Ny voninkazo,ny olona nataony inona no hifandraisanireo.

21. pissoa ( 09/05/2007 21:19)
hi hi hi, niova hevitsa i Zina :-D
22. niryna ( 10/05/2007 05:49)
cristal:

(l)(l)(l)Raha finoana no hitondrantsika azy dia tsara ny manao toy ny voninkazo satria izy ireny dia mampifaly sy manome endrika tsara ny manodidina satria nomen'ANDRIAMANITRA maimaimpoana ny fahatsarana!Ny tena tsapako ifandraisan'ny olona sy ny voninkazo dia izy mila fitiavana koa,raha olona tsy tia voninkazo no ampambolenao voninkazo dia tsy maniry dia tahaka izany koa ny zava-maniry sasany,tena marina zao lazaiko anao izao satria ao ampiasana misy madamanay zay dia refa tonga izy dia manao manahoana ny voninkazo rehetra aloha,dia nalaiko tahaka dia tena mety be!(l)(l)(l)

cristal =))=)) ahy ianao.Dia atao hoe manao ahoana ianao ry rose,ry tulipe sns ve:roll:
Misy hifandraisany tokoa izany hoe fitiavana izany.Ary manambara amintsika ihany koa fa mijery ny voariny Atra ka maika ve fa isika tsy ho jereny:?:

23. niryna ( 10/05/2007 06:00)
sonwin:

Io resakao io, sy izay tianao hatongavana amin'io, dia manaporofo sy manambara amintsika, fa tsy ao anaty baiboly ihany akory no ahitana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny hafatr'Andriamanitra ho antsika, fa amin'ny alalan'ny zavaboary ihany koa.Ny fandinihina zavaboary dia ahitana hafatr'Andriamanitra. Tsy misy toko sy andininy io na kely aza.Noho izany, tsy voatery hisy porofo ara-baiboly daholo akory ny zavatra rehetra.

Misaotra anao ry sonwin.Eny ao anaty baiboly daholo no ahitantsika ny hafany ary dia ampiarina amin'ny fiainana.Misy maro dia maro tokoa ao anaty baiboly ary omeko santionany ianao:D
Indraindray ny tena mieritreritra hoe tsy mahafantatra ny mahazo ahy Izy na hoe fa maninona no tsy mamaly na misy zavatra mahazo ahy toy izao.Eny fantany dia fantany tokoa ny olana mety misy eo amintsika fa indraindray izy dia miafina satria tiany hanantona azy isika.Raha ny zava-boary aza kolokoloiny maika fa isika izay nataony nitovy taminy?Fantany isika,fantany ny fahoriana mahazo antsika,fantany daholo ny momba antsika toy ny fahafantarany ireo vorona sy voninkazo maniry ireo.Indraindray mieritreritra isika hoe toa maty ilay voninkazo namboleko kanjo tonga ny fotoana iray io fa naniry ary nitsimoka indray:D.Toy izany koa isika misy fahoriana na misy zavatra mahazo dia mikomy ny fanahy ary misy aza miverin-dalana fa tsy mamaly antsika izy,misy ny manana finoana ary dia miverina ny aina,nahazo herin'ny fanahy masina ary nisaotra Azy:D

24. niryna ( 10/05/2007 06:40)
sonwin>ny zavatra rehetra dia mila jiro manazava azy daholo eny fa na misy aza ny zava-maniry tsy atao talaky masoandro dia misy fanazavana fa apetraka eo akaikin'ny jiro mirehitra.Jiro ihany izany.Mila rano koa ary matetika dia maty raha tsy misy rano raha mbola miaina na velona koa.Dia toy izany koa ny olona mila jiro sy mila rano dia I Jesosy izany.Izy no jiron'ny lalantsika ary ranovelona tsy mety ritra.

Salamo 1:3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy .Izay mamoa amin'ny fotoany .Ny raviny koa tsy mba malazo .Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.

Ireo izay mitady sy mino Azy izany dia ny teniny no hivelomany.Koa ireo izay mihaino sy manaraka ny teniny dia tsy angetaheta intsony fa manana ny ranovelona.

Jaona 7:38Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny ranovelona hiboiboika avy ao an-kibony,araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
Ny finona azy dia efa hery lehibe ho antsika

1 Pet 1:24-25Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra .Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra.Malazo ny ahitra fa mihitsana ny voany fa ny tenin'ny Tompo maharitra mandrakizay.
Mazava ho azy fa matanjaka isika,ho tonga ny andro tsy ananantsika hery intsony kanefa na izany aza raha miaraka aminy isika dia hanana ny fiainana mandrakizay.

