" dia i Ra-8 koa tao
hoy ianareo. Donk ho anay mpanara vao2 dia izao fandroahana Mopera izao izany ny "acte"voalohany akon'ilay fihetsehana goavana sa ilay "Asandrato Kristy" mijanona ao Mahamasina ihany fa tsy miako @ lé olona manatrika @ izay ataony?...:roll::-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5394