Lava loatra ny anaran'ny gasy mety ve raha afohezina?

41. kally ( 12/05/2007 08:24)
Ny ahy kosa tazoniko sy haveriko ny anarako kah!

Ny nahakamo dia misy banky iray izay anesorany frais mihoatra ny tokony ho izy foana fa jereny ny anarana angamba dia hoe itony vendrana dia ady isak'izay mandeha:twisted: fa dia nesoriko tao koa ny kaontiko ny niafaràny, izay angamba no notadiaviny:roll:

Ny nanahirana tamin'ny carte visa, saiky tsy omby teo ny anarana.

Ny tombony hitako dia tadidin'ilay olona foana aho vao manomboka fotsiny hoe Ra.. dia sady mitsiky zareo matetika no hoe atsy izay dossier izay,..tsy very mihitsy izany ny dossier-ko ary matetika io fa tsy indray mandeha.

42. sympa ( 12/05/2007 14:23)
johnnyandri> =)) =)) =)) =)) =)) milay kosa kô :!:
43. linarako2 ( 12/05/2007 18:18)
Nisy olona izay dia tena lava izany raha anarana
Ny an'Andrianampoinimerina moa dia 20 no isany fa mety ho tafiditra ihany.
Ity vehivavy ity indray dia mitapatapaka

Fenoarisoa Voahangy Masinando Harivelonjanahary Zokely Bernadette.Ilay bernadette aloha dia anarambazaha fa ny nakan'ny rar an'ireo anarana maro ireo no asa:P:P
44. fijo ( 14/05/2007 14:35)
kally,za koa efa sendra io frais matetika tsy hay fiaviana io,fa nony tsapany fa manaraka le compte tsara aho,de tsy niseo intsony le izy avy eo
45. rakaroka ( 14/05/2007 18:18)
'Za dia efa nitondra faisana matetika t@ "anarana".
Matetika ny "coupon'ny poste"na fandefasana entana ireny: kely dia tsy tafiditra eo ny anaranao anefa tsy afaka hanova ilay "coupon" eo no ho eo koa ilay olona. Ny soa ho ahy dia ny anaram-bady "vazaha" no apetraka: "pratika" kokoa amiko!
Efa Be ny entana nalefa no very tsy nahazoana "réclammation" noho ilay anarana tsy voapetraka @ tokony ho izy , afa-tsy ny emmerdemment
t@ admnistration! Ny anaran'ny ankizy koa dia faran'izay fohy no napetrako fa tsapako manana ny maha-izy azy koa anefa! tsy tiako hoe ho "sahirana" noho ny halavan'ny anaranatahaka izay nanjoa izao ny "ankizy" any aoriana!8O
46. sympa ( 14/05/2007 21:06)
=))=)) fa azo atao anakiray sy fohy loatra toin'ny "jao" koa aloa ny anaran-janakareo eee :!: :-D
47. sympa ( 14/05/2007 22:07)
=))=)) fa azo atao anakiray sy fohy loatra toin'ny "jao" koa aloa ny anaran-janakareo eee :!: :-D
48. sympa ( 14/05/2007 22:12)
=))=)) fa azo atao anakiray sy fohy loatra toin'ny "jao" koa aloa ny anaran-janakareo eee :!: :-D
49. Ratoa ( 15/05/2007 15:37)
Mbola misy fohy noho izany an! J (vakio hoe dzi).
Izay mahafaly ny fon'izay manome ny anarana re no tena mety an! Izany Church izany koa angaha mora vakiana hoy ianareo?
50. fijo ( 15/05/2007 21:30)
aleo wa amizao ihany
51. sympa ( 16/05/2007 11:07)
fijo> le hoe ve @ le lava be ve :?:
Raha izany de hiverina otry tery ambony indray izany ity malo ity kle :!: :-D:-D:-D
52. ronaldo09 ( 16/05/2007 14:38)
Ny anarana gasy razoky no tokana an-tany a!zany hoe ny anarana gasy irery ihany manana ny dikany ary tsy omemem-potsiny a!Ohatra hoe:Nirina,Mamy ,Manitra,Andry,Fara,Zo ,Malala....Ary ny anarana hafa ankoatry ny an'ny gasy angaha mba tahaka izany ?Ary raha ny halavany indray dia ny latino aericain no lava anarana indrindra ohatra fotsiny ny Bresiliana:
BEBETO: Bebeto José Roberto da Gama de Oliveira
RIVALDO: Rivaldo Vitor Borba Ferreira
RONALDO:Ronaldo Luis Nazário da Lima
RAI:Raí Souza Vieira de Oliveira
Ka hoy aho hoe ,tsy dia mampaninona io e!Ary ny anarana farany lava indrindra ary mbola record ange ka anarana gasy e!:ANDRIATSIMITOVIAMINANDRIANDEHIBE io no anarana lava indrindra eto an-tany hatramin'izao!
53. fijo ( 16/05/2007 21:25)
izay mihintsy,avelao amin'izao,fa tsy sarotra noho ny anarana polonais sy tatsinana hafa io
54. rakaroka ( 16/05/2007 21:35)
Io no samy manana ny feeling :
ny mahatsapa "fohy" mety tia "fanalavana" ...
Ao ny mpanaraka ny efa misy
Ao ny manaraka ny fiovana takian'ny fivoaran'ny fiainana koa!:-w:-w:-w.
Ny ahy aloha tsy tiako ny ampitondra "faisana" ny ankizy vokatry ny halavan'ny anarana satria "tsy mora" koa ny "mi-subir" izany dès fois.
Tsy hoe "simple feeling-ko dia ny zanako no hitondra mandra-maty ny "VESATR'izany" satria tsy voahevitro tsara, na satria hoe "gasy hono dia atao lava ny anarana: NON surtout pas de ma part! ho anareo tsy maninona ka!
55. cbd ( 17/05/2007 01:20)
Aiza manaraka ny any hafa fa ny anao ihany ary ataovy raha izany fa tsy hidirana lalina izany ee :!: :-/:-/
Samia manao izay mahafalifaly ny fony eee :!: (l)(l)
56. rakaroka ( 17/05/2007 06:34)
Dray! Ny fohy sy ny ankafizina indrindra misy koa toa ny :
"Fy", "Tia", "To", ko 'ndeha hi-compliqué fiainana @ zé anarana!:-D:-D:-D:-D
57. sympa ( 17/05/2007 15:34)
rakaroka>> Fy otry hoe ve matsiro io sa..... :?: =))=))
58. kally ( 17/05/2007 16:34)
Zanany io k'izay tiany e!:-D
59. rakaroka ( 17/05/2007 17:34)
sympa:

rakaroka>> Fy otry hoe ve matsiro io sa..... :?: =))=))


Eny: "Fy" io , mety hoe matsiro fa tsy voatery ho sakafo ihany fa betsaka ny zavatra mety ho
ankaFIzin'ny saina na ny tena manontolo ! mainka moa hoe "zanaka" izany! Anarana namana gasy
nahita "fikarohana" mikasika ny fiara mandeha amina
karazana "batery" tsy lasantsy izy io, dia notazomin-drizareo aty moa ilay ranamana!
60. fijo ( 17/05/2007 20:44)
ataovy fohy fa tazony ihany le gasy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331