Jaona 15:5 Izaho no voaloboka ianareo no sampany .Izy miray amiko ary izaho aminy,dia mamoa be izy;fa raha misaraka amiko kosa hianareo dia tsy mahay mana o na inona na inona.
Amiko ny fahazahoako azy dia tsy afaka manao na inona na inona toy isika raha tsy miaraka amin'ny Tompo ary toy ny zava-maniry rehetra raha tapaka sampany dia tsy hisy na voninkazo na voankazo.Koa rehefa nomeny antsika izany hery sy fanantenana izany dia ny mitandrina ny didiny ,mianatra ny teniny, mampiasa izany ao am-po sy amin'ny fiainana ary ny didy vaovao izay nomeny dia ny hifankatiavantsika tsirairay avy.

Izay no tiako tenenina ka asa na misy fanamarinana na afaka manitsy izay tsy manaiky fa fampianarana ho antsika rehetra moa no tanjona tiantsika tsirairay.:D
(l)niryna
25. majesty ( 10/05/2007 07:22)
Hoy sonwin:

Io resakao io, sy izay tianao hatongavana amin'io, dia manaporofo sy manambara amintsika, fa tsy ao anaty baiboly ihany akory no ahitana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny hafatr'Andriamanitra ho antsika, fa amin'ny alalan'ny zavaboary ihany koa.Ny fandinihina zavaboary dia ahitana hafatr'Andriamanitra. Tsy misy toko sy andininy io na kely aza.Noho izany, tsy voatery hisy porofo ara-baiboly daholo akory ny zavatra rehetra.


Ny baiboly dia ampy ahafantarana ny sitrapon'Andriamanitra,raha mitodika fotsiny mijery ny voninkazo ohatra dia tonga ao an-tsaina avy hatrany hoe tsy tonga tonga hoazy io fa nisy namorona,ary izany eritreritra izany dia vao maika hazavain'ny soratra masina indrindra tamin'ny andron'ny namoronana raha mamaky ny toko voalohan-dohany ao amin'ny Genesisy ao isika,manampy izany ihany koa ireo toko sy andininy hafa mampitodika ny saina any amin'ny zava-boahary (ny voninkazo moa no resaka eto)ary na ry Mpanjaka Solomona aza dia nandinika ireny tamin'ny fomba manokana mihitsy, ohatra:
"Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany,sy Lilia eny andohasaha" tononkira 2:1
ry Joba:"Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana..." Joba 14:2
26. sonwin ( 10/05/2007 08:13)
majesty> Mpanjaka Salomona> nandinika mafy ny zavaboary,nanana baiboly angaha izy?
Joba> dia izay ihany koa! nisy baiboly angaha teo?

Nahoana ny olona voalaza ao anaty baiboly no afaka niresaka tamin'Andriamanitra tsy nila baiboly ka isika ankehitriny no tsy afaka hiresaka aminy raha tsy ao anaty baiboly ihany? sa lasa moana Izy ankehitriny?

Fehiny: samy manaiky ny baiboly isika, nefa tsy voafehy ao anatin'io baiboly io akory ny tontolom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra.

niryna> vakio io fehiny nosoratako eo ambony io.
27. majesty ( 10/05/2007 08:30)
Azoko tsara ny tian'i sonwin ho lazaina kanefa izao;
fa inona moa ny Baiboly = tenin'Andriamanitra.
Ry Adama sy Eva zao ohatra,niresaka nivantana tamin'Andriamanitra izy,fa taty aoriana rehefa tafiditra teto amin'ity tontolo nisy antsika ity ny fahotana,dia noroahana tao Edena ireo razamben-tsika ireo ary nanomboka teo koa Andriamanitra dia tsy dia niteny nivantana tamin'olombelona rehetra intsony afa tsy ny sasantsasany ihany (izy no mahalala ny antony)toy ny mpaminany sns,ary nisy tamin'ireny no nolazain'Atra ny Mpaminany mba ho tehirizina an-tsoratra,ary ireny no nampiasain'ny olona teo aloha;ary anisan'ny nampiasa an'ireny i Solomona ,ry Davida sns
ohatra:"Makà horonan-taratasy ianao,ka soraty amin'zany ny teny rehetra nolazaiko taminao ny amin'ny Israely sy ny Joda ary ny firenena rehetra,hatramin'ny andro nilazako taminao..."Jeremia 36:2

Ary amiko dia boky feno ny baiboly no tsy lany andro ary ampy hifandraisana amin'Atra:D
28. sonwin ( 10/05/2007 08:59)
Moana izany Andriamanitra ankehitriny fa efa voalazany ao anaty Baiboly daholo ny tiany lazaina? Dia ahoana koa ireny olona tsy mahay mamaky teny ireny? dia ahoana ny olona moana sy marenina?

29. ikaretsaka ( 10/05/2007 14:43)
sonwin>
Misaotra anao... tena nisy nanontany ahy an'io fanontaniana io tany @ dezaka tany Madagasikara

natao ho an'ny mahay mamaky teny sy ny tsy moana sy tsy marenina ihany ve izy io..
30. rakaroka ( 10/05/2007 14:59)
Ilay fiheverana anie toa hoe "Dieu appartient seulement" à une minorité de perso dia izay mpandinika "baiboly" ihany ! De toute façon araka ny voasoratra dia "vitsy" anie ny ho vonjena satria tsy ampy rahateo ny toerana, ka dia anjaranao ny mieritreritra e!:roll::roll::-D:-D:-D
31. linarako2 ( 10/05/2007 15:19)
sonwin:

Moana izany Andriamanitra ankehitriny fa efa voalazany ao anaty Baiboly daholo ny tiany lazaina? Dia ahoana koa ireny olona tsy mahay mamaky teny ireny? dia ahoana ny olona moana sy marenina?



Manitikitika ahy izany teny izany.Na mahay mamaky teny aza izy tsy mamaky,moana indray efa misy nomena fahaizana hanazava ireny,fitiavan'Andriamanitra koa izany amiko.Tsy fantatro hoe aiza no misy hoe raha mino isika ka toy ny voantsiperifery aza dia ho tonga ngezabe izany.
Toa fanoharana mikasika ny voly koa no nataon'i Jesosy.Mamafaza voa fa aza mba malaina.Ny fahalalako izany dia hoe toroy ny filazantsara .

32. sonwin ( 10/05/2007 16:26)
linarako2> eny saingy tsy mahavaly ny fanontaniako ireo. Raha novakianao ny nosoratako tany ambony dia ho azonao kokoa ny fanontaniako teto ambany satria mifampitohy.
33. Rasiligaoma ( 10/05/2007 21:54)
moana ve izany Andriamanitra ankehitriny fa dia efa voalazany ao anaty Baiboly daholo ny tiany lazaina?

Reflections kely tsotsotra hanampiako azy koa:
raha jerena dia saika ireo mpanoratra lalàna sy ny fariseo ange no tena mpandinika ny soratra masina sy ilay mpanao reference sy nifanaraby t@ tompo.. e
anjarantsika ny samy mandinika ny tenany
34. Zina ( 11/05/2007 00:07)
pissoa [ Valio ] 09-05-2007 23:19:19
Lohateny : Re : Ny voninkazo,ny olona nataony inona no hifandraisanireo
hi hi hi, niova hevitsa i Zina


Ndry aloha tsy mahay afa tsy mi-critiquer ahy fona za tsy miraharaha an'izany:P
ahona aho no niova hevitra??? Ahitana an'Andriamanitra daholo ny zava-boariny rehetra fa en plus misy ny TENINY, ka tsy hitako mohitsy izay hovaiko hevitra.. Ireo natiora rehetra dia mampiseho fa misy Andrimanitra.:wink:

oy i sonwin,
sonwin [ Valio ] 10-05-2007 10:59:56
Lohateny : Re : Ny voninkazo,ny olona nataony inona no hifandraisanireo.
Moana izany Andriamanitra ankehitriny fa efa voalazany ao anaty Baiboly daholo ny tiany lazaina? Dia ahoana koa ireny olona tsy mahay mamaky teny ireny? dia ahoana ny olona moana sy marenina?

Tsy moana izy fa tsy afaka miseho nivantana otrany nataony taloha intsony izy satria nohon'ny fahotana.
Izany no nanomezany antsika ny Baiboly=tenin'Andriamanitra
35. Zina ( 11/05/2007 00:50)
adiniko ny nanazava ny fahotana...
satria hatramin'ny naha tongavan' ny fahotana dia tsy mahatanty ny fahazavany intsony ny olombelona...

arak'ilay lazain'i majesty io ...

Ry Adama sy Eva zao ohatra,niresaka nivantana tamin'Andriamanitra izy,fa taty aoriana rehefa tafiditra teto amin'ity tontolo nisy antsika ity ny fahotana,dia noroahana tao Edena ireo razamben-tsika ireo ary nanomboka teo koa Andriamanitra dia tsy dia niteny nivantana tamin'olombelona rehetra intsony afa tsy ny sasantsasany ihany
adiniko ny nanazava ny fahotana...
satria hatramin'ny naha tongavan' ny fahotana dia tsy mahatanty ny fahazavany intsony ny olombelona...
36. cutie ( 11/05/2007 01:25)
Mpandefa : rakaroka [ Valio ] 10-05-2007 16:59:52
Lohateny : Re : Ny voninkazo,ny olona nataony inona no hifandraisanireo.
Ilay fiheverana anie toa hoe "Dieu appartient seulement" à une minorité de perso dia izay mpandinika "baiboly" ihany ! De toute façon araka ny voasoratra dia "vitsy" anie ny ho vonjena satria tsy ampy rahateo ny toerana, ka dia anjaranao ny mieritreritra e!

sady tery be hono ny lalana mankany @ famonjena e lol
sady efa voaisa koa moa izy teo lol
37. Rasiligaoma ( 11/05/2007 01:27)
Tsy moana izy fa tsy afaka miseho nivantana otrany nataony taloha intsony izy satria nohon\'ny fahotana.

tsy azoko.. i jesoa tamy nohon\'ny fahotana ho\'zy nareo.--> ireo olona taloha izany tsy nanota??

nofafany ny fahotana tamin\'ny rany ho\'zy nareo
dia ahoana no lasa hoe nohon\'ny fahotana indray?

dia nomeny ny Baiboly isika->tenin\'andriamanitra.
.. ary moana be sy miangatra izany Andriamanitra inoanareo izany fa izao tontolo izao nataony ngooooooooozabe dia 1240 pejy fotsiny ny teniny!
38. cutie ( 11/05/2007 01:29)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
39. Rasiligaoma ( 11/05/2007 01:47)
cutie> marina e... aleo izy hanazava..
miaraka @ arguments mba matotra fa tsy bontolo be fotsiny
40. majesty ( 11/05/2007 07:28)
hoy sonwin:

Moana izany Andriamanitra ankehitriny fa efa voalazany ao anaty Baiboly daholo ny tiany lazaina? Dia ahoana koa ireny olona tsy mahay mamaky teny ireny? dia ahoana ny olona moana sy marenina?


Moana ve Andriamanitra?fa maninona izy no tsy miteny mivantana amintsika intsony ankehitriny?

\"fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako,hoy Jehovah\" Isaia 55:8
Izy no mahalala ny antony,ary izay no maha Atra azy.

Ho an\'ny olona tsy mahay mamaky teny:betsaka ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra kanefa mafana fo eo amin\'ny fanarahana ny Tompo satria afaka mihaino sy mandray ny fampianarana atolotra azy izy.
Ny moana sy marenina:afaka mamaky ny soratra masina ireny ary mbola misy koa ary ny fomba ahafahana miresaka aminy amin\'alalan\'ny fihetsika.

hoy rasiligaoma:

.. ary moana be sy miangatra izany Andriamanitra inoanareo izany fa izao tontolo izao nataony ngooooooooozabe dia 1240 pejy fotsiny ny teniny!


\"ary misy zavatra maro hafa koa nataon\'i Jesosy,ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany,ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra\" Jao 21:25


hoy rasiligaoma:

tsy azoko.. i jesoa tamy nohon\'ny fahotana ho\'zy nareo.--> ireo olona taloha izany tsy nanota??

nofafany ny fahotana tamin\'ny rany ho\'zy nareo
dia ahoana no lasa hoe nohon\'ny fahotana indray?


Efa vitan\'i Kristy teo amin\'ny hazo fijaliana ny famonjena tamin\'ny nandatsahany ny rany ho fanavotana antsika,fanontaniana mipetraka hoe,rehefa Kristiana ve izany dia tsy manota intsony satria efa maty Jesosy nisolo antsika,valiny tsia,hoy indrindra ny soratra masina hoe:\"fa fahafatesana no tambin\'ny ota\" Rom 6:23 izany hoe matoa isika mbola mety maty dia mbola mpanota izay kanefa,eo no mahasamihafa ny Kristiana,satria manana mpisolo vava ao amin\'ny Ray isika manao fanelanelanana ho antsika dia Jesosy Kristy ilay marina.

\"Anaka,izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo,ary raha misy manota,dia manana solovava ao amin\'ny Ray isika,dia Jesosy Kristy ilay Marina\" 1Jao 2:1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3